TSY MISY ANDRIAMANITRA!
41. Herimiafina
(
01/06/2006 13:05)
Mahagaga marina an! Rehefa tena lasa lavitra amin'ny fikarohana ireny chercheur ireny dia lasa mino sy mivavaka avokoa klé, le monde est devenu rationel anefa hono.
42. prime
(
01/06/2006 13:11)
mandrindra> ie
Izay no antony hamakiana baiboly...
Fa rehefa tsy fantatrao io hoe avy aiza ka mankaiza (raha tsy mijery météo) nefa tsapanao fa misy ny rivotra mitsoka dia toy izay Andriamanitra... Izaho aloha mahatsapa fa misy Izy ary hiainako izany fa ny hilaza kosa hoe ity ary Izy, toa tsy ho vitako ny hibaiko Azy hanao izany...
Izaho mino nefa fa misy antony izao lohahevitra izao ka mirary aho mba hotsidihiny ianareo dia mba hahita fifaliana koa...:D
mijery météo na manamboatra elisy kely dia hay zany kafa raha tsy mijery météo dia tsy mahay an'io an!
Izay no antony hamakiana baiboly...
Fa rehefa tsy fantatrao io hoe avy aiza ka mankaiza (raha tsy mijery météo) nefa tsapanao fa misy ny rivotra mitsoka dia toy izay Andriamanitra... Izaho aloha mahatsapa fa misy Izy ary hiainako izany fa ny hilaza kosa hoe ity ary Izy, toa tsy ho vitako ny hibaiko Azy hanao izany...
Izaho mino nefa fa misy antony izao lohahevitra izao ka mirary aho mba hotsidihiny ianareo dia mba hahita fifaliana koa...:D
43. mandrindra
(
01/06/2006 13:16)
prime, an3 misy tsy mitovy izany. ny météo dia mandinika zava-misy fa ny baiboly dia fanapariahana fotokevitra. ny elisy kely amboariko hijerena hoe avy aiza ny rivotra dia zava-misy tsy hitako aloha izay mety ho takalony hitadivana ny fisian'andriamanitra.
ny hoe finoanao ny fisiny moa dia safidinao malalka izany :D
ny hoe finoanao ny fisiny moa dia safidinao malalka izany :D
44. mamzelkely
(
01/06/2006 13:18)
oka klou za zay fa ampy zay discussion serieuse be zay klou anjoany :°)
45. prime
(
01/06/2006 13:40)
Eny e ahy izany...
Fa izao, ny baiboly dia fitaratra mihitsy itarafana ny fiainana amin'ny ankolafiny rehetra ahafahana manapa-kevitra... rehefa mijery météo ianao dia afaka miomana amin'ny zavatra hiseho rehetra... ary izay mihitsy no mahatenin'ny faminaniana azy...
"fa tsy fantatra izay hihaviany na avy atsimo, na avy avaratra... tsy hita maso, tsy azo raisina tanana, tsy azonao fehezina, nefa tsapa fa misy, ary tsy misy aza ny fahavelomana raha tsy izy", izay no nentiko nanazavàna ilay rivotra fa tsy ilay elisy akory kah... Dia toy izany no iasan'Andriamanitra fa rehefa hoe tsy inoana izany dia izay izany fa efa finoana ihany koa izany...

46. mandrindra
(
01/06/2006 13:58)
prime a, tsy finona kosa ny filazana fa tsy misy andriamnitra fa constat fotsiny e
47. Herimiafina
(
01/06/2006 14:17)
Constat ve iznay ry cutie!
Fa maninona no tonga de constat tsy nisy analizy akory?
"Mi-generalizer sans utiliser les methodes statistiques usuelles".
"Parler politique sans aucine notion de sciences Politique".
"Manakiana an'Andriamanitra sans notion de théologie".
Rariny raha olona efa nahita ireo no nihemotra fa tsy ny zaza vao teraka akory dia efa nanao constat sahady.

