Sans papiers: Nicolas Sarkozy veut fermer la "parenthèse"

1. Fanja1 ( 24/07/2006 15:57)
http://actu.aliceadsl.fr/francemonde/default.aspx?id=138713&onglet=FranceMonde&position=1
novalian'i prime ny 11/09/2006 15:08
2. vale ( 24/07/2006 18:15)
Mety daholo izay ataony any ê, ssssss, efa mankaleo, pffffffff!
3. vale ( 24/07/2006 18:17)
saotra mizara ê, betsaka manko izao no tsy mbola au courent anio lazainao io !!:wink:
4. menakeli ( 24/07/2006 21:13)


Engie tsy ho lany filoha i SArkozy @ heritaona f'angaha angambe tsy avotra intsony ny étranger eto frantsa. Mahereza daholo. Enga anie ka samy manana papier daholo isika ato @ serasera ato.
5. sipagasy ( 25/07/2006 06:14)
mmhhhh, izaho aloha dia momba azy e! raha any @ taniko no misy tahaka izao dia HIADY MAFY tahakan'ny ataony aho mba tsy ho very ny FIRENEKO, izany hoe mba hanana ny tena fiandrianany fa tsy ho feno mpivahiny TSY ARA-DALANA, tsy mandà vahiny akory aho fa mandà ny tsy mpanara-dalàna kosa!
6. belahasa ( 25/07/2006 07:17)
sipagasy:
raha any @ taniko no misy tahaka izao dia HIADY MAFY tahakan'ny ataony aho mba tsy ho very ny FIRENEKO, izany hoe mba hanana ny tena fiandrianany fa tsy ho feno mpivahiny TSY ARA-DALANA


ny tanin'i sarkozy ra ny fafantarako azy de Hongrie le aza a.


mitovy am gasy rehetra manana nationalité io bandy ray io.



ra i Marine no manao otran lery na i Devil Pain de tena ekeko mitsy ny lohan'devoliny
7. vale ( 25/07/2006 08:12)
sipagasy:

mmhhhh, izaho aloha dia momba azy e! raha any @ taniko no misy tahaka izao dia HIADY MAFY tahakan'ny ataony aho mba tsy ho very ny FIRENEKO, izany hoe mba hanana ny tena fiandrianany fa tsy ho feno mpivahiny TSY ARA-DALANA, tsy mandà vahiny akory aho fa mandà ny tsy mpanara-dalàna kosa!
Sipagasy a, angaha kosa moa ttasy "frantsay" (nationalité) no tadiavin'ny olona no hoe ho very france?!fa hatao lasa frantsay aby ny vahiny?:-w !,, fa titre de séjour no angatahiny, tsy hitako zay olana aloha e, olona hiasa en +, no hahatongavany eto ka asa aloha,ary mba te hanara-dalàna ange izany reo olona ireo matoa mangataka ny hirégulariser-na ny situation-ny ê (leon'ny miasa maizina oh, sns,,,)ka asa hoà êee!
,,soa fa tsy voakasik'io aloha ny tenanay fa izany hoe mba mipetraka eo @ toeran'ireo tsy manana fotsiny ê!:wink::wink:


8. vale ( 25/07/2006 08:16)
menakeli:



Engie tsy ho lany filoha i SArkozy @ heritaona f'angaha angambe tsy avotra intsony ny étranger eto frantsa. Mahereza daholo. Enga anie ka samy manana papier daholo isika ato @ serasera ato.
Tsy vitan'izay fa ahazoany tombotsoa nge ireny tsy manana ttasy ireny e, ohatra mampiasa ny ttasin'olona manana ilay tsy manana, dia mahita asa, hitan'ny fanjakana tsara io toe-javatra io fa nahoana izy no minia mikipy? SATRIA , raha ttasy 1 ahazoany impôt 3 na 4, ouuuuuuu !! eritrereto fotsiny, donc ao raha matoa tsy te hanome ttasy ry zareo, càd, racisme, point.:°)


