eisy e raMalagasy

1. Rainikarabo ( 25/11/2006 17:18)
astrologue=mpanandro
voyant=mpisikidy

Kingakinga daholo mijery "horoscope" ao amin'ny gazety! Ingahy Pasitera mianakavy no loha-laharana. Nefa raha vao misy mijery ilay boky misy ny vintana sy andro malagasy,ajanony any fa fanompoantsampy hoy ny sasany!


Tantara hafa: Hoy ilay ramatoa izay fony izy tany amin'ny Voyant: Ny anay aloha dia mankany amin'ny voyant ihany fa zahay tsy mandeha amin'ireny mpisikidy ireny fa manompo sampy ireny!

Aza mba bado sy voan'ny fandemen-tsaina ihany!
novalian'i cutie ny 23/12/2006 20:16
2. soanja ( 25/11/2006 17:34)
Ekena Rianikarabo a.
3. Fiffi ( 25/11/2006 17:47)
Rainikarabo:
Kingakinga daholo mijery "horoscope" ao amin'ny gazety! Ingahy Pasitera mianakavy no loha-laharana.

Aza mba bado sy voan'ny fandemen-tsaina ihany!
fa maninona kay raha mba mijery ny horoscope-n'izy ? io kosa ange ka tahaka ny zavatra rehetra zay voalazan'ny mpanoratra koh !


4. Rainikarabo ( 25/11/2006 18:07)
Fiffi> aza raisina tapatapany sahala amin'ny famakian'ny sasany baiboly ilay izy fa manjary miova ny heviny dia tsy tafita ny tian'ny mpanoratra lazaina.
Vakio tsara fa raha azonao ilay izy dia tsy hametraka io fanontaniana io ianao.

Valiko ihany anefa: tsy maninona mihitsy fa za aza mamporisika azy hijery.
5. dailynews ( 25/11/2006 18:14)
Rainikarabo:

astrologue=mpanandro
voyant=mpisikidy

Kingakinga daholo mijery "horoscope" ao amin'ny gazety! Ingahy Pasitera mianakavy no loha-laharana. Nefa raha vao misy mijery ilay boky misy ny vintana sy andro malagasy,ajanony any fa fanompoantsampy hoy ny sasany!

Aza mba bado sy voan'ny fandemen-tsaina ihany!


pasitera tsy mahalala ny TA izany raha mbola mijery horoscope.


6. Achia ( 25/11/2006 20:02)
:-D:-D fady fotsy izany nefa mihinan-dronono
7. cutie ( 25/11/2006 21:46)
pasitera tsy mahalala ny TA izany raha mbola mijery horoscope.

in nefa ny pble raha mijery horoscope:roll::roll::roll:
8. dailynews ( 25/11/2006 23:02)
http://www.gotquestions.org/horoscopes-Christian.html
9. ikaretsaka ( 25/11/2006 23:40)
izany hono.. nefa aza mandainga fa firifiry aminareo izay milaza ho kristianina ireo no mijery horoscope?

io ilay lazaiko atsy @ topic iray atsy hoe raha vao miova kely dia miala any le toriteny be sy andian'andalana ao @ baib's
10. dailynews ( 25/11/2006 23:56)
raha izaho izany ikaretsaka tsy miditra eto @ fivavahana /finoana raha tsy mahatanty olona miresaka TA sy ny toriteny be sy miresaka andalana ao @ baiboly, fa ho eto foana anie izany e. sa ny pretra nareo tsy mba miresaka TA sy andinintsoratra masina sy mitory teny?? sa @ andro alahady ihany izany??? ny fiainana kristiana anie isanandro sy isa minitra e, raha milaza fa tia an Atra ianao tsy tokony hoe leo mihaino ny zavatra lazainy raha izany fa vao maika aza te hianatra foana sy te haheno foana hoe inona indray no zavatra azoko hianarana...asa aloha e, ianao tatsy ambadika tatsy nilaza fa katolika( izay no mahatonga ahy hilaza izany sa tsy misy hifandraisany izany???)

tsy hitako aloha hoe handainga @ inona ry ikaretsaka fa ekeko fa taloha t@ mbola tsy nanana ny Tompo aho no nijery izany horoscope izany, fa izao efa betsaka ny fiainana sy fomba nialako ka tsy haiko hoe mandainga @ ahoana anefa ny fiainan'ireo olona ireo tsy fantatrao akory dia lazainao fa mandainga izy ireo.
11. ikaretsaka ( 26/11/2006 00:12)
dailynews:

raha izaho izany ikaretsaka tsy miditra eto @ fivavahana /finoana raha tsy mahatanty olona miresaka TA sy ny toriteny be sy miresaka andalana ao @ baiboly,


