olombelona sy fakam-panahy
61. Fiffi
(
05/05/2006 12:00)
dia ho sambatra tokoa moa izany , ary ny Tompo hiany no mahatsapa izay ao am-po , eny na dia hitantsika na tsapantsika aza fa dia kely dia kely tokoa. Na izany aza , ny essentiel dia ny fahatsapana an'izany.
62. marozevo
(
05/05/2006 23:45)
Tsy dia voako loatra ilay style mitovitovy amin'izao : "Izaho izao dia mijoro ho vavolombelona, fa taloha aho dia mpisotro toaka, naditra, naniratsira an'Andriamanitra .... fa amin'izao fotoana izao kosa aho dia olom-baovao tanteraka". Ekeko ilay hevitra, raha tena nisy tokoa, ary izay ao amin'i Kristy rahateo dia olom-baovao. Fa tsy tiako ilay izy dradradradraina be etsy sy eroa.
63. Fiffi
(
06/05/2006 10:57)
Tamin'ny karemy no nahitana an'io hoe "raha mi-karemy ianareo dia aza hatao izay hahatsikaritrin'ny olona hoe manao karemy ianareo fa sasao ny tavanareo sy ny masonareo ary manaova zava-manitra" raha tsy diso aho an! Dia tsy tokony ho deraderaina zany raha sendra ka nahatsapa tena fa lasa olom-baovao.
64. marozevo
(
08/05/2006 15:21)
Ao amin'ny Matio toko faha 6 na faha 7 io lazainao io. "Raha mifady hanina ianareo dia aza mba manao tahaka ny jentily, izay mampisolitika ny tarehiny...."
66. marozevo
(
10/05/2006 19:19)
Le izy ange mety hoe zava misy sy zavatra tena marina eh... fa amiko dia mba misy partie "intime" ihany koa ny finamànana amin'Andriamanitra, ka tsy voatery ho lazaina daholo akory.
Le izy tsy dia misy olana ara-poto-kevitra akory, fa "ny gout personnel-ko" no tsy ao.
Le izy tsy dia misy olana ara-poto-kevitra akory, fa "ny gout personnel-ko" no tsy ao.
