iza moa jesosy?
1. fijo
(
14/02/2007 22:52)
raha zohina ny tantarany dia olondratsy izy.
-zanakandriamanitra.
izay no lazaina.nefa raha dinihana,dia loza be,fa tamin'izany andro izany anie ka tena fahotana mahafaty ny hoe vehivavy bevohoka tsy manambady izany e.mety hiafara amin'ny famonoana io.hatramin'izao aza mbola misy izany any amin'ny tany nisy azy.
i maria anefa dia bevohoka tsy nanambady.ary soa fa nisy josefa nanaiky ny hanambady azy,sy niantoka ny vohoka,fa raha tsy izay dia tys nisy i lery.

novalian'i niryna ny 12/03/2007 03:16
2. fijo
(
14/02/2007 22:55)
dia nitombo indray izy,dia nanomboka nanohitra ny lalana sy ny fampianarana nisy tamin'izany.ary dia niafara tamin'ny fananganana "sekta"mihintsy aza moa.raha ankehitriny lery no niaina,efa voararan'ny lalana.
dia lasa nisintaka ny fiarahamonoina.dia nanao toetran jiolahy."mandrava tsena".ary farany moa dia voasambotra ary notsaraina ka voaheloka satria mpandika lalana.
izay ilay olona hinoan'ny be sy ny maro.

3. menafotsy
(
14/02/2007 23:35)
Koa tsy misy hilaza indray ve hoe i Tsimiandravola ihany i fijo?
Izaho mantsy nolazain-dry zalahy hoe Tsimiandraavola hono!=))=))=))=))

4. kiranil
(
14/02/2007 23:55)
Dia ampiako hoe :
Jesosy Kristy, dia ilay Andriamanitra tonga nofo izay nanaiky ny ho faty hisolo voina ny olombelona mpanota ary hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, ary nampianatra ireo "vitsy" [fa tsy maro] izay tena manaraka sy mino Azy hitia an'Andriamanitra, hitia ny namany, ary tsy ankahala ny fahavalony:
"hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. "
"Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy."
"Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo."
Lioka 6.
Misaotra lesy ra fijo nanoratra ito size ito fa fomba iray hanamafisako fa ilay Andriamanitra, lehibe noho ny andriamanitra rehetra, izay arahiko dia Andriamanitra mpamindra fo, Andriamanitra fitiavana fa tsy fankahalana, ary mbola miantso ireo izay manaiky hanetry tena mba hibebaka noho ny fahotany sy hino ny famonjena tokana natolotry Jesosy Kristy.
"Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko." Isaia 66:2

5. kiranil
(
15/02/2007 00:21)
"Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny."
Salamo 10.
"Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara." Salamo 14
Inona no nampianarin'i Jesosy Kristy momba ireo manohitra an'Andriamanitra?
"Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina." Matio 5.

8. kiranil
(
15/02/2007 01:30)
cutie> miala tsiny ary cutie a.. :D Betsaka ny tiako zaraina no mahatonga an\'io fa miala tsiny na izany aza.
Aleo asiana hira kely ndray ary alou handinihana an\'ity size ity :
http://youtube.com/watch?v=9JL5ksyg7QE :D
\"Fa izao zavatra izao no nataon\'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.\" Isaia 66:2

9. LazaDaddy
(
15/02/2007 01:58)
fijo:faniriako hoe ny be sy ny maro no mino Azy saingy diso hevitraianao fa vitsy dia vitsy ny tena mino Azy :oops:
izay ilay olona hinoan'ny be sy ny maro.
Ny fomba fijerinao Azy indray dia ekeko tanteraka amin'ny maha fomba fijerin'olombelona azy. Ary tsy hiadiako hevitra fa tsy anjarako izany fa anjarany :)
10. majesty
(
15/02/2007 05:19)
Fijo:
Samy manana ny fijeriny ny soratra masina ny olona tsirairay,io fomba fijerinao io zao ilay lazaina hoe "version satanique de la bible";misy ny olona sasany ary mifaninana mihitsy mijery teny ratsy sns ao anaty baiboly;ary tena mahita tokoa,dia izay no mahafaly azy.
i Maria nitondra vohoka tsy nanambady tamin'i Jesosy,na dia nolazaina fa mbola virjiny aza; tsy nenjehina izy sady tsy noesoin'ny fiaraha-monina satria Andriamanitra no mifehy ny toe-javatra rehetra.Vitsy dia vitsy izany lehilahy hampiakatra olona bevohoka ho vadiny izany nefa tsy izy no nahabevohoka azy kanefa nanaiky Josefa satria ny Anjely Gabriela mihitsy no nanambara taminy izay zava-miseho araka ny sitra-pon'Andriamanitra,ary vokany nifankatia tsara i Maria sy Josefa avy eo satria mbola niteraka ny rahalahy sy anabavin'i Jesosy ry zareo avy eo.
Nanokatra secta izy avy eo satria ny mpitondra fivavahana tamin'izany andro izany dia nitarika ny olona tamin'ny fivavahan-diso,ary nanenjika azy noho izany ka tamin'ny alalan'ny secta indray no nahafahany namerina tao am-pon'ny olona ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fivavahana aminy araka ny tokony ho izy izay izy mihitsy no namela ohatra (izay koa angamba no nahatonga an'i Lotera hilaza hoe:raha ny secta no lalana ahafahako mahita ny lanitra dia hirotsaka ho anisany aho)
Nandrava ny tsena teo an-kianjan'ny tempoly izy mba ho fanaporofoana fa ny tempolin'Andriamanitra dia natao ho toeram-pivavahana fa tsy fanaovana business akory (satria tamin'izany andro izany dia nisy fananararaotana maro teo,t@ fivarontan-javatra amin'ny vidiny mihoam-pampana sns)ary mbola adidin'ny kristiana hatramin'zao ny tsy tokony hijery fotsiny ny tsy fahamarinana miseho na aiza na aiza fa tokony hijoro kosa hanamafy orina izany.
Notsaraina Jesosy avy eo ary nomelohina ho faty,na dia tsy nahitan'ny mpitsara tamin'zany andro izany izay helony sy izay tsininy.Pilato ary sahy nilaza mihitsy hoe "tsy hitako akory izay helony" ka nahatonga azy nanasa tanany fa tsy tompon'antoka t@ ran'io lehilahy io.
Raha zohina izay rehetra izay dia noho ny fitiavan'Andriamanitra antsika ka tsy tiany hisy ho very ny olona rehetra fa mba samy hanana ny fiainana mandrakizay ka ny zanany mihitsy no nirahiny hanatanteraka an'izay lalana rehetra izay ho fanavotana antsika,io ilay antsoina hoe "DRAFI-PANAVOTANA":D

