ireo olona mamono tena

21. pissoa ( 05/09/2006 09:43)
Vaika:
Ary raha avadika kely aza ilay fanontaniana : nahoana no tsy tsapantsika fa efa namohifohy ity mpiara-monina (namana, fianakaviana ets...) ka nahavita namono tena ?

Satria izy tsy niteny (teboka famaranana) :-D:-D:-D

Fa iza moa no anontanianao hahalala izay any am-ponao sy any an-tsainao any rehefa tsy teneninao amin'ny olona? Raha hitan'ny olona mitomany ianao - dia mitomany no hitany (dia mety hampangininy) fa tsy hoe hamono tena! Raha mitaraina ianao, dia ny fitarainanao no reny fa tsy hoe hamono tena ianao. Ka aza miandry ny olona hahalala izay tsy lazainao azy ... ny lazaina mivantana aza tsy mifankahazo ny resaka, maika fa tsy lazaina? :-D:-D:-D

# Ie - mety ho lavo tsara mihitsy aho any aoriana. Dia malemy sy tia tena aho izany koa ... Izaho tsy handa ka :) Ny fahalemena sy ny fahotana hafa rehetra amiko dia tsy miankina amin'ny hoe i Pissoa no nanao azy na tsia ... fa rehefa fahalemena sy fahotana dia izay izany (teboka famaranana) :-D:-D:-D

# Fa maninona no mahatsiaro voaheloka sy voahenjika rehefa milaza ny zava-misy fotsiny ny olona? Ny iantsoan'i Vaika azy aza hoe olon-dresy ... Mety midika ve izany fa mahery sy mafy be izy tamin'io situation io? :-D:-D:-D
22. Vaika ( 05/09/2006 12:37)
pissoa : :-w
Teboka famaranana sa fihomehezana e ?
:-D:-D:-D
Mba dadany kosa ankia izany hevitr'i ndry koh 8O
"za tsy manampy fa izy aza tsy miteny"
Aleo ho faty izay ho faty any an !^^
Esquive no anaran'io tekinika io amin'ny esqrime ! Mbola tsy sendra...kosa angamba i ndry fa tsara vintana. Tsara izany ary tsy misy olana fa ny hiriana dia hitohy izany (de tout coeur !). Tandremo fotsiny sao "manao toy ny tsy ho tratry ny aloka ka voahaloky ny akoho" hoy ny fitenenana.
Mino koa aho fa hain-dry tsara fa ny olona mitady hamono tena matetika dia tsy miteny fa mikôn-doha irery (mihezaka ny mamaha olana ihany izy ireo na izany aza) dia rehefa tsy tanty intsony dia tonga amin'izay ilay dépression totale (izay no maha-olombelona azy : tsy parfait isika) sy ny vokany isan-karazany, an'isan'ireo vokany ireo ny famonoan-tena (tsy voatery). Misy tokoa ireo midradradradra mihintsy miantso vonjeo nefa tsy misy mihaino ! Ka inona indray no azo hialàna pà ? Sarotra sady mampatahotra ny manampy olona miantso vonjy amin'ny famonoan-tena, marina izany !
Fa tsy mety kosa angamba ny manambany ny fahorian'ny sasany amin'ny teny mahamay toy ny voalaza tetsy ambony. C'est uniquement le bon sens qui parle, ary mino aho fa tsapanao koa izany !
I vaika kosa dia na "misolo vaika ny an-kalana" aza eto dia manana ny moment de faiblesse-ny koa, ary ny fanekeny ny faiblesse-n'indrindra no manome hery azy amin'ny fiainana andavan'andro;-)
23. pissoa ( 05/09/2006 12:47)
Vaika aaaaaa, vakio tsara kloo :-D:-D:-D

Ny fanontanian'i Vaika dia hoe
Vaika:
nahoana no tsy tsapantsika fa efa namohifohy ity mpiara-monina (namana, fianakaviana ets...) ka nahavita namono tena ?

