Inona no antony manosika anao hivavaka???

1. sambatra ( 30/11/2005 18:31)
Salama ny namana rehetra,

Moa ve mba mametra-panontaniana isika tsirairay avy hoe inona marina no antony manosika ny tenany hivavaka.
Mba zarazarao ary hoe sao mahasoa!!!
novalian'i jimna ny 07/02/2006 04:12
2. Lejim ( 30/11/2005 19:00)
Resy be ny kofa indraindray dia mivavaka. Ampio aho Tompo mba ha...., izay foana dia izay foana, zah tsy mba matetika mivavaka fisaorana na fifonana izany fa ranom-bavaka fangatahana hatrany. Zah pers io an, pour etre honnete! 8)
3. lapino ( 30/11/2005 19:02)
Fanontaniana: Inona no antony manosika anao hivavaka???
Valiny: Sitrapo!

Inona aloha no anton'ilay fanontaniana? Te-hivavaka ve i sambatra fa tsy sahy? Mila toky?
4. Veloo ( 30/11/2005 20:59)
lapino a non seulement sitrapo fa ny fanahy Masin'Andriamanitra koa miasa ao aminy tsiray2 avy, sasany manaiky sasany manohitra....
5. vivi ( 30/11/2005 21:33)
manosika ahy hivavaka d henjehin'eritreritra @ ty ratsy vita , indrindra hatrminy nahatongavana @ ity andafy ity d tsy mba miditra ampiangonana mihitsy ,raha fantatry dadanay zao d tena bedy mihitsy ,sady zao efa akaikiny krismasy tokony andeha indray fa mihidy ny fiangonana rehefa krismasy fa vankasy hono , hafa kely koa ilay aty ka ; (protestanta io teneniko io ) mivavaha reto fa afa ihany ny fiainana miaraka @ andriamanitra ! mba tsara aloa io fanontaniana io e ! merci an!
6. sonwin ( 30/11/2005 21:50)
mitolona
7. Veloo ( 30/11/2005 22:10)
vivi a ntsoooooooooo
matoa njy henjen'ny eritreritra dia mbola ao ny fanahin' andriamanitra ka aza akipily an :-*

sonwin a mitolona amin'ny inn lesy ? :-D:-D:-D ny omby ve? :-D:-D:-D vazy2 ny ahy an
8. annie ( 30/11/2005 22:41)
za manana holana na tsy manana dia mivavaka foana satria fantako sy tsapako fa zavapoana ny eto antany,mandalo ny fiainana eto
tsy ny tsara foana kou anie no azontsika amin'Aa e!
9. diamondra27 ( 01/12/2005 03:01)
ilaina ny mivavaka satria ny tena de vatana saina ary fanahy
vatana mila sakafo
saina mila zavatra eritreretina
fanahy : mahasamy hafa antsika @ biby, mila vavaka firaisana @ Andriamanitra
10. pika ( 01/12/2005 04:49)
mba te hanovo hery vao2 de ho feno fifaliana foana ny fiainana toa fali2 lava ary afaka miatrika izay rehetra miseho
voky tsara ny fanahy :lol:
11. ravatorano ( 01/12/2005 05:29)
raha mino ny fisian'Andriamanitra lehibe ianao dia ilaina tanteraka nyu mivavaka satria Izy no tokin 'ny mpino , mamindra fo,mamela heloka.
Raha tsy mino ny fisian'Ilay Mahery Tsitoha ianao d ataoko fa mazava ho azy fa tsy hivavaka izany mihitsy ,aza hadino anefa fa ao ireo izay mino ka minoa fotsiny ihany mivavaka ho fitaratra ety ivelany ihany ary eo no manahirana satria iza marina no atao hoe tena mpivavaka ?
12. namanao ( 01/12/2005 06:21)
Valiny:
-Tsapako ny fisian'ny herin'ny maizina etsy sy eroa @ fiainana isan'andro(sikidy-magie-ody ratsy-mosavy-...): fiarovantena(+ho fandresena) an'ireo no ivavahako.
-Za te hiaina fianana mandrakizay.
-Za mahatsapa fa tia ahy sy manampy ahy Jehovah Andriamanitra.
-Za te Hampitombo herin'Andriamanitra ato anatiko.
-Za tsy te ho Darohan'Andriamanitra fa trop raha izany no mitranga(tsy afa-miala mihitsy eh).
13. pissoa ( 01/12/2005 08:20)
Sitrapo!

vivi > fa ny fiangonana aty marina anie aky indraindray mahakamo e! tany Dago ny gasy kely mba mazoto ery mihira sy mandray anjara any ampiangonana, zao aty ve nama feon'orga foana mandavan-taona :-D:-D
14. sambatra ( 01/12/2005 09:48)
lapino:

Fanontaniana: Inona no antony manosika anao hivavaka???
Valiny: Sitrapo!

Inona aloha no anton'ilay fanontaniana? Te-hivavaka ve i sambatra fa tsy sahy? Mila toky?



Ny anton'ilay fanontaniana dia satria zava-dehibe indrindra ho an'ny mpino ny fahafantarany mazava ny zavatra manosika azy ho any mba tsy hampiroaroa saina azy. (Maka ohatra kely aho hitarihana ny saintsika, efa mba nametram-panontaniana ny tenanao ve ianao hoe maninona aho no misakafo? :-))
15. soleil ( 01/12/2005 10:51)

Betsaka ny antony manosika hivavaka ny fiainana sedraina sy lalovana , ny soa azo koa torak'izany

ilaina ny mivavaka ary misaora an'Andriamanitra amin'ny vanim-potoana rehetra eo amin'ny fiainanao , zao koa anefa ny mivavaka mila finoana fa tsy hoe mangataka de zay , ny finoana no tena manampy anao ,fa rehefa mino enao de ho voavonjy

16. ari.malala ( 01/12/2005 11:25)
mivavaka aho satria efa notzaina t@ fivavahana hatr@ fahakeliko aho, ary hitako sy tsapako ny fahatsarany d tohiziko hatr@ zao za lehibe zao, ray alo zay, faharoa mivavaka aho ahazoako ny fiainana mandrakizay satria ts maitns hifarana izao tontolo izao, ary tiako ny hiaina eo anilan'Ilay Mpamonjy nahafoy ny Rany ho ahy.
17. Veloo ( 01/12/2005 17:37)
ari.malala :-*:-*
18. sonwin ( 01/12/2005 19:42)
manohy ny tolona
19. Veloo ( 01/12/2005 22:19)
sonwin a tohizo ao fa tsara e :wink:
20. dadabe ( 02/12/2005 05:52)
satria miatrika olana de mivavaka :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4675