Tour de Madagascar 2

1. hery ( 13/10/2006 11:59)
Lalao kely mafinaritsa :-)

Ndao hanao tour de Madagascar... ka izao ny fitsipika.

- Ny làlana amin'ny ankapobeny dia Antananarivo -> Toamasina -> Antalaha -> Antsiranana -> Mahajanga -> Morondava -> Toliara -> Tolagnaro -> Mananjary -> Toamasina -> Antananarivo (eo analakely :-))
- Commune iray andalovana no atao hoe etape
- Ny etape azo tenenina dia tsy maintsy mandroso manaraka an'io làlana io. Ny làlana mihemotra dia fafaina.
- Ny elanelan'ny etape roa dia 100 KM raha be indrindra.
- Ny namana iray dia tsy mahazo miteny etape anakiroa mifanarakaraka.
- Izay toerana efa hitanao ihany no teneninao. Raha tena bloké isika dia hitadiavana fika (ohatra hoe bloké any Belo sur Tsiribihana? :-) )
- Ny tanàna teneninao dia mila présenter-nao kely. Ny sakafo hohaninao ao, ny olona mifanena aminao (olo-malaza na tsia), ny fitaovana ampiasainao rehefa tonga ao.
- Tsy mahazo mijanona indroa ao amin'ny Commune iray. - Azonao tenenina ny tanàna kely na faritra andalovanao ao anatin'ilay Commune

Vonona? Lasa ary izao

Izaho no anomboka azy :-)

Nahitsin'i hery
novalian'i Bakobako2 ny 18/11/2006 15:38
2. hery ( 13/10/2006 12:06)
Etape 1 DEPART: Antananarivo

Eo Anosy akaikin'ny radio no fiaingana
- Somary mamely Mangahazo (box) kely aloha sady manafana tena
- Manatrika mijery eo koa ny mpanarato teo Anosy
- Dia rafitra niakatra an'Andohananalakely (setroka be)
- Mamonjy an'Ambohijatovo - Tonelina Ambanidia - Route Circulaire - Besarety - Avaradoha (le lalana mandeha eny @ Institut pastera) Dia mivoaka eny Ampasapito - Nanisana - Zay tafavoaka :-)

Anareo indray

NB. Teneno ny Etape manaraka

Nahitsin'i hery
novalian'i hery ny 13/10/2006 12:55
3. kala ( 13/10/2006 12:58)
tratrako eto Mahazo i ezaka na dia nanezaka mafy aza!:-D:-D:-D:-D
voky be i ezaka dia avelako eo fa zà mbola maika handalo ny hopitaly sy ny école eo Soamanandrariny. hanararaotra hijery dokotera ao,

i ezaka tsy mahazo mankany fa vao avy nihinana henakisoa, =))=))=))=))

HS ndray kala
4. booboo ( 13/10/2006 14:21)
Ambanitsena (kaominina ?, pk ?, fa RN2 klou e :lol:)

-Misy fivarotana kely maromaro ahitana menakely, saosisy (malaza ho isan'ny mafilotra indrindra).
-Raha miditra ny tanana indray ka miroso lalina kokoa dia misy lac kely izay rehefa avy mandalo tendrombohitra sy lalan-kely rakotra ravi-mboafotsy
-Ahitana ny arhitectures-n'ny trano teo Imerina fahiny...mbola maromaro zareo no mitsangana.

5. pissoa ( 13/10/2006 14:31)
:cry::cry::cry: zay rangahy mba te hitantara an'ile ambanitsena dia nangalarin'i booboo an :cry::cry::cry:

Etape : Carion.

# Eto Carion koa dia toa misy lavarangana daholo ny trano, indrindra fa ilay amoron-karabe ireny (ny ankoatra izay tsy haiko). Tsy haiko izany angamba no endriky ny trano taloha :roll:

# Tsy dia lavitra ny arabe ny train station. Dia tsy lavitra eo koa ny hopitaly. Mahafinaritra kely ny zaridainan'ny hopitaly (tamin'izaho tany :-D:-D:-D )

