Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra?

1. niryna ( 24/01/2007 07:35)
Nomen'Atra ny fara sy dimby ireto mpivady ka faly toy izany.Tsy nidilana akory ny iray volana dia narary ity zaza ka notenenin'ny mpitsabo fa nanao izay farahery izy,tsy misy intsony ny alanenina.:cry:Nantsoiny izy mivady anao veloma farany ity menaky ny ainy ary dimy minitra ihany no hijanonany ao amin'ilay hevitra.
Nitsaitsaika nivoaka ity reny rehefa namihana farany ity zanany,ny hany henony lavitra dia ilay feon-janany mitomany.
Inona no mety hitranga?.Ny rain'ilay zaza, ny reniny izay nitondra azy ambohoka.(l)Mety hanome tsiny an'Atra ve izy ireo indrindra ny reniny.8O8O
novalian'i niryna ny 01/02/2007 06:32
2. prime ( 24/01/2007 08:26)
niryna> Tena nisy sa aingam-panahy vaovao?...:lol:
3. tsanga ( 24/01/2007 11:56)
tena tantara efa niainako zany fa nosoloiny 2be zao avy eo mety ho fitsapana fa tsy misaraka amin A/tra ihany no tsara indrina na de maditra aza indraindray
4. Rafotsy ( 24/01/2007 15:49)
Salut daholo indray !
Efa elaela no tsy teto fa nisy problème technique e !
Efa nianjady anay mivady io ary vao maika izahay nifikitra tamin'Andriamanitra ! Ny ratra ato ampoko ato foana fa ratra tsy marary intsony , indraindray , indrindra rehefa annif iny , dia misento kely , mahatsiaro azy dia mampatsiaro ny zandriny hoe : tsy adinonareo ny annif ny zokinareo ! Ireo koa moa tsy nisy manadino izany !
Fa ny tena mahatsikaiky ary hahitako ny fitiavan'Andriamanitra anay manokana , dia ny zafikelinay dia copie conforme ilay zanakay maty , ny zanako vavy no nahatsikaritra fa tsy izahay akory !
Izay angamba no azoko ho lazaina e !
5. Samoana ( 24/01/2007 16:15)
[quote=tsanga]
tena tantara efa niainako zany fa nosoloiny 2be zao
[/quote
]

Tsy mino aho hoe misy zaza mahasolo zaza izany. Amin'ny maha-olombelona dia tsy sitrana mandrakizay ny ratran'ny RaD namoy zanaka. Fiononana no setrin'ny vavaka atao @ Atra fa tsy fangatahana solony kosa angamba

6. Zina ( 24/01/2007 21:32)
Ny ohatr'i joba ao @ baiboly no tena example tokony hijerevan-tsika ao @ fiainana. Dia mazoto mamaky Joba sapitra rehetra.
7. cutie ( 25/01/2007 02:16)
Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra?

Tena manasitrana fa somary elaela kely ihany a , fa mila faharetana :lol:
8. majesty ( 25/01/2007 05:30)
Ny fihevitr'Atra tsy fihevitsika ary ny lalany tsy mba lalantsika,rehefa natolotrao azy ny tenanao sy ny fiainanao manontolo dia avelao izy no hisahirana hitondra sy hitantana anao araka sitrapony.
Vao haingana t@ faran'ny taona teo no nisy renimpianakaviana iray namoy ny zanany lahimatoa vao 22 taona monja,izay efa nantenainy kanefa ny mahafinaritra dia na teo aza izany fahoriana izany dia vao maika nampitombo ny fanolorantenany ho an'Atra ilay ramatoa ary toy ny tsy izy ilay nanana fahoriana be teo.
Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra,Eny raha mahatoky azy isika,ary tsia raha izay no mahasoa antsika fa izay no antony hananana an'lay fanantenana mafinaritra an'ilay fiaviany tsy ho ela hamafa ny ranomaso sy ny fahoriana rehetra misy ety!
Dia samy ho vonona amin'zany andro lehibe izany anie isika rehetra!
9. niryna ( 25/01/2007 07:14)
prime:

niryna> Tena nisy sa aingam-panahy vaovao?...:lol:

Tena misy io fa tiako mba hieritreritra ny tenantsika isika raha teo amin'ny toeran'izy mivady.Ary dia ho tohizako indray ny tantara:roll:

10. niryna ( 25/01/2007 07:16)
tsanga:

tena tantara efa niainako zany fa nosoloiny 2be zao avy eo mety ho fitsapana fa tsy misaraka amin A/tra ihany no tsara indrina na de maditra aza indraindray

Misaotra an'i tsanga nanome hery anay rehetra:)

11. niryna ( 25/01/2007 07:18)
Zina:

Ny ohatr'i joba ao @ baiboly no tena example tokony hijerevan-tsika ao @ fiainana. Dia mazoto mamaky Joba sapitra rehetra.

