Nitondra inona zao le paska 2006???
22. marozevo
(
17/04/2006 23:14)
Ny Paka dia tsy hitondra na inona na inona ho azy eo raha tsy isika no miezaka.
24. mandalo
(
18/04/2006 09:21)
efa nitsangana tamin'ny maty ny Tompo ary ny fiverenany no andrasana; ny andro Paska na paka dia fotoana tokony atsiarovantsika fa resy ny fahafatesana izay tambin'ny ota; izany hoe resy tanteraka ilay mpampiditra ny ota teo amin'ny zanak'olombelona ary Jesosy irery ihany no naharesy azy.Tsy misy fahefana manoloana an'i Jesosy ny devoly sy ny fahaizany ary izany fandresena goavana izany no ifaliantsika satria lavo ny fahavalo. ary miara-maharesy amin'i jesosy isika raha miaraka sy manara-dia Azy satria natolony antsika izany fahefana sy hery izany raha mino Azy isika; ka aminao manokana: zva-poana ve izany zavatra entin'ny Paska izany?
tsarovy fa tsy maty na nataon'i Jesosy lany tamingana ny devoly fa noreseny fotsiny ary mandositra raha mahare ny Anarany.
Ka sao diso hevitra ianao raha mieritreritra fa tsy misy intsony ny devoly; foana ny fakam-panahy ary tsy afaka ny hanafika anao ny fitak'i satana izay tena fetsy tokoa; I jesosy mihitsy no nanamafy fa Izy nahita an'i satana nilatsaka toy ny voaratra avy any an-danitra ary miherona toy ny liona mitady izay harapany.
tsy misy fiarovana azonao antenaina haaro anao ankoatran'i Kristy izay ampy tanteraka hamonjy anao satria ny fandrenesan'i Devoly ny anarany fotsiny dia mampipararetra ilay ratsy ary vaky mandositra izy ireo. Izany no antony nanononan-dry Petera sy jaona ny anaran'i Jesosy dia sitrana ny kilemaina; nahita ny jamba; ary tohizan'ny mpiandry ankehitriny rehefa mandroaka ny devoly izy ireo : "Mivoaka ny devoly sy ny asan'ny maizina rehetra amin'ny anaran'i Jesosy"ary mampahery ny olona amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra.
koa asakasakao na hijoro amin'ny maha-ianao ianao sy ny fahaizanao ianao na hitafy ilay ra soan'i Kristy izay nalatsany ho anao manoloana ny fiainana.
izao andro paska izao no mbola hampahatsiahivina anao izany toerana misy anao izany ka anao ny safidy fa tsy misy fanerena ny fanarahana an'i jesosy fa ny olon-drehetra no antsoiny

25. bandykell
(
18/04/2006 11:07)
miarahaba antsika tsatsin'ny paka ,
mitondra inona marina ny paka? amiko alou dia ny paka no fety lehibe indrindra ho an'ny kristianina satria ra tsy maty ny mpamonjy ary ra tsy nitsangana veloma de foana ny finoana kristianina, satria miainga ao daholo. ny ra nalatsany manko no mahatonga nanalany ny helontsika, ny fitsangana veloma midika fa izy no mpamonjy tsy an'ny olombelona manko ny mandresy ny fahafatesana an'andriamanitra irery ihay. Ny paka zany tokony hanamafy hatrany hatrany ny fianoantsika..
de mirary fahasoavana antsika rehetra @ ty antsasaky ny taona ity indray e

27. marozevo
(
18/04/2006 12:26)
Raha miara-maty amin'i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa.
Na mivadika aminy aza isika, izy tsy mba mivadika mandrakizay.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra azy.
Na mivadika aminy aza isika, izy tsy mba mivadika mandrakizay.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra azy.
28. Fiffi
(
19/04/2006 04:36)
Raha miara-maty amin'i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa. miara-maty aminy isika fa tsy hoe "raha" amiko aloha io an! fa miankina @ finoan'ny tsirairay koa io.
29. marozevo
(
19/04/2006 09:30)
Tsy teniko io fa ao amin'ny Baiboly kooo... Sady izao koa anie eh... Izay mino fa nitsangan-ko velona i Kristy, ireo ihany no tsy afaka mametraka "raha", fa izay tsy mino an'izany ve dia hoterentsika hiara-maty amin'i Kristy koa.
30. Fiffi
(
19/04/2006 11:06)
marozevo: marina ny anao fa ny tsy mino hiany no mampiasa ny "raha" ary tsy azontsika velively ny harery azy ireo hiara-maty amin'ny Kristy izay notorontononina tamin'ny herin'ny Fanahy Masina ka nijaly tamin'ny nanapahan'i Pontio Pilato. Ary tamin'ny andro fahatelo dia nitsangana tamin'ny maty.
