fanamby hoanareo mpino

21. jefra ( 01/03/2007 11:38)
Izaho tena nivavaka ho anao fijo. Dia nobitsihany aho hoe "Asaivo miandry kely iray segondra izy!".

Ny tohiny tsy haiko fa dia mba tantarao anay :wink:
22. prime ( 01/03/2007 14:52)
fijo> Eny tokoa aza maka fanahy an'Andriamanitra r'ise a... heverin'i fijo ve fa tsy vitan'Andriamanitra ny hampahazo izay "loto" indray maka? mbola manana zavatra tsara lavitra noho ny vola (eritreretina ho be azo @ loto) atolotra an'i fijo Izy dia ilay fiainana mandrakizay... ilay fitiavana sy fitahiana isanandro isanandro tsy mety ritra...

"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy." Salamo 34:8... Tena marina io an... andramo dia ho hitanao ny tena fifaliana marina...

"Izao no lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay." Jeremia 6:16
23. naughtyboy ( 01/03/2007 16:38)
zao anie letsy ry fijo a,ka tsy banky anie na mpamatsy arabola no dikany finoana fa betsaka anie no nanana faniriana otran'ela io sy nieritreritra oe ra tanteraka ireny fanirina reny de hiditra mpanaraka aho.Tsy priorite ngamba io @ fo sy fanahy fa mijanona fifaliana vety2 ho any vatana sy saina
fa ra hoe omeo harempanahy bdb aho de mino aho fa vailny toko ny vavak'ela fa andramo
24. Fiffi ( 01/03/2007 19:23)
heu.....raha nihaino ny homelie indray mandeha zay zah de ozy le pretra hoe "aza manantena nareo hoe ho valian'Andriamanitra t@ fivavahanareo hoe ataovy zah no ahazo ny loka be" satria hono Andriamanitra tsy mamaly an'zany........
25. fijo ( 01/03/2007 21:37)
naughty an,raha homeny ahy tokoa io ,hivavaka aho ka.ary hijoro vavolombelona mihintsy.
fa matoa izy tsy hafaka manatanteraka an'io dia na izy fopla,na dia tsy mihaino vavakareo,na dia tsy misy fotsiny izao.
tsy maka fanahy aho,fa mila profo tsapako ka.
misy milaza fa ny vola dia manalavitra an'andriamanitra.ery ambony ery.dia ny mifanohitra no hoataoko raha ataony mahazo aho.fa mivavaha ianareo e
26. LazaDaddy ( 02/03/2007 00:10)
fijo:
raha homeny ahy tokoa io ,hivavaka aho ka.ary hijoro vavolombelona mihintsy.
ka ilay demoniaka nijoro vavolombelona hoe "Ry Jesoa zanaky ny Avo indrindra" aza norarany satria tsy ilainy ny fiderana vokatry ny "ratsy" :)

fijo> izaho anie efa mibaboka fa misy zavatra tsy vitan'Andriamanitra e: tsy vitany ohatra ny mangalatra:)
27. ikaretsaka ( 02/03/2007 03:28)
fijo>za hoa tena efa nivavaka ho an;ialahy no nisy nibitsika hoe tsy le numeros nahazo no nalain'ialahy dia nijanona aho
28. fijo ( 02/03/2007 06:27)
ika.hi hi hi ,kiiiiii asaivo atorony ahy letsy le tena mahazo an.
laza an,ka tsy halatra wa io,fa zavatra ef ahomena fotsiny.mila mahazo le N° tena izy fotsiny anie e.ivavao ao letsy e
29. naughtyboy ( 02/03/2007 15:35)
fijo aza tezitra ela ra lazaiko zvmisy 1,efa niverina matetika teto ny resaka oe ny olombel tsy lavitra ny biby ny mahasamihafa azy fotsiny de ny fanahy: ny alika zao de taitra ny taolana rehefa mahita an'iny de otrany mahita an'A.tra
ny oul taitrany harena,fahefana sns refa mahita ireo de tsy misy hafa @ le ohatra voalohany io(besoin temporel daoly nefa reo)fa misy ny tsy takamaso tsy itadiavana porofo ze mety mahasambatra io le fanahy
porofo mivaingana no tadiavina eto O.K atomboko @ ty tantara tena marina ty ary fa mahareta.
ty taonjato niainantsika ty no niseho ny tantara nisy lhl iray ze tsy nananjazava-mahaory azy t@ fiainana,afatsy 1 monja :fahasalamana nanana olana lery any @ atidoha zay tratrany homamiadana.
nampiasainy ny volany sy reo fahalalana nanany itsabona io nefa ny vahaolana de1 ihany nila transplantation lery ,$22million t@1990 tany no atolotra zay sahy manome organa azy.lasa teny ny taona tsy nisy sahy nanolotra azy ka indrisy fa tsy voavonjy lery .ny tiako lazaina eto zany eritrereto
fa zv rehetra miasa sy mirindra ao @ vatana sy saina ary ny rindrampiainany ts1.1 de efa harena tsy toko tsy forohana raha anana'ela reo de efa manankarena sahady ela zay ,nefa aza adino fa tsy tonga2 ho azy avy @ dada sy neny reny fa sombiny hanehoany ilay ts toha zay (tsy hita maso) ny voninahiny,ary ahoana ko
mo zany oe te ahazo zv fotsiny nefa tsy mba te ahafantatra le mpanome io soa irinao io de tsy itombina ho azy le fanirina
30. eritra ( 02/03/2007 20:46)
Ahoana r'ise ry fijo ah
Tsara tokoa ny lohateny nataon'ise hoe fanamby ho an'ny mpino satria amin'ny fiainana kristiana dia mitoetra lalandava izany toa ny hoe fanamby izany oh hamaky tenin' Atra isanandro, hiezaka tsy handainga intsony sns fa raha ilay lazain'ise indray dia ziao no hevitro :
Voalohany dia na ny kristiana aza tsy tokony hanao loto dia izahay indray v no hivavaka hanaovan'ise loto noho izany dia diso fiantefa ilay vavaka ( hoy ny Soratra Masina : ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao ; izany tsy hoe ny hasasaran'ny soavaly nany kodiarana loto sns)

