dépense any Madagasikara

1. vatsimpanahy ( 11/08/2005 09:01)
Manahoana daholo isika namana rehetra. Mba misy fanontaniana manitikitika ahy ito satria mikasa hody any an-tanindrazana aho ao ariana kely ao.
Ohatraninona isam-bolana eo kay ny budget tokony hananana raha hipetraka ao Antananarivo raha toa ka hitondra fiarakodia miala eny Ivato mankany am-centre ville aller retour isan'andro mamonjy toera-piasana, misakafo tsara tsy mihafy, facture jiro sy rano +telephone fixe sy izay mety ho depense eny an-tsefatsefany eny?

Misaotra mialoha amin'Izay afaka manome valin-teny.
2. zama91 ( 11/08/2005 10:14)
Izanyn hoe hanorimpinenana any izany,raha ny fahalalako azy
3. Natil ( 11/08/2005 10:32)
Bonjour,

Raha manofa trano ka olona 4 dia eo @ 4.000.000 fmg eo ho eo soit 320 Euro.


4. ravatorano ( 11/08/2005 11:51)
amizao fotoana izao v ?
tsy ampy io raha mbola hanofatrano;ny essence efa miakatra amizay indray nareo eny Ivato aiza ty embouteillage ambohibao ambohimanarina , ny entana rehetra miakatra avokoa sady mandre indray izao ny olona fa manomboka ny premié sepitambra d hiverina ny fadi-tseranana amin ny entana ka ny malagasy tsy mahay manavaka an izany fa d akariny kouh raha vao mahita miakatra izy
5. fasaly ( 11/08/2005 12:26)
tena tsy mampite hody izy izany ka! courage ho an'izay hody alony amzao fotoana izao e!
6. xxx ( 11/08/2005 13:18)
Zao ry zareo a! vita foana ny miaina eto, mbola mora sy miadana ny mipetraka eto par rapport any France.Eto ianao mbola afaka milamina e! tsy mirotoroto mifoha amin'ny firy maraina pour ne rentrer que très tard. En plus, ny asa amin'io mbola inona koa! chauffeur livreur ve? milamina ranga eto a! ça dépend ny asa ataonao sy ny karama horaisinao koa aloha io e!
7. fasaly ( 11/08/2005 13:42)
izaho aloha tsy chauffeur livreur e!
fa raha izaho no misafidy de aleoko eto ihany ka! aty
amy misy ahy mantsy e! ny any aoriana no tsy fantatra, fa raha mbola toy izao foana ny ao dago de aleoko mbola tsy mody, hevitro zany, fa tsy midika hoe manadino ny tanindrazana an! io mijanona ho ahy eo foana, vao départ zéro ndray ve aho raha hody any amzay tsy hay ny suite-ny na hahaita asa aza, tsy misomonga zà ka! ;-)
8. kally ( 11/08/2005 16:23)
Samy manana ny lafy ratsiny sy ny lafy tsarany fa safidin'ny tsirairay ny hody na hijanona any @ misy azy any.Ny efa zatra nipetraka tany ivelany koa mantsy indraindray efa nahazo an'ilay "mentalité d'assisté" ka sahirana raha vao mody.
Fa io ry Vatsimpanahy dia miankina @ fomba tianao hiainana, inona avy no zavatra tianareo hampiasaina dia jereo ny jiro laninareo dia ampitahao amin'ny vidin'ny jiron'ny Jirama dia kajikajio amin'izay.Fa io rehefa tiana mety foana,manandrama aloha manao vacances kely dia hitanao tsara izy amin'izay.Fa sao manao kaont baoritra ka ho diso fanantenana satria lafo ihany anie ny fiainana (ny atody izao mora kokoa any ivelany,ny hena aloha iny mbola mora ny antsika,ny lasantsy mitovy ihany,...) dia arak'izany!
9. fijo ( 11/08/2005 21:09)
fa ngaha mahantra fadiranovana ny chauffeur livreur le?
za tsy manao an'io,fa hitako miaina ihany koa ny manao an'io aty ka.
io resak'i kally io no tsara atao.satria any miovaova matetika ny vidimpiainana
10. LazaRandri ( 12/08/2005 00:11)
vatsimpanahy an, mba mahasadaikatra koa ilay fanontanianao. :) Izaho afaka manome valin-teny mari-pototra tsara ho anao fa mialoha izany aloha dia izao:
ohatrinona isam-bolana ny vola ampy ivelomanao any amin'ny toerana misy anao any, dia aiza? Miankina amin'izay no ahafantarana ny fandaniam-bolanao manokana. :)
11. lo ( 12/08/2005 02:16)
raha olona efa zatra niaina tany ivelany ka mitazona le fomba fiaina tany de manodidina io lazain'i Natil io ny minimum
12. mitiaho ( 12/08/2005 06:42)
Ny hevitro koa ry reto dia zao a! marina mihintsy ilay hoe araka ny fomba fiainanao ihany io e! aty Madagascar mantsy dia misy ny mahavita ny miaina amin'ny 2500000 ny karama, tsy dia mahatsiaro mijaly loatra izy, misy ny efa 5000000 mbola milaza mihafy ihany koa, ka dia izay fiainanao tianao io e! sady tsy maintsy miankina amin'ny vola raisinao koa ange e!izay eo an-tanana tsy maintsy mba atao izay ahaampy azy
13. fasaly ( 12/08/2005 08:59)
fijo:
fita wa! tsy hitako ny maharatsy izany atry rehefa asa ahazoana vola madio tsy hitako ny maharatsy azy, naiza naiza hipetrahanao.

