lakroa ????

101. xxx ( 16/09/2006 11:38)
:D:D:D
102. Fiffi ( 16/09/2006 15:42)
baregenaina: de efa nety ve aloha ?
103. majesty ( 18/09/2006 07:27)
hoy Hery:
Indrisy... tsy manoro antsika ny tokony hatao rehetra ny Soratra Masina. (Nitady aho hoe ahoana ny fanaovana ny 1+1 fa tsy nisy... ohatra fotsiny iny)


Mety ho marina izany fa tsy ny tokony atao rehetra no voalazan'ny soratra masina kanefa ampy sy feno izy ary izay tena manan-danja no nolazainy mba ahatonga antsika hanana ny fiainana mandrakizay fa ny 1+1 akory tsy hitondra antsika ho any an-danitra :D
104. prime ( 18/09/2006 12:40)
Fa na izany aza ny lakroa no famantarana mahalaza ho an'ny kristiana fa nandalo fahafatesana marina Jesosy vao nitsangana t@ maty...
105. Achia ( 18/09/2006 17:42)
tsy resy lahatra @ zay kosa aho ry prime a !
106. prime ( 19/09/2006 10:17)
Lazao aza aloha ny hevitrao e...
Ny hazofijaliana no fototra ivelany manaporofo ny famonjena nataon'i Kristy...
"...Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalàna amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amin'izay hovonjena..." I Korintiana 1:18
"...Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana..." Galatiana 5:24"...ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, izay namonoany ny fandrafiana..." Efesiana 2:16"...ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana..." kolosiana 2:14
107. daran ( 28/09/2006 14:27)
amiko reto dia rehefa teny tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly dia tsy tokony volena a!!! Tsara ny mandinika fandikan-teny maro dia tsy very e!!
108. prime ( 29/09/2006 08:51)
aho ao ambony ao:
Ny hazofijaliana no fototra ivelany manaporofo ny famonjena nataon'i Kristy...
109. Achia ( 30/09/2006 06:21)
jereo tsara io Koritiana nolazainao io ry prime fa tsy manambara lakroa nge io e ! ny size mantsy hoe lakroa natao ho marika ho an'ny Kristiana . Io Kolosiana io koa mbola mila fanazavana kely fa maro ihanikoa no tsy maharaka io
110. prime ( 02/10/2006 09:08)
Ny atao hoe lakroa anie ka hazofijaliana e... tsy samihafa izany fa iray ihany...
Raha forme no tiana resahina eto dia bdb ny endrika anehoana ny hazofijaliana... (ny lakroa izany mantsy avy @ teny frantsay novoizin'ny fiangonana katôlika nefa ny hazo fijaliana ihany no tiany ambara) fa raha ny soratra masina dia manandanja lehibe mihitsy ny atao hoe hazo fijaliana na lakroa... ary ny asa famonjena nataon'i Kristy dia nandalo t@ io fa tsy tongatonga ho azy...
111. majesty ( 05/10/2006 10:52)
hoy prime :

Ny atao hoe lakroa anie ka hazofijaliana e...


Ny dikan'lakroa amin'ny teny gasy "tanambokovoko" e
112. prime ( 06/10/2006 09:45)
Tanambokovoko ho an'ny Katôlika fa Hazofijaliana ho an'ny Protestanta... tsy samihafa izany e...
113. Achia ( 07/10/2006 06:08)
de natao marika croix zany ny famantarana ny Kristiana ve ry plime :-D
114. prime ( 09/10/2006 07:55)
Ara-tantara dia nandeha ho azy fa ny lakroa (na tanambokovoko na hazo fijaliana, izay ilazàna azy) no marika ahafantarana ny kristiana... satria io no marika maneho mivantana fa vita teo amin'io ny asan'i Kristy...
115. Achia ( 09/10/2006 10:51)
efa nahita aho indraimandeha zay tao anaty baiboly ny @ marika omen'ATRA ny olny fa ndraso kalongany mbo ho zahako koely oe aloha
116. prime ( 10/10/2006 12:27)
ndao ary e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0317