matotra amizay

21. sasa ( 26/07/2005 04:25)
isaorana izany ny ianareo rehetra
am le mihomehy tsy misy fetra
enga anie ka hiaraka hitoetra
eto amin'ity fiainana manam-petra


aleo manala azy foana
fa tena tsy milay le moana
indrindra rehefa mande ato
ka tsy mahita ireo mpanakanto
22. lilbon ( 26/07/2005 04:45)
hay!hitako fa tena milay:)
ny resaka teto hatr@ izay:)
ny fiainana efa mahamay:)
de iza ihany no mbola hitsikera anay?:P

isika rehetra eto dia mpinamana avokoa:*
sanatria amintsika ireto izay hizara roa:-*
tsy adinoko ianareo hatrany hatrany8O
fa mpinamana isika raha mbola mbola eto an-tany!:lol:

niainga teto ny resaka tena matotra(l)
nandeha ihany koa ny kivazivazi:-D:-D
fa izy ireny anie tsy natao hamatotra:-o
fa mba natao koa mba hanalana azy:D

lilbon mpankafy vazivazi!
23. fasaly ( 26/07/2005 07:04)
matoa isika tonga tato
de hinamana sy hisersera
dia hifanaja sy hankatoha
fa tsy hi kritik na hitsikera

raha nanipy hevitra izahay
dia tena matotra ny famalinay
rehefa ela ny ela
dia mihenahena
ka hadino amin'izay
lay fahamatoranay.

raikitra amin'izay ary!
ilay fanalàna azy!
toa hita ravo sy falifaly
ireto zatovo mapnàla azy
inona moa no maharatsy izany
fa ho matotra indray daholo ihany

ny vazivazy tsy hoe tsy fahamatorana
fa raha entitra be loatra de mahatorana
ka aoka re isika mba hilamina
dia amin'izay ny antsika
tsy misy kianina.
24. dizneff34 ( 26/07/2005 07:46)
Loza kosa raha izany
na milay aza de hitomany ?
aoka ihany ijanona @ zao
mitsikia raha faly enao

Fa iza hono izany ry sonwin ?
tsy ho vonoiko akory na atako inn
fa resahako tsy amelako izy
de raha vavy ataoko bizy
25. sipagasy ( 26/07/2005 09:08)
mmhhhh kay ato feno mpanan-talenta annnnnnn milay e!!!!!:-*
26. mandrindra ( 26/07/2005 09:21)
Ireo ry zareo mpanan-talenta
Mitondra teny ho an'ny mangetaheta
Dia io ry zalahy fa mampiakatra feeling
Izany dia noho ny lohahevitr'i sonwin

Fa ny tafa sy dinika dia mbola mitohy
Ny fotoana no tsy ampy fa toa fohy dia fohy
Anehoana fa isika rehetra dia matotra
Ny saina, fanahy ary fo mifanatitra

Hoy i rahery izay hoe tsiky dia ampy
Noho izany tsy maintsy mandeha ny vazivazy
Isika rehetra dia tokony ahatanty
Fa io tsisy tokony hampiakatra azy
27. sonwin ( 26/07/2005 09:38)
Mampalahelo raha ny mpana-maina no gadraina
Mampahonena raha ny mpananihany no kapaina
Tsy misy manda fahamatorana
Fa ny sangisangy aoka tsy ho fatorana

Vinanio, hatsikana sy lalao
Dia mitsiky ihany no azo atao:lol:
Dia ahona ilay sary mivanitika?
Sa atao haingon'ny dinika?

Ao ireo tena manan'olana
Ka izaho tsy mahita vahaolana
Moa tsy hanipy teny mampihomehy?
Mba hanamaivana ilay blem be?

Fa milay ny matotra ka
Fa tsara kokoa ny mi-ka-ka (oawouu :wink:)
Milay ny forum owa
Fa ilay mifanala ny tena mahafinaritra ahy

:-D dia ampy
dia tairo blag;-)
28. anja2000 ( 26/07/2005 10:07)
Tena mafinaritsa daolo alo fa tena be talenta tsike.Fiainana mandalo ty ve de tsy hanala azy e.Fa iza marina no nanabedy e?
29. sasa ( 26/07/2005 10:31)

le fanontaniana aloha saro-baliana
satria mifono zavatra mahavariana
ka tsy haiko zany hoe iza le nanabedy?
fa za tsy mba anisan'ireo bedy

Manala azy hatrany hatrany
no azo atao amzany fiainana izany
ny asa manko ato efa mankaleo
aleo asina hatsikana kely mba tsy hitoreo

Ny manatalenta aloha ato d betsaka
ka satriko foana mba tsy hipetraka
fa hitsidika ity site milay be
miaraka am ireo akama marobe

hi hi hi hi aleo himé kely aloha fa tena tsara ity sizé ity zany klé:-D:-D:-D:-D
mankasitraka rasonwin an=D=D

30. lilbon ( 26/07/2005 10:58)
tsy haiko aloha fa za tsy bedy!
fa nahita ireto namana nikiredy
de mba tamy koa za nanamafy
ito namana mitady hiafihafy

za manko vonona hitondra elo
raha misy namana malahelo
de za manampy an'i sonwin
sy hitady ireo mpanao tsinontsinona

velesiko ny kobay
ze mamely ny namanay
de ho raisiko tanana amin'izay
rehefa mipetraka sy fay
31. lilbon ( 26/07/2005 11:00)
tsy haiko aloha fa za tsy bedy!
fa nahita ireto namana nikiredy
de mba tamy koa za nanamafy
ito namana mitady hiafihafy

za manko vonona hitondra elo
raha misy namana malahelo
de za manampy an'i sonwin
sy hitady ireo mpanao tsinontsinona

velesiko ny kobay
ze mamely ny namanay
de ho raisiko tanana amin'izay
rehefa mipetraka sy fay
32. chipie1 ( 26/07/2005 11:14)
ry lilbon hono zany hamely
fa tandremo fotsiny ireo anjely
fa sao dia hangasihasy
raha tsy hilaozan'ireo sipagasy :-D
33. chipie1 ( 26/07/2005 11:26)
ilaozanireo sipagasy manko e!
34. Veloo ( 26/07/2005 18:01)
lava lotra ny sasany de kamo aho hamaky an'ilay izy :-D:-D:-D:-D
35. fasaly ( 26/07/2005 20:15)
veloo:dommage kanefa mifono hevitra sy misy vetiny aby ireo manaova mou effort kely e!
36. lilbon ( 27/07/2005 04:27)
melsi less fasaly a!
raha njy aloha de namana mahafatra-po mintss e!
sady tsotra fa tsy miolankolaka!:-*:):):)
37. sasa ( 27/07/2005 05:27)
veloo vakio moa akia fa aza kamo zany an:lol:
38. Dezy ( 27/07/2005 09:12)
Elaela za zay tsy tato
De taitra be nahita reto antsoantso
Fa de nahona no foanana ny vazivazy?
Sa te ho matotra fa nde hatao mariazy??
39. scorpion ( 27/07/2005 10:46)
vazivazy mananihany
tsara any zany
matotra indraindray
metimety aminay
40. fasaly ( 27/07/2005 17:49)
libon:
melsi kou ki libon an!:-*:*
de misaotsa antsika tsika rehetsa e! :-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9619