ireo olona mamono tena

1. barry ( 04/09/2006 06:40)
misy ny olona raha vao misy problème dia lasa mamono tena;Dia ahona loatra;tsy hainy ve ny mamaha ny olona??;sa izy ireny mihitsy no efa malemy saina??Hita matetika eo @ vehivavy izy io raha hilaozan'ny olon-tiany izy ;sns;;;
novalian'i Fiffi ny 09/09/2006 15:29
2. soanja ( 04/09/2006 06:42)
Zah izao vao omaly dia nanana namana namono tena fa tsy maty. Amiko aloha dia tsy fananana an'Andriamanitra no fototra mahatonga an'io. Tena mampalahelo be mihitsy.
3. booboo ( 04/09/2006 06:58)
Tsy hoe isaka zay misy pbs, fa rehefa tojo ilay olana iraika tsapany fa saro-bahana sy tsy ahitany vahaolana mihitsy vao tonga aminy ilay hamono ny tenany. Misy souffrances beeeeeeeeeeeeeeeee ao zay, dia karazana antso hoe " ampio zaho na vonjeo zaho " Malemy saina ve ? tsy fantatro.
Ndraindray anefa raha kely fotsiny, teny kely feno fitiavana, tsiky vokatry ny fo, bisou kely sns dia efa mampiverina kely ny sainy hankafy ny fiainana indray ......
4. mika117 ( 04/09/2006 07:28)
K ny tena mampihomehy anie d izao e:namontena anefa de tsy maty fa veloma any @ hopital ndray =))=))
5. booboo ( 04/09/2006 07:37)
tsy mampihomehy mihitsy zany :evil:. Matoa raté ny act-ny, amiko, dia tsy tena te-ho faty izy fa tellement desesperé(e) fotsiny dia iny no noeritreretiny fa vahaolana tsotra indrindra.
6. pissoa ( 04/09/2006 07:59)
Famonoana tena: fahalemena sy fitiavan-tena no tena hitako ao aminy :roll:

Fa maninona no mamono tena: ozizy i booboo hoe misy souffrance be, na olana saro-bahana. Mpahazo ny ankabeazam-bahoaka izany, ka nahoana no vitsy ny mamono tena noho ny tsy mamono ===> Mamono tena = malemy.

Ny famonoana tena koa, araka io dia toa natao hitsoahana ny olana mitranga, na ny alahelo mianjady. Noeritreretina ve nefa ny olana mety hitranga amin'ny velona sy ny alahelo hianjady aminy rehetra maty eo ny tena? Misy migadra ny velona satria namono tena ny olona iray :-w:-w:-w Tia tena be ny olona mamono tena zany.
7. mihoby ( 04/09/2006 08:40)
mamono tena ny olona satria tsy zakany intsony ny zavatra mianjady @, ary heveriny fa vahaolana angamba le famonoan-tena ,
nefa ny fantatro de hoe tsy eo @ fiainany Atra , de tsy misy fiadanampo mintsy eo @
8. Fiffi ( 04/09/2006 09:16)
pissoa:
Tia tena be ny olona mamono tena zany.
tena tia tena be io satria izy afaka @ fahasahiranany fa tsy nijereny kosa ny fijalian'ny fianakaviany .


9. HESHA ( 04/09/2006 15:39)
De aona kosa ary ny ol mamono tena, maty, nametraka taratasy hoe ani ankoatra ndrai manao an zao si zao, tsi mino an Atra ve izi hoi nareo de hahalala fa misi fiainana hafa ani ankoatra ?
Za alou tsy mahalala na malemy izi na saro-bahana le olana, fa ni fantatro de mamela fanontaniana ho an zai rehetra nahafantatra azy izi
10. tsoupou ( 04/09/2006 15:40)
Misy marina zany ary misy koa anefa ny tsy ampy kely.
Tsy dia midika fahamaivanan-doha loatra ilay famonoana tena fa arakarak'ilay problème io.
Zavatra efa mba nandalovako ihany io (vô saika hamono tena fa tsy efa akory).
Misy fotoana tena tsy zakanao tanteraka ilay olana, na efa zaraina amin'olon-kafa aza mbola mavesatra ihany, dia lasa mamoy fo dia tsy mahita hatao afatsy ny mamono tena.
Omeko ohatra iray nareo (mety ho extrême be loatra ilay izy fa mety hitranga ihany anefa) :
1- Misy zavatra mahazo anao, ianao tsy maintsy hijinja ny vokany
2- Ny fianakavianao koa dia tena ho afa-baraka ihany koa
3- Ny ray amandreninao mety hisy ho faty mihitsy raha maheno ilay problème mahazo anao
--> Inona no ataonao ??? Velona ianao, mahabe olana ny sasany, sady mety hanantsiny satria mety ho nahafaty ray aman-dreny
--> :-w :-w :-w
11. HESHA ( 04/09/2006 15:57)
misintaha lavidavitra de ho hitanao ny valiny.
Ny henatra tsy maintsy misy eo amin ny fiainan ny olona iray, tsy haiko alou ra misy ol sahy milaza fa tsy mbola nisy nahamenatra ny nataony e, fa tsy midika zany fa tsy tokony hiaina intsony ianao.
Tsoupou, aza manao an zany ianao an, sao tsy hitanay eto am serasera ntsony
12. Fiffi ( 04/09/2006 16:23)
Tandremo koa fa misy olona mamono tena noho ny haretina ohatra ! efa fantatra fa tsy misy azo hatao intsony de haleony mamono-tena .
13. nikopol ( 04/09/2006 17:10)
Misy karazany betsaka ilay famonoantena ka :

