Be Fitiavana be

1. xxx ( 05/07/2005 15:15)
manahoana daoly nareo rehetra mamaky ity vetsom-poko ity, tsy hoe sanatria akory hanakiana be fahatany, na koa manenjika olona, fa dia tena kivy tanteraka ny tenanay raha nandinika fa ohatrany tsy misy olona mivaky loha @ tena fitiavana intsony fa toa lasa resaka hafa mihintsy no mahatonga ny olona hiaraka ankehitriny( aleo tsy ho tanisaiko eto sao misy mahatsiaro tena ho voantsindrona),fa zao ry zareo a, zaho aