Nitondra inona zao le paska 2006???

1. zozefa ( 15/04/2006 06:17)
" Arabaina tratry ny paska 2006, de mirary anao ..."

izany no matetika tenenin'ny oll, ary mahafinaritra aloha ny mihaino azy, fa asa raha nitondra inona marina ho antsika ny paska 2006?

novalian'i marozevo ny 21/05/2006 08:57
2. Fiffi ( 15/04/2006 06:50)
ny anao aloha nitondra inona ?
3. diamondra27 ( 15/04/2006 07:07)
mirary anah ...... ? lazao moa e!
4. zozefa ( 15/04/2006 07:36)
Fiffi>>>
ka mbla tsy vita anie le paska de mbola eo ampieritreretana hoe mitondra inn ho ahy moa ilay izy, fa asa nenao raha efa nitondra sahad ilay izy

diamondra 27>>>
mirary anao ...( azonao tenenina eo daholoizay tinao na mahafinaritra anao na mba izay irinao e!!)
5. Fiffi ( 15/04/2006 07:38)
zozefa: ka efa fantatrao aza fa mbola tsy vita ny Paska nefa dia efa nalefanao ny fanntaniana koh! dia aleo hiandry zany !
6. stephane197 ( 15/04/2006 08:33)
mitondra fialantsasatra sy fankaherezana eo amin'ny finona satria maty ho antsika ny Tompo.... fampatsiahivana ho antsika ny Pâque izay no fahitako azy!
7. xxx ( 15/04/2006 13:02)
Sao tokony avadika kely ny fanontaniana: Inona no nataoko mba hitondra zavatra tsara sy ilaina, ho ahy sy ho an'ny manodidina, le Paka 2006?
8. dadabe ( 16/04/2006 02:25)
fa inona aloha le paka e??? andro tandremana ve ?:-w
9. Fiffi ( 16/04/2006 04:32)
dadabe: jereo ary vakio ny baiboy fa ahazahoanao valiny mahafam-po tokoa.
10. Fiffi ( 16/04/2006 04:33)
PASKA
TAFATSANGANA anio HALELOIA !
JESOA KRISTY Mpanadio HALELOIA !
Maty tamin'ny Lakroa HALELOIA !
Ho antsika meloka HALELOIA !
Izy ary no derao HALELOIA !
Izy Tompo no derao HALELOIA !

Miarahaba antsika rehetra tratrin'ny Paska.
11. Achia ( 16/04/2006 06:01)
fa ny mahagaga kely @ le paka toa lasa isankalahady foana e ?
12. Fiffi ( 16/04/2006 06:32)
fa ny mahagaga kely @ le paka toa lasa isankalahady foana e ?
inona no mahagaga an'izany ? na isan'andro aza dia azonao hatao Paska foana ! io dia arakarakin'ny tsirairay hiany ! raha hiandry ny andro Paska androany ianao dia ianao hiany , arakarakin'ny finoanao io !
13. tyty ( 16/04/2006 12:15)
efa nampoiziko fa tsy hitondra ninoninona ny paska 2006 na ny an'ny 2007 koa ary:-D
afaka miandry ihany aloha ho an'zay mbola manantena e! ho hita eo ny an'i zozefa zany ko
14. pissoa ( 16/04/2006 12:21)
Miankina amin'izay nandrasana angamba ilay fa tsy hoe tsy nitondra na inona na inona! Na mety hoe tsy niandry na inona na inona koa dia tsy niraharaha akory izay mety ho entiny.

hery tao amin'ny blaoginy:
Na tsy mba nandray anjara tamin'ny fiomanana hitsena azy aza ianao, dia mbola tonga ho anao indray izy. Na mbola tsy mahatsapa aza ianao hoe ho anao no nijaliany sy nahafatesany ary nitsanganany, dia nijaly sy maty ary nitsangana ho anao Izy. Koa tonga izao ny Paka dia mba misaora azy.

http://hery.blaogy.com/post/4/678 ny lahatsoratra feno.
15. Fiffi ( 16/04/2006 13:20)
=D=D=D=D^:^^:^^:^^:^
16. Achia ( 16/04/2006 13:39)
de maninona ary no asiana fankalazana isantaona e ? nefa tonga de lazaina hoe pakan'ny Kristiana , fa mba manontany aho hoe oviana ary taiza no niantombohan'izany paka izany ary iza no nanome azy
17. Fiffi ( 16/04/2006 13:41)
http://www.lexilogos.com/calendrier_paques.htm
18. dadabe ( 16/04/2006 14:50)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 16-04-2006 11:32:56
Lohateny : Re : Nitondra inona zao le paska 2006???
Voalaza teo :
fa ny mahagaga kely @ le paka toa lasa isankalahady foana e ?
inona no mahagaga an'izany ? na isan'andro aza dia azonao hatao Paska foana ! io dia arakarakin'ny tsirairay hiany ! raha hiandry ny andro Paska androany ianao dia ianao hiany , arakarakin'ny finoanao io !
Miverina ery ambony


tres bien Fiffi , ny paka dia azonao ankalazaina @ andro rehetra izay tinao , fatsy hoe in-1 mandeha isantaona .

PAKA= NAHAFATESAN'I KRISTY #NITSANGANAN'I KRISTY VELIVELY vakio hatramin'ny farany ny soratra masina
19. andry08 ( 16/04/2006 18:01)
minoa aloha dia ho hitanao fa hitondra io paska 2006 io!
20. Fiffi ( 16/04/2006 18:12)
dadabe: izay handraisanao ny Paska dia hataovy eh! fa ny ahy dia TAFATSANGANA ANIO HALELOIA ! anio !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4232