fambolena zana_kazo namanadago 2007

1. glou ( 06/01/2007 15:31)
Ny voalohan- teniko aloha dia miarahaba antsika rehetra tratry ny taona daolo , enga anie ity taona vaovao ity ka hitondra soa sy fanambinana ho antsika tsirairay avy, araky ny programme ny namana dago @ ty taona 2007 ity moa dia ny hanombohantsika izany dia ny fambolen- kazo @ asabotsy 3 fevrier ho avy izao, ny toerana moa dia eny ANDRANOVELONA rn4 sady fiarabana tratry ny taona vaovao ny namana serasera eto dago, toy izao ny fandaharampotoana @ io andro io: ny fiaingana dia eo @ vavahady be ny MAHAMASINA @ 8 ora maraina ka ny saran-dalana dia 4000 ariary na 20.000fmg aller, retour, samy mitondra ny sakafo sahaza azy avy ary marihina fa eny antoerana dia misy mivarotra boisson ho an' izay kamo hitondra @ vidiny mirary,rehefa tonga eny an-toerana dia atombokotsika @ fambolena ireo zana- kazo izay efa voahomana ho antsika tsy miady lavaka fa tonga dia mamboly satria efa misy tompon' andraikitra nandavaka mialoha ny lavaka, rehefa vitatsika izay dia izay mazoto dia mandeha mijery ireo efa voavolin-tsika t@ herintaona, marihiko eto fa ny toerana ambolena @ ty dia aty @ faritra ambanimbany tsy tahaka ilay taloha izay nanano sarotra tokoa ny nandehanana teny ka alaho hery ry zareo, rehefa vita izany dia hisy fiaraha misakafo @ toerana voatokana ho antsika ihany koa ao ilay hoe espace vert , ary ao aorianna ny sakafo dia hisy ny lalao isan- karazany, fitsidihana ny toerana , afaka mandihy ihany koa satria efa misy toerana @ izany koa ary ny hamaranana azy dia hisy brochette party hoatry ny mahazatra, marihina moa fa ny association namana serasera eto dago dia efa ao anatin' ny association MILASOA izay hitambaran' ny association VERT rehetra eto Madagasikara ka manana adidy isan- taona isika @ fambolena zana- kazo sy fiarovana ny natiora,
tao anaty fivoriana tsy aram-potoana moa no nanapahana sy nandaminana ity hetsika ity ka efa misy ankizy eo @ 17 eo no efa vonona ny andeha dia ireto avy izy ireo: glou_, ravatorano, nix, manjamanja, naritsimba,voahirana,diosezy,aidan,blanche,patou,blackman,mcz,pouponesana, fara, sasa, mimich,eric gael; koa manainga antsika namana rehetra eto madagasikara ,indindra ny eto tana mba hanatevindaharana ireo izay efa nilaza ny handeha satria adidy masina io, ka alaho hery ry zareo fa ny adidy ho vita ny fahafinaretana ho azo GLOU_
novalian'i fijo ny 16/02/2007 05:51
2. lo ( 06/01/2007 16:43)
miarahaba tratry ny taona koa e, d mirary soa bdb ho antsika rehetra,
iee, d voaray ny hafatra fa ho avy amzay hanatevinaharana eee, fa taratara kely fa tsy afaka ny maraina manko
d zay zany fa d any mihaona e, manantena antsika ho avy, fa ny adidy vita ny fahafinaretana ho azo ozy nynamana zay

3. watafon ( 06/01/2007 18:10)
Humm ! misaotra anao pdt an ! tena @ 8 h 30 marina ve ilay fiaingana sa ? sao tonga aloha loatra ndray mantsy ny sasany ! vazivazy iny fa mahavità be nareo e !
4. kitjo ( 07/01/2007 17:00)
Tratry ny taona aby!
Mahafinaritra kosa izany ko!
Dia mahavitA soa ry zareo ary mahazoa fahafinaretana an...
5. sasa ( 08/01/2007 04:36)
Mahafinaritra be io fa d manentana antsika rehetra izany mba ho tonga amin'io fotoana io.
6. naritsimba ( 08/01/2007 08:27)
Dia miarahaba antsika namana rehetra indray eh!
Tratry ny taona aby eh!
Ny mba hafatrafatra dia izao: AOKA MBA HO MARIM-POTOANA DAHOLO ISIKA REHETRA IZAY VONONA NY ANDEHA REHETRA, ny antony dia tsotra, efa ela ihany izay no nisian\'ny hetsika tahaka izao, ny zavatra tsapa dia tsy matotra isika eo amin\'ny ara-potoana, efa tamin\'ny taona lasa no nivoahan\'ity fandaharam-potoana ity ka na ny tenako aza efa nilaza ny tsy fahafahako, koa ho anareo izay andeha dia aoka mba ho marim-potoana.
Koa dia @ 8 ora maraina tsy diso no fiaingana eo anoloan\'ny vavahadiben\'ny MAHAMASINA.
Dia manantena ny fahatongavantsika rehetra maro.
Ny adidy ho vita, ny rivotra madio ho azo.

:D8)(l):?::idea:
7. mimich ( 08/01/2007 08:29)
watafon> 8h30 amin'ny oran'i watafon io fa tsy amin'ny 8h 30 oran'i manjamanaja ka!!!:-D:-D
8. watafon ( 08/01/2007 19:33)
mimich: :-D:-D:-D:-D:-D d efa ilaozan'ny olona amzany 8h 30 zany fa eno nga ahoana an !
Dia manentana antsika rehetra ho tonga fa mahafinaritra foana ange ny fihaonana eto dago e!
9. sasa ( 09/01/2007 06:31)
watafon sy mimich =))=))=))=))=))
10. jaya ( 09/01/2007 07:40)
Tratry ny tona e.
De sou iany fa ambanimbany zany le toerana hambolena, fa le ery an tampon kavona ery sport b mintsy, lollllll.
Lo_ a, za less mba andalovy eo ankazomanga kle, surr
11. watafon ( 09/01/2007 20:08)
sasa: ity fotoana misy 30mn ity mihitsy anie no manahirana ny sasany refa manao fotoana e ! misy mitelina mantsy izy io indraindray e! :-D:-D:-D:-D
12. ftma ( 09/01/2007 20:36)
Mazoto daholo izany e, ho tonga ihany hamboly ny anjaranay amin'ny manaraka
watafon: mba voleo ny anjara hazoko an
13. naritsimba ( 10/01/2007 05:07)
8 ora maraina fa tsy @ 8 ora sy sasany akory io an!
14. ravatorano ( 10/01/2007 08:55)
hay mou za efa voalaza fa ho avy amin io kou
dia manentana antsika jiaby izany e fa ny adidy ho vita mou ny fafinaretana ho azo na de hoe haka rivotra madio fotsiny aza eny amin 'ny tontolo ambanivolo e, azotsika atao koa ny mandalina momba ny tantaran'ny tendrombohitra roa eo akaiky eo antsoina hoe Babay sy Lohavohitra izay fandre matetika amin'ny fomba fiteny andavanandro ireny e
Izay fa d tsika sisa andrasana amin 'io an
tsika rehetra samia mifanentana e
za zao efa nanentana ireo 17 ho avy ireo hahahahaha
sa aoana raprrrrr ! manaja e
15. sakaleona ( 10/01/2007 09:03)
Miaraha anareo ko ny tenanay, Dommage fa tsy afaka manatrika anio izahay satria aty @ province, alors mazotoa daholo et mba tantarao eto ihany ny tohiny e!!!!!!!!:-D:-D:-D:-D:-D8O
16. texe ( 10/01/2007 09:21)
Bonne Année dôly e!
de misaotra fa voaray e!tsy manakambara firy fa reo efa voalaza eo ambony ireo daholo e!de samy mba maripotoana fotsiny fa sao indray zay tonga eo @valo mbola tsy misy pokona eo e! de zay fa oavy any zay e! de manentana antsika rehetra fa tena milay ny fiaoanana e!ok!
17. jampela ( 10/01/2007 10:43)
Dia arahabaina nahatratra ny taona 2007 daholo!
Izaho aloha dia tena liana sy maniry ny handeha tokoa e!Enga anie aho mba hahazo permission avy amin'ny Mpampiasa ahy!
18. ravatorano ( 10/01/2007 10:49)
mahazo mitondra vady aman-janaka an
mahazo mitondra ny fofombadiny koa
mahazo mitondra zay zaka e
^:^^:^^:^^:^
19. HESHA ( 10/01/2007 13:15)
ka ra misy paparazzi hoatran le teo tsy ho sahirana ny mitondra "tsy" fofombady ???
vazivazy zany fa tratry ny taona daholo de enga anie za ka mba ho afaka ande am ty indray mitoraka ty
20. IZA ( 10/01/2007 13:31)
ela nama zany tsy nambolen-kazo zany a.
de aleo zany hanambotra pro fa ho tonga maro tsika e!
SA AONA RY ZALAHY A??????????
TONGAVA DAHOLO EEEEEEEEEE
EOWAA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5177