lakroa ????

1. majesty ( 08/09/2006 08:35)
Marobe ny olona no mino fa ny lakroa dia famantarana ho an'ny kristiana (satria io no nanombohana an'i Jesosy)rehefa nandinika ny baiboly @ dikan-teny samihafa anefa aho dia mahita fa misy milaza hoe "croix"(tanam-bokovoko) no nanombohana an'i Jesosy,ny sasany ndray milaza fa "poteau" izany hoe hazo mijidina fotsiny.Dia raha izany no alalinina dia iza no tena marina,ary avy aiza marina no tena nipoiran'ny lakroa,d iza no namorona azy? betsaka mantsy ny kristiana no mampiasa azy io eny fa na dia ny fasana aza dia asina an'zany hatrany an-doham-pandriana na atao firavaka sns.(Mba ho fahalalana ara-tsaina fotsiny fa tsy misy antony hafa akory an):?::?::?:
novalian'i prime ny 10/10/2006 12:27
2. ravatorano ( 08/09/2006 09:14)
za aloha d tsy mahalala tokoa na pôtô na inn fa maiko d lakroa no namatsihinja an i Jesoa ary koa amiko ny fahafatesany izay nitohy tamin ny fitsanganany notena zava dehibe amiko fa kosa araky ny tenin i majesty hoe mba ho fahalalana ara tsaiand mba te hahalala tokoa aho hoe ahoana marina ny amin io ? :?:
Ny namorona azy aloah dia araky ny finoana na fiangonanan aarahina angamba fa ny katolika sy ny protestanta aloha toa ny lakroa , ny any hafa indray dia ny pôtô fa dia zé mahalal mbo lazao e :-w
3. booboo ( 08/09/2006 09:23)
Tsy signe hifankahafantarana ve no niatombohan'ny fitondrana signe-na religion iraika. T@ nanenjehana ny kristiana t@ andron'ny romana ( miala tsiny fa tsy haiko ny daty na ny emperora t@ zany ) dia ny trondro no nifankahafantaran-dreo. Avy teo nivoatra araka ny zava-misy. Nisy ny lakroa zay boooooobaka beeee ny karazany zay samy manana ny tantarany aby : ny croix huguenotte ( protestanta )ohatra. Fa ny itovizan-dreo dia mifandraika foana @ finoana kristiana.
4. hery ( 08/09/2006 09:45)
Mazava ho azy fa tsy natao hilaza tantara (histoire) toa ny Roman ny Baiboly ka tsy nampidirina tao daholo ny antsipirihany (détails) rehetra. Toa te-hiteny hoe tsy dia manan-danja izany. Raha tsy izany mantsy dia hisy hiteny hoe: Firy ny fantsika? Telo sa efatra? Fantsika iray tamin'ny tongotra roa sa fantsika roa? Taiza no nofantsihana, teo amin'ny fela-tanana sa teo amin'ny tanana akaikin'ny vohontanana. Satroka tsilo sa fehiloha tsilo? Niboridana tanteraka sa nisy salaka?
Ireo zavatra nolazaiko ireo dia tsy dualisme noforonina fotsiny fa zavatra mety ho nisy daholo (possibilités historiques) ary samy nisy nanaporofo.
Dia toa izany ihany koa ny lakroa. Misy ny miteny hoe "Poteau" (izay dika voalohn'ny teny latinina hoe Crux) ary misy kosa ireo miteny hoe "Croix" miendrika T (izay nalaina avy amin'ny teny Grika hoe Stauros nakana ny litera "Tau" na T)
Dia avy amin'ireo endrika roa ireo ny mpahay tantara no miezaka miverina hoe ahoana no fomba namantsihana ny olona tamin'izany fotoana izany (Satria tsy i Jesoa irery no nofantsihana)... dia samy manohana ny heviny.
Ny zava-dehibe anefa, na Crux io na Stauros dia samy Torture no heviny. Izany hoe tena fanamelohana sy fanambaniana. Dia izay fotsiny no tsoahina ho hevi-dehibe hoe Fijaliana faran'izay mafy nitondra tamin'ny fahafatesana ilay famantsihana an'i Jesoa.