Ka io ange ilay teneniko hoe tsy tvoatery ho kristianisme ny resaka ato fa resaka fivavahana sy fioana fotsiny e... misy ny mino horoscope
raha izany tokony ho forononina koa ny forum zanak'ity hoe sehatra kristianina, de avy eo mbola zaraina 2 koa hoe ny "sola scriptura" sy ny "apostolic"

12. xxx ( 26/11/2006 05:12)
Izao no hevitro andraisako anjara amin'ito resaka ito. Ny olona iray dia:

(1) na izy manaja, matoky ary tena manao ny sitrapon ilay Andriamanitra ao @ Baiboly.
(2) na tsy manaja ary tsy manao izay voalazan'io Andriamanitra io ary manohitra Azy.

Ny olona manohitra Azy, ka manao andriamanitra hafa, matoky zavatra hafa toy ny sikidy,horoscope..
Ay ny olona izay manao ny tenany ho andriamanitra tsotra izao, no MARO an isa amin ny olona eto ambonin ity tany fandalovana ity.

Ary ny Baiboly (na ny baib's hoy ny sasany izay nifidy ny tsy hanaja izany Teny Masin'Andriamnitra izany) dia milaza izao:

'Malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy.' Mat 7:13-14

Mazava ary tsisy hevitra ambadika izany teny izany.

Izao koa no voalaza ao:

'Tsy sitrako ny ahafatesan ny ratsy fanahy fa mba ny ialany amin'ny ratsy mba ho velona izy' Ezekiela 33:11

'Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontonlo izao' Jaona :17

Milaza ny maha mbola Andriamanitra Fitiavana an'ilay Andriamanitra ao anaty Baiboly ireo, ka tsy manameloka antsika fa kosa, manolotra Famonjena izay ao amin' i Kristy Jesosy izay teto an-tany ho faty noho ny fahontantsika.

VITSY anefa ireo olona izay no manaiky sy mino izany Fitiavan'Andriamanitra nasehony tao amin'i Jesosy izany.

FEHINY: ireto avy no sokajy hisy antsika:

(1) ireo izay manohy ny fankahalany sy fanoherana ilay Andriamanitry ny Baiboly ary tsy manome haja ny Teniny.

(2) ary ireo vitsy an'isa manaiky sy mino ilay fitiavan'Andriamanitra antsika ao amin i Kristy Jesosy, ary mijanona amin'izany lalana TERY izany. Manaja ny Teniny isan'andro, manolotra ny tenany hanao ny sitrapony ary hiaina amin ny fitiavana ny olona rehetra.

Izay fa misaotra.

ZO--
Etazonia.
13. kitjo ( 26/11/2006 05:45)
Miombon-kevitra tanteraka @ dailynews sy Zo!

Zay matetika no hilazana fa tsy religion ny kristianisma fa fomba fiaina... satria raha religion izy dia ny "do" sy ny "don't" no arahina...ny fombafomba hoe isak'alahady..tsy mahazo manao akanjo fohy bla bla bla

fa rehefa fomba fiaina ilay izy dia hiainana foana eny ary hita foana enao oe kristiana na tsy hiteny andinina Baiboly aza!

@fomba firesaka mety manohitra zavatra tsy mety eo @fiaraha-monina ianao ka noho ilay maha kristiana anao no nahatonga izay fihetsika izay lasa ho reflexe,tsy voatery akory hanonona andinina Baiboly aza an!

Noho izany tsy tokony hisy ifampitsara @fihetsika sy ny zavatra atao izany fa ny fo no mitondra azy, ary koa tsy hoe satria za mivavaka foana isan-kalahady, mitarika sns dia kristiana be aho izay!

Tsy maninona amiko rehefa cool enao tsy manangam-pahavalo @hafa ary resy lahatra ao am-ponao sy araka ny baiboly fa tsy misy hoe tsy mifanaraka @sitrapon'Andriamanitra ny zavatra ataonao!

Misy manko oe bandy maditra be iny ve dia iresahina? amiko tsy mety izay!

