olombelona sy fakam-panahy

21. diamondra27 ( 11/04/2006 00:16)
ny fakampanahy dia misy foana fa tsy misy afa tsy ny vavaka ihany no fanafodiny sy mandeha araka ny tarihin'fanahy masina = Galatiana 5:22-26

Gal 6:1 raha misy olona azon'ny ota tsy nahy de atsanganareo izay manana ny Fanhy@fahamorana izy ka mihevera ny tenanao fandrao hianao koa mba halaimpanahyihany
22. Fiffi ( 11/04/2006 05:52)
marozevo: indrisy anefa fa eo anilako lalandava io fakampanahy fa anjarako kosa no mivavaka hatrany , mampitombo ny fonoako mba tsy ho voatarik'io fakampanahy io ary isaorako ny Tompo manampy ahy hatrany hizorako @ lalan'ny fahamarinana .
23. marozevo ( 11/04/2006 11:15)
Raha misy olona manota, dia manana mpisolovava ao amin'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy ilay marina.

Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.

Fiffi > Hay ve mbola eo anilanao fotsiny ilay fakam-panahy eh ! I Kristy ao anatinao ka iza no tompon'ny fonao, izay any ivelanao sa izay ao anatinao ?
24. Fiffi ( 11/04/2006 13:57)
marozevo: eo anilako hoy aho an! ary tsy ho tompon'ny foko velively izay any ivelany fa kristy Tompontsika hiany no hanjaka ato am-poko mandrakizay.
25. marozevo ( 11/04/2006 18:24)
Izany ka olona ....
26. Fiffi ( 12/04/2006 05:13)
AVIA Fanahy masina ô !
Fanahy masina,
Midira eto aminay
Hitari-dàlana.
Midina ianao ,
Ry Mpanazava anay,
Hanaisotra ny aizina
Aty anatinay.
Mitomoera izao
Hanjaka aminay ;
Izany indrindra Tompo ô
No angatahinay. Amen
27. marozevo ( 17/04/2006 23:43)
Izany ka Kristianina....
28. Fiffi ( 19/04/2006 08:41)
na dia Kristianina aza anefa dia tsy mbola ho hampy ahy izany fa mbola lavitra ny lalana nefa tsy mahakivy fa dia ny fangatahana an'ny Tompo hatrany mba hitarika @ lalan'ny fahamarinana ny finoana, ny fivavahana no tanjona.
29. marozevo ( 19/04/2006 20:37)
Iny lalako iny e, lalan-tsarotra iny.