Ka ho velona mandrakizay.
Ka ho velona mandrakizay.
31. tyty
(
19/04/2006 15:39)
anjaso alou a!rehefa nandinika tsara za de ilay nahafatesan'i Kristy sy ny nitsanganany t@maty no nitondra zavatra ho an'ny mino fa tsy ilay paska 2006 akory, fa andro ohatran'ny andro rehetra ihany io
32. Fiffi
(
19/04/2006 15:43)
andro tahakan'ny andro rehetra toka io arakin'ny voalazanao , ary marina tokoa izany fa ny tena nitondra zavatra tena lehibe ho an'ny mpino tokoa dia ny Nitsanganan'ny Tompo ka ho velona mandrakizay.
33. marozevo
(
19/04/2006 20:07)
Saingy raha tsy nasiana Paka 2006 dia tsy ho tsaroana velively izay Paka tamin'ny 33. Ny Paka koa moa tsy hoe fahatsiarovana (mémoire), fa fiainana ny fahatsiarovana (memorial). Saingy averina ihany fa ny finoana no iainana izany fa tsy zavatra hoe hotsapain-tanana na hojeren'ny maso.
Jereo fotsiny ohatra... firy ny Batemy natao nandritra ny Paka 2006 eran-tany? Dia tsy misy fiovana ve izany ?
Jereo fotsiny ohatra... firy ny Batemy natao nandritra ny Paka 2006 eran-tany? Dia tsy misy fiovana ve izany ?
34. Fiffi
(
20/04/2006 06:27)
nisy fihovana tokoa moa izany an! ary ny hoe nitondra inona zao ny Paska 2006 ? dia anjaran'ny tsirairay no nahita hoe nitondra inona taminy io. maro ny olona nitondran'ny Paska 2006 zava-tsoa , indrindra fa ireo olona maro dia maro nahazo batemy. Na izany aza dia zava-tsoa ho an'ny mpino koa no hazony t@ ity Pasaka 2006 ity. Ny ahy manokana moa raha jerena dia nahazahoako haigam-panahy vaovao satria @ maha-olombelona ahy dia ao hiany ny hoe fahazarana , ohatra ny fandehanana hivavaka isan-kalahady , eny na dia hivavaka marina aza ny handehanako any fa rehefa tonga kosa ny Paska dia manainga ahy @ fomba tena vaovao mihintsy ny fivavahako , ao koa ny Noely fa io aloha mbola zavatra hafa indray.
35. marozevo
(
20/04/2006 14:33)
Manamafy izay voalazan'i Fiffi ihany koa. Raha ny momba ny Batemy indray ve ? Marina fa ny fahasoavana dia mivantana amiin'ilay atao Batemy aloha, fa tsy mijanona ho azy ireo irery fa ho an'ny Fiangonana manontolo. Toy ny hoe fahaterahana e.. fahasoavana ho an'ny Fianakaviana manontolo.
36. Fiffi
(
21/04/2006 09:37)
io aloha ho an'ny olona natao Batemy t@ Paska teo , sy ny fianakaviany , sy ny fiangonana , fa indrindra koa nahazahoana mpino an'Andriamanitra ko.
37. kd
(
21/04/2006 13:47)
Fanotaniana tsy ilàna valiny @ hafa zany fa ny tsirairay na mahatsapa raha nitondra na tsy nitondra n'inona² taminy ny paka!mety nisy nahazo soa fa mety misy koa ny nahazo blèm! ohatran'ny fiainana isan'andro ihany e! mifandimby eo ny mamy sy ny mangidy sa tsy zany?
38. marozevo
(
21/04/2006 20:30)
Nahoana kosa ry kd no tsy hovaliana ny fanontanian'olona ah ? Marina fa ny tsirairay no mahatsapa izay vokany, nefa inona no maharatsy ny hoe mifampizara ? Na ny soa na ny ratsy?
39. kd
(
22/04/2006 09:09)
marozevo:
Nahoana kosa ry kd no tsy hovaliana ny fanontanian'olona ah ? Marina fa ny tsirairay no mahatsapa izay vokany, nefa inona no maharatsy ny hoe mifampizara ? Na ny soa na ny ratsy?
Ka tsy azonao ny tiako ambara izany, tsy hoe tsy tokony hifampizara anie ny tiako tenenina fa hoe tsy misy afaka haminany zay nitranga t@ olona iray kosa e!raha ny fahazoako ny hevitr'ilay nanontany mantsy dia ohatra ny hoe tsy nisy zavatra niseho teo @ fiainany na soa na ratsy fa bloqué tanteraka
40. marozevo
(
22/04/2006 22:10)
Izay tokoa no hevitr'ilay mpanontany... marina izany... fa ny hevitr'izay nifampizara kosa mba ahoana ?