ié miankina amy vola raisinao ihany no hiainanao, misy aza tsy mahazo 1.000.000 fmg zany akory isambolana, fa mafy alony e!

raha olona zatra ny chichi avy aty ivelany aloha dia tsy maintsy manamboatra saina ny hi s'adapte amy fiainana vaovao any madà indray e! na dia ataoko hoe mitondra vola be avy aty aza, misy fahataperany iny vola iny raha tsy haninao ny mitantana azy de eo no raisina e! raha hanokatra société ndray tsy hay na handeha na tsia ...izany rehetra izany olana daholo.
14. majakely ( 16/08/2005 07:43)
En plus ny havana sy ny namana ho tonga tsy nantsoina fa nasesiky ny razana mandram-paha-lotra anao!!! hi hi hi!:°)
15. booboo ( 16/08/2005 10:12)
hihihihi
16. majakely ( 16/08/2005 11:54)
Sa tsy izany mo booboo ily izy ???:^)
17. booboo ( 16/08/2005 11:58)
hihihihihi zà ara zao vao nahay an'io fitenin'i Majakely io ! azoko ndray zany "nasesiky ny razana" io hihihihihihihihi
18. fasaly ( 16/08/2005 13:46)
ié! tonga daholo zao babay sy lohovohitra rehetra izao, mbo ampindramo an'izao fa averina e! tena boda be ny loha angamba ka! ça tape sur les nerfs:^)8-):^)8-) de ho lasa adala vetivety eo!
aleoko ihany milamina aty, ivelany aty raha milamina ny fiainana aty ka! zao koa anie mba afaka mi se permettre manampy ny havana e!
19. kally ( 16/08/2005 14:48)
Raha mba tsy manana kosa ve ilay olona tonga mandom-baravarana any aminareo dia izany???
Ary tsy ny olona anie no mibaiko fa ianareo e! rehefa tsy hanome dia tsy manome koa!izany ve no hanimbàna fiainana sy atao antony tsy hodiana?
20. fasaly ( 16/08/2005 15:42)
ka zao anie ry kally e! any dago ny olona efa voan'ny ity omeo e! ampindramo e! ary tsy iray fa raha hanome ny iray ianao de tsy maintsy omena daholo zay tonga eo! vao maheno foana hoe avy any andilam-bato e! ka izaho tsy mahatanty mihintsy tsy manome de izà ndray no lasa banky ropotra eo kou!
fiainana any zany izaho tsy mandà, fa raha ny vola hanomanako zavatra hafa ho an'ny avenir-ko ve raha ho lany amin'ny fanomezana eo de aiza ndray ny hisy ahy avy eo! ilay mandeha mody hi investir no tanjona de paosy goaka no nitranga. sady misy mamorona projet be zany mintsy an! de mahay mampiresaka be, de hoe averina ny vola, na ny samy any aza miteny mintsy hoe aza manantena ny vola hiverina eo tsony raha aty dago, fa hafohy izay, izaho tia manampy olona raha manana fa ny vola hanaovako projet iny kosa ve????
tsy hoe antony tsy hodiana fa aleoko mihintsy mijanona aty e! tsy tamàna tsony any aho raha ny marina alony e! tanindrazakao any fa rehefa aty de aty, rehefa any de any, tsy de tiko lay manao aventure mpiainana, ka tany no niala aho de eto izany no fiainako alony hatramzao. sa ahoana???:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6893