olombelona sy fakam-panahy

1. mandalo ( 04/04/2006 13:06)
maro no mihevitra fa mora ny mandresy ny fakam-panahy.???
amiko dia inoako fa avy amin'ilay ratsy io ary izy no mikendry mandrakriva ny handavo antsika amin'izany; raha ny herintsika irery anefa tsy haharesy devoly mandrakizay ny olona raha tsy miaraka amin'i Jesosy sa diso izany
novalian'i marozevo ny 10/05/2006 19:19
2. nikopol ( 04/04/2006 13:23)
Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.
Ohabolana 29:25
3. Fiffi ( 04/04/2006 13:29)
ny fakam-panahy: tena zavatra marina fa na iza na iza dia tsy maintsy nahazo an'io , saingy anjaran'ny tsirairay no miady @ io fomba ratsy io , satria ratsy tokoa izy io nohon'ny fahazahoantsika azy satria ny devoly no mikitikitika antsika hanao zavatra ratsy ary ahatongavan'ny fakam-panahy hanao io ratsy io. Fa raha hasiana fivavahana , inona anefa no tsy lavon'ny fivavahana ?
4. mandalo ( 04/04/2006 13:33)
inona no tena tianao lazaina amin'ny hoe "asiana fivavahana" ??
5. nikopol ( 04/04/2006 13:42)
Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin' ny fakampanahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
Matio 26 : 41
6. Fiffi ( 04/04/2006 13:44)
inona no tena tianao lazaina amin'ny hoe "asiana fivavahana" ?? olombelona isika ary iza t@ tsika no tsy nanota ? ary rehefa mba misy "tentation" iny ohatra hanao zavatra tsy mety na ratsy nefa fantatra tsara fa ratsy na tsy mety , io dia ny devoly no miasa ary manosoka antsika hanao an'io ratsy io , ary alohan'ny hanaovana io zavatra tsy mety io nefa dia tonga saina hiany satria mahafantatra ny zavatra hatao ka dia mba tsy ahatongavan'ny fakam-panahy io dia mivavaka .
7. mandalo ( 04/04/2006 15:06)
fil 4: 5 dia mampianatra antsika mivavaka.manambara koa io fa tsy manana hery hanoherana ny ratsy isika raha tsy mikambana amin'i Jesosy kristy ary mitafy ny ra soany izay manamarina antsika eo anoloan'Andriamanitra; ka hahafahantsika mangataka amin'ilay Ray hahtohitra ny ratsy.
efes 6 :10-18 no fiadiana omeny antsika hanoherantsika ny fakam-panahy fa tsy ny saintsika na ny fahaizantsika fotsiny.
Ary ny manana azy dia mivoaka manoatra nohon'ny mpandresy.

izany anie no mahatonga ireny olona te-hiala amin'ny fahzaran-dratsy ireny tsy afaka fa lavo foana satria miantehitra amin'ny saina sy ny fahaizany fotsiny; tadidio mandrakariva fa tsy haharesy devoly mandrakizay ny olona tsy miaraka amin'i Jesosy sy miady miaraka Aminy
8. Fiffi ( 04/04/2006 15:21)
marina izany ka noho io no nilazako hoe raha sendra tongavan'ny fakam-panahy dia mba mivavaka .
9. mandalo ( 04/04/2006 15:28)
mivavaka foana fa ny fakam-panahy eo foana miandry ny fahalementsika hipoitra.
10. Herimiafina ( 04/04/2006 17:31)
mandalo:

maro no mihevitra fa mora ny mandresy ny fakam-panahy.???
amiko dia inoako fa avy amin'ilay ratsy io ary izy no mikendry mandrakriva ny handavo antsika amin'izany; raha ny herintsika irery anefa tsy haharesy devoly mandrakizay ny olona raha tsy miaraka amin'i Jesosy sa diso izany


Amiko rehefa tsy mahatsapa hoe mahery afaka miadyu amin,ny fankampanahy dia aleo tsy mitady fakampanahy e!
Maro mantsy ny olona misetrasetra mandeha mitady fankampanahy mihintsyd e refa tenenina dia sonmary miseho milay kely hoe: haiko io e1 Vitako io e! sns.

Matoa ny alika mifatotra nahakaikitra anao dia ianao izay no nanantona azy. ahummm ahummm :-w
11. majakely ( 04/04/2006 19:37)
ahummmmmm,ahummmmm...:-D
12. marozevo ( 04/04/2006 21:46)
Ndraindray koa ny fakam-panahy tsy fantatra hoe fakam-panahy raha tsy efa voa ilay alainy fanahy. Raha fantatry ny trondro fa misy fintana ny sakafo dia tsy hihinana an'iny izy, raha fantatry ny vorona ny fandrika dia tsy hiditra ao izy... Marina fa sady tsy vorona isika no tsy trondro, nefa....
Tsy manala tsiny na inona na inona ary na iza na iza anefa izany, fa marina daholo ireo volaza ao ambony ireo.
13. Fiffi ( 05/04/2006 03:18)
Raha fantatry ny trondro fa misy fintana ny sakafo dia tsy hihinana an'iny izy, raha fantatry ny vorona ny fandrika dia tsy hiditra ao izy
tsy azo hanaovana "comparaison" @ olombelona kosa aloha ireo vorona sy trondro ireo eh! raha te hamono vorona sy trondro ho hanina ve dia hoe voan'ny fakam-panahy ?
14. marozevo ( 06/04/2006 21:15)
Tsy ny trondro amin'ny maha trondro azy, fa ny fifandraisany amin'ny jono. Tsy ny vorona amin'ny maha vorona azy, fa ny fifandraisany amin'ny fandrika. Ianao angaha tsy mahalala fa ny ohatra anie MATAVY TAPAKA eh... Adinonao angaha ny ohabolana hoe "Ny olombelona toy ny AMALONA ka be siasia". TOY ny amalona, fa tsy amalona akory.
15. Fiffi ( 07/04/2006 05:44)
marina izany.
16. marozevo ( 07/04/2006 21:47)
Fiffi kooo !:lol:
17. Fiffi ( 08/04/2006 05:14)
fil 4: 5 dia mampianatra antsika mivavaka.manambara koa io fa tsy manana hery hanoherana ny ratsy isika raha tsy mikambana amin'i Jesosy kristy
io aloha dia tena marina mihintsy satria ny fahakam-panahy hihaintika andavan'andro dia tsy ho resintsika mihintsy .
marozevo: de naninona indray zah teo ? :-D
18. marozevo ( 08/04/2006 06:47)
Tsy naninona akory fa ilay mody tsy nahazo resaka ao ambony ao fotsiny no tiako holazaina hoe "Fiffi kooo... mody mananihany kely.."
19. Fiffi ( 08/04/2006 08:19)
tratran'ny fahakam-panahy zany zah ! :oops:
20. marozevo ( 10/04/2006 22:06)
Aiza koa izao izay fakam-panahy mahazo an'i Fiffi eo ? Olona masina kely io ve ianao dia mba ho azon'ny fakam-panahy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079