Afo fandiovana

1. xxx ( 02/12/2006 03:06)
Mino sa tsy mino? Hazavao
2. MTN ( 02/12/2006 03:13)
ny finoana tompoko araka ny mahafinoana azy dia tsy misy fanazavana.:°)
3. ikaretsaka ( 02/12/2006 04:07)
Za tsy Kristianina Baibolista
Mino ny fisiany aho izany
tsy ao anaty baiboly ny hamarinako azy @ izaho tsy Baibolista fa mino fotsiny aho
4. Achia ( 02/12/2006 05:58)
ka mino inona aloha izany e ?
5. Fiffi ( 02/12/2006 07:10)
xxx:
Mino sa tsy mino? Hazavao
maninona no tsy enao aloha no manome ny fanazavanao ?
Io finoana io de zay ao am-ponao hiany ! ny fonao hiany no mitondra azy.......


6. tywa68 ( 02/12/2006 08:37)
zany ve dia size ?
7. simplex ( 02/12/2006 11:42)

hoan'ny zaza tsy manan-tsiny, legitime ihany le izy na tsy ao anaty texte aza :-*

fa ra ity no hitarina de hoe ny paradisa, misy sa tsisy ? :°)
8. LazaDaddy ( 02/12/2006 11:50)
ikaretsaka:

Za tsy Kristianina Baibolista
Mino ny fisiany aho izany
tsy ao anaty baiboly ny hamarinako azy @ izaho tsy Baibolista fa mino fotsiny aho
Mahaliana ilay valiteninao ka mba te hanontany anao aho.

- taiza no nahenoanao azy io?
- inona izany?
- fa maninona no atao hoe "fandiovana"
9. sonwin ( 02/12/2006 12:24)
ho an'ireo izay tsy mino, mbola ho hitanareo ihany rehefa rahatrizay lasa lasa agnareo
10. Achia ( 02/12/2006 13:06)
I Boudah kosa ngamba no nitory azy an'i Ktisty ry laza a! :-D:-D:-D
11. Imahaka ( 02/12/2006 15:10)
Achia> aza manao teny fanesoana ny finoan'ny hafa fa tsy nampianarina anareo kristianina izany
12. pissoa ( 02/12/2006 17:15)
Misy lahatsoratra nataon'i Dadafara any amin'ny blaoginy : http://dadafara.blaogy.com/post/279/2139 raha misy mazoto.

Oops, io ngamba no nipoiran'ity lohahevitra ity :lol:
13. Achia ( 02/12/2006 17:34)
tsy manao teny fanesona aho ry mahaka fa zvatra mitombina anie zany e ! aiza ary iza ary hoy ianao no nde ahitana ny milaza an'i Jesosy Kristy , aleo esorina ilay hoe Boudah ra nahasimba ny masonao fa jereo ny karazampivavahana eto antany raha hisy hilaza an'i Jesosy izany
14. soanja ( 02/12/2006 18:21)
xxx:

Mino sa tsy mino? Hazavao


Raha ny fahitako azy amin'ny mahafinoana azy dia tsy mitombina io. Zany hoe tsy mino aho hoe ny olon-kafa no hivavaka ho ahy de horaisin'Andriamanitra ny fanahiko rehefa maty aho ka nanao adalana be sy ninia nandika sy tsy nanaraka ny lalana napetrany.

Ny zavatra rehatra miainga amin'ny nataonao tety an-tany. Nalefan'Andriamanitra taty ianao ary nisy zavtara takiany any aminao hampisehonao azy fa zanany ianao ary mitazona izany hatrany. Ka raha tsy nahavita an'io ianao na tena nanohitra mihisty dia anjaranao sy Andriamanitra izany fa tsy hitako izay hidiran'ny olon-kafa amin'ny famonjena ny fanahinao.

Satria izay tokoa mantsy le afo fandiovana: zany hoe raha maty ilay olona dia mankany amin'ny afo fandiovana ny fanahiny, raha tsy hoe masina be izy tety ambonin'ny tany dia directe miakatra tsy misy andrasoandraso fa mahazo ny lanitra avy hatrany, dia miandry famelana ao ka raha nanao ratsy izy dia hadio raha mivavaka mafy ho an'ny famonjeny ny havany na ny velona aty izay tia azy nefa malahelo azy.
Izay mantsy no fazahoako an'io hatramin'izay satria tsy misy resaka an'io any amin'ny bible.

Koa aza manantena ny hafa fa dieny izao raha te hahazo famonjena dia tombohy ny asan'Andriamanitra sy ny fiderana azy. Misaotra


15. xxx ( 02/12/2006 19:24)
manontany aho satria misy lohavehitra olona milaza fa misy izany ary efa nomeko ny hevitro momba io ao @ famaliankevitra ilay lahatsoratra dia tiako ho entina eto.
http://dadafara.blaogy.com/post/279/2139#comments
16. cutie ( 02/12/2006 20:33)
mitovy ihany nga ny afobe sy ny afo fandiovana?:roll:
17. LazaDaddy ( 02/12/2006 20:37)
xxx> Raha tsy diso aho, fa mbola mianatra sy mandalina an'io mantsy ankehitriny ka tsy afaka milaza zavatra betsaka, dia 2 karazana ihany ny fandiovana:

- Diovina @ Fanahy masina: ny olona izay manaiky sy mandray an'i Jesoa Kristy ho nandatsaka ny rany ho antsika (mankatoa Azy sy ny Teniny). Mandray ny Fanahy Masin'Andriamanitra.

- Diovina amin'ny afo: ny zavatra tsy mety diovina tamin'ny Fanahy Masina (ohatra: ny tany)
18. cutie ( 02/12/2006 20:41)
Diovina amin'ny afo: ny zavatra tsy mety diovina tamin'ny Fanahy Masina (ohatra: ny tany)

tsy misy zany le afo raha zany fa fomba fiteny fotsiny :lol:
19. xxx ( 02/12/2006 21:10)
purgatoire ihany koa no hilazandry zareo azy izany hoe rehefa maty ianao dia tsy tonga dia mankany andanitra na afobe fa mbola misy 2 e chance aloha. izany hoe, misy toerana hijanona ny fanahinao, ary raha mivavaka ho an ny fanahinao ny olona ety ambonin ny tany dia lasa any andanitra ianao na dia tokony ho any @ afobe aza.
izany no mahatonga ny olona sasany na dia efa maty aza ny olona iray dia mbola misy foan any milaza hoe: mivavaha ho azy.:roll:

20. cutie ( 02/12/2006 21:13)
:roll::roll::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2297