# Raha noana - (sady kely loatra koa le box novidian'i Hery tao Anosy :-D:-D:-D ) dia misy mpivarotra mofo sy kafe izay manaraka ny lalamby, tsy ao anaty tanana fa somary mitokana. Mafilotra be ny ramanonaka sy ny grefin-dry zareo ao. :miam::miam::miam::-D
6. sipagasy ( 13/10/2006 15:27)
Anjeva


mijanona ny train midina ny mpitsangatsangana,


* mifamahofao be ihany ny mpivarotra sy ny olona tsotra,
* ery @ sisiny tsy alavitry ny gara misy mpivarotra menakely sy mofo gasy miammmmmm eo ihany koa no mividy hena sy anana rehefa ho any Amboniriana.
7. nikopol ( 13/10/2006 17:18)
Manjakandriana

avy miala ny garan'Anjeva, dia mijery kely ze niafara'ny ozinina mpanao hoditra an'i Baraday tao, dia maka lalantany mandalo ambohimalaza, mivoaka tsy lavitry ny lasantsy

dia mahazo ny RN7 ( raha tsy diso za) dia mihakatra Maridaza

dia mandalo mpivarotra "orana" sy "saribao" dia tonga Sambaina,

dia mahazo Manjakandriana , dia mimotika ao amin'ny Hotely Manja , milay ny sakafo fa somary henjana ny gabonet

8. andry08 ( 13/10/2006 19:10)
Manjakandriana:misy mofogasy hafahafa izay, matsaboka,misy saosisy,dia mihinana kely aloha fa mbola lavitra ny lalana.Manohy ny lalana mankany Toamasina.Mangatsiaka kely ao Manjakandriana.
9. Bakobako2 ( 13/10/2006 20:19)
Mbola sepotra be niakatra ny fiakaran'ny Maharidaza fa mandé beka de nareo efa any Manjakandrina sanady, de inn ny anaran'io tanana misy hotely milay be io Hermitazy ,misy Buffet tsy lany mintsy ny kaly ao , de naka soufla teo am'le ranon'ny Telomita mou ? mbola afaka le beka de eo Ambatolaona de nitady an zany lôna zany nefa hay resaka fotsiny .
Tonga de tohizo ny any Manjakandrina fa any mifankahita e! za mandé 2km à lera.f f f f f f f
:-D :-D :-D :-D
10. jentilisa ( 14/10/2006 06:36)
Ambodiamontana,
Be ihany ny diso anarana rehefa avy mitsontsorika be iny ny fiara ( sa mandeha an-tongotra moa isika sa mandeha lamasinina? tsy haiko intsony e!). Lazain'ny olona fa eto no Marozevo nefa tsy izany velively no anarany. Eto no fijanonan'ny fiara mpandeha mankany na avy any Toamasina malaza indrindra araka ny fahalalako azy.Eto moa no misy toeram-piasan'ny jirama ihany koa. Ny tanàna manontolo dia fisakafoanana avokoa. Rehefa hitady sakafo dia aleo ireny trano tsaratsara ireny ihany no idirana fandrao mahazo irony sakafo maimbo fofon-kitay sady tsy masaka tsara akory ireny. Misy manana sakafo tsara mihitsy ato fa izany hoe tsy mety tadidiko ilay hotely. Aleo rehefa mandalo any mijery azy indray. Nahandro gasy ihany no fihinana e!
11. enteme ( 15/10/2006 14:34)
tena efa lasa lavitra izy izany an, nefa tsy maninona raha mba asiana fiviliana kely mankany Andasibe somary mitsidika ny valan-javaboahary, tena mahafinaritra any avy eo afaka tohizana ny dia
12. Rainimaharavo ( 15/10/2006 21:12)
Tena bôny sansy nareo fa izahay vao mba handeha hiditra an'iny toerana handeha hoany amorondranomasina hoany Foulpointe mba hitsidika ny akàma ao amin'ny tanana, alohan'ny hanohizana ny lalana iarahantsika, kanjo voasakan'ny gatry. Tsy hainay mihitsy hoe naninona angaha, tsy taingim-be, tsy jiro vaky, tsy lasantsy lany, ny taratasin'ny fiara ara-dalàna daholo, tsy haiko mihitsy fa avy hatrany dia hoy ilay gatry hoe : alefa aloha ny saosy raha te hanohy lalana ianareo fa raha tsy izany tsy lasa ê!
dia nitokona teo izahay fa tsy nety nanome saosy; soa ihany fa tonga taoriananay ianareo dia rava teo ny tsena.
13. simplex ( 15/10/2006 21:39)
Eto manjakandriana ary d mankafy an\'le sosisy gasy hummmmmm tsara an. D efa mivatsy ny hoentina fa tsy maintsy manao fivilianana any Mantasoa. Somary matsaka kely aloha tonga d 1 cagot ny bex, ny tsaky tsy adino kitoza, ati-kena, sosisy somary mitandrina tsara fa manjary lany tsy miainga akory ny revy. Aleo miletra an\'le mofo gasy sy cafe gasy, ho faty ihany aho leroa ka tsy hankafy ny vita gasy.

D manainga ary, sady mihira ihany. Somary secondaire mikitoatoana b ny lalana sady ny tavoangy loaka ihany hany ka mivadika le hira mimoza: Tiiiiaaaaakoooooooo ennnnnaaaaooo affffffindrrrrrrrrrrakoooooo ny mimozaaaaakoooooo :°). Attention sofera tsy mahazo misotro an. D mankafy an\'le ala kininina sy mimoza misy vonony mavomavo tsara b sady manitra an.

