Manasitrana ny ratra mahazo antsika ve Atra?

41. prime ( 29/01/2007 13:25)
Hoy ny Tenin\'Andriamanitra :

\"Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin\'ny anankiray amin\'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin\'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin\'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin\'ny molony Joba.\" Joba 2:10... izany no fahendrena nataon\'i Joba raha notsiratsirain\'ny vadiny izy tamin\'ny finoany noho ny zava-nanjo azy...

...Fa manome ny ratsy ihany koa Andriamanitra tsy hanangolena na hamonoana toy ny tanjon\'ny devoly fa fizahan-toetra hampiorina ny finoana sy ny fitiavan\'ny mpino Azy. Hoy mantsy Izy :

\"Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan\'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.\" I Korintiana 10:13

\"Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan\'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra]\" Jakoba 1:2

\"Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain\'ny Tompo homena izay tia Azy.\" Jakoba 1:12

...Mbola tenim-pitiavana avokoa izany ary Andriamanitra mihitsy no manome ny ratsy indray2, amin\'ny famelàna ny devoly haka fanahy ny mpanompony nefa hoy Izy, tsy avelany tsy ho zakan\'ny olona izany... ka aoka ho fifaliana ho an\'ny mpino ny fahafantarana fa mbola tia Azy Andriamanitra matoa mizaha toetra azy... ary amin\'ny fifaliana mihitsy aza no tokony handraisana izany satria manambara ny mbola ny fitiavan\'Andriamanitra ny fisian\'izany... ary marina ny lazain\'i majesty manao hoe, mba mailo ihany raha tsy misy fizahan-toetra na fakam-panahy mihitsy miseho amin\'ny fiainana fa efa manambara zavatra izany...

Fa ny tena olana mantsy dia rehefa lavon\'ny fakam-panahy ny mpino dia Andriamanitra no tadiaviny omena tsiny nefa izy tenany no tsy naharitra ka nandika ary resin\'ilay fakam-panahy... Andriamanitra nefa miteny fa ny fakam-panahy rehetra dia efa nataon\'Andriamanitra amin\'izay zakan\'ny tsirairay ihany ary efa nasiany lalana rahateo aza hahazakàna izany...
42. Zina ( 29/01/2007 22:32)
Fa ny tena olana mantsy dia rehefa lavon'ny fakam-panahy ny mpino dia Andriamanitra no tadiaviny omena tsiny nefa izy tenany no tsy naharitra ka nandika ary resin'ilay fakam-panahy


Ity no ekeko ny ao @ resak'i Prime
43. niryna ( 01/02/2007 06:32)
ndrena:

Karazany maro no mahatonga ny aretina eo @ tenantsika
Mety tsy fitandremana,mety vokatry ny toetr'andro,mety avy @devoly(Joba)mety avy @ A/tra mivantana(Davida nanisa ny zanak'Israely).Fa raha fintinina dia sitran'A/tra avokoa ireo raha miverina Aminy @ fontsika manontolo isika.

miombokevitra aminao koa aho

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7943