RNS 2006 - Tafahaona

1. ds ( 17/04/2006 12:40)
Tafahaona soa aman-tsara ny namana vitsivitsy nandritra ny RNS tany Vichy.
Nitady toko ka sendra vato koa dia velom-pisaorana anareo rehetra nanohina ny antso. Santatra am-bavarano iny ka inoana fa ny manetsabe mbola ho avy. Ireto avy no tadidiko sy voasoratro ka ialako tsiny raha misy hadinoko (fenoy ny banga e).

Vavy :
era, aelle, andrea, sipagasy, mimosa, oully, cathy, mbaliana, fasaly, swp,
junior :
maeva, christelle

Lahy :
jr2, ds, eric189, labomba, nilsen, ralay, ragaigy, gaigigaigy, fijo, ragasy,
junior :
willy jr, fijo jr

Nitadidy an'i adidy tao amin'ny toby fahasalamana (sécurité routière ?) aho fa i Jocelyn (izay fantatro) no tao. Tsy misoratra amin'ny tampon-kandrina koa ny ps ka tsy sahy nanontany. Tao moa dia tapakevitra izahay sy sipagasy fa tsy hisotrosotro intsony alohan'ny hitondrana fiara ;-) rehefa avy nanandrana "solomason'ny mamo".
Torak'izany koa tao amin'ny toeram-pisakafoanana (chapiteau). Betsaka ny mpandray tao ka sarotra ny naminavina hoe iza no mirana5. Ny sakafo tao aloha dia tena natsiro e (lasopy, nems, masikita,...). Misaotra betsaka fa afa-po Tompoko.
Isan'ny sombin-kevitra noresahana tao ny fomba hahazoan'ny namana dilambato mandray anjara amin'ny hetsika ataon'ny namana any dago. Ohatra miantoka ny sakafo na ny saram-pitateran'ireo mpandray anjara any an-toerana. Na koa rehefa misy fambolen-kazo atao ohatra, manohana ny hetsika ka ny azo volena omena ny anaran'(ps) izay manampy. Naharitra adiny roa mahery ny fiarahana tao ka ny masoandro mody no nampalahelo...
Farany kanefa tsy kely indrindra : tao ihany koa no nahafantarana satria hita teny amin'ny peta-drindrina fa kay tena feno mpanan-talenta isan-karazany ato amin'ny namana. Ao ny mpahay asasoratra, ny mpahay tantara an-dapihazo, ny mpanafana lanonana, ny mpanao fanatanjahantena sy ny sisa tsy voatonona.
"Hery" ;-) daholo izany ka tokony hahitam-bokatsoa ho an'ny tanindrazana iombonana.

Ho avy tsy ho ela ny santion'ny sary nalaina tany.

novalian'i cutie ny 05/05/2006 13:59
2. dadabe ( 17/04/2006 13:16)
hummm!!!! ary nakaiza ry diams?? ry Fiffi ?? ry mifenty ? ry mishou ?? tsy nisy tany daholo angaha ??
3. kiali ( 17/04/2006 14:04)
hay ve nareo ka nihona tany!! zah nefa tany fa tsy nahalala zany fiaonana zany !! dommage!
4. majakely ( 17/04/2006 14:51)
hummm:wink:
5. Fiffi ( 17/04/2006 15:53)
tena nisy zavatra nampalahelo mafy ahy indray zany an! :(:(:(:(
Fa dia nahafinaritra zany ny fihaonanareo tany ka dia tsy hita izay lazaina fa :(:(:(:(
6. Fiffi ( 17/04/2006 16:07)
ary nakaiza ry diams?? ry Fiffi ?? ry mifenty ? ry mishou ?? tsy nisy tany daholo angaha ??
raha zah manokana aloha dia tena hoe efa tokony ho any saingy toa hoe tsy lasa indray ny namana tokony hiaraka tamiko nefa dia izao gaga sy sadaikatra be izao raha mahita fa hay lasa tany hiany ka dia ity sisa no hazoko hatao :(:(:(:(:(:(:( izany angamba no azo lazaina hoe " manantena ny tsy misy no sampona "
7. vale ( 17/04/2006 16:10)
Fiffi::(:-*:-*
8. Fiffi ( 17/04/2006 16:13)
vale: :( :-*:-*:-*
9. ftma ( 17/04/2006 16:26)
Efa henoko fa nahafinaritra ny fihaonana tany sady nisy club junior :wink:
Miandry sary sisa izany.
Ny resaka fanampiana ny namana any Dago dia efa nisy indroa angamba izay no fatatro (soirée t@ novembre sy opération soupe) saingy tsy betsaka no nahalala, rehefa misy tokony atao hoan'ny namana any dia tsara mba lazaina eto ny azontsika handraisana anjara.
Manantena ny mbola hisian'ny fihaonana ny namana aty andafy e sady mahafinaritra anie ilay mifakahita e,
10. ftma ( 17/04/2006 16:51)
kiali: efa nalefa teto @ forum io fihaona io sady natao pub tao @ chat :wink:
11. zandrikely ( 17/04/2006 17:21)
nilay zany e , zay moa tsy mba afaka fa nikandra e
12. adidy ( 17/04/2006 18:21)
Faly miarahaba ny rehetra! Ary dia vita izany ny fihaonana fa nalahelo ny tena tsy afaka nifankahita taminareo, satria rempotra teo @ stand fahasalamana ny tena dia rehefa tsy izay dia mitaiza! Izahay sy ERA no nifankafantatra teo vao tonga ary t@ sabotsy hariva t@ 18 h 45 aho nankany @ chapiteau tokoa fa dia nihidy ilay chapiteau no nahitako azy!! Izaho koa moa tsy mba nahalala nanantona tery @ fivarotana sakafo fa vao tsy nahita olona teo @ chapiteau dia niverina. Fa dia nalahelo izany tsy nahita anareo e!!!
ds: raha fantatrao i Jocelyn dia anontanio azy aho fa fantany !
Ary dia misaotra nanohana ny ezaka @ fitandroana ny lozam-pamoivoizana e! Ireny no kely mba vita; tsy hay raha nisy fiantraikany aloha fa izay no mba anjara biriky ho @ tanora namana rehetra e!
Era: tsy nahita ny teatra nao akory aho fa raikitra teo @ stand fa henoko fa nahafinaritra be e! Ary dia faly nahafantatra! Tokony noteneninao an-dry zareo namana ihany hoe iza i adidy dia mba nety nisy niantso teo @ stand!
Sipagasy: izaho dia nitady an'ilay kitapo fa tsy nahita e!
Raha mbola misy ny hetsika fihaonana dia mandeha e!
13. Fiffi ( 17/04/2006 18:24)
dia andao hihetsika karakaraina zany io fa dia vonona ny aty !
fa =D=D=D=D=D=D daholo eh!
14. mirana5 ( 17/04/2006 19:55)
ny hany fantatro sy arabaiko manokana eto aloha dia ny EQUIPE n ST MICHEL Marseille nanongana an'ny Paris, hafaliana ny anay tany @ tribune stade Aragon é allo allo MARSEILLE=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D
15. diamondra27 ( 17/04/2006 20:01)
manetsa be mbola ho avy e!

