Mila toro-hevitra, halohalika ny ranom-bary! vonjeo

1. Biko ( 29/11/2005 19:37)
Tena faly be ny tenako nahita ity serasera ity, natoron'ny namana iray, ka mba mila toro-hevitra fa dia mijaly loatra. Tovolahy, 29 taona. Manohy fianarana am-pita. Manana olon-tiana, tany Madagasikara, mbola tsy vita fomba fa efa vita seho, tsy afa-natomboka nefa ny raharaha, satria niandry ny cour taty ivelany, voatery nilaozana aloha ilay olon-tiana sy tia. Nifanoratra tsara, sy nifandray @ fitaovan-tserasera samihafa.
Tamin'ireo mpiara-mianatra dia nisy ny nifanerasera tamiko, indrindra ny tovovavy, tsy dia mifanalavitra @ gasy loatra koa moa ny fomba sy ny zavatra hafa aty @ zareo. Raiki-pitia azy aho( mitovitovy koa manko izy roa) . Sendra olana ara-ekonomika koa aho avy eo, ka nanampy be ahy izy sy ny R.R mihintsy aza. Efa mifanersera be @ izy ireo aho. Ny loza dia izao, mikasa ho tonga any Dago ry zareo, hiaraka amiko rehefa vita ny fianaran, na ahoana na ahoana.
Ilay any Dago aloha tsy mbola mahalala na inona na inona fa dia miandry sy manantena. Ny aty misisika tsy hay ankifika sady tiako koa ilay izy, vonona @ lafin-javatra rehetra eny hatram'ny finoana ananany aza. Tsy hitako izay hatao mila ho lasa adala aho indray2, nefa efa akaiky ihany ny fotoana. Mandray risika tanteraka aho manoratra izao raha hitan'ilay olona iray manko ity avy hatrany dia ho fantany.

novalian'i dadabe ny 30/12/2005 15:15
2. vegas ( 29/11/2005 19:46)
Todiho ny lasa, banjino ny ho avy.
Ataovy toy ny hoe "olona nandalo teo amin'ny fiainanao" ilay any dago. Mahareta atramin'ny farany e. Io farany io no izy zokilahy a!
3. Levy ( 29/11/2005 19:54)
Mba nidiran'andro koa ny akama zany !Na izaho aza aloha dia tsy hitako izay atao @ zao e ! Nahoana raha ilay any an-dafy no apetraka @ fomba ofisialy sy diplaomatika. Nefa asa aloha e ?
4. cutie ( 29/11/2005 19:56)
raha ny hevitro koa de le any andafy hajanona e
Le any dago ve efa ela niandry teo , manjary mampa be .
5. mimiso ( 29/11/2005 20:02)
Fa iza alo no tena tianao @izy 2 e?
6. Veloo ( 29/11/2005 20:29)
miara hevitra an'i cutie mihitsy za kle :-* :-*
7. Herimiafina ( 29/11/2005 20:31)
Tantara fahitako sy fandré matetika izany ry tovolahy. Ny vahaolana de tsy misy afa-tsy ny mody any Dago de mihaona amin'ilay sipa any de hitanao fa mbola tena tinao be kay izy fa juste hoe loin des yeux loin du coeur fotsiny. hehe:-D:-D
8. mimiso ( 29/11/2005 20:44)
Voan'ny coup de foudre tany am-pita enao, ka tsy aleo avela le foudre,de le any Dago banjinina,ra le talo no tinao sady hafa ihany ilay voalohany sy ilay talo ka ........Ary aza am-piasaina saina le foudre fa ôtsan'ny fanampiana retra ny nataony
9. Lejim ( 29/11/2005 20:46)
Izay metimety amin'la fotsiny lesy e. Mahaiza fotsiny ela misafidy, tsy misy afa tsy safidy io. Fa ataovy haingana ny safidin'la dia ampandreneso izay olona hakifikao dia lazao aminy ny antony, amin'izay ela tsy votso-droa, no sady tsy misy tody koa. Raha ampiandrin'la ela loatra ny zanak'olona dia lasa mitombo ny tsinin'la satria laninao andro sy zara izy. Mety misy candidat hafa anie any te hiditra fa bahanan'la tsotra izoa ny toerana e. lol, Bonne chance kama a !!
10. Herimiafina ( 29/11/2005 20:52)
mimiso:

