matotra amizay

1. sonwin ( 25/07/2005 07:05)
Aoka izay ny sangisangy, tsikitsiky sy hanihany,aleo hifarana hatreo
Aleo hono matotra amizay fa lazainy ho mankaleo
Dia samy kopy zany isika, sa tsy izany ry zareo?
Dia tsy mivanitika ihany koa an, na hatsikana aza no eo:)
2. akamatiana ( 25/07/2005 07:16)
Nefa tsarovy hatrany
fa ra tsy misy ireo
tsy manja mitsy ny fiainana antany
ka zay vo tena mankaleo

ka nefa aleo hajanona marina
fa so de misy mkozy we sarotsa anarina
be lotsa le kozy
vo teny tao zah ka , tena mila dozy

hangina aho ka tsy iteny tsony
fa zay ngamba no mafinaritra ny fony
aleo ipiripirina amizay
fa so de votoraka kobayyy:-@
3. xxx ( 25/07/2005 07:44)
Tsara kosa koa,mahay sonwin sy akamatiana,miady tsara ny "rima",fa ny tena raketin'ilay voalaza no manjavozavo:dia aleo ve ajanona tokoa ny sangisangy sy ny hanihany?aleo ihany mitsiky na dia izany aza é,marina no voalazan'ny akamatiana
4. sipagasy ( 25/07/2005 07:52)
mmhhhhh nefa mila sira rehefa misakafo de ahoana???? manjary matsatso eo ny resaka kaleeee hihihi
5. akamatiana ( 25/07/2005 08:53)
ka efa we aoka izay
fa mba matotra amizay:wink:
fa tsy manala azy fona
nefa so ve de lasa mona?

aleo hatreo amizay
fa so de vogidraka eto njay:)
6. mamzelkely ( 25/07/2005 09:15)
mmmmhhhhhh!!!
mmmmhhhhhh!!
mmmmmmhhhhh!!
mmmmmmhhhhh!:-$

tapona ny vavanay vô tsy mahazo mananihany ko!!:-$
7. booboo ( 25/07/2005 09:21)
hihihihihihihihi
8. mandrindra ( 25/07/2005 09:25)
Toa mahalasa vinany
Fa marina izany
Nefa tohizo hatrany
Ny mananihany

Fa ny fianana eto antany
Raha tsy tsiky dia tomany
Ny safidiko amin'izany
Dia ny tsiky hatrany hatrany

9. fasaly ( 25/07/2005 10:23)
=D=D=D=D=D=D=D mahafinaritra be mintsy izy izany an!
sipagasy, raha tsy asiana sakay koa tsy misy tsirony,
10. sasa ( 25/07/2005 10:51)
otsaotsan'ny tsy mety aminay
ilay hoe matotra amizay
fa mila kely manala azy
no sady ampiana vazivazy

isika eto anie matotra daholo
fa mba mihomehy sy manolokolo
ilay fihavanana mba ho milay
amin'ny fotoana otraotran'izay

isaorana elah rasonwin
kanefa raha tsy himé d an'in
hain'lah ihany ny filing an'i kofa
fa tsy mila zvtra nofa nofa

:lol: mahay poezy za klé

11. akamatiana ( 25/07/2005 11:03)
=D=D sasa de:-@:-$ amzay
12. britney ( 25/07/2005 11:36)
fa in dooly reto e! fangah nisy bedy tato??????
manao grevy daholo an! aleo ko mbo hangina raha izany...
13. lilbon ( 25/07/2005 11:52)
Azafady fa toa tsy mety 8O
ka aleo aloha hiomehy vetivety:lol:
f'angah enao voadona tany^^o^o
no toa montotra avy hatrany:(
ty fiainana eto an-tany
efa mahalasa ny vinany!

de azafady ihany koa
fa izy ty moa efa tora-po(l)
sanatria ze ho tezitra:evil:
fa izahay tsy maintsy hamoaka hevitra:-$
izahay anie tsy mba vato aman-kazo ,
ka tsy hiteny,moana sy halazo e!

Mba hamaranako azy
dia izahay mba te hivazi2
dia izay ve no ahazoanay sazy?
izahay anie efa tsy manam-bola
de zany no hiantraika sy hidona
tsy afaka hidola?fa tena hitafy gona!.
14. Samoana ( 25/07/2005 12:24)
Ny misangy tsy hadalàna
Satria izay ny hatanoràna
Tanora saina sy fihetsika
Fa tsy sanatria be zesta !!
Ny fiainana ?
Fenoy sira mba ho rakotra
Fa isika tsy azo afatotra
Tsy matotra ve ? Tsy maninona
Tsy quoi 'zany letsy sonwin..ah!!
15. fasaly ( 25/07/2005 13:30)
mbà mivazivazy
sy manàla azy
fa ny fiainana eto an-tany
de mandalo fotsiny ihany
tsy hoe zazakely ka ho bedy foana
fa ny be takalaza de ho very fotoana
izahay dia ho eto ihany
ary ho eto hatrany.
tsiky de ampy
16. mamzelkely ( 25/07/2005 13:35)
za zany ande hivazivazy
satria za tia manala azy
saingy ity tena misy kozy
za zany ôtsan dozidozy...
nefa :-$ any am lery
fa sô de tapitra eo lme fitia..:-D=))
oay klé nandra be le poezy...:-D
17. xxx ( 25/07/2005 13:53)
tohizo ihany ny aniany
fa ilaina eto an'atany
fa aza hatao mihoatra ihany
fa ilaina eto an'tany

tohizo koa ny vazivazy
fa aza hatao mihoatra izany
fa ny fiainana eto an'tany
dia ilana an'izany


ohatran'ny mba mety ko izy zany e! lol
18. mandrindra ( 25/07/2005 15:36)
Asio resaka fahamatorana
Fa tsy adino ny manala azy
Tandremo anefa sao mahatorana
Ity resaka sy vazivazy

Dia rehefa izany ampiakaro ny vera
Fa amin'ireo tsy maintsy misy hitsikera
Ho hita eo izay mitaveravera
Fa izay tsy maintsy misotro labiera
19. Veloo ( 25/07/2005 20:25)
:cry::cry: za tsy mba mahay poesy gasy... De ahona koa zany tsy mahazo ny himehy zany.. tssssss tsy laza zany nama.:wink:
20. akamatiana ( 26/07/2005 03:52)
humm bebeksa iany milay
nefa aza tao be dozy fa tonga de fay
ka zao fa tena tsy matotra no tsy mivazivazy
fa tonga de katry , d we dizna avy hatrany

zah ne ry zareo mamaly hevitra fona
de avy eo manala azy refa tonga le ftona
Ka ny tena nampalaelo anah
de le anarako votonona we mpanalazy fotsiny zah
:-P

lilbon tsy voadona akoury sanatria
Fa io voalazako ery ambony ery
Na misy aza zany retsa zany
D aleo mitsiky , mitsiky hatrany:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1956