12. Fiffi
(
15/02/2007 06:30)
LazaDaddy:miombon-k'hevitra @ nao zah @ io.......
Ny fomba fijerinao Azy indray dia ekeko tanteraka amin'ny maha fomba fijerin'olombelona azy. Ary tsy hiadiako hevitra fa tsy anjarako izany fa anjarany :)
13. prime
(
15/02/2007 07:30)
Mbola maro sy mahavaivay ny fanenjehana an'i Kristy ka nilazàn'ny fariseo aza fa "demoniaka" i Kristy raha nanambara ny tenany ho ilay Tena Izy... nefa izany ve no ilazàna fa hoe mitombina izany?...
14. niryna
(
15/02/2007 07:39)
fijo:
raha zohina ny tantarany dia olondratsy izy.
-zanakandriamanitra.
izay no lazaina.nefa raha dinihana,dia loza be,fa tamin'izany andro izany anie ka tena fahotana mahafaty ny hoe vehivavy bevohoka tsy manambady izany e.mety hiafara amin'ny famonoana io.hatramin'izao aza mbola misy izany any amin'ny tany nisy azy.
i maria anefa dia bevohoka tsy nanambady.ary soa fa nisy josefa nanaiky ny hanambady azy,sy niantoka ny vohoka,fa raha tsy izay dia tys nisy i lery.
Raha izany no nampianarina anao,raha izany ny fomba hanatsikeranao azy dia tazomy izany fampianarana izany ho anao.
Satria izy dia efa nisy hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao,ary izy no mazava saingy ianao izay ao anaty maizina moa tsy mahita fahazavana ao aminy ka akory atao.Ny rivotra hiainanao, ny masoandro manazava ny fiainanao,tsy efa ho bokan'ny mikroba ve ianao raha tsy nisy an'io nandoro azy,vokatry ny sciance ve ireny.Iza no nametraka ny masoandro teny ambony teny ary nahoana izy no mbola tsy mianjera foana hatramin'izao,toa tsy mety lany ilay pile ngodabe:roll::Po^oo^o=))=))
15. prime
(
15/02/2007 07:44)
Mbola maro koa no nilaza fa "miasa amin'ny asan'ny maizina" i Kristy rehefa nanao fahagagàna maro, nampahiratra ny jamba, nampiaraina ny malemy, nampandre sy nampiteny ny moana sy marenina, nanasitrana ny boka...
16. Fiffi
(
15/02/2007 07:49)
indrisy fa ireo fahagagana ireo tokoa no anisan'ny nanenjehana azy.....
17. prime
(
15/02/2007 10:52)
Raha ny soratra masina no iresahana ny fahadalàna, ny mahaloza sy ny maha olon-dratsy dia tsy avy amin'Andriamanitra izany fa avy amin'izao tontolo izao ihany ary Andriamanitra mihitsy no tsy tia izany... araka ny voasoratra hoe :
"Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo." Salamo 140:11
... Nefa dia Andriamanitra mihitsy no niantso an'i Kristy hoe :
"Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy." Marka 9:7
Ka olon-doza marina va Kristy?

18. Fiffi
(
15/02/2007 13:03)
prime:tsy zany nandraisana azy ho olon-doza zany hiany ve no namantsihana azy ?
Ka olon-doza marina va Kristy?
19. cutie
(
15/02/2007 16:53)
Mpandefa : kiranil [ Valio ] 15-02-2007 02:30:13
Lohateny : Re : iza moa jesosy?
cutie> miala tsiny ary cutie a.. Betsaka ny tiako zaraina no mahatonga an'io fa miala tsiny na izany aza.
Aleo asiana hira kely ndray ary alou handinihana an'ity size ity :
http://youtube.com/watch?v=9JL5ksyg7QE
"Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko." Isaia 66:2
io ndray kiranil
efa we za tsy tian'io :-D