Namana iray

1. rvoulah ( 22/01/2006 19:33)
Amintsika rehetra ireo , samy manana ny namany daholo. Tsy olon-tiana no tiako holazaina eto , fa ilay namana iray nfidianao tao anatin'ny maro na hoe"meilleur(e)ami(e) amin'ny teny vahiny!
Ny mba tiako ho fantatra de hoe : ianao izay mamaky io , iza no anaran'ilay namana iray" ary nanao ahona ny niatomhohan'ny tantara ka nahamafy orina ny naha-mpinamana!
Azonao atao ny tsy milazany anarana fa ilay fifankahitana de efa mahafinaritra ny hamaky azy!
novalian'i Roch ny 12/04/2006 20:48
2. rvoulah ( 22/01/2006 19:41)
Ny ahy manokana aloha de maro ny namako fa ilay namana iray de i M... no anarany.
Niaraka sekoly izahay taloha fa tsy iray kilasy.
Nony taty aoriana rehefa samy afaka bac de nanao stage tamina orinasa iray tao Anstirabe.
Tany an-tsekoly aloha dia nifampiarahaba fotsiny fa tsy dia niresaka be satria tsy iray kilasy moa.
Tao amin'ilay orinasa vao samy nifampitady fa efa nifankahita , de niara-niasa tao koa moa , de nifanampy teo amin'ny fanaovana rédaction ny asa , de nitombo arakizay ny finamanana ary de lasa mpinamana be tsy mifankafoy.
3 taona izay no tena nahampinamana anay ary mbola mpinamana be hatramin'izao.
Ny nampalahelo ahy fotsiny de tamin'ny fanaovana ny fanambadiany de taty am-pita aho , tsy mbola vacances ny andro de tsy afaka nakany Dago!!!
3. Fiffi ( 23/01/2006 05:04)
ny ahy aloha dia i Potsy , nisy zavatra tiany ho fantarina dia teo aho dia nanoro azy , dia iny izahay roa nanjary niaraka nadeha tao @ ilay toerana notadiaviny , dia nanomboka t@ io dia lasa tena mpinamana tahakan'ny mpirahavavy mihintsy hatramin'izao , mifampizara ny masaka sy ny manta eny na dia any Dago aza izy tsy misy iray andro tsy hifanomezanay vao2. Io ary izy fa hamaky ity nosoratako ity. :D:D
4. Vahinala ( 23/01/2006 08:12)
Nena efa presque 10ans zany zao ny nifankahafantarako ilay namako be zay, hatry ny tany antsekoly d hatramzao na dia mifanalavitra aza izahay mitohy foana ny fifandraisana, ny alaheloko fotsiny koa dia natao mariazy izy tamin'ny 2005 lasa iny nefa za tsy afaka nanatrika satria taty ivelany. Betsaka ihany ny namana efa nifanerasera tamiko fa io tokana io irery no tsy mba nanary ahy na tamin'ny sarotra na tamin'ny hafaliana, nifanohana hatrany foana izahay. Efa ho teraka izy zao any, mino kosa aho fa ahatratra ny fahaterahany aho. Kiss be ho an'i Ny Ony raha sendra mamaky ity izy.
5. ari.malala ( 23/01/2006 10:08)
Vadin'ny ankizy namako tao @ chorale, le lehilahy no namako aloha, dia taty aoriana lasa mpinamana be koa za sy ny vadiny ary tsy mifankafoy, mifampitantara izay rehetra mitranga eo @ fiainana, mifampizara ny manta sy ny masaka, izy rahateo koa moa dokotera ny asany d sady mitsabo anay ao antrano. Zoky no fiantsoako an'zareo ary d tena zay tokoa no ifampitondrana, fa mananatra ahy izy refa misy zavatra ataoko ka ts azoazony :)
6. mamzelkely ( 23/01/2006 10:39)
za njay a ny tena namako zao zokiko 5taona de efa namako izy depuis zay nianatra teny ankatso de hatram zao zay mbola mifaneraser fôna mitovy feeling be zay roa vavy de mifampizara ny manta sy masaka sady izy mipetraka eo akaikinay mo ny papanay mifankafantatra de vô maika ko milay be finamanana izy ko mo zany taty aorina vôfantatro fa cousine fa somary lavidavitra fa alohany lhl no meilleur ami-ko fa nanao safidy izy taty aorina de naleony le sipany amizao de nohadinoiny za satri ts tin le sipany:(
7. akamatiana ( 23/01/2006 14:38)
Ny meilleure amie-ko njay an!! d i Laurencia ! namako nanomboka zah tam T5 izy ka hatramizao , ary mbola tafaraka aty zahay 2.Ny nanombohan'ny tantara d nifinja toerana tany Moramanga izahay , d izy no namako volou njinja , nitohy teny ny fiarahana, tsy mba nifampihatsara ivelantsihy zahay fa samy mifampilaza izay ao an-doha , sy mifampizara ny manta sy ny masaka .Ny tena nampateza ny finamanay d mbola tsy nahenoko feo nifosa anah tany ambadika izy , zay ihany manko ny blem minamana amin'ny vehivavy matetika :wink::-D.

