fanandroana

1. Rainikarabo ( 26/11/2006 09:18)
Ny hevitry ny teny hoe manandro, dia misafidy sy mijery ny andro tsara hanaovana zavatra iray.

Andriamanitra nisafidy ny andro Sabata ho fanajana azy--> manandro
Maro ny olona misafidy andro sabotsy hanaovana mariazy---> manandro
Ny Kristianina malagasy tsy misy sahy mandevina andro Talata fa hoe tsy fomba hono---> manandro
Ao amin'ny mombamomba eto amin'ny namana, misy faritra iray hanoratana ny "signe zodiaque"---> manaiky ny fisiany---> vokatry ny fanandroana ireny "signe ireny"---> manandro.
Tsy mamaky Horoscope hono ny namana kristinanina maro nefa kinga ery manoratra hoe "za Belier"---> tsy nanandro izy ireo ka hihihihi

Anareo!
novalian'i adoektam ny 17/03/2013 11:26
2. ikaretsaka ( 26/11/2006 09:21)
Zay ilay izy ka akory atao e...
Le toriany tsy iainany
ilay zavatra ataony dia laviny dia rehefa tratra izy manda mafy sy miverina mitory..
dia milaza ny marina ianao dia itambaran'izy rehetra
3. soanja ( 26/11/2006 14:55)
Zah refa any Mada de manandro raha miys fanamboarana trano na zavatra tahakizany. Aty kosa aho mivavak rehefa hanao voyage. De mijery horoscope aho refa any Chine. De mamangy ireny fanaovana pelerinage ireny refa any canada de snss.... miankina amin'ny zavamisy eo e.
4. Fiffi ( 26/11/2006 20:47)
ny mpanandro ve no nilaza an'io hoe tsy fandevenana ny andro Talata sa fomba ?
5. ikaretsaka ( 26/11/2006 22:37)
andramo ka zahao hoe ny mandevina talata?
6. LazaDaddy ( 26/11/2006 23:58)
Rainikarabo>

1) Raha Kristianina ianao dia aza olona no alaina tahaka fa Kristy

2) Aza atao mahakivy raha mivily lalana ireo "Kristianina" maro ankehitriny fa efa nampahafantarin'i Kristy antsika izany sahabo 2000 taona lasa izay.

3) Hoy I Paoly ao @ I Korintianina 11:1 "Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy". Noho izany, raha olona hitanao mibaribary fa tsy manahaka an'i Kristy fa manandro dia aza arahina fa ireny ilay "misandoka ny anarako" hoy ny Tompo.

4) Ho fankaherezana anao: raha izaho manokana no tianao ho fantatra dia sady tsy manandro aho no tsy mivaky atidoha @ izany "horscope" izany.

5) Raha manana ny marina sy tompon'ny aina ireo milaza azy ho mpanandro nanatona sy nandrahona ahy dia efa im-betsaka aho no maty.
7. Papoose ( 27/11/2006 01:07)
marina daholo ny teneninareo ry reto an!lol
8. dailynews ( 27/11/2006 01:13)
lazadaddy>:wink:
9. booboo ( 27/11/2006 05:58)
Zà klou manandro e ! sady ataoko fa mandainga zay olona tsy manandro @ zao vanim-potoana zao : haka rdv any @ doko enao raha hafa dia manandro mijery hoe inona no mahafaka sy mampety kokoa ny tena, hametraka vacances ny tena dia mijery andro hoe rahoviana sy hafiriana no mety kokoa...

Ny mahavoa ny be sy ny bobaka dia mihevitra fa ny fanatonana mpanandro na mpisikidy / fijerena horoscope ihany no atao hoe manandro nefa

Ny hevitry ny teny hoe manandro, dia misafidy sy mijery ny andro tsara hanaovana zavatra iray.