Tonga ary ka d samy midina doly manala ny courbature @ le vokatry ilay lalana mikitaotaona. D samy mankafy an\'ilay laka. Misy manao pedalo fa za mataoatra fa hoe ndraindray ony maka ol le rano, aleo ilamina fa ny tany indramina kle. D mankafy an\'le panoramika fotsiny no maka sary. Somary mangatsiaka kely vokatry ilay ala sapins ngambany fa ny revy mande ihany @ io.

Hariva ny andro, afapo tsara. d lasa manohy ny dia. D samy reraka k tsisy mahateny tsony fa mankafy ny kinina sy ny bozaka ary ireny ala anjavidy ireny. Za moa somary dizna ary mbola manonofy mimoza kanefa na izany aza mieritreritra mafy hoe ahoana ary ny fika fa tsy maintsy hande beka refa mivoaka any Ambatoloana... Tsy maintsy hoe anao autostop indray zany :°)
14. zoklbfkfk ( 16/10/2006 07:04)
miakara simplex aty fa mbola malalaka ny vam

dia tantarao ny tohiny fa zahay zany koa vahiny be ery:oops:
15. pissoa ( 16/10/2006 11:07)
Mba alaivo aty Ambodiamontana fa tsy mahita lalana ooooooo :oops::oops::oops::-D
16. diamondra27 ( 17/10/2006 09:58)
tsy misy sary v azo alefa miaraka @ le étape, mba tena ankaffizinay aty antany lavitra aty e!
ze misy fa tsy voatery oe: isaky ny étape an!

HS v za?
17. Bakobako2 ( 17/10/2006 10:25)
Sôfera a ! oulombelou tsy akou !
:-D :-D :-D :-D :-D Taxi borosy io fa tsy kofafa.
midina dôly ,any anaty kninnna !
18. ravatorano ( 17/10/2006 13:05)
raha faka an i ambatoloana ,niakatra an i mandraka ka nidina nitsontsorika an i marozevo sy ilay toby fisakafoanana aza hadino ny mihodina kely eny Anjiro na d hitono ny magahazo madarasy fotsiny aza na hianoka ny hanitry ireo mananasy masaka ifotony izay hanaovan dry zalahy any ny betsany ary eo akaika eo moa izany ilay label malagasy voalohany amin ny blend rhum e hihihihi
D nitohy ihany ny dia ka tafakatra an iny fanalamanga iny amizato toerana mitomandavan ny voly hazo hatao taratasy indro misy tanana kely andranokobaka fividianan saribao sy oram bato hatsatsika ho anareo izay tia ary tsy lavitra d hiditra an i Moramanga hahatsiarovana an ilay wagon fahiny iny.Ao indray dia hahitana ny sakafo maro isafidianan gona an ao ry coq d'or sy ny lasopiny-oka marna ry douce ah hihihih - ao ry zareo erry tanamandroso amin iny lalana makany safotany iny izay mahay ny nahandro malagasy amizato amalona ary aza hadino ny mitsidika ny musée an ny zandarimaria ao izay tokana ihany eto amitska fa ao irery ihany raha ny momba ny tafika malagasy.
mbola faritra aloata mangoro avokoa zany an fa tsy hoe akory mandika ilay fitsipika ery izay napetrak i hery ..............
anareo ndray ary e
19. Samoana ( 17/10/2006 13:52)
Andasibe
Tsy voky tsara tao @ coq d'or Ravatorano dia nentina kely hanao revanche ao @ ilay trano falafa fisakafoanana miatrika ny fidiran'ny parc national. Vary fotsy sy cuisse de nymphe no nampidinina t@ THB.
Nindrana kalakely guide avy eo ary afa-po tokoa fa hainy avokoa ny karazan-javamaniry mahasolo fanafody ao @ parc.Tsy sahy nipoitra ny gidro t@ io andro io fa natahotra ny resaka sy tokelaka nifanaovana eran'ny lalana angamba !! Afaka nioty goavy tsinahy tao koa natao vatsy karepohina anaty vam .Mbola lavi-dalana e....
20. kala ( 18/10/2006 07:07)
de nipoitra kely ny gidro iray himémé fotsiny fa tsy mahita lalana. :-D:-D:-D:-D:-D

de mankaiza tokoa moa?

Marovoalavo : toa tsy misy vidina hohanina eto zany fa sary sikotra sy inona moa no anaran'itony zvt itony???

aleo aloha hanao récréation kely fa manery koa ny beeks, nosotroina niaraka tamin'i samoana teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903