Ny lehilahy mikasin-tanana ny vehivavy

1. Fiffi ( 07/03/2006 05:12)
Indrify fa mbola misy mihintsy ny lehilahy mbola mikapoka , mameta-tahimena na mamomno na mampijaly ny vehivavy rehefa miady na mifamaly . Hery tsy mitovy anefa , kely sandry ny vehivavy , indrindra moa raha tratran'ny fisotroana koa ny lehilahy vao maika loza . (misy hoy aho an)
novalian'i Fiffi ny 02/04/2006 11:54
2. Fiffi ( 07/03/2006 05:14)
Ady mivady - Maty noho ny fifampisintonana ilay ramatoa.

Vokatry ny ady niseho tamin'ireto mpivady mipetraka eny Sabotsy-Namehana dia namoy ny ainy tsy fidiny ilay ramatoa.
Araka ny fanadihadiana nataon'ny zandarimariam-pirenena any an-toerana sy ny famotorana natao ho an'ilay rangahy tompom-bady dia “ny 25 febroary no nitranga ny adin'izy mivady. Niakatra ny feo ka niafara tamin'ny fifampisintonana. Tsy fantatra na navotsotra tampoka na nivotsotra
tampoka ny tanan'ilay rangahy fa nianjera ka notatazan'ny vato tamin'ny tany ny lohan'ilay ramatoa ka maty avy hatrany”.
Natolotra ny mpampanoa lalàna ity lehilahy ity ny faran'ny volana febroary. Noho ny fangatahan'ny fianakavian'ny maty anefa dia navotsotra fa tsy notanana an-tranomaizina ity rangahy niady tamin'ny vadiny ity. Nanazava teo anatrehan'ny mpitsara mpanao famotorana ny renin'ilay ramatoa maty fa “tsy vitany ny mitaiza ireo zanaka navelan'ny maty sy ity vinantony”. Nanoloana izany dia tsy notazonin'ny fitsarana ilay rangahy.
Manana zanaka efatra ireto mpivady niady niafara tamin'ny fahafatesan-dramatoa izao ka 10 taona ny zokiny indrindra ary 2 taona ny farany. “Somary sahirankirana ara-pivelomana izy ireo, hoy ny zandary, satria ilay rangahy dia mpitarika posy eo an-tsenan'i Sabotsy-Namehana ary ilay ramatoa dia mpivarobarotra fony fahavelony”.
L'Express de Madagascar
Mpandrindra: Patrick Andriamahefa
3. Ragadona ( 07/03/2006 06:03)
Tena tsy mety alo le mikasi tanana na manahoana na manahoana fifandirana e. Diso zay mampiasa hery. Na lhl na vhv io a, satria misy koa manko le vhv sasany dia mi provoquer olona satria mieritreritra fa hoe raha misy ny fifandonana dia tsy maintsy ho en faveurny foana ny fitsaran ny olona. Tandremo koa anefa fa tsy indray mandeha fotsiny no nahitana an gazety ny vhv namono ny vadiny tamin ny fanindronana antsy tampotampoka na refa mamo lay vadiny
4. Fiffi ( 07/03/2006 06:22)
marina koa aloha fa misy ny vhv mananga-tanana saingy tsy motovy hery dia ny lhl foana no mandresy fa hafa kosa aloha ny hoe namono t@ antsy. Misy manko ny lhl tena tsy mahatandri-tena mihintsy fa vao lasa ny resaka tonga dia io tanana mafy be io no tonga dia aseho.
5. mamzelkely ( 07/03/2006 06:31)
n'inn n'inn mitranga ts azo mits ny mikasi-tanana olona zany na vhv io na lhl surtout ko mo e lhl mikasi-tanana ny vhv tena ts azo atao mits mampigadra mits;
nisy tatara zay hitanay tao am polisy tam zay nande nanao declaration de perte nisy vhv notiry ny vadiny fa we nikasi-tanana azy nefa ny niatombohany tantara de we nahatratra an le vhv nampirafy le lhl ka novonoiny le vhv kanjo tonga tany am polisy ts nahazo ny rariny mits ranamana satrio nikasi-tanana mbola ts vitan'izany fa ny vola kely mba tany aminy mbola lasan le vhv ihany ka hitanreo amizany fa ts manana droit mits ny lhl mikasitanana vhv zany na de we nisy zvt ts nety nataon le vhv aza
6. Ragadona ( 07/03/2006 06:59)
Dia io tenenin mamzelkely io no mampisetrasetra an kolaka ny vhv sasany indrindra moa raha sendra ny polisy tsy mandalina tsara ny cas. Noho izany misy ezaka tokony hataon ny vhv koa fa mety anisan ny mampiroborobo ny fikasihan tanana izy
7. mamzelkely ( 07/03/2006 07:20)
eny za nge d'accord we misy effort tokony fournisser-n ny andaniny sy ny akilanay ee fa le mikasi-tanana kosa alo tena zamé mits na de inn aza eee aleo mande ftsn de samy maka saina any aminy any alou
8. zoara ( 07/03/2006 07:27)
voavakiko anikeheo tao @ les nouvelles koa fa nisy teratany frantsay nidaroka vehivavy bevohoka ka niafara t@ "fausse couche"....
9. kala ( 07/03/2006 07:40)
zaho ndray aloha de tsy d'accord @ le mi(fampi)kasi-tanana ê!