Voan'ny coup de foudre tany am-pita enao, ka tsy aleo avela le foudre,de le any Dago banjinina,ra le talo no tinao sady hafa ihany ilay voalohany sy ilay talo ka ........Ary aza am-piasaina saina le foudre fa ôtsan'ny fanampiana retra ny nataony

Dette morale konkou akia no tena mahatonga an'izany an, mahatsiaro anlé mpampianatra azy taloha izay i Raherimiafina, nanana jôba i nedala tany Dago de lasa tany ampita nanohy fenarana de sahirana tany de nisy fianakams gasy nanampy be anazy de tsy maintsy nanambady anlé zank'ireo vavy i nedala. de nony nody i nedala de akory atao fa kay bevohoka konkou le sipa tany de nafeniny de efa teraka vao fantar'i nedala.
Amin'izao fotoana izao i nedala efa antitra de mijôky anakiroa be izao, sady nasiany paposse daholo na ny andaniny na ny ankilany, de mifankafantatra konkou, hehehe:-D:-D:-D:-D

NB: hafatr'i nedala: tandremo elah raherimiafina sao de mampirafy an, mahatantesa ny valiny raha te-hampirafy, hehehehe=))=))=))=))

11. Herimiafina ( 29/11/2005 20:54)
Remarka fanampiny: mahatsiaro an'i nedala zah refa mamely hen'omby ritsa sy vary maina, hehehe:-D:-D
12. mimiso ( 29/11/2005 21:04)
Tena zay mitsy ry Herimiafina no tena marina a!.....
Sô kosa ary mbô te hijôky 2 nedala kle ????????
13. Veloo ( 29/11/2005 21:13)
hay kosa ato mbola misy kala sy bandy enjy kle hihihihihih
14. fasaly ( 29/11/2005 21:37)
samy hilazao ny tantara marina izy roa vavy na ny any dago na ny aty ampita de zay mahariutra vadin'andriana e! ataovy resaka matotra sy mazava
15. sonwin ( 29/11/2005 21:39)
Henoy ny fitempon'ny fo dia asiana dette morale zany ny fiainana
16. zyplon ( 29/11/2005 21:41)
F ingaha angaha de miasa saina be ,tongava aty amiko de avelao izy roa ,fa ny aty tsy mailon jafy
Tandremo aza mieritreritra ela loatra fa mandalo foana io offre io
17. xxx ( 30/11/2005 00:06)
ny fahendrena dia ataovy haingana be ny choix anao dia hilazao izay fanapahan-kevitrao ry zareo, indrindra moa ilay anankiray voatery ho avela fa manjary lany ny fotoanany miandry manantena eo nefa izy mety mba manana opportunités hafa tokony jereny koa rehefa tsy hiditra ihany enao. plus enao miandry plus betsaka ny zavatra simba ary na fisarahana tokony ho pacifique aza lasa gidragidra be. Mora tenenina aloha fa izany hoe mila fahasahiana. dia avy eo tazomy tsara izay décision raisinao fa aza mandroso mihemotra intsony fa assumer-o tanteraka izay tohiny.
18. xxx ( 30/11/2005 00:06)

19. xxx ( 30/11/2005 00:07)

20. lapino ( 30/11/2005 00:38)
Hianao aloha dia olona tena tiako tokoa
Olon-tiako tena tiako tokoa
Saingy ilay talohanao tsy maintsy tiako kokoa
Satria izy no efa tiako taloha
...

"
Hafa ihany ilay voalohany
"

Lojikan'ilay olona tongany hira aloha ireo no tateriko. Fa tsy voatery mifanaraka amin'ny cas-nao.

Mba sosokevitra: manokatra excel dia manao kaonty iray avy ho an'izy roa. Dia mizara roa avy ny kaonty: "fa maninona no izy", sy "fa maninona no tsy izy".

Dia tanisao eo daholo izay mety ho antony, mijery izay mety ho gain sy perte rehetra, ary ezaho omena sandany avy. Rehefa farany dia atao ny solde. Dia izay manana solde tsara indrindra no raisina.

Dia izay razoky e! Hevitry ny olona tsy eo amin'ilay toerana io, asa raha misy horaisina e! :)

Kay, misy hadinoko kely:
Soa ny manan-droa lehiretsy (in-2)
Soa sady mahavoa letsy (in-2)
Miaina amin'ny trano roa letsy
Roa ny mpikarakara letsy
Roa koa ny farafara letsy
Fa ny vola ro lany zara letsy (in-2)

:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4955