Ry Jesoa Tompo oh mba tantano aho.
Fa mideza loatra iny lalako iny.
30. Fiffi ( 20/04/2006 13:48)
^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^
31. marozevo ( 20/04/2006 15:03)
=D:-$=D:-$=D:-$=D:-$:-$:-$:-$:-$
32. mandalo ( 20/04/2006 15:41)
tsy arako angamba ilay filling-nareo fa tsy azoko ny fomba fandraisanareo anjara eto; ny mampita sy manazava ny fahatakarana ny loha-hevira dinihan ve sa ny nymiezaka mamaly fotsiny mba hahatonga ny tena ho mpandray anjara mavitrika. Ifonako ny fijeriko raha masiaka loatra fa ny sehatra toy izao no hahafahana manontany sy mizara ny fahalalana sy ny tsy fahalalana momba ny finoana sy ny fampiharana mahatsra ny fifandraisana amin'Andriamanitra.
mety ho diso aho ka azafady mialoha raha mitondra fanafitohina ho anareo mpandray anjara.
Tsy kely lalana mantsy i devoly io ka ny fika sy tetika rehetra dia ampiasainy tsy hahazoantsika mamkamamy ny fiarahana amin'Andriamanitra ka ampiasainy ny diversion maro mba hahafanina antsika.
izay no atao hoe: fakam-panahy izay tsy reintsika ary tsy hitantsika ho-eviter-na raha tsy manan ny fanahy masina ho mpitari-dalana isika.
Ary na fantantsika aza izany indraindray dia tsy resintsika fa tafaroboka ihany isika ; ny baiboly dia manamarina izany fa hoy izy hoe: ny fanhy mety ihany fa ny nofo tsy mety.
Soa anefa fa mbola oran'ny famindram-po izao ora izao ary ny Tompo manadio rehfa mahatsiaro ny hadalantsika ka mibebaka isika. sambatra isika rehefa mahazo izany. Izany ilay fiadanana atolotra antsika.
Mbola ny devoly ihany no mandatsa antsika rehefa lavo isika ;tsy atao mahakivy anefa izany satria ilay mpamonjy antsika tsy lavitrabe fa eo nanilantsika vonona hampiarina antsika raha sitrak'isika izany;
mahereza ary fa tsy fanahy osa no nomeny antsika fa afaka manohitra tsara ny fakam-panahy
33. Fiffi ( 21/04/2006 10:14)
tsy azoko ny fomba fandraisanareo anjara eto; ny mampita sy manazava ny fahatakarana ny loha-hevira dinihan ve sa ny nymiezaka mamaly fotsiny mba hahatonga ny tena ho mpandray anjara mavitrika.
izay handraisanao azy ry mandalo dia azonao hatao tsara izany saingy raha toa ka miheritreritra ianao fa" miezaka mamaly fotsiny mba hahatonga ny tena ho mpandray anjara mavitrika." dia mampalahelo ahy tokoa izany fandraisanao sy ny fahitanao ny fandraisana anjara @ famaliana eto , asa re raha mba tsapanao ny fotoana lany mba hitadiavana ny valim-panontaniana izay hatao eto , nefa moa atao ahoana raha izany no fahitanao azy ka dia ny fahendrena hataoko angamba dia ho any @ site hafa aho izay nahazatra ahy koa @ fanadihadiana sy ny fizarana izay mba zavatra kely mba fantatro momba ny fivavahana sy ny finoana fa dia mazotoa hatrany ary . Dia misaotra anao eram-po , eran-tsaina tamin'ireo zavatra rehetra izay nangalako sy nampitombo hatrany ny finoako , ary ny Tompo anie Homba sy Hitahy anao hatrany.
34. Fiffi ( 21/04/2006 10:20)
Misaotra anareo rehetra izay nandray anjara teto avokoa , fantaro tsara fa ny namaliako ny dinika rehetra teto dia tsy nisy nidiran'ny hoe " miezaka mamaly fotsiny mba hahatonga ny tena ho mpandray anjara mavitrika fa tena nahazahoako fitaratra , nampitombo ny finoako , sy ny fivavahako izany , nefa moa izao no fahitan'ny sasany azy ka dia mazotoa ary ! fa na izany aza dia tsy misasatra ny MIVAVAKA ho antsika hatrany aho. :):)
35. mandalo ( 21/04/2006 13:09)
tsy mi-cibler na iza na iza ny zavatra nosoratako ka ifonako Me Fiffi raha nahatafitohina an ao;hitako mihitsy ny fiezahanao mikaroka vaovao hanamafisinao ny fomba fanadihadihanao;tsara ireny fa tohizo (hoy ny Tompo: "fantaro ny zavatra rehetra"). ny tiako ambara fotsiny dia mba teny mitondra finoana sy fampandinihan-tena hanantona an'i Tompo no tokony hezahina hisongadina hatrany eto amin'ny sehatra toy itony mba samy handroso finoana ny tsirairay fa tsy ho very amin'ny vazivazy;sy ny hanihany.izay fotsiny fa tsy manindrona na iza na iza ,ary nytenako koa eo amban'izany tsikera mahasoa zavatra izany. mamela ny fahadisoako raha mahatezitra anreo izany teniko izany.
36. kd ( 21/04/2006 13:51)
Fiffi:

Misaotra anareo rehetra izay nandray anjara teto avokoa , fantaro tsara fa ny namaliako ny dinika rehetra teto dia tsy nisy nidiran'ny hoe " miezaka mamaly fotsiny mba hahatonga ny tena ho mpandray anjara mavitrika fa tena nahazahoako fitaratra , nampitombo ny finoako , sy ny fivavahako izany , nefa moa izao no fahitan'ny sasany azy ka dia mazotoa ary ! fa na izany aza dia tsy misasatra ny MIVAVAKA ho antsika hatrany aho. :):)


Tena milay be zany toetsainao zany fa dia mahereza mivavaka fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina!
37. marozevo ( 22/04/2006 22:44)
Dia asakasakao ry mandalo fa dia lasa koa i Fiffi izany...
Anisan'ny làlana hitan'ny demony koa ny mampanao resaka lava loatra, nefa tsy dia misy ho raisina firy akory.
38. Fiffi ( 24/04/2006 07:02)
Ary mamelà ny helokay , tahaka ny hamelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy , Fa manafaha anay amin'ny ratsy.
Raha mivavaka aho ka hangataka famelana amin'Andriamanitra nefa tsy mahay mamela ny helokin'ny hafa dia aleko tsy mangatam-pamelana ny heloko , ary tsy hanoy ny fivavahako.
39. marozevo ( 24/04/2006 23:42)
Oufff ! Niverina ihany "izy".:) Tonga soa ianao Fiffi, ary misaotra amin'ny fampianarana ny famelan-keloka sy ny fampiharana ihany koa.
40. Fiffi ( 26/04/2006 08:23)
. Ifonako ny fijeriko raha masiaka loatra mahay mifona ianao alohan'ny andefasanao ny valintenianao , midika zany fa fantatrao tokoa ny zavatra nolazainao ary fantatrao koa ny fohahevitra eto satria ianao no nanao azy :"olombelona sy fakam-panahy" Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy , Fa manafaha anay amin'ny ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078