Ho an'izay liana @ teny Frantsay.
Sainte-Croix: http://fr.wikipedia.org/wiki/Vraie_Croix
Croix comme symbole: http://fr.wikipedia.org/wiki/Croix_%28symbole%29
5. lapino ( 08/09/2006 10:44)
Tsy tena hoe ny lakroa no famantarana ny kristiana. Tsy exclusif an'ny kristiana irery ny lakroa tsinona (mbola ao ny vokovoko manga sy mena, ny rose croix, sns ...). Saingy noho ny fanomboana an'i Kristy hitondra ny helotsika, izay fototra iray iorenan'ny finoan'ny kristiana, dia raisin'ny kristiana maro (fa tsy voatery ho izy rehetra koa) ho marika ahatsiarovana an'io famonjena lehibe io ilay hazofijaliana.

Ny maha lakroa ny endrik'ilay hazo, za aloha tsy mahita importance manokana amin'iny. Any amin'ny tantara tokoa raha liana amin'ny antsipiriany. Fa ny zava-dehibe dia ilay famonjena ampahatsiahiviny. Ka na lakroa iny, na poteau, na ahoana no endriny, endrika ivelany izay, fa ny maha-hazofijaliana azy ihany no jereo.
6. Fiffi ( 08/09/2006 12:17)
hazo fijalian'ny Tompo notoritoriana ary maty ho antsika.
7. bimanoa ( 08/09/2006 12:26)
ny nampianarina ahy aloha ny hazo fijaliana manambara ny fampihavanana nataon' i Jesoa : ilay mitsangana manambara ny fampihavanana an' Atra sy ny olombelona ary ilay marindrano manambara ny fampihavanana ny olona samy olona.
8. Fiffi ( 08/09/2006 13:52)
hazo fijalian'ny Tompo nefa tsy izy irery no nampijaliana t@ io fotoana io fa 3 ry zareo. Ny maha-samy hafa azy fotsiny de ny Tompo novonohina ho fanavotana antsika olombelona.
9. baregenaina ( 08/09/2006 14:39)
za aloh mahita oe tsy important @ fifandraisana @ andriamanitra le lakroa fa mba noforonin saina fotsiny e, efa nanombohana azy zao ve de mbola ho tiany ihany, tahaka ny oe tehirizina sy indraindraina ny antsy namonoana olona iray
10. Fiffi ( 08/09/2006 15:36)
ka tsy mitovy ange zany eh! ny iray famonona , fa ny iray kosa fanavotana . (famonona hiany fa fanavotana koh)
11. mika117 ( 09/09/2006 05:53)
baregenaina a!.tena marina mitsy io teneninao io an!efa ela koa aho no nandinika an'zay;hoe:ahona ary no tokony ho indraindraina ilay la croix?
12. mika117 ( 09/09/2006 06:08)
ho antsika izay manaiky ny signe lakroa , manaiky ve fa iza fiangonana kristiana tsy misy lakroa de tsy azo lazaina fa fiangonana kristiana
13. Fiffi ( 09/09/2006 09:34)
jereo fotsiny zao hoe rehefa manao hoe amin'ny anaran'ny Ray , sy ny Zanaka ery ny Fanahy Masina mbola lakroa hiany no hatao!
14. Achia ( 09/09/2006 18:43)
mety tsy ny rehetra kosa angamba no manao izany ka tsy haiko aloha ny hevitry ny hafa e !
15. pissoa ( 09/09/2006 19:02)
bimanoa:
ny nampianarina ahy aloha ny hazo fijaliana manambara ny fampihavanana nataon' i Jesoa : ilay mitsangana manambara ny fampihavanana an' Atra sy ny olombelona ary ilay marindrano manambara ny fampihavanana ny olona samy olona.

Zah koa nampianarina an'io :-*

16. pissoa ( 09/09/2006 19:08)
baregenaina:
za aloh mahita oe tsy important @ fifandraisana @ andriamanitra le lakroa fa mba noforonin saina fotsiny e, efa nanombohana azy zao ve de mbola ho tiany ihany, tahaka ny oe tehirizina sy indraindraina ny antsy namonoana olona iray

Taratry ny hazofijaliana "famonoana" tamin'izany ny fahotana ataon'ny tsirairay isan'andro ... ka raha tsy tiana ho hita intsony ny nanombohana Azy dia aza manota intsony :-*

Ny fahitana ny lakroa dia mety hanampy anao tsy hanota intsony ka izay no mampa-important azy ... :-*
17. cutie ( 09/09/2006 20:33)
zany an
:lol:
18. pissoa ( 09/09/2006 20:45)
Ie izany tokoa :-*
19. cutie ( 09/09/2006 22:37)
fa nga le lakroa moa tsy fahatsiarovana ny nijaliany :roll:
20. cutie ( 09/09/2006 22:54)
oups, efa voavaly kay :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985