dadabe: niambina ny tanàna f'angah kosa de hilaozana ny serasera, jereo fa tena nanafàna ny hatsikana sy ny lalao ra diam's lol
16. era ( 17/04/2006 20:21)
adidy :ka nahagaga koa ange no tsy nahitanay anao teo e, teo amin'ny standntsika teo izaho sy r'i sipagasy sy r'i ds no nihaona sy naka sary, teo amin'ny tamin'ny 2 teo angamba iny. Izaho koa anie tsy lasa tany amin'ilay tena fihaonana fa mbola sepotra tamin'ny fangoronana ny entana e, nalahelo kely fa izaho aloha izany efa mba nahita ny sasany miohatra aminao e. Dia faly nahafantatra ireo mbo kely fantatro ireo koa aho :)
dia miandry ny sary izany isika,ka inona moa?

adidy:

Faly miarahaba ny rehetra! Ary dia vita izany ny fihaonana fa nalahelo ny tena tsy afaka nifankahita taminareo, satria rempotra teo @ stand fahasalamana ny tena dia rehefa tsy izay dia mitaiza! Izahay sy ERA no nifankafantatra teo vao tonga ary t@ sabotsy hariva t@ 18 h 45 aho nankany @ chapiteau tokoa fa dia nihidy ilay chapiteau no nahitako azy!! Izaho koa moa tsy mba nahalala nanantona tery @ fivarotana sakafo fa vao tsy nahita olona teo @ chapiteau dia niverina. Fa dia nalahelo izany tsy nahita anareo e!!!
ds: raha fantatrao i Jocelyn dia anontanio azy aho fa fantany !
Ary dia misaotra nanohana ny ezaka @ fitandroana ny lozam-pamoivoizana e! Ireny no kely mba vita; tsy hay raha nisy fiantraikany aloha fa izay no mba anjara biriky ho @ tanora namana rehetra e!
Era: tsy nahita ny teatra nao akory aho fa raikitra teo @ stand fa henoko fa nahafinaritra be e! Ary dia faly nahafantatra! Tokony noteneninao an-dry zareo namana ihany hoe iza i adidy dia mba nety nisy niantso teo @ stand!
Sipagasy: izaho dia nitady an'ilay kitapo fa tsy nahita e!
Raha mbola misy ny hetsika fihaonana dia mandeha e!



17. dadabe ( 17/04/2006 23:35)
diams > ah bon !!:wink: de nafana tsara izany ny hatsikana tao a?
18. diamondra27 ( 17/04/2006 23:38)
:oops::oops:
19. Fiffi ( 18/04/2006 05:22)
DM : fa maninona akia ?
20. bichette ( 18/04/2006 05:33)
mahafinaritra izany fihaonanareo izany. amin'ny manaraka indray e ! bisous :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2739