ireo olona mamono tena
63. ikalabozikely
(
08/09/2006 10:58)
aza de omena tsiny izy ireny indraindray, zany anie araka ny heritreritro no ilana ny namana na itony sera2, itony mba ahafahana mitaraina na am zay mba misy manoro hevitra e!, refa tena tsisy resahana izay anie reto ka tena tssssss!
65. cutie
(
08/09/2006 20:23)
Mpandefa : Vaika [ Valio ] 08-09-2006 10:15:54:-D:-D:-D:-D
Lohateny : Re : ireo olona mamono tena
cutie : za koa fanina !
ndao hitsoaka :-D
67. Fiffi
(
09/09/2006 06:55)
nisy dinika nataon'i Zina teto hoe nahatratra 600 moa ? sa firy ny olona namono tena tao anaty 6 volana ? :roll:
68. cutie
(
09/09/2006 15:16)
Mpandefa : mika117 [ Valio ] 09-09-2006 07:31:46
Lohateny : Re : ireo olona mamono tena
cutie ngaha toi mbola teo ihany
kely sisa e :-D
69. Fiffi
(
09/09/2006 15:29)
ity le article:
Miisa 305 ireo olona namono tena tao anatin’ny enim-bolana.
Miisa 305 izany nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, araka tarehimarika nomen-dRandrianaivoravelona Mamy, dokotera ao amin’ny sampan-draharaha famonjena medikaly sy toksikolojia klinika ao amin’ity hopitaly ity. Miisa 125 ny lehilahy amin’ireo olona namono tena ireo ary 180 kosa ny vehivavy.
Raha ny vehivavy no tena fantatra amin’ny famonoan-tena hatramin’izay dia tsapa ho nitombo ihany koa ny isan’ny lehilahy ankehitriny.
Antony ara-pitiavana matetika no mahatonga izany, ka ireo tanora no tena betsaka. Eo ihany koa ny olana eo anivon’ny tokantrano ho an’ireo efa manambady. Tsy vitsy koa anefa ny olana ara-pianakaviana sy olana momba ny asa. Ny olana eo amin’ny fianarana (tsy afaka fanadinana, tsy mifindra kilasy...) kosa no mpahazo ny mpianatra.
Miankina amin’ny fahatongavany eny amin’ny hopitaly sy ny zavatra nohaniny no mahavotra na tsia ny olona namono tena. Raha tonga ara-potoana izy ireny dia saika voavonjy avokoa. Atahorana kosa ny famonjena azy raha fotoana ela aty aoriana vao tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana izy ireny. Sarotra ary atahorana koa ny ainy raha be loatra ny poizina nohaniny.
Raha mbola mahatsiaro tena tsara izy ka azo atao ny fanasana ny vavoniny dia atao haingana izany ary manaraka ny famelomana ny ainy sy ny fitsaboana sisa.
Tsy maintsy ny ain-dehibe kosa no vonjena mialoha raha tsy mahatsiaro tena ilay olona. Rehefa vita izany vao miroso amin’ny fanasana ny vavony sy ny fitsaboana tokony hatao.