Andriamanitra nisafidy ny andro Sabata ho fanajana azy--> manandro
Maro ny olona misafidy andro sabotsy hanaovana mariazy---> manandro
10. Fiffi ( 27/11/2006 06:35)
booboo:
Zà klou manandro e ! sady ataoko fa mandainga zay olona tsy manandro @ zao vanim-potoana zao : haka rdv any @ doko enao raha hafa dia manandro mijery hoe inona no mahafaka sy mampety kokoa ny tena, hametraka vacances ny tena dia mijery andro hoe rahoviana sy hafiriana no mety kokoa...
booboo: zany ve akia no hatao hoe manandro ? de raha raisina @ io voalaza io zany de hoe
manandro = organisation ?


11. booboo ( 27/11/2006 10:55)
Fiffi > rehefa mijery andro hanaovan-draha dia manandro aby zay kah ! rehefa mijery ny date d'ovulation ho an'izay te hahazo zazakely :°) zao dia manandro kounkou. Organisation ve ? tsy zay fotsiny angamba ...
12. ikaretsaka ( 27/11/2006 12:01)
manisa ny andronao @ kalendrier sy ny fadimbolanao aza ianao manandro fa enao angaha ahoana??
azamihatsara ivelan-tsihy hoa..
13. booboo ( 27/11/2006 12:07)
eka ouz !
14. ikaretsaka ( 27/11/2006 12:20)
dedadekaka ery rehefa hoe "tonga ny ora"
manandro ange izany e!
15. majesty ( 27/11/2006 12:57)
rainikarabo:le dikan'le hoe manandro mintsy no tsy dia mazava loatra raha ny fahazahoako azy,satria amin'ny malagasy izany hoe manandro izany dia manatona olona efa natokana ho amin'izany ka mpanandro no iantsoany azy,ireny mpanandro ireny anefa araka ny efa fantantsika dia matetika ireo milaza fa afaka manontany ny razana,na azo tsorina hoe ombiasy na mpisikidy sns.
Fa ny mijery andro indray tahaka ny hoe andeh hanao vakansa sns,sao dia any amin'ny resaka fanomananana (ohatra hoe eo amin'ny lafiny ara-bola na ara-toetr'andro,na eo amin'ny ara-pitaovana...)na eo amin'ny fandaminana fotoana (izany hoe manao vinavina ny amin'izay atao)ka ireo dia ny tenanao ihany na ireo namana na ny fianakaviana no mikarakara izany fa tsy manatona olona voatokana ho milaza fa mpanandro.:D:D:D

16. majesty ( 27/11/2006 13:00)
Fanampiny kely:amiko ny andro rehetra dia tsara avokoa,rehefa manokatra fasana izahay dia ze tinay hanokafana azy,hanao trano izahay dia izay tianay hananganana azy,ny amin'ny fandevenana ndray na talata na alakamisy samy efa nandevenana avokoa fa tsy mbola nisy blem hatramin'zao :D
17. ikaretsaka ( 27/11/2006 13:08)
nyandro rehetra tsara avokoa??
ko maninona ny alahady no mandeha any ampiangonana f atsy talata ohatra izany?
18. majesty ( 27/11/2006 13:22)
hoy ikaretsaka:

nyandro rehetra tsara avokoa??
ko maninona ny alahady no mandeha any ampiangonana f atsy talata ohatra izany?


Fa iza no niteny taminao fa ny alahady ihany no fankanesana any ampengonana,misy zao ny an'ny protestanta fivavahana isa-maraina,toy izany koa ny an'ny katôlika.
19. LazaDaddy ( 27/11/2006 13:40)
ikaretsaka:
nyandro rehetra tsara avokoa??
ko maninona ny alahady no mandeha any ampiangonana f atsy talata ohatra izany?
Ikaretsaka angamba no Alahady ihany vao miditra fiangonana fa izaho sy ny olona vitsivitsy fantatro aloha mankany mihitsy andavanandro fa tsy Alahady ihany ka :) Fanampin'izay dia nataon'Andriamanitra ho tempolily koa ny Kristianina tsirairay :)


20. ikaretsaka ( 27/11/2006 13:43)
olona vitsivitsy hozy ianao
fa ataokohoe ny 98% ny olona mankato kosa angamba alahady vao mankany e! sa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.1659