fanandroana

61. prime ( 30/11/2006 12:02)
Dia raiso amin'izay fandraisanareo azy fa raha ny mpanandro gasy mahay dia tena misy... fa tsy misy fahaizana izany fa fahalalàna kely ihany no ananany fa mampiasa hery hafa no tena mahaizy azy...

Raha mpanandro gasy no tsy manao an'izany dia mpisoloky izany... ka asakasakareo mpankany fa sady andro diso na zavatra diso no lazainy anao eo na zavatra efa "banal" fantatrao isanandro tsy hita hoe inona intsony no ilàna manatona azy amin'ilay toe-javatra...

soanja> tsy n'aiza n'aiza izany fa ny any ivelany tonga dia mazava mihitsy, fa miteny mihitsy izy hoe "voyance" ity, "cartomancie" ity, "taromancie" ity, "nécromancie" ity, "sciences occultes ity", "messe noire" ity, mpanontany ny maty ity, mpamaky dian-tanana ity... fa ny gasy dia mpanandro daholo no iantsoana azy na mpisikidy io, na mpanao ody io, na mpamosavy io, na mpitaiza biby io, na mpitaiza sampy io... dia mody alefahana ny fiantsoana azy hoe "mpanandro"...

Hafa mihitsy izany hoe olona siantifika ka mianatra manokana ara-tsiantifika ny zavaboahary sy ny hoe mpamaky ny zavaboahary amin'ny alalan'ny fanahy isankarazany izany... tsy ianao ry soanja no ampianariko an'izany fa ianao aza no mpandinika mahay an'izany a...

Rainikarabo> dia mbola mpanandro tsy mahay ihany koa raha midifitra andro ratsy fotsiny no hainy... fa misy mihitsy ny mpanandro gasy mahay manova ny andro ratsy ho andro tsara... tsy te hiteny betsaka aho fa tena "magie" mihitsy no asa atao amin'izany... ary nisy mihitsy vintana alakaosin'olona ohatra hainy no nanova azy ho vintana hafa, nampifanoloana t@ vintana olona iray rà aminy ihany... ka marina fa misy ny fanarenam-bitana sy ny fidifirana fanao isankarazany fa raha izany fotsiny no hain'ny mpanandro fahitanareo dia mieritrereta ihany fa na mpisoloky izany na mba mahalala kely dia fampiresahana no betsaka...
62. Rainikarabo ( 30/11/2006 13:48)
prime> ok mazava be ny hevitrao ka. Fa averiko ny teniko tetsy ambony hoe tsy firesaka eto ny ambiny.
63. majesty ( 01/12/2006 11:55)
Imahaka:
Ary misy maty matetika ange zany ny fianakams raha izany e! sa inona ny dikan'io hoe maro ihany io? asa 'zany fasana misokatra ho an'ny maro izany na normal na tsy blem!


ié,refa mihoatra ny roa ange d efa azo lazaina hoe betsaka,sady zay reo olona nalevina reo efa manakaiky ny 100taona any ho any izany hoe efa diso antitra loatra ndray aza vao maty,mety noho zay le mamoha fasana talata sy lakamisy angamba no naha-elavelona andry zareo reo:D
64. prime ( 01/12/2006 12:50)
Raha ny hevitro aloha dia tsy ilain'ny mpino ny fanandroana... itoviako hevitra amin'ireo namana maro ireo ambony ireo...
65. Achia ( 02/12/2006 06:55)
ary prime nga mananjo !? :-D:-D:-D
66. prime ( 07/12/2006 11:33)
Ny raibeko sy ny reniko fony mbola tsy nibebaka ny fianakaviana dia anisan'ny tompon'ny fanandroana mihitsy teto Antananarivo... teo Andravoahangy sy Ambodivona teo... ary efa lehibebe aza zà mbola nahita mihitsy ny asan'ny fanandroana nataon-dry zareo... nitaiza biby, nanana ody, nanana sikidy... ary tena niasa mihitsy... Fa rehefa tonga Jesosy dia resy tanteraka ary dia nanolon-tena ho Azy avokoa rehefa nodorana sy niasàna ny trano sy ny toerana sy ny fitaovana ary ny olona ka nibebaka niverina ao amin'Andriamanitra...
67. Achia ( 07/12/2006 17:31)
hmmm hay tsy ianao irery no nahita zavatra toa izany ? izaho koa mantsy nahita fa maro ny ol eto mandala sy tia io zavatra nentimpaharazana io nefa tsy mahalala ny zava-miafiny , fa ny zavatra tiako atsipy kely ho an'ny namana dia izao isika olombelona dia tsy ampy fitahin'isatana ny antony dia izao isika raha ela niainana indrindra dia eo @ zato na mahery kely no fahaveloman-tsika eto antany nefa i satana efa firy taona no nisian'izany hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao izy dia efa nisy koa raha ny experience ananantsika dia eeeeee ! ilaozany bedabe :-D:-D
68. prime ( 15/12/2006 08:49)
Ka mba mailoa ihany rey olona fa indraindray zavatra toa "banal" sy iainana andavanandron'ny besinimaro izao kanefa dia fanahy lehibe iray no miasa ao ambadika fa tsy eritreretina...
69. adoektam ( 17/03/2013 11:26)
Hoy ny coran hoe : hamoraina kokoa ny fiainan'izay mahay mamakafaka ny fandehan'ny volana sy ny masoandro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3511