9. rabaradaka ( 25/07/2006 08:31)
Anontanio hoe firy pourcent ny azon'ny dadatoa Sarkozy raha hilatsaka ho filoha izy ? Dia raha lany eo izy dia ahoana ? Zao ange no olana e, betsaka ny afrikana sy gasy hamono tena raha voaroaka satria ny andrina no tsy maniry volo henatra hoy ny Ntaolo. Misy Gasy tena nilaza mihitsy hoe tsy henatra intsony raha voaroaka aty Frantsa fa dioa manoatra noho ny mihosina maloto. Kay gravy be zany dadatoa
10. sipagasy ( 25/07/2006 13:45)
ny tiako ho marihina fotsiny dia izao iza moa ny nahatonga ireo olona ireo ho lasa mi klandy????? tsy sitra-po ve ny andry zareo e!???? hainy tsara anie fa raha ohatra ka visa tourisme no nidirany dia natao hizaha tany/mpitsidika/ izy izany fa tsy natao hiassa e!??? dia mbola omenareo tsiny ihany aho ve milaza izany????? hafa raha ohatra hoe niditra ilay tany ianao niaraka @ visa long séjour ohatra na visa travailleur, tsy haiko na misy izany na tsia, fa ireo matoa tonga tahaka izao ny olana dia nanao FANAHINIANA TSY NANARAKA NY LALANA, ka iza ny omena tsiny @ izany??? i SARKOZY????, izy nga no niteny hoe aza manao ny tsy rariny kosa ianareo???
miala tsiny somary masiaka fa raha misy tsy tantinareo ny teniko dia avereno amiko ihany, ary matoa ingahy io sahy manao tahaka izao dia nanaraka ny fitsipika misy ao @ ilay firenena nandray azy izy (fiaviany hongrie) ka izay ilay izy e!!!!
11. sipagasy ( 25/07/2006 14:19)
belahasa:




ra i Marine no manao otran lery na i Devil Pain de tena ekeko mitsy ny lohan'devoliny



mmhhh ary ahoana ny ahafantaranao fa devoly ilery??? hihihihihi

manaova ny marina hatrany e!

12. voromailala ( 25/07/2006 14:23)
izaho koa aloha dia miombokevitra amin'i sipagasy e. Raha ny eritreritro dia olona ohatra an'i Nicolas Sarkozy no hilaina any madagasikara. Tsofina daholo izay vahiny mambotry ny malagasy.
13. atmos ( 25/07/2006 15:01)
Tsy azo ampitahaina ny any amintsika sy ny any Frantsa e. I madagasikara mahantra dia mila an'ireo vahiny mampiditra devise sns... ny antsika ny tena tsy maha avotra antsika malagasy dia ny toe-tsaina e @ endriny maro samihafa. Raha tsy ny toe-tsain'ny Malagasy tsirairay no miova dia mbola ho ela e...
14. vale ( 25/07/2006 16:23)
voromailala:

izaho koa aloha dia miombokevitra amin'i sipagasy e. Raha ny eritreritro dia olona ohatra an'i Nicolas Sarkozy no hilaina any madagasikara. Tsofina daholo izay vahiny mambotry ny malagasy.
^^ ,,,ko angaha kosa akia ny malagasy tonga aty mambotry ny frantsa?! na ny vahiny tonga any mcar koa aza, fiaraha-miasa sy fitadiavana no zava-misy, samy mba mitady zay mampiety2 ny fiainany koa, ary matoa be ny olona tany @ tany voazana'i frantsa no misisika mankaty dia satry nampianarin'izy ireny fa ny mihinana @ fourchette no tsara(ohatra), ny fomba2 frantsay no tsara, ny olona fotsy2 fihodirana no tsara, donc tafiditra tao andohan'ny ireny olona voazanaka ireny ny hoe tsara ny frantsay, tsara izany aty frantsa:°), dia misisika doly koa, eo koa ny fahantrana, avia daholo kambo zay manana frais raoulla fa samy mitady io à, tonga tany @tsika ry zareo tsy nisy hoe zao na izao , papier aho e, papier:^)koa rhf voazanaka ambakany toen-tsaina dia hoe zay manana ttasy ihany, nefa izy niditra tany @ reny firenena ireny tsy nisy afaka nanao inon'inona satry matanjaka! hummmm,ary ny harena azony mpanjanaka?! sy fanandevozana etc,, taloha koa aza ahoana? tokony tsy hanilikilika izany oà fa rhf mba nipetraka 5 ans oh eo @ le territoire ny olona 1 dia tokony omena ttasy ê!(tsy nationalité fa ttasy ftsn koa:roll:)mmmmmhhh:wink:


15. vale ( 25/07/2006 16:34)
Sipagasy a, eh ouiiii, fanaon'ny olona @zao fotoana io, maka visa tourisme satry tsy manana ttasy vazà dia nefa ny tena antondiha hiorim-ponenana sy hiasa!! mandositra ny fahantrana aby koa! adala kosa ve raha mbola misy ny mety2 any an-kafa (frais azo handehanana) ohatra dia tsy mba handeha:wink::-D:-D:-D, fa ny eto france aloha dia tena malaza henjana be ny fi-régulariserna ny vahiny e, nefa nge dia manampy be ireny olona ireny satry saika ireny no manao ny asa madinidinika aty, ankoatr'ireo avara-pianarana izany e! sady maka ny "dette coloniales kosa koh:P:-D:-D:-D (ratsy be ny fisainako e, tsy zaho no manao an'io an, fa lay olona tsisy ttasy reny no mba reako miteny anreo eh!:wink::wink:
16. voromailala ( 25/07/2006 17:31)
atmos:

Tsy azo ampitahaina ny any amintsika sy ny any Frantsa e. I madagasikara mahantra dia mila an'ireo vahiny mampiditra devise sns... ny antsika ny tena tsy maha avotra antsika malagasy dia ny toe-tsaina e @ endriny maro samihafa. Raha tsy ny toe-tsain'ny Malagasy tsirairay no miova dia mbola ho ela e...

Maro hoe tsy azo hampitahaina tanteraka, kanefa raha ho lasan'ny vahiny daholo ny orinasa any madagasikara, dia
hiverina ho voazanaka isika, satria lasa any amin'ny vahiny daholo ny vola rehetra.
Marina fa eo koa ny toetsaina, fa ny mampanotany tena ahy hoe, avy aiza io toetsaintsika io? avy any indonezia ve? sa afrika? sa aiza..?

17. Herimiafina ( 25/07/2006 18:38)
Hono hoa ry ireto? Sarotra eb angaha ny maka taratasy mandeha mivoaka ny firenena e? Ary fa maninona no betsaka be ny olona tsy misy taratasy e? tena tsy azoko mba marian e! :roll::roll:
18. vale ( 25/07/2006 19:01)
Sarotra io ry HM, satry mila oe teraka tany amle toerana le ol na koa mitondra "rà" (tafiditra ao anatiny ny olona metisy;-)) anle firenena mintry ê:wink:, na koa olona voazanan-tany dia mizaka ny zom-pirenen'ilay tany mpanjanaka!:°)(sao de mody tsy mafantatra aza HM? :roll::!::wink: )
19. vale ( 25/07/2006 19:04)
Voromailala à > "l'avenir appartient au métissage" hozy ny fitenindry zareo vahiny, fa izao, izay koa angamba no mety hitondra ny olombelona any @ fifankatiavana bebe kokoa, tsy misy fizarazarana ntsony fa iray! na dia mbola ho elabe aza izany vao ho tanteraka e!8)8)
20. fijo ( 25/07/2006 20:47)
za koa momba an'i sipagasy.raha za izao no mananan fahefana any mada,dia natao toa io koa ny karana any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0831