Dia io ny valin'ilay hoe nahoana no tsy tsapa ... satria tsy nolazaina! Fa tsy hoe valin'ny hoe Hamampy ve sa tsia :-D:-D:-D


Vakio njay kloo dia avy eo vakiako ny soratrao :-D:-D:-D

Ilay "teboka famaranana" dia midika hoe izay no antony - tsy misy fanampiny intsony :-D:-D:-D
24. tsoupou ( 05/09/2006 12:54)
:-D :-D :-D nareo ry reto a, za tsy hamono tena ka, za efa sambatra hatram zay ve dé hamono tena tsotra izao tsisy n'inon'inona akory :-D :-D :-D
25. prime ( 05/09/2006 13:16)
tsoupou> :-D:-D=D
26. barry ( 05/09/2006 13:17)
Hainareo ve ilay blague n'iFrancisT iny e;Manao hoe :andeha amonotena aho d tifiriko @ basy ny lohako;d rhf tena eo ampanaovana azy d hoe:sao nefa misy bala ato anty basy?:-@ Dia ny ray ndray hoe:andeha hisaoty eny 10 etage aho:rehefa hanao lay action @ izay d hoe:sao avo be lotra??^:^
27. mika117 ( 05/09/2006 13:30)
Raha mamonotena izy ka tanterany hatra@ farany moa maninona fa azy zany ;fa raha hoe namono tena hono fa tsy maty ;dia vao maika mi souffrir fotsiny @ aretina azo nefa ilay probleme mbola ao ihany ;ka tsy vao maika loza:cry:avy eo ny fianakams indray no mbola ho sahirana aminao ny @ fitsabona ;sy ny fivezivezena;Ka ny tena tsara dia avohay foana ny blem na ho any na tsy ho any fa aza kobonina ao aminao ao;fa matoa misy probleme dia tsy maintsy misy solution
28. prime ( 05/09/2006 13:31)
Fa ny famonoan-tena no "crime capital" tsy mahazo rariny n'aiza n'aiza... na amin'Andriamanaitra, na @ fiaraha-monina, na @ lafiny lalàna... na eto an-tany, na any an-danitra...:(
29. Vaika ( 05/09/2006 14:03)
pissoa aaaaaaa ! vakio tsara koa klo:-D:-D:-D

nahoana no tsy tsapa (ho'a) ? Hoy i ndry hoe : "satria tsy nolazainy"
:-w Manao izay hampivadika atidoha i ndry an ! Ka raha hiandry azy hiteny eo dia aleo tonga dia mandrafitra vata-paty fa tsy hiteny eo izy !
Ka raha hiteny tokoa ve ho'a ilay olona hamono tena dia mino ve i ndry fa hahavita ny hanampy azy sa mba miala bala fotsiny (nefa na izany aza tsy azo omen-tsiny) amin'ilay hoe "izy aza tsy niteny".
Ilay mamono tena, na dia tampoka be aza indraindray, dia tsy coup de tête fa misy signes tokony hisarika ny saina (NA DIA TSY MITENY AZA ILAY MAMONO TENA) satria efa ela izy no niady saina !!! Fa tsy hoe rehefa tsy niteny ny mahazo azy izy dia manasa tànana tsotra izao !:-P


30. nikopol ( 05/09/2006 14:19)
Samy hafa kosa aloha ny famonoan-tena ataon'ny olondebe sy ny tanora tsy ampy taona e !

Eto frantsa ny famonoantena sy ny lozampifamoivozana no antony voalohany mahafaty ny jeune 15-20 ans !

tsy fantako na fahalemena izany na fitiavantena fa kosa ao anatin'ny mahaolombelona dia possibilité mety hiseho ilay izy. Ary ny fiheveran'ny ankamaroan'ny olona izany fihetsika izany fa fahalemena sy fitiavantena indrindra mahatonga azy ireny tsy hisy mpanavotra.

satria tsy misy place ho an'ny faible sy ny tia-tena zany eto an-tany ( na dia faiblesy sy fitiavantena mandalo sendra nahery vaika aza ilay izy )?



31. Vaika ( 05/09/2006 14:32)
nikopol : =D
Mba ampiko kely ny hevitr'i toi : ny société no niteraka ireo jeunes mamono tena. Nefa ilay société ankehitriny indray no manary azy !
32. pissoa ( 05/09/2006 14:39)
Vaika:
pissoa aaaaaaa ! vakio tsara koa klo
Ie :-D:-D:-D

Vaika:
Manao izay hampivadika atidoha i ndry an ! Ka raha hiandry azy hiteny eo dia aleo tonga dia mandrafitra vata-paty fa tsy hiteny eo izy !

