Nitondra inona zao le paska 2006???
61. marozevo
(
03/05/2006 23:15)
ka raha izany, raha raisina ilay hevitrareo de hoe le andro nahatapakevitra andry zareo hanao batemy amin'ny paska anie zany no nitondra zavatra fa ilay 16 avril 2006 fotoana nanatanterahana azy fotsiny e,
Amin'ny folo maraina : Misy manasa hisakafo ianao adiny roa aorian'io. Efa voky sahady anefa ianao satria efa niomana....
mandritra ny fahatsiarovana ny fitsanganan'ny Tompo no mety hahatsiarovan'ny tsirairay ny tena fitiavan'ny Tompo azy, ary io no tena zava-dehibe, satria nanaiky hatram'ny fahafatesana ny Tompo mba ho fanavotana antsika, ka raha izany de tsy paska no nitondra na inn na inn fa ny Fanahy Masina no nitondra aimpanahy na fisokafan'ny fo, na koa fibebehana mihitsy aza,
zany hoe raha zavatra ara-panahy de ny Fanahy Masina no mitondra azy na manome azy antsika fa tsy ny andro akory,
Miangavy an-razozefa re ah... raha mba azonao atao dia ivereno vakiana ny fanazavana momba ny atao hoe fahatsiarovana fa efa voazava ao ambony ao, ary tsy in-1 mandeha fa in-droa na in-telo. Io tsy dia mamakyv tsara ny hevitry ny hafa io no nahatonga ahy nilaza ilay teny tsy tiako haverina fanintelony, nefa voatery haverina raha ilaina.
62. Fiffi
(
04/05/2006 07:30)
ka raha izany, raha raisina ilay hevitrareo de hoe le andro nahatapakevitra andry zareo hanao batemy amin'ny paska anie zany no nitondra zavatra fa ilay 16 avril 2006 fotoana nanatanterahana azy fotsiny e,io koa aloha tsy azoko mihintsy satria hevitr'iza aloha io ? ny anao io ry zozefa an! satria manko tsy ny 16 avril hiany no andro azo hangatahana hanaovana batemy an!
63. marozevo
(
04/05/2006 14:53)
Hevitr'i zozefa io...
Marina fa tsy ny 16 avril ihany no azo anaovana batemy fa mety koa ny andro hafa, hoy koa izy.
Dia hoy aho hoe : Marina fa tsy ny 16 avril ihany no azo anaovana Batemy, nefa teo aloha nisy...
Ohatra hoe 31 decembre ny faran'ny taona, dia lazao koa fa tsy voatery ho 31 decembre ihany ny faran'ny taona.
Ohatra hafa : Raha teraka tamin'ny 6 mai ohatra ny olona iray dia holazainao ve fa afaka nateraka tamin'ny andro hafa koa izy. Efa io aloha no daty nahaterahany...

