misy olana ve?

1. cutie ( 22/06/2006 22:44)
Misy olana eo @ fiarahamonina ve ny mahita vhv mipetra-drery fa mananjanaka nefa tsy manambady?
novalian'i prime ny 08/08/2006 10:32
2. LazaRandri ( 22/06/2006 22:51)
arabaina cutie eeeee!:-* maroroa taiza! :)
3. Zina ( 22/06/2006 23:32)
tsisy olana amin'izany. au contraire tokony ampiana izy sy encouragena...
4. Herimiafina ( 23/06/2006 00:52)
Ny olana dia mety avy amin'ílay ramatoa ihany. Matoa izy mametraka io fanontaniana io! :P
5. Ralay ( 23/06/2006 01:34)
Tsy misy olana mintsy izany fa reveo foana izay revinao fa tsy mivelona ho an'ny fiarahamonina ianao akory sady efa betsaka ny toa izany :lol:
6. Fanja1 ( 23/06/2006 04:12)
tssy olana akia zany cutie a... zay mahametimety ny fiainanao ihany atao.. aza mijery sy mihaino zay vavan'ny olona zany. tsikio fotsiny:)
7. pissoa ( 23/06/2006 04:20)
Herimiafina:

Ny olana dia mety avy amin'ílay ramatoa ihany. Matoa izy mametraka io fanontaniana io! :P
Ie.
8. Fiffi ( 23/06/2006 04:25)
Herimiafina:
Ny olana dia mety avy amin'ílay ramatoa ihany. Matoa izy mametraka io fanontaniana io! :P
marina zany !


9. Fanja1 ( 23/06/2006 04:46)
non kousa mety tsy avy aminy fa mety tsy mahatanty ny vavan'ny olona izy, sy ny fijerin'ny olona izy we ahoana kou io vehivavy mipetraka irery nefa mananjanaka io.
10. mamzelkely ( 23/06/2006 04:55)
tsika amizao fotôna zao no manaiky an zany fa ny RAD no matetika no ts manaiky an zany fomba fiainana zany fa ra za manokana alou de ts de hitako lôtra zay problema ee zay aza ny choix-ny ko inn
11. ralos ( 23/06/2006 05:03)
Marina avokoa ny voalazanareo e! Ny fiarahamonina dia mijanona ho fiarahamonina ary mety hiovaova ny fijeriny arakaraka ny toerana misy azy (Tanan-dehibe, ambanivohitra),sy arakaraka ny karazan'olona mandrafitra azy io e. Toy izany koa ilay vhv, arakaraky ny toetrany sy ny tanjaky ny sainy no mety hampisy na tsia ny olana.

Sa tsy izany?:roll:
12. sipagasy ( 23/06/2006 05:15)
marina mihintsy ny voalazanao ry ralos ann, fa io koa anie dia ny sain'ilay vehivavy no mitondra azy e! noraisiny ho "défaite" ve sa "victoire" ny toerana misy azy!! na taloha na ankehitriny na mbola ho avy dia nisy ary misy ary hisy fôna ny tahaka izao e!
13. baomijijy ( 23/06/2006 05:42)
ny olana @ zany de lazain'ol fa mangalabadin'ol fotsin enao ra vo vevav mipetraka rery ka tsy manambad na ko hoe mivarotena hono, nefa amiko alo tsy tokon his pb mits zan e, miankina @ ca depend iany io ry cutie a, :wink:
14. Fiffi ( 23/06/2006 06:14)
baomijijy:
ny olana @ zany de lazain'ol fa mangalabadin'ol fotsin enao ra vo vevav mipetraka rery ka tsy manambad na ko hoe mivarotena hono
heu....izany no tena hatao hoe ambany saina !


15. Fiffi ( 23/06/2006 06:16)
saina tsy mba mivahotra fa ny ratsy hiany no mba hatao anaty ati-doha!
16. prime ( 23/06/2006 06:45)
Fiffi> ny fiaraha-monina anie ka masiaka e!!!
fanja1:
tssy olana akia zany cutie a... zay mahametimety ny fiainanao ihany atao.. aza mijery sy mihaino zay vavan'ny olona zany. tsikio fotsiny
io lazain'i Fanja io no "attitude" sy "comportement" mendrika indrindra, dia ento eo amin'Andriamanitra fa hanampy anao Izy raha matoky Azy ianao...
17. chakkakkely ( 23/06/2006 06:59)
amiko koa alo dia tsy tokony hisy olana io eh , fiainanao io fa tsy fiainana olona dikany zay tianao atao , rehefa zay no safidinao dia atovy , aza miheno zay vavan ny olona fa ny olona tsy maintsy miteny foana na tsara atonao na ratsy dikany , zay tena heverinao fa mampety anao atao
18. Fiffi ( 23/06/2006 07:17)
prime: tena masiaka marina.
19. dadabe ( 23/06/2006 07:55)
raha misy blem dia alefao aty amiko fa hokarakaraiko tsara kle :roll::roll:
20. hery ( 23/06/2006 08:29)
Fa iza no miteny aminareo hoe i cutie no resahiny eto? :-) sa nisy hafatra ambadika tany?

Raha hoe misy olana eo @ fiarahamonina aloha dia tena hisy tokoa. Raha toa ka sanatria nisara-panambadiana ny olona iray dia mbola azoazon'ny fiaraha-monina ihany fa raha toa ka niteraka tsy nanambady dia sarotra be mihitsy ny fandraisan'ny olona azy. misy izany ny olana eo amin'ny fiaraha-monina (indrindra ny fiarahamonina malagasy)

Fa eo amin'izay ilay hoe hivaky loha amin'ny fiaraha-monina ve izy sa tsia. Mahasahy hiatrika ny fiaraha-monina ve izy. Ireo dia tsy olan'ny fiaraha-monina intsony fa olany manokana ka anjarany ny mitady vahaolana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0976