Fa maninona zah no handrafitra vatam-paty nefa izy aza sady tsy haiko hoe hamono tena no tsy haiko hoe ho faty :-D:-D:-D

Vaika:
Ka raha hiteny tokoa ve ho'a ilay olona hamono tena dia mino ve i ndry fa hahavita ny hanampy azy sa mba miala bala fotsiny (nefa na izany aza tsy azo omen-tsiny) amin'ilay hoe "izy aza tsy niteny".

Ie - tena manampy mihitsy ka, fa tsy hoe fialana bala akory io. Ny manampy dia tsy midika mihitsy hoe hanolotra ny vahaolana rehetra eo ambony plateau d'argent akory ... fa manampy, mety mampiseho ny fiainana ami'ny angle hafa.

Maninona ilay izy no ataon'i Vaika hoe mety hoe fialana bala ... Ny valiny angamba dia satria mi-peser ao amin'ny conscience-n'ny velona ny famonoan'ny olona iray tena, ary mi-affecter ny fiainany. Fanontaniana: Mba nandalo tao an-tsaina ve izany tamin'ny hoe hamono tena sa hoe ny olako ihany no vahako fa izay olananareo sy ny alehelonareo refa avy eo (izay siora fa tsy kely koa) dia none of my business? Io ilay fitiavan-tena resahiko.

Vaika:
Ilay mamono tena, na dia tampoka be aza indraindray, dia tsy coup de tête fa misy signes tokony hisarika ny saina (NA DIA TSY MITENY AZA ILAY MAMONO TENA) satria efa ela izy no niady saina !!! Fa tsy hoe rehefa tsy niteny ny mahazo azy izy dia manasa tànana tsotra izao !

Io no noteneniko tetsy ambony. Aza tadiavina hahazo mihoatra ny tokony ho azony ny olona. Raha mitomany ianao no hitan'ny olona tsotra iray - dia mitomany izay fa tsy hoe hamono tena. Raha miteny inao hoe Kivy be aho tamin'ny nataon'i ... dia mampahery anao no ataony. Ny psy no mety mahita hoe izao avy no mety miseho ao an-tsainao na mety hamono tena, araka ny zavatra ataonao sy ny fomba firesakao - fa tsy ny olon-tsotra rehetra akory :-D:-D:-D

Vaika teo hoe:
Fa tsy mety kosa angamba ny manambany ny fahorian'ny sasany amin'ny teny mahamay toy ny voalaza tetsy ambony. C'est uniquement le bon sens qui parle, ary mino aho fa tsapanao koa izany !

Tsy manambany velively ny fahorian'ny sasany aho. Raha izay no tiako ataoko dia tsotra ny zavatra nosoratako: fahoriana tsisy dikany izany koa ka hamonoana tena ... fa tsy nanoratra toy io mihitsy aho. Ny famonoana tena no resahiko (hoe fahalemena sy fitiavan-tena) sy tsy ankasitrahako.
33. pissoa ( 05/09/2006 15:25)
niko wa ... misy palsy ho an'ny faible sy ny tia tena mihitsy eto an-tany ka ... fa ny (sasany amin'ny) tia tena sy ny faible no misafidy ny haka plasy any amin'ny toeran-kafa :-D:-D:-D
34. nikopol ( 05/09/2006 15:29)
mitady filaminan-tsaina fotsiny izy ka ! fa tsy rarainy ze hiantsona azy na faible na tia-tena!
35. pissoa ( 05/09/2006 15:37)
Mitady filamin-tsaina izy ... ekeko iny!

Fa mitady filaminan-tsaina dia manakorontana ny sain'ny hafa :roll: Sao tsy fiantsoan'ny olona fotsiny (na rarainy na tsia) ny hoe tia tena fa tena mi-qualifier azy mihitsy :?
36. andry08 ( 06/09/2006 10:16)
Amiko dia "lachêté pure"
37. andry08 ( 06/09/2006 10:33)
Satria tsy miheritreritra ireo olona mbola tavela ka ndeha hamono tena . Na izaho aza dia efa nahita teo anilako io toe-javatra io. Olona manan-janaka 3 ndeha hamono tena nefa ny- adidy dia be dia be. Mitsaoka fotsiny toa jiolahy nefa tsy hahazo amboara any an-danitra
38. andry08 ( 06/09/2006 10:34)
Azafady tsy izaho no manan-janaka 3, fa ny olona fantatro teo anilako
39. nikopol ( 06/09/2006 11:05)
manan-jo hitsara daholo isika ka ! saingy fitiavana ihany no vaha olona :lol:
40. booboo ( 06/09/2006 11:33)
eka ouz !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087