- misy olona zao hananan\'ny olona vola 125 000 Fmg dia tsy misy fika hahafahany mamerina ilay vola dia lasa blema be ho azy le izy ( afa-baraka ny fianakaviana , very fahatokisana sy ny sisa ...) dia aleo mamono tena

- misy indray ireo kamikaze ( tetika ny hamonoantena satria amizay misy effet-ny amin\'ny hafa, mba mijaly ireo neveriny fa tokony hijaly )

- misy indray ilay forme euthanasie, efa tsisy fika intsony fa aleo hafaingainina ny raharaha, ohatra hoe efa voan\'ny cancer généralisé na ohatr\'izany


Tsy voatery ho fahalemena ireo ka !

fa ny tsy ampy taona mamono tena indray mety voazavanle hoe tsy ampy taona


14. Fiffi ( 04/09/2006 19:26)
nikopol:

- misy indray ilay forme euthanasie, efa tsisy fika intsony fa aleo hafaingainina ny raharaha, ohatra hoe efa voan\'ny cancer généralisé na ohatr\'izany
io indray aloha de efa nisy tantara be mihintsy taty ivelany an! fa voarara ny lalana ny fanaovana an'io ! Satria io de karazana famonoana olona fa tsy famonona-tena akory !


15. Vaika ( 04/09/2006 21:32)
Fahalemena, fitiavan-tena, manala baraka... Mba tsongoy fon'olona, mba tsongoy fon-tena fa samy marary ihany !
Raha momono tena ny olona iray dia very fanantenana tanteraka izy. Fanampiana kosa angamba no ilain'ireo mamono tena (manao sorona ny ainy !?) fa tsy fanenjehina na dia betsaka aza ireo mamono tena no tsy "mahatsiaro tena" intsony. Antso vonjeo hoy i booboo, miray hevitra aminy ny tenanay.
Fahalemena sa fitiavan-tena ve no manosika ity zavavy victime de viol ? Ary raha victime d'inceste koa ve ? Sarotra ihany ny hitsara !
Raha nanontaniana ity zatovo iray : "inona no tonga ao an-tsainy rehefa te-hamono tena izy ?", dia hoy ny valiny : "mahatsiaro tena tsy misy mpitia aho dia manao film ato an-tsaiko ny fandevenana ahy, ny olona rehetra mahatsirao fa mba mba misy ilàna ahy ihany sady mba mendrika fitiavana toy ny rehetra aho...". 14 taona ilay zatovo...
Amin'ny fomba ahoana no hanenjehina azy nefa fitiavana fotsiny no tadiaviny ? Fitiavana izay tsy hainy intsony ny mandray azy ka nanosika ny tenany hanao ny tsy fanao sy hanimba ny mamy indrindra : ny aina !!!
Fanampiana fa tsy teny mahamay kosa angamba no tediaviny ireo olona resy teo amin'ny fiainana (na dia bilitika aza eo imasontsika ny olana mianjady aminy) sa ahoana hoy ianareo ?
16. mika117 ( 05/09/2006 04:57)
Andriamanitra no nanao ny ain'olombelona ka zay mamono io aiana io dia tsy miditra ny fanjakan'Atra;fa fahotana ny mamono tena ;ka raha ny ttasy izay soratany anaovambeloma hoe any ankaotra no mihaona dia asa izany na "afo be" na "paradisa" ;fa misy karazany 2 faona mantsy ny hoe any ankaotra
17. Fiffi ( 05/09/2006 06:40)
de Andriamanitra hiany no mahafantatra zay toerana tokony hisy azy !
18. pissoa ( 05/09/2006 07:21)
Vaika - fa iza intsony moa no hampianao eo rehefa maty ilay olona namono tena? :-D:-D:-D