64. zozefa
(
04/05/2006 20:10)
fifi:
ny fandinihiko ny hevitrareono nahatonga ahy nilaza azy,
hoy mantsy i Marovezo hoe
de ianao koa niteny hoe
zany hoe raha raisina ireo de le paska izany no nitondra ireo batemy ireo, zany hoe le 16 avril 2006,
nefa ianareo mahalala tsara fa decision efa noraisina mialoha ny batemy fa tsy decision noraisina tamin'ny paska,
ka izay no nahatonga ahy nilaza fa tsy nitondra na inn na inn ilay 16 avril fa ny Tompo no mitondra fahasoavana eo amin'ny fiainan'ny kristiana,
tsy nilaza aho fa 16 avril ihany no fanaovana batemy ! nety tsy nazava tsara angamba ny fanazavako, mialatsiny e!
Marovezo
efa novakiako tsara tokoa ny hevitrao, ka raha tsy mitovy hevitra aminao aho de tsy milaza akory izany fa tsy namaky, :D
tsy hoe fety fahatsiarovana araka ny voalazanao, fa hahatsiarovana ny nahafatesan'ny Tompo sy ny nitsanganany, samy manana ny maharesy lahatra azy ny tsiarairay entina mahatsiaro izany,ao ny mifety, ao ny mifady hanina, ao ny manao hira fiderana, ao ny mitokana mangina mivavaka sy misaotra ny Tompo noho izany fitiavany izany,
tsy midika akory izany fa in 1 isa-taona ihany vao tokony mahatsiaro izany, fa tsy misaraka amin'ny fitiavan'ny Tompo amitsika ny fahafatesany sy ny fitsanganany, angamba tsy in1 isataona isika no mahtsiaro izany fa mety imbetsaka isana'andro akory aza
ny hevitra tsy itovizantsika de averiko indray angamba, ny paska 2006 = 16 avril 2006 de tsy mahay nitondra na inn na inn, fa ny Tompo no mitondra ny fahasoavany ho an'ny tsirairay na andro inona io na andro inona,
tsy aritra kely momba ny faran'ny taona,:D
raha amin'ny firenena occidentale de 31 décembre
fa hara sinoa ianao de hafa,
raha jiosy ianao de mety ho hafa
ny malagasy fahiny koa aza mbola hafa ihany koa,
samy tsy mitondra na inn na inn ireo taombaovao na sinoa ianao na gasy na jiosy na inn, fa ny fifandraisanao amin'ny Tompo ihany no mitondra fahasoavana aminao,
farany ito misy teny nahafinaritra ahy de hozaraiko ho antsika rehetra
Salamo 91:14-16
Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho
Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko
io koa aloha tsy azoko mihintsy satria hevitr'iza aloha io ? ny anao io ry zozefa an! satria manko tsy ny 16 avril hiany no andro azo hangatahana hanaovana batemy an!
ny fandinihiko ny hevitrareono nahatonga ahy nilaza azy,
hoy mantsy i Marovezo hoe
Jereo fotsiny ohatra... firy ny Batemy natao nandritra ny Paka 2006 eran-tany? Dia tsy misy fiovana ve izany
de ianao koa niteny hoe
maro ny olona nitondran'ny Paska 2006 zava-tsoa , indrindra fa ireo olona maro dia maro nahazo batemy.
zany hoe raha raisina ireo de le paska izany no nitondra ireo batemy ireo, zany hoe le 16 avril 2006,
nefa ianareo mahalala tsara fa decision efa noraisina mialoha ny batemy fa tsy decision noraisina tamin'ny paska,
ka izay no nahatonga ahy nilaza fa tsy nitondra na inn na inn ilay 16 avril fa ny Tompo no mitondra fahasoavana eo amin'ny fiainan'ny kristiana,
tsy nilaza aho fa 16 avril ihany no fanaovana batemy ! nety tsy nazava tsara angamba ny fanazavako, mialatsiny e!
Marovezo
Miangavy an-razozefa re ah... raha mba azonao atao dia ivereno vakiana ny fanazavana momba ny atao hoe fahatsiarovana
efa novakiako tsara tokoa ny hevitrao, ka raha tsy mitovy hevitra aminao aho de tsy milaza akory izany fa tsy namaky, :D
tsy hoe fety fahatsiarovana araka ny voalazanao, fa hahatsiarovana ny nahafatesan'ny Tompo sy ny nitsanganany, samy manana ny maharesy lahatra azy ny tsiarairay entina mahatsiaro izany,ao ny mifety, ao ny mifady hanina, ao ny manao hira fiderana, ao ny mitokana mangina mivavaka sy misaotra ny Tompo noho izany fitiavany izany,
tsy midika akory izany fa in 1 isa-taona ihany vao tokony mahatsiaro izany, fa tsy misaraka amin'ny fitiavan'ny Tompo amitsika ny fahafatesany sy ny fitsanganany, angamba tsy in1 isataona isika no mahtsiaro izany fa mety imbetsaka isana'andro akory aza
ny hevitra tsy itovizantsika de averiko indray angamba, ny paska 2006 = 16 avril 2006 de tsy mahay nitondra na inn na inn, fa ny Tompo no mitondra ny fahasoavany ho an'ny tsirairay na andro inona io na andro inona,
tsy aritra kely momba ny faran'ny taona,:D
raha amin'ny firenena occidentale de 31 décembre
fa hara sinoa ianao de hafa,
raha jiosy ianao de mety ho hafa
ny malagasy fahiny koa aza mbola hafa ihany koa,
samy tsy mitondra na inn na inn ireo taombaovao na sinoa ianao na gasy na jiosy na inn, fa ny fifandraisanao amin'ny Tompo ihany no mitondra fahasoavana aminao,
farany ito misy teny nahafinaritra ahy de hozaraiko ho antsika rehetra
Salamo 91:14-16
Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho
Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko
65. marozevo
(
05/05/2006 23:21)
Zozefa > Ka ilay filazanao hoe 16 avril tsy nitondra na inona na inona anie no tsy itovizako koa eh..
Angamba mila dinihina koa ny anjara toeran'ny "andro sy ny fotoana" araka ny baiboly raha izany. Raha azoko manko ny tianao hambara, raha azoko tsara ho'aho, dia heverinao izany fa tsy dia misy lanjany loatra ny fotoana ho an'Andriamanitra sy ho an'ny famonjena antsika.
Misy teny vitsivitsy ao anaty baiboly ireto. Tsy haiko, toy ny mahazatra ny referansy, nefa inoako fa misy ireo :
Tamin'ny andro voalohany Andriamanitra nahary ny ...
... dia mitohy fito andro io.
Ny andro iantsoako, mamaly ahy ianao.... (Salamo).
Rehefa tonga ny fotoana ... (Galata).
Izaho sy ianao no inona amin'izany... Tsy mbola tonga ny fotoana (Jaona).
santionany ihany ireo hilazana fa misy dikany lehibe ny fotoana eo amin'ny lalam-pamonjena.

66. Fiffi
(
06/05/2006 12:44)
raha ny hevitro aloha dia tsotra hiany: ny fotoana izay hahazahoanao mivavaka na dia 1 segondra fotsiny aza dia efa fotoan-dehibe tokoa izany , satria io fotoana izay lany tokony hanaovan-javatra hafa satria koa mila fotoana avokoa ny hatao rehetra , dia fotoana lehibe tokoa , nefa na izany aza , dia tsy io fotoana io no hatao hanahirana fa ny lanjan'ny fivavahana izao natao taminy .
Ny tiako lazaina @ io dia na 16 Avril na andro hafa , rehefa nasiana vavaka dia fotoana lehibe tokoa.

67. zozefa
(
07/05/2006 20:57)
Marovezo:
1 Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra.
2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena;
3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
4 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
5 Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
6 Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
7 Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana
raha jerena tokoa ireto teny ireto miampy ny teny efa nomenao de milaza mihitsy ny tenin'Adriamanitra misy ny fotoanany ny zavatra rehetra, ary araka ny voalazanao hoe hatramin'ny famonjena antsika aza de misy fotoanany,
fa tsy ny fotoana no mitondra zavatra, fa raha afaka mitondra zavatra izy de ho raisina ho toy ny hery na fahefana ihany koa, tsy mba manana safidy izy, na manana alahelo, na misy nenina,
raha raisina ohatra ny teny ao amin'ny Asan'ny apostoly 2:1-4
"1 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy"
fotoana: pantekosta
toerana: fitoerana iray
zava-nisy:niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa (niteny t@ fiteny tsy fantatra)
mpanome na mpanatanteraka: Ny Fanahy Masina
asa ianao raha mitovy hevitra amiko fa ny Fanahy Masina no nanome ny fahasoavany tamin'io fotana io fa tsy ny pantekosta

68. zozefa
(
07/05/2006 21:05)
fiffi:
misaotra anao nampatsiahy fa tena zavadehibe mihitsy ho antsika zanak'Andriamanitra ny vavaka, hoy ny voasoratra ao amin'ny epistilin'ny Jakoba hoe
"Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana, dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany"
"ny vavaka,....manova zavatra...." hoy izay hira iray izay:D

69. marozevo
(
08/05/2006 15:05)
Izaho angaha moa niteny mifanohitra amin'io lazainao io, na nilaza fa ambony noho ny asan'ny Fanahy Masina ny fotoana.
Fa averiko ihany, ilay filazanao fa tsy nitondra na inona na inona ny Paka 2006, dia tsy ekeko kosa aloha. Tsy ekeko satria fotoana iray io 16 avril 2006 io, niasan'ny fanahy Masina tao amintsika tsirairay avy. Mety tsy ho 16 avril ny Paka amin'ny ho avy, fa izay andro isehoany eo, dia izay indray ny fotoana mananana ny maha izy azy.

70. kd
(
11/05/2006 13:00)
marozevo:
Izay tokoa no hevitr'ilay mpanontany... marina izany... fa ny hevitr'izay nifampizara kosa mba ahoana ?
Raha ny ahy aloha dia nitondra hery lehibe mba hampitombo ny finoako e!
71. marozevo
(
14/05/2006 21:38)
asa ianao raha mitovy hevitra amiko fa ny Fanahy Masina no nanome ny fahasoavany tamin'io fotana io fa tsy ny pantekosta
Marina tokoa fa ny Fanahy Masina no nitondra ny fahasoavana, nefa nifidy fotoana manokana izy dia ny Pantekoty izany. Amin'io ohatra omenao io... ambonin'izany, raha vao miteny hoe Fanahy Masina dia mahatsiaro ny Pantekoty, ary raha miteny Pantekoty dia ao an'eritreritra avy hatrany Fanahy Masina, fa tsy zavatra roa misaraka akory ireo.

72. Fiffi
(
19/05/2006 12:30)
marozevo: marina ireo voalazanao ireo an! Fa raha zah manokana aloha de hoe "nitondra inona ho ahy ny Paska 2006" ?
-Tena nitondra zava-dehibe tokoa moa izany .
-Ny andro mandeha , nisy natao hoe fahazarana ny fivavahana .
-Tonga ny Paska , de mahatsiaro fiainam-baovao indray ity fiainana nisy fahazarana ity , asa mety hadino ve fa namoy ny ainy Jesoa ho fanavotana antsika ?
-Nampitombo ny finoako , nampitombo ny fanetren-tenako , nampiova ny fahitako ny fiainako .

73. marozevo
(
21/05/2006 08:57)
Koo ny antsika anie ry Fiffi efa mazava hatry ny ela fa nitondra zava-dehibe ny paka eh... Fa i zozefa no tsy manaiky, dia izay no itohizan'ny resaka eto. Soa koa fa tsy manaiky izy, mba hitohy ny fifanakalozan-kevitra.