TSY MISY ANDRIAMANITRA!

1. majesty ( 01/06/2006 03:15)
Nahita an'ilay lahatsoratra teo ambany aho dia nieritreritra fa mety ho tsara raha mba hanokatra loha-hevitra vaovao somary mifanohitra amin'io nosoratan'i Ralay io,dia izao no fanontaniana tiko hapetraka sy ilana valiny amin-tsika rehetra hoe "Misy afaka manaporofo ve fa tsy misy Andriamanitra?":?:
novalian'i prime ny 19/06/2006 11:39
2. Fiffi ( 01/06/2006 03:20)
zah aloha tsy afaka mana-porofo an'io satria zah mino fa misy Andriamanitra an!
Ary ny finoako an'izany , tsy mila porofoana. Fa dia aleo izay tsy mino no hamaly sy hanome ny heviny aloha zany.
3. Fiffi ( 01/06/2006 05:05)
majesty: ary enao ve afaka manaporofo fa tsy misy Andriamanitra ?
4. Fanja1 ( 01/06/2006 05:27)
amiko tsy tokony hisy ny adihevitra momba an'io, ny tsirairay no mieritreritra zay hinoiny sy ty hinoiny
5. Fiffi ( 01/06/2006 05:31)
fa na izany aza , mba tsara hiany ny mba hamaliana ny namana izay mba liana @ io .
Ary raha ireo valiny hataontsika ireo no hanampy azy hijorany @ finoana ?
6. bichette ( 01/06/2006 06:02)
Ny asany no manaporofo fa misy Andriamanitra
7. Fiffi ( 01/06/2006 06:05)
bichette: ho an'ny mpino io.
8. tsanga ( 01/06/2006 06:08)
andriamanitra anie bedia be e fa Andriamanitra iza aloha no tianareo resahina e le "AZA MANANA ANDRIAMANITRA HAFA AFATSY IZAHO IHANY" ve?
raha io de aza miady hevitra oa fa lany andro eo baiboly raisina raha mino azy rahatsy mino de le andriamanitrao ihany inona fa tsy misy olona tsy manana inona izany
9. Fiffi ( 01/06/2006 06:40)
Tompo sy Andriamanitra Mpamonjy, fototra iorenan’ny fivavahana sy ny FINOANA KRISTIANA.
10. prime ( 01/06/2006 08:10)
Misy Andriamanitra, ny porofo dia izaho manoratra sy ny momba ahy ary ny asany tamiko...
11. LazaRandri ( 01/06/2006 09:03)
prime:
Misy Andriamanitra, ny porofo dia izaho manoratra sy ny momba ahy ary ny asany tamiko...

=D=D=D=D Voninahitra ho an'Andriamanitra noho i prime!
12. Fiffi ( 01/06/2006 09:24)
prime:

Misy Andriamanitra, ny porofo dia izaho manoratra sy ny momba ahy ary ny asany tamiko...
^:^^:^^:^^:^^:^=D=D=D=D=D=D


13. sasa ( 01/06/2006 09:29)
no comment
14. prime ( 01/06/2006 09:33)
Voninahitra ho an'Andriamanitra
15. Fiffi ( 01/06/2006 09:34)
^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^
16. hery ( 01/06/2006 10:00)
Tsy hors sujet daholo ve ianareo izany?

Ny angatahany eto ho an'izay tsy mino dia ny porofo hoe tsy misy Andriamanitra. Toa ny mino manaporofo ny fisian'Andriamanitra daholo no miteny :-)

Averiko indray izany ilay fanontanian'i majesty.

Ho anareo tsy mino. Azonareo porofoina ve hoe tsy misy Andriamanitra?

Dia ianareo izay mino MANGINA
17. prime ( 01/06/2006 10:15)
fanontaniana tiko hapetraka sy ilana valiny amin-tsika rehetra hoe "Misy afaka manaporofo ve fa tsy misy Andriamanitra?"


Ho anareo tsy mino. Azonareo porofoina ve hoe tsy misy Andriamanitra?


Rehefa tsy misy rahery dia aleo hikorataba izahay fa tsy olana io a! ny vato aman-kazo aza antsoin'ny Tompo hanambara ny voninahiny raha misy mitady hampangiana ny zaza tsy hiteny ny momba an'Andriamanitra... :D
18. Fiffi ( 01/06/2006 10:31)
hery:

Dia ianareo izay mino MANGINA



19. toovs ( 01/06/2006 10:35)
Fiffi:

Tompo sy Andriamanitra Mpamonjy, fototra iorenan’ny fivavahana sy ny FINOANA KRISTIANA.



ny finoana rehetra na silamo na jodaisma na bodista na inona na inona finoana de mino fa tompony sy Mpamonjy azy avokoa ny Andriamanitra izay inoany. na izay nino an'Ikelimalaza koa ary dia nihevitra fa mpamonjy azy am ze fahavalony koa Ikelimalaza.
Saingy ny mpiady hevitra dia matetika nolehibiazina tamin'izay doctrine arahany hatram zao ka tsy afaka hi-remettre en jeu intsony finoany
20. toovs ( 01/06/2006 10:39)
io fanontanianao io de tokony ho amin'ny eropeana no tokony hapetraka satria ireny no efa lasa até daholo. izay génération latsaky ny 30 ans no iresahana indrindra ny frantsay fa ho hitanao ny argumentation mahatonga azireo hilaza fa tsy misy Andriamanitra. aza manontany gasy fa ny gasy dia voataiza tamin'ny finoana daholo ka izay tsy mpino gasy ary mety holazaina ho zaza maditra na koa ....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1222