48. pissoa
(
01/06/2006 14:55)
mandrindra:An3 ka, azo porofoina tsara mihitsy ny tsy fisian'ny "zavatra" iray. Hihihi, i mandrindra indray ve no ampahatsiahiviko an'izany ;) (Ankapobeny io resahiko io fa sanatria tsy hoe Andriamanitra akory dia zavatra toy ny zavatra rehetra.)
tsy misy andriamanitra satria mbola tsy hitako, ary mbola tsy nisy nilaza hoe nahita azy. efa notadiaviko tao amin'ny annuaire mihitsy fa lany andro fotsiny aho.
tsara ilay fanonataniana saingy mahagaga, ny tsy misy ve no porofoina sa ny lazaina fa misy?
Ny tsy mbola nahitan'i mandrindra an'Andriamanitra, na teny an-dalana, na tao amin'ny annuaire, ... dia tsy porofo mihitsy fa tsy misy Izy. Toy ny hoe tsy hitako mihitsy ny solution'ny equation iray ... tsy midika hoe tsy misy solution ilay izy :oops:
(Ialana tsiny ny fampitahana fa i mandrindra moa mitady zavatra azo tsapain-tanana foana vao mahazo sy mino)
50. mandrindra
(
02/06/2006 07:14)
pissoa, ohatra nentiko amin'ny tsiky anomezana valiny ny mpametraka lohahevitra ireo fa tsy ireo no tena zavadehibe. ny fanontanina napetrako dia ny hoe inn no ilaina kokoa ny manaporofo ny misy sa ny tsy misy?
fa tsy manino fa omeo ahy ny famaritana an'andriamanitra dia porofoiko aminao fa tsy misy izy.
fa tsy manino fa omeo ahy ny famaritana an'andriamanitra dia porofoiko aminao fa tsy misy izy.
51. prime
(
02/06/2006 07:46)
mandrindra> Toa sarotra aloha amiko an! ny hanome famaritana ny hoe "Andriamanitra" satria tsy izaho izay kely bitika tsy misy dikany no handeha hamaritra Azy izay ambaran'ny baiboly hoe "ilay fiandohana sy fiafaràna... ilay Alfa sy Omega... Tompon'ny zavatra rehetra na ny ety an-tany na ny an-danitra...", "Andriamanitra Tsitoha no iantsoana Azy", na ny andro iainako aza rehefa tiany hotaperina izao dia izao azony atao izany, (ny andro iainan'ny olombelona rehetra dia eo am-pelatanany), "na ny isan'ny volon-dohan'ny olona..." aza fantany hoy ny baiboly ka aok'etsy dia aok'etsy fa raha sahy hifanandrina aminy aloha i mandrindra na ianareo milaza fa tsy misy Izy dia andramo fa efa maro ihany no nanao izany fa tsy ianareo akory no voalohany... (vakio ny tantàran'ny "Pharaon Ramsès II" ilay rahalahin'i Mosesy fony izy mbola printsy ao amin'ny eksodosy dia mety hahafaritra Azy na ny momba Azy i mandrindra)... 8)
52. mandrindra
(
02/06/2006 08:21)
prime, ny tanjona dia tsy ny hoe hifanandrina aminy. satraia moa nahoana no hifandrina aminy nefa izy aza amiko tsy misy, tsy efa karazana adalana ve izany ? ireo zavatra rehetra nolazainao ireo anie ka tsy misy porofo va nolazaina hoe nosoaratan'ny baiboly fotsiny e. izay voasoratra ao antin'ny baiboly ve dia marina daholo?
53. Fiffi
(
02/06/2006 10:45)
Constat ve iznay ry cutie!cutie: de diniho tsara hono ny zavatra lazain'ny mpampianatra.
Fa maninona no tonga de constat tsy nisy analizy akory?
"Mi-generalizer sans utiliser les methodes statistiques usuelles".
"Parler politique sans aucine notion de sciences Politique".
"Manakiana an'Andriamanitra sans notion de théologie".
54. khoto
(
02/06/2006 11:23)
Aleo izany ho mailo lalandava foana fa mbola betsaka ny te hi exploiter sy handemy saina eto indrindra fa ny gasy! tsy mahagaga ny mampahantra fa vitsy ny responsable! miovaova hevitra!milaza fa tsy hay ny mamaritra azy (andriamanitra) nefa milaza fa misy! dia avy eo mamaritra ihany!Domelin'ny dogma ny olona!(marina ny voalaza t@ andron'ny kominisma hoe: la réligion c'est l'opium du peuple)
Ny mamo anie rehefa anontaniana hoe mamo ianao: dia hilaza foana izy hoe: tsy mamo aho ho'aho!
Ny mamo anie rehefa anontaniana hoe mamo ianao: dia hilaza foana izy hoe: tsy mamo aho ho'aho!
55. pissoa
(
02/06/2006 12:38)
mandrindra, efa novalina'i prime io fa tsy afaka "mamaritra" an'Andriamanitra aho fa bitika loatra, izay "famaritana" rehefa holazaiko eto dia "incomplete" daholo. Raha tena mila famaritana nefa ianao vao afaka manaporofo fa "tsy misy" Andriamanitra, dia aza tenenina hoe tsy misy Izy raha tsy mbola anananao akory ilay famaritana.
khoto, tsy hoe rehefa tsy hay ny famaritana dia hilaza aho hoe tsy misy ny zavatra iray.
Fanamarihana kely: Tsy ny olona (lazaina fa) miova hevitra no mampahantra, fa ny olona milaza ho responsable nefa manda ny Tsara.