Ny ahy dia vao teneniko hoe fahalemena io ary fitiavan-tena ... amin'izay tsy hisy hamonomono tena intsony ny velona :wink:

Firy ny olona efa victime-na viol (na lehilahy na vehivavy), dia firy tamin'ireo no namono tena? Malemy ireo namono tena rehefa oharina amin'ireo tsy namono. Haiko indray zao fa hisy hiteny hoe tsy mitovy ny fahazakan'ny tsirairay ... ka zay ndrindra nefa no mampalemy azy :roll:

Fitiavan-tena: eritrereto ny zavatra apetraka ao an-tsain'ny velona rehefa mamono tena. Jereo fa rehefa misy maty tampoka, dia misy mitomany hoe tsy azo nialana nenina akory fa tonga dia maty ... Maika fa ianao hamono tena, sao mampanenjika eritreritra ny olona fotsiny hoe novonoinareo zah (nefa ny anao hadalana) :evil:

Matetika koa nefa ny olona mahatanteraka an'io dia tsy miresaka amin'ny olona akory fa tonga dia mamono ny tenany. Izany hoe izy mihitsy no manda ny fanampiana. Raha miresaka amin'ny olona nefa izy hoe izaho hamono tena fa izao sy izao, dia mino aho fa homen'io olona io ny fampaherezana ilainy izy :)
19. papala ( 05/09/2006 08:35)
Ny mamono tena dia misy olona tia tena be, nanambady ity tovolahy iray, tsy azoazon'ny fianakaviana anefa ny toetran-drazazavavy, kanefa vitany irery teny ihany ny fomba fampakaram-bady, izany hoe olona fantany vitsivitsy no nantsoiny, tsy norarahiny ny fianakams. Niteraka voalohany dia efa nanomboka leo sahady ny toetran-drazav ralhy. Ny fianakms moa dia tsy nanisy olana mihintsy fa dia nandray ny zanany. Mbola menatra angamba izy dia nokoboniny teny ihany, tonga ny zaza faharoa, teo vao ralhy indray no nandatsa ny fianakams hoe : ny vdiko moa tsy tianareo koa, nandeha amin'izay ny rahombava @fianakams andeha hamono tena mihintsy aho ! Fa ny tena nampihomehy ? Hozy ny anabaviny hoe : rehefa hamonon-tena hianao dia mividiana aloha lambamena hamonosana hanao sy karakarao dieny mialoha daholo ny rehetra rehetra fa izahay tsy hisahirana? Nangina tampoka hono !
20. Vaika ( 05/09/2006 09:11)
Ary raha avadika kely aza ilay fanontaniana : nahoana no tsy tsapantsika fa efa namohifohy ity mpiara-monina (namana, fianakaviana ets...) ka nahavita namono tena ?
Hay moa ! Malemy izy, tia tena izy ! Mendrika ho azy ve zany ny fahafatesana (sy ny afo be) ?
Ka noho izany, nahoana no mbola misy mamono tena ihany satria felaka iray mirefodrefotra monja anie dia hampiverina ny sainy e (sa hitoriana filazan-tsara ?) !
Indrisy dia indrisy fa tsy ampy tokoa ny felaka tokana raha tsy izany ve ho feno "marary suicidaires" ny hôpitaly any amin'ny firenena mandroso (na tsy mandroso)... F'angaha moa aretina indray ilay mamono tena ? Ka raha aretina anie dia tsy fahalemena na fitiavan-tena e ! Hitako eto sahady ilay psychiatre mibedy ilay marariny hoe : "ny hadisoanao irery no mamparary anao !". Brrrr ! Mampioro-koditra !
Tsy voatery ho meloka isika raha tsy afaka niala nenina ka tsy nanampy ireo olona very fanantenana (sady tiantsika), tsy fahalemena na fitiavan-tena izany. Isika mitazan-davitra koa aza dia mety ho difitr'ilay olana mianjady aminy (isika koa tsy voatery ho professionnels rahateo). Tsy hifanomezan-tsiny anefa fa tsarovy fa ny fo sy fitiavana dia mety ho ampy ho fanampiana. Raha ny hitora-bato iro very fanantenana sy resin'ny fiainana kosa aloha dia lavitra amiko ! Iza no mahalala, any aoriana any dia mba ho lavo koa fa tsy handresy foana ?
Farany, mahagaga tokoa fa tsy mamono tena daholo ireo victime de viol (ohatra) fa ny tsikaritra dia maro amin'izy ireo no tsara tohana ara-pitiavana.
Ka sao dia ilay fanamelohana ireo olon-dresy kosa no tena fitiavan-tena sy fahalemena ? (fanontaniana fotsiny io !)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1832