Voafelaka

1. xxx ( 18/06/2006 17:32)
Ahoana kay ny reaction-nao raha toa ka mandeha eny an-dalana ianao:
- amin'ny andro atoandro mafana be,
- ianao avy nandeha an-tongotra, atao hoe lavidavitra kely nandreraka,
- ianao noana be,
- ary maro olona ilay toerana
no misy mamelaka tampoka, felaka mamay be. Tsy nampoizinao akory, tsy fantatrao izay antony ary tsy fantatrao ilay olona.

Ilay mety ho reaction na ny zavatra ataonao voalohany mihitsy no mba tiako ho fantatra.

Misaotra anareo.
novalian'i cutie ny 23/06/2006 19:19
2. booboo ( 18/06/2006 18:00)
tondé mamely koa
3. diamondra27 ( 18/06/2006 18:53)
xxx: de tsy haiko fa ny ahy indray de nisy olona nimenomenona be tamiko , za tsy nahalala hoe: naninona fa ni se croiser tamiko le olona, ny andro t@izay nafana be

ny nataoko t@izay de nijerijery fotsiny satria gaga
4. Fiffi ( 18/06/2006 19:41)
diamondra: raha mimenomenona fotsiny moa izy maninona ? fa le tonga de mamelaka!!!!
Tonga de felehako koh klé !! fa nahoana aho no handry fanazavana na zavatra hafa ? tonga de daraboko ao! de ho hita eo zay fandehany !!!
5. xxx ( 19/06/2006 04:17)
Misaotra anareo.

Efa nahazo ahy mantsy io dia tiako fantarina izay mety nataon'ny olona hafa teo amin'ny toerako. Izaho aloha tsy namely. Aleo hiandry ny hevitry ny namana sasany aloha vao teneniko :-*
6. Fiffi ( 19/06/2006 05:08)
xxx:
Efa nahazo ahy mantsy io dia tiako fantarina izay mety nataon'ny olona hafa teo amin'ny toerako. Izaho aloha tsy namely.
tsy mamely ahoana ?


7. miantra ( 19/06/2006 06:16)
Ka misy kosa ange ry Fiffi ny olona sasany gaga fotsiny tena hoe tratran'ny tsy nampoizina dia ohatran'ny paralysé izany dia mihanahana eo fotsiny e!
8. totofy ( 19/06/2006 06:17)
xxx tsy fantatro owé aiza enao no mipetraka ... fa raha aty an-dafy dia mety voan' ilay kilalao vaovao an' ny ankizy (raha jeune ny nanao azy fa raha hafa mety adala) .......jereo fa mety misy namana izy maka sary amin' ny portable sns...
tandremo nefa raha midaroka azy enao ka tratran' ny coup et blessure volontaire indray.... ny tsara angamba dia miverina dia cracher-na eo amin' ny tavany....iny tsisy maratra aloha ..fa arakaraka ny ts11 ihany
9. xxx ( 19/06/2006 06:22)
Totofy, efa taloha be tamin'izaho mbola mpianatra tany amin'ny Lycee io ka :-*

Fa izao, izaho tsy mikaroka hoe maninona aho no nofelahiny. Efa fantatro ilay izy amin'izao. Fa hoe inona no ataonao raha
- amin'ny andro atoandro mafana be,
- ianao avy nandeha an-tongotra, atao hoe lavidavitra kely nandreraka,
- ianao noana be,
- ary maro olona ilay toerana
no misy mamelaka tampoka, felaka mamay be. Tsy nampoizinao akory, tsy fantatrao izay antony ary tsy fantatrao ilay olona.
10. sakaizakely ( 19/06/2006 07:07)
Tsy coups et blessures volontaires auto-défense !

totofy:

xxx tsy fantatro owé aiza enao no mipetraka ... fa raha aty an-dafy dia mety voan' ilay kilalao vaovao an' ny ankizy (raha jeune ny nanao azy fa raha hafa mety adala) .......jereo fa mety misy namana izy maka sary amin' ny portable sns...
tandremo nefa raha midaroka azy enao ka tratran' ny coup et blessure volontaire indray.... ny tsara angamba dia miverina dia cracher-na eo amin' ny tavany....iny tsisy maratra aloha ..fa arakaraka ny ts11 ihany



11. naughtyboy ( 19/06/2006 08:40)
ra za no taminy toerany xxx dia fitia mifamaly any averina any aminy ny tsirony le felaka de samy afapo
12. Ragadona ( 19/06/2006 08:52)
Raha izaho ndray no tratra dia tsy mamaly aho fa liana be ny hahalala ny aminy ka harangaraniko na arahiko tsimoramora hoe aiza izy no mipetraka
13. Fiffi ( 19/06/2006 09:30)
miantra:
Ka misy kosa ange ry Fiffi ny olona sasany gaga fotsiny tena hoe tratran'ny tsy nampoizina dia ohatran'ny paralysé izany dia mihanahana eo fotsiny e!
de raha vao tonga saina zah de heu...zah kosa ve de hijanona fotsiny @ zao ? tsy hanisy réaction ?


14. Fiffi ( 19/06/2006 09:31)
Ragadona: de inona no hataonao avy eo ?
15. miantra ( 19/06/2006 11:11)
Tsara aloha rehefa réactif tsara ianao e!
omena ny mamay azy mihintsy ny maha-mety an'ireny indrindra moa raha manao fanahy iniana.


16. Herimiafina ( 19/06/2006 13:38)
xxx:

Ahoana kay ny reaction-nao raha toa ka mandeha eny an-dalana ianao:
- amin'ny andro atoandro mafana be,
- ianao avy nandeha an-tongotra, atao hoe lavidavitra kely nandreraka,
- ianao noana be,
- ary maro olona ilay toerana
no misy mamelaka tampoka, felaka mamay be. Tsy nampoizinao akory, tsy fantatrao izay antony ary tsy fantatrao ilay olona.

Ilay mety ho reaction na ny zavatra ataonao voalohany mihitsy no mba tiako ho fantatra.

Misaotra anareo.

Ny mpangarompaosy sy ny mpangalatra portable ary mpanao sinto-mahery no mpanao an'io.
Donky, ny reaction-ko dia tsotra, arovako ny paosiko. :wink:

17. xxx ( 19/06/2006 13:45)
Hatramin'izao tsy mbola misy mitovy @ nataoko ny zavatra mety ataonareo :( Aleo aloha miandry kely indray.
18. Herimiafina ( 19/06/2006 14:45)
Ary ity ve iznay mety ho hety ry xxx :wink:
Tonga de Ura-mawashi ampiana kely Kakato geri dia miafara amin
19. Fiffi ( 19/06/2006 15:37)
na raha hitako fa heu...toa ohatran'ny matanjaka be noho zah izy de miantso polisy zah sady misy vavolombelona @ zay de toriako.
20. xxx ( 19/06/2006 15:45)
ura-mawashi arahina kakato geri ve ry herimiafina tsy hiendaka ny lohan'ilay olona :^):-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7428