Ny meilleur ami-ko njay d i Jackie niaraniatra zahay nanomboka 1er année , nahafinaritra izy , fa manoro hevitra sy miaro anah fona , ary eo izy mampahery refa misy manjo kou , d miara-mifety refa misy mahafaly .:-D:-D
8. Herimiafina ( 24/01/2006 04:42)
Ny anah toa meilleur amis daholo ny olondrehetra knou, afatsy izay mbola tsy fantatro ihany. Eny fa hatramin'izay rafilahiko taloha izay aza. Ary andeha i nedala no ho teneniko eto. hehehehehe:-D:-D:-D:-D

Ny nifankahitanay? Rehefa leo nanao ny sitrampon-drafotsy zah de nitady tany ankafa izy de tsy nahay nandainga ka tratran'ny Radar-ko favy be, de narahako de nony niditra tao amin'izay restaurant izay de niditra konkou zah de taitra be ry zareo nikorapaka, kanefa zah kalmoss be mahintsiny.
de tsy à l'aise ry zareo teo ambony latabatra de nampifalifaliko nividianako bebeks sy Mi-Sao.

De mbola tsy falifaly foana sady i nedala somary ni-telephone tampoka izany (niantso mersenera fa natahotra ny hovonoiko)kanefa zah tsy hamono azy mihintsy fa ileiry aza manjoretsa be otsan'ny akoho kotsan'ny rano mangatsiaka, hehehehehe:-D:-D:-D:-D

De refa nandeha teo izany ny resaka de lasa kalmoss ihany ry zareo, ary rafotsy nitsahatra nitomany, de hoy njay zah hoe "pauvres mortels, pauvres petits êtres humains magnifiques".

De nony vita ny revy de ny mersenera izany efa niandry teo ambaravaran'ny hotely daholo de gaga be fa toa bandy mifampisakambina be no nivoaka tao de sipa mikakakaka mihomehy be, de tsy nisy rà nadriaka tampoka araka ny fiheritreretan'ny mpamaky hajaina, hehehehehe:-D:-D:-D:-D

De nanomboka tamin'izay ileiry lasa kamaradiko be mahintsiny. Any izay i nedala sy rafotsy e! efa ho roa anagamba izay ny zanay, :roll::roll:

9. mamzelkely ( 24/01/2006 06:23)
:-D:-D:-D
10. booboo ( 24/01/2006 09:41)
:-D:-D
11. ari.malala ( 24/01/2006 10:50)
Herimiafina :-D:-Dle notantarainao v zany? ;)
12. pissoa ( 24/01/2006 16:37)
Ny anah izaho ihany no meilleur amie-ko :D fa ny "namako be" no betsaka :-* Dia tsy haiko hoe iza izany no tokony hotantarainako eto - Hihihi

Herimiafina> :roll::roll:
13. fasaly ( 24/01/2006 16:45)
herimiafina;:-D:-D:-D manja be lay tantara...
14. Herimiafina ( 24/01/2006 16:55)
Angano angano, arira arira, hehehehehe=))=))
15. pissoa ( 24/01/2006 16:58)
Indray andro hono ... :-D:-D:-D
16. fasaly ( 24/01/2006 17:05)
il était une fois!!!:-D::-D:-D
17. Herimiafina ( 24/01/2006 17:11)
pissoa:

Ny anah izaho ihany no meilleur amie-ko :D fa ny "namako be" no betsaka :-* Dia tsy haiko hoe iza izany no tokony hotantarainako eto - Hihihi

Herimiafina> :roll::roll:


Hay ve zah naman'i pissoa e! Hay njy hanaiky ihany klé, nefa ary amin'ny hatsikana sy lalao ary mila iantsoana mpanao ody fitia mahintsiny, hehehehe=))=))
18. pissoa ( 24/01/2006 17:13)
Wadray, aiza izay manaiky eo? Samy hafa be ny hoe namana sy le resaka mila ody fitia! :-w
19. Herimiafina ( 24/01/2006 17:15)
F'angaha moa tsy mitovy klé? Oadray klé, de ahoana izany ireny namako be da be hafa ireny raha izany? hehehehehe=))=))
20. pissoa ( 24/01/2006 17:17)
=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6175