Io no tena fitsapana mamaivay indrindra ary mampiova-fo raha tsy mahafantatra ny fisian'Atra.Misaotra anao izahay.:D

12. niryna ( 25/01/2007 07:20)
cutie:

Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra?

Tena manasitrana fa somary elaela kely ihany a , fa mila faharetana :lol:

Misaotra aky cutie a.Indraindray vonjimaika ny valiny ary indraindray mila milahatra ka manana faharetana.Toy izay ny valimbavaka^:^
13. niryna ( 25/01/2007 07:22)
majesty:

Ny fihevitr'Atra tsy fihevitsika ary ny lalany tsy mba lalantsika,rehefa natolotrao azy ny tenanao sy ny fiainanao manontolo dia avelao izy no hisahirana hitondra sy hitantana anao araka sitrapony.
Vao haingana t@ faran'ny taona teo no nisy renimpianakaviana iray namoy ny zanany lahimatoa vao 22 taona monja,izay efa nantenainy kanefa ny mahafinaritra dia na teo aza izany fahoriana izany dia vao maika nampitombo ny fanolorantenany ho an'Atra ilay ramatoa ary toy ny tsy izy ilay nanana fahoriana be teo.
Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra,Eny raha mahatoky azy isika,ary tsia raha izay no mahasoa antsika fa izay no antony hananana an'lay fanantenana mafinaritra an'ilay fiaviany tsy ho ela hamafa ny ranomaso sy ny fahoriana rehetra misy ety!
Dia samy ho vonona amin'zany andro lehibe izany anie isika rehetra!

=D=D=D=D Bravo Majesty ! Tehafo kely izy e !
14. prime ( 25/01/2007 09:38)
Anisan'ny fahendren'Andriamanitra ny fizahany toetra ny mpino... (tsy haiko aloha eto raha olona mino an'Andriamanitra ireto tantarain'i niryna ireto...)

Hoy mantsy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"2Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra]3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana." Jakoba 1:2-3

"mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;" I Petera 1:7
15. niryna ( 25/01/2007 17:09)

Manohana ny teninao aho ry prime.God bless you and give you more strenght."Homba anao mandrakariva anie Andriamanitra ary hanome hery ho anao.^:^

16. majesty ( 26/01/2007 05:20)
Rehefa ny fiainana hono no mandeha milamina tsara sy toa mandry fahizay dia mila mitandrina tsara ihany ny mpino "kristiana" fa sao dia efa any ivelan'ny vala izy dia tsy kitikitihan'ilay fahavalo intsony.:):):)
17. niryna ( 26/01/2007 07:58)
majesty:

Rehefa ny fiainana hono no mandeha milamina tsara sy toa mandry fahizay dia mila mitandrina tsara ihany ny mpino "kristiana" fa sao dia efa any ivelan'ny vala izy dia tsy kitikitihan'ilay fahavalo intsony.:):):)

Tsy ratsy indray ilay eritreritra.

18. ndrena ( 26/01/2007 09:03)
Marina ary tsy azo lavina ny fanasitranan'A/tra.fa matetika isika mila valiny eo no eo dia izay no tsy ahatsapantsika azy.Andriamanitra no manome,Andriamanitra no manaisotra.Izy no mandratra,ary Izy ihany no mamehy ny ratra .Teny ao anaty baiboly avokoa ireo.Enga anie ka samy hahatsapa izany ny ts11.
19. cutie ( 26/01/2007 13:51)
majesty [ Valio ] 26-01-2007 06:20:49
Lohateny : Re : Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra?
Rehefa ny fiainana hono no mandeha milamina tsara sy toa mandry fahizay dia mila mitandrina tsara ihany ny mpino "kristiana" fa sao dia efa any ivelan'ny vala izy dia tsy kitikitihan'ilay fahavalo intsony.

:-D:-D:-D:-D:-D
20. Zina ( 26/01/2007 15:26)
Izy no mandratra,ary Izy ihany no mamehy ny ratra

Inona no maha fitiavana an'Andriaminatra azy raha izany?8O

Manasitrana ny ratra no ataony, ny fahotan-tsika no mahatonga ny ratra tsy Andriamanitra velively no mandratra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081