56. Samoana
(
02/06/2006 12:49)
Samy manana ny "andrianiny" ny olombelona, izay heveriny sy inoany fa manoro sy mitondra @ lala-mahitsy. Raha eto amintsika namana fotsiny no dinihina dia samy manana ny antsoiny hanampy azy avy:
- Andriamanitra ô!: ampiasain'ireo mino ilay andrianina araky ny baiboly
- Andrekaky ô!: fampiasan'ireo resy lahatra fa ny raim-pianakaviana no tompo-teny masina:)
- Andrenesta ô!: antsoin'ireo izay manompo ny vadiny na ny anadahiny( Nestor:lol:)
Ireo namana mahatsapa fa tsy tafiditra @ ireo sokajy ireo dia ireo tsy tia manompo fa te hotompoana:wink:

57. mandrindra
(
02/06/2006 13:15)
pissoa, tsy misy izany andriamanitra izany satria izaho ihany no mibaiko ny tenako sy misafidy izay ataoko. za zao andeha hizara fitiavana :D dia nefa tsy eken'ilay andriamnitry ny kristiana izany. koa raha tsy ekeny izany nefa mieritreritra izy hoe zanany daholo ny ol rehtra maninona aho no tsy bedesiny ?:D
raha lazaina fa mpanjakna'izao tontolo izao ilay andrimanitra, ny tsara sa ny ratsy no tadiaviny eto amin'ity tany ity. satria raha ny fahitako azy dia mbola ny mpanao ratsy no mampihorohoro amin'izao. aiza andriamanitra? misy ve izy? raha misy izy maninona ny lazainy fa fananany no avela ho simbain'ny hafa?

58. prime
(
02/06/2006 13:32)
mandrindra>
raha misy ny boky, anisan'ny antitra indrindra, ka mahavita milaza ny marina tsy ampihambahambana dia tokana ihany "ny baiboly"... ny antony tsy itenenako afatsy izay voalaza ao dia satria io ihany aloha hatreto no boky tena mahavariana fa misy karazan-dahatsoratra samihafa ao, mamehy ny atao hoe baiboly voasoratra t@ vanim-potoana samihafa, nosoratana karazan'olona tsy nisy nifandraisany (afatsy ny filazantsara)...nefa dia iray ihany ny zavatra lazain'ireo. "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana" hoy Jesosy. :D
izay voasoratra ao antin'ny baiboly ve dia marina daholo?
raha misy ny boky, anisan'ny antitra indrindra, ka mahavita milaza ny marina tsy ampihambahambana dia tokana ihany "ny baiboly"... ny antony tsy itenenako afatsy izay voalaza ao dia satria io ihany aloha hatreto no boky tena mahavariana fa misy karazan-dahatsoratra samihafa ao, mamehy ny atao hoe baiboly voasoratra t@ vanim-potoana samihafa, nosoratana karazan'olona tsy nisy nifandraisany (afatsy ny filazantsara)...nefa dia iray ihany ny zavatra lazain'ireo. "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana" hoy Jesosy. :D
59. mandrindra
(
02/06/2006 13:42)
prime, i adama sy eva ve no niatombohan'ny zank'olombelona ? tamin'ny taona firy? dia ahoana hoy ny fikarohana mikasika an'io.
60. prime
(
02/06/2006 13:49)
khoto> raha mandinika tsara ianao dia fantatro ny Andriamanitro fa tsy azonao ny tiako ambara... Tsy hoe tsy haiko ny hamaritra Azy fa "sarotra", satria lehibe loatra ny voninahiny sy ny mahaIzy Azy... ka na ho maraina eto aza ny andro tsy ampy ny fotoana hamaritana Azy satria Andriamanitra Mahery Izy izay, ka tsy ho voambara @ "5 à 20 lignes" mihitsy (ny baiboly aza misy firy pejy manambara Azy dia izay sehatra kely toy ity serasera ity ve dia ho ampy hamaritana Azy???) ... tsy famaritana ny atao hoe Andriamanitra ireo fa fampidirana ny halalin'ny fahefàny... :)
Fa sao dia diso hevitra ianao hoe izaho no hiova hevitra raha ny mikasika an'i Kristy, sanatria izany... :wink:
Ny hany mba teniko dia izao, mbola hihaona Aminy avokoa isika na ny mino na ny tsy mino, dia amin'izay angamba vao mety hino ianao... Enga anie ka tsy ho tara loatra ka hanenenana indray hoe tahaka izay... Tsara anie leiroa Izy izay e! tena "sérieux" e! :D