fa marina mihitsy ny tenenin'i ragadona we misy vhv manao provocation kou ange ê!

Amiko raha misy pb detokony hifampiresaka tsotra - de rehefa mampi-aka-peo ny iray ka mitady ho hafahafa de aleo mihitsy misitaka kely. Tsy misaraka zany an! fa miteny we aleo aloha maka saina kely de avy eo tohizana ohatra.

Asa a! olon-tianao hatrizay ve de tsy hohainao ny miresaka sy maka milamina ny zava-miseho rehetra...

Teny maharary aza tsy tantiko ko vao mainka vono.
Tsy aleo misaraka raha izay no phase farany azo aleha.

fa misy koa ange lhl manafina ny ataony any ambadika any izy de ny ao an-trano no atao mahamay @ vono sy teny ratsy ê!

Donky, tokony samy hanao effort ny tsi11.:wink::wink:
10. Fiffi ( 07/03/2006 09:01)
Ny ahy aloha ny zavatra tena mampalahelo ahy ary efa nitranga tokoa fa misy lhl aloha raha vao tratran'ny taoka dia tsy maharitra mihintsy fa tonga dia ny tanana no aseho eh! na dia hoe manao provoka aza ilay vhv nisy ny antony , ohatra niditra an-trano mamo , io indray aloha dia miseho matetika ka raha mba mitrerona aza ilay vhv nohon'ny taoka sy fahamamohana , tsy midika velively izany hoe tokony hananganana tanana eh!
11. Fiffi ( 07/03/2006 09:03)
na koa hoe bevohoka ny vhv , amiko aloha tokony hiheritreritra tsara na ny lhl na ny vhv mba tsy hisian'ny fifamaliana fa mba entina amam-pahendrena ny resaka .
12. diamondra27 ( 07/03/2006 11:09)
Tena mampalahelo tokoa izy ireny ary betsaka ny vhv no tsy sahy milaza ny mahazo azy. Aty @ tany mandroso de mba misy chance kely ihany ho an'izay te-hiala @zany satria misy ireny association ireny afaka manampy anao.

Miaina ao anatin'ny tahotra sy tebiteby ange izy ireny e! Ny tokony atao de protégez-vous,

Amin'ny fiainako manokana de zavatra nolaviko ny olona mikasitanana ahy. Tsy manaiky aho fa mamaly (fony t@ classe de 5ème).Ny RAD-ko tsy nikasitanana ahy hatr@zay ka hatr@zao ka na iza na iza de tsy avelako hikasika ahy.
Ny tiako lazaina @izany de tsy afaka ny mamaly ve le ramatoa na oe mba misy olona afaka miaro azy? Na de oe: tsy mitovy aza le force de mba atao fantan'ilay rangahy oe tsy mety ny ataony refa misava ny toakany.
13. Ralay ( 07/03/2006 11:45)
De ahoana zany zah raha mba te hikasika an'i diam ataoko malemilemy anie =))=D mety hahafinaritra njay aza :lol:
14. mamzelkely ( 07/03/2006 11:57)
Ralay fikasihatanana marary no eto fa ts zany [IMG]http://smileyonline.free.fr/images/gif/pascompris/vignette/thumbnails/1036946517_gif.gif[/IMG]:-D:-D
15. Fiffi ( 07/03/2006 11:58)
16. Ralay ( 07/03/2006 12:00)
mamzelkely> Ka ny ahy tsy mety maharary ny fikasiko tanana fa
17. Ralay ( 07/03/2006 12:01)
fa mahafinaritra foana :lol:
18. mamzelkely ( 07/03/2006 12:05)
aôna zany kasihina ts mety maharary zany [IMG]http://smileyonline.free.fr/images/gif/pascompris/vignette/thumbnails/headscratch_gif.gif[/IMG]
19. Ralay ( 07/03/2006 12:08)
Mila kasihiko tanana kely kou njy zany raha te hafantatra ry mamzel :lol:
20. mamzelkely ( 07/03/2006 12:12)
ra vô enao no manantona ana eo tonga de [IMG]http://smileyonline.free.fr/images/19032003/duel.gif[/IMG] :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2336