14. kitjo ( 26/11/2006 05:51)
resaka horoscope:

za manokana aloha tsy mijery, na mitazana aza sendra mahita fa tsy asiko dikany.

eo ny resa-pivavahana fa eo indrindra koa ny saiko tsy manaiky anzay...
raha mahita horoscope aho ka zavatra ratsy ny hitako ao mety tsy handyr mitsy ny saiko mandritra ny andro ka na zavatra tsy tokony hiseho aza dia tonga ho azy satria mitebiteby!

raha tsara indray ka tsy misy ilay izy dia mety ho diso fanantenana

raha tena misy tokoa aza ilay izy, dia lasa ho "addicted" eo za, ary ho ampanarahiko an'io foana ny fiainako ka eo no mipetraka @ zay ny resaka Finoana aveo. NO WAY!

fa misy koa ange ny kristiana mijery tsy mahalala izay dikany toy io lazain'i fiffi io satria ao anaty gazety ilay izy dia mba vakiana koa fa misy manko tsy mahalala mazava ny hoe inona marina ilay izy!

eo no tokony hidirantsika Kristiana, ISIKA HOY AHO, zay kristiana no teneniko anty oe, anjarantsika no mampahafantatra azy aloha hoe inona io, inona no tsy mampifanaraka izany @ Tenin'Andriamanitra, ka aleo izy no ho resy lahatra oe tsy mety marina izany ary maka solution. Ny manampy azy hiala amin'izany koa dia mbola anjarantsika

Ny ahy ny tena tsy teliko le kristiana be lotra extremiste reny, azafady an! rehefa mahita zavatra tsy mety dia manakiana beeeeeeeeee, atao eo dol zao tenin'Andriamanitra rehetra zao ka badenina ilay olona nony farany ary mety ahhatonga fanafintohinana aza izany ka hanampin-tsofina izy!
15. ikaretsaka ( 26/11/2006 08:03)
le resaka horoscope an'i kitjo dia miombon-kevitra za hoe io no tokony atao..

le an'i zo oe baib's na inona dia tsy maniratsira velively za fa io dia resaka efa nandeha teto koa ary misy any quebec any aza rehefa tena izy dia fady ny manonononom-poana ireny zava masina ireny fa raisiny toy ny lasa ompa sy teny ratsy dia zay ny antony tsy anononako azy. dia lasa miteny heo ny "rain'i lava volo" na na ny "Ray ao ambony".. na ry "zareo ao ambony rihana" za... fa raha tenenina dia lasa mandika ny didy faha 2 hono ...
Dia zatra.. de zay!
16. kitjo ( 26/11/2006 11:22)
ko maninona moa ny manonona azy fa ilay izy ovaina io ange zao mitovy @le oe ra-baina na ra-bofy...

somary tsy fanajana nddray!!!!
17. ikaretsaka ( 26/11/2006 12:40)
arakarak'ilay handraisana azy sy ny heritreritrao io... sy ny fahazarana indrindra indrindra

Za aloha tena tsy zatra miantso directe ny anaran'Andriam.... hoe Andria... na jesoa/jesosy loatra fa ny ahy "tompo" na "ray" na 'zanaky ny ray" no fiantsoko rehefa tsy ao am-piangonana... fa izany no nitaizana anay hoe tsy tonotononim-poana io ... dia lasa manany sarotra anahy indraindray ny miara mivavaka @ olona hafa

misy olona tsy zatra loatra ny miantso an'ilay zanak'andriamanitra hoe Jesosy izany dia vao maheno ilay jesosy izy de sosy=vola na sakafo no tonga voalohany ao an tsainy
misy koa tsy zatran'ilay Iaveh dia , Avia no lasa ao=tsainy matetika

Fony za nivavaka tao @ tanana 1 tao akaikin' Itaosy tao de
hozy Ilay mpitarika
"Ao ary fa raisintsika ny Baib's de jerentsika ny nambaran-Drapaoly ho an'ny pokona tany Filipo"..
de serieux be aby ny olona...
de tsy fanajana ve izany.. raha izany ny mahazatra azy?
18. Fiffi ( 26/11/2006 20:54)
ary hono hoa ? raha ohatra ka mamaky an'le horoscope fotsiny de midika zany fa ...... ?
Ohatra fotsiny zao an ! mamaky gazety le olona de miafara @ io de midika ve zany hoe ....?
Misy manko mamaky hiany de milaza avy eo hoe shhhh ! inona ary ity rediredy ity ?
19. cutie ( 26/11/2006 21:00)
:-D:-D:-D:-D
20. cutie ( 26/11/2006 21:16)
fiffi efa we tsy mahazo na mamaky fotsiny aza fa tsy kristiana zany :-w:-w:-w:-w:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2204