Izao kosa anefa araka ny voalaza ary ambony ary dia somary mifamadika ihany ilay zavatra tadiavin'ise , hazavaiko ny hevitro:
Hoy ny SM : "raha mino Ahy ianareo dia angataho zay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany" izany hoe ny finoana an'i Jesoa Kristy no mialoha ny fangatahana fa tsy ny mifzamadika amin'izay akory.

Fehiny mety hoy ise hoe tsy mahavita azy izany ny Atrareo dia hoy aho hoe : Andramo ka izahao fa tsara Izy ( lazaiko aminao fa tsy mbola nahita fifaliana mihoatra noho ny tao aminy aho teo amin'ny fiainako ary omeny anao koa izany raha vonona ianao: tsy fanatisme averiko indray fa tena niainako ary mbola iainako ary hiainako ka anasako anao koa raha sitrakao

Mirary soa ho anao
31. fijo ( 02/03/2007 23:03)
ka tsy lasa kosa raha hoe hino aho aloha kle.raha hino aho nefa tsy ataony mahazo akory ve ahoan aizany kle;
za koa aloha mihaiky fa ny fahasalamana no ambony indrindra e.izay tsy hiadian ahevitra,
fa le vola wa hanaovako asa soa .
32. linarako2 ( 03/03/2007 00:39)
fijo:

ka tsy lasa kosa raha hoe hino aho aloha kle.raha hino aho nefa tsy ataony mahazo akory ve ahoan aizany kle;
za koa aloha mihaiky fa ny fahasalamana no ambony indrindra e.izay tsy hiadian ahevitra,
fa le vola wa hanaovako asa soa .

Mila miverin-dalana ianao tompoko,tsy any amin'ny route izay alehanao no tokony alehanao.Antsoy izy dia hamaly anao ary hanoro anao ny lalana tsara izay efa miandry anao.

33. fijo ( 03/03/2007 01:20)
andriamanitra ôôôôooo^^ô^;
toa tsy misy mamaly le?
34. ikaretsaka ( 03/03/2007 02:06)
fijo:

ika.hi hi hi ,kiiiiii asaivo atorony ahy letsy le tena mahazo an.
laza an,ka tsy halatra wa io,fa zavatra ef ahomena fotsiny.mila mahazo le N° tena izy fotsiny anie e.ivavao ao letsy e



tsy mety hono ny manoro an'ialahy an'izany satria ialahy olona nateraka hanana safidy
35. fijo ( 03/03/2007 05:02)
tsy misy mihintsy lery izany ko.
ary raha sanatria misy aza tsy tia ahy ka aleo izy hoany
36. niryna ( 03/03/2007 08:34)
fijo:

izao ary ry zareo mpino an.
hanao loto europenaina aho.koa satria hoy ianareo hoe ny vavakareo no nampiova ny lalan'ny rivodoza tsy nankany mada,dia mivavaha koa ary ahazoako amin'io loto io.fa raha tanteraka izany,dia sady hino an'andriamanitra aho,no hanangana fiangonana iray lehibe ao mada.



:roll::roll:Tsy mino maty raha tsy avy mandevina.Hiandry loto vao hino an'Atra? Aleo izahay ihinana vary sy anana.Ny anay tranobongo misy ronono ka sarotra atao malahelo, fa tsy handidy an'Atra hoe Omeo vola aho dia hino anao=))=))=))
Efa nandefa io sujet io aho satria nisy olona nangataka fivavahana tamiko ary nilaza izy fa raha mahazo vola dia hanome vola ny fiangonana.Tsy ny volabe-ny no tadiavin'ny fiangonana fa ny hamonjena ny fanahiny ka mitondra izay vola foiny
37. tywa68 ( 03/03/2007 09:21)
fijo : tena niantso azy marina ve ? :-D:-D

38. naughtyboy ( 03/03/2007 15:23)
Hoy i Fijo :tsy misy mihitsy lery izany ko,raha sanatria misy tsy tia ahy ka aleo izy ho any
tsy misy hafa ny zaza 1 midongy zv @ RAR ty resak'ela
ty.
N.1:ny RAR aradalana de mahalala ny mahasoa ny zanany
na tsy hino ze lazainy aza ny zaza, fantany ny ataony
N.2:@ mahazaza ny zaza de voafetra ny fahalalany zv
ka anjarany RAR no manitsy azy @ safidiny ndray2
De mbola porofo 1 tonga eo ambaravarana ndray iny fa Ray izy ary sika rehetra de zanany
39. tywa68 ( 03/03/2007 15:36)
tena marina mihitsy : samy zanany daholo.
40. Fanambinana ( 03/03/2007 17:41)
Fijo: Ny Andriamanitra inoanay ry namana dia FITIAVANA. Ny iainan'ny olona izay fitiavana izay no kendreny. Ary tsoriko aminao fa raha hahazo vola amin'ny loto no antony hivavahanao na hatongavanao kristiana de tsy hahazo ianao akory satria : tsy fitiavana ny anao fa FITIAVAM-BOLA sy FITIAVAN-TENA. Fahotana ilomanosan'ny maro amin'izao fotoana izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2523