Ny Malagasy sy ny Serasera

1. Belle ( 02/01/2007 15:46)
Miarahaba ny rehetra tratry ny taona vaovao!

Taona misimisy nifaneraserako an-tendrilavitra nahitako ny toetra vitsivitsy manaraka eto amin'ny mpandray anjara (amin'ny ankapobeny):
- rehefa ny any Madagasikara no miteny dia tsy asian'izay any ivelany tohiny matetika;
- ny any Madagasikara matimaty ifandray amin'ny any ivelany noho ny antony maro;
- misy tena mahay mampiketrika atidoha ahazoana izay zava-kinendriny amin'ny fomba rehetra mihitsy (manipulation);
- tsy mahatanty lazaina ny marina sy tsikeraina ka lazaina fa mpialona foana ilay olona manoratra.

Ny hevitrao?
novalian'i cutie ny 10/01/2007 23:20
2. Rasiligaoma ( 02/01/2007 15:50)
fiainana daholo izany...
izay no maha serasera ny serasera izany
3. kally ( 02/01/2007 16:06)
Ity ilay hoe rehefa ny any Madagasikara no miteny tsy asian'ny any ivelany tohiny ity no nanaitra ahy kely! dia hoy aho hoe : hay moa misy an'izany izy io?:?:
4. Zina ( 02/01/2007 17:17)
tratran'ny taona belle,
ny hevitro ve?:wink:marina ny lazainao hihihihi
5. fasaly ( 02/01/2007 17:30)
hummmmm! zay ve lay izy! toa tsy de mino anlay hoe namana avy any madà tsy asiana tohiny izany kanou! betsaka ihany tsin ny namana avy madà ato am forum ary manana ny maha izy azy am heviny ihany koa:°)
6. xxx ( 02/01/2007 17:49)
ny ahy indray tena mahagaga ahy zany satria zao: i Belle aloha tena mbola tsy hitako namaly dinika tato e ! nefa mitsikera be ....

Mitovy hevitra @ fasaly aloha za an ! sady zay indrindra ange ry fasaly e ! misy tena manana ny maha-izy azy ireo namana....:@
7. Ruby ( 02/01/2007 18:00)
Ilay voalohany tsy voamariko..izaho koa moa mitsatsaingoka eny foana ka voavaly ihany ny resako fa tsy lava tsinona.
ilay faharoa: hoe matimaty ve ny avy aty dago hifanerasera @ ny any andafy..? izany ve no tsapanao? izaho namana sy hifanerasera no ataoko eto..tsitako hoe antony maro inona. mba halalino lalindalina oe io ry belle fa mahatsiaro voakasika manko zah fa aty dago no mipetraka.
8. Belle ( 02/01/2007 18:39)
Zina: misaotra - tratry ny taona koa ianao.

xxx: na dia tsy mandray anjara amin'ny dinika aza aho dia mamaky azy ireny ary tsy misakana ahy hanao fanamarihana (fa tsy "tsikera be" akory) angamba izany?!?

Ruby: momba ilay voalohany, rehefa mba manam-potoana iny ianao dia mijereva adihevitra maro araka izay azonao atao dia ho hitanao voalazako io. Ilay faharoa indray, tsy fantatro ianareo, fa izaho isaky ny mamaly namana any Madagasikara manoratra dia izao no fanontaniana azoko hoe: eto Madagasikara ve ianao sa any ivelany? nefa anie dia efa mazava be ao amin'ny momba ahy ny misy ahy e! Angamba aloha cas particuliers daholo no azoko satria ilay olona te hivoaka any ivelany ireny daholo e!
9. xxx ( 02/01/2007 18:52)
ny tian'i belle tenenina ve hoe "par interet" no hiresahan'ny ankizy sasany avy any mada ny ankizy any ivelany? ilay teninao farany no hitako misy fahamarinana satria isika dia olona mora "vexé". point de vue-ko io

izaho aloha ohatran'ny tsy mba mahatsikaritra an'izany, na izay mba efa nandefa hafatra ho ahy aza (izay hisaorako) tsy mbola nanao teny ankolaka hoe "mba ento any aminareo aho ry xxx"!
10. fasaly ( 02/01/2007 19:12)
belle: efa nahazo hafatra pire noho izany aza izaho fa atao akory! zava misy ihany izany ka aza raisina ratsy fa ny sasany anie tsy mahalala hoe otrzay koa ny fiainana aty ivelany de mba mety manantena zvtr kely avy aminao izy e! fa anjarandry no manazava azy kou!:wink: fa tsy znzralizéna hoe ny namana avy dago manao an'io dool akory fa misy kosa loha no tena manao namana anao par interêt de avy teo izy tsy manoratra tsony refa tsy azony enao:?
11. Zina ( 02/01/2007 19:25)
xxx: na dia tsy mandray anjara amin'ny dinika aza aho dia mamaky azy ireny ary tsy misakana ahy hanao fanamarihana (fa tsy "tsikera be" akory) angamba izany?!?

hi hi hhi hi:wink:
12. xxx ( 02/01/2007 19:45)
Tsy mbola nisy avy tany mada ka tsy nisy tohiny fa ianao no manao famitinana maika !Matoa ny olona avy any mada miresaka dia te hifandray toy ny rehetra ka aza maka namana @ hevitra diso! Aza mitady namana te hanosika @ zavatra tsy marina.tsy voatery noho ny antony maro ny ankizy raha te hifandray fa hajanony ity heritreritra ratsy ity!Ny mpialona misy, ny manipulateurs misy ary maro. Fa vao manomboka ve ny taona dia tsikera @ tsy misy dikany no hataonao!
13. simplex ( 02/01/2007 20:33)
kay letia e, nahazo ny tena hafatra manadala mintsy nga i belle zany no tena nivoaka tao @ le tena famakiana fotsiny :-w:-w
tsy tokony declaration ve no mitsotsotsotso any @ ps-nao any zao :°):-D:-D

fa zao e, mahaiza mis'adapte @ le fandehany fotsiny e.
- Ohatra hoe refa hi-forum enao zany d ataovy hoe any ivelany no mipetraka :°) @ zay enao tena lasa manan-danja be ny teninao 8);-)
- ra vao misy manadala enao d ataovy hoe za anie aty Dago no mipetraka fa mba te hahazo akama any andafy d atao hoe any ivelany e ;-)
- ra vao misy manao manipulation ndray d hialao bala: kay lany ny connexion-ko aty @ cyber, na hoe ny rafozako miasa ao, na tonga d tsorina hoe ny mpinamana internet tsy omena an'izay service izay ;-)
- tsy voatery lazaina foana ny marina fa alefaso any @ izay tanjonao ny resaka. Ra tsy hoe ny hanakihana nga ny tanjonao :D ataovy @ fomba mihaja ndray izy @ zay ;-) aza enti-po 8)8)


14. dailynews ( 02/01/2007 21:06)
tsy haiko aloha ry belle fa toa zavatra mba tsy tao antsaina mihitsy izany hoe tsy hamaly resak olona fa any mada izy no mipetraka ary hamaly fa any andafy izy no mipetraka fa dia toa novaliana tsy ankanavaka daholo. tena serieux e... de otran ny menatra be aho am zany resak izany. ;-)
de ilay hoe matimaty hifandray @ any andafy ny any mada....asa re marina e, tena tsy mbola nahita an izay ndray aho ary tsy nahatsikaritra mihitsy. 8-)
15. xxx ( 02/01/2007 21:08)
mampalahelo le tsikera ho an'ny namana nefa mba taona vaovao be zao klé ! hehehehe mbola ho lava ny fiainana eh !
Zany zavatra zany zao (raha nisy) de tokony navoaka t@ herintaona...de ny lasa homba ny lasa fa ny ho avy no banjinina......Vao taona vao2 zao ve de efa zao sahady ny zavatra miseho ...maika zany .....:roll::@
16. xxx ( 02/01/2007 21:13)
hehehehe :@:@
17. xxx ( 02/01/2007 21:14)
:@:@:@
18. Fiffi ( 02/01/2007 21:18)
19. fasaly ( 02/01/2007 22:12)
simplex: ny ahy zô nataoko we any madà zà:°):-P:wink::-D
20. ratonga ( 03/01/2007 00:55)
tena i fasaly mitsy zany lé hitako naka sary teny @ totobato n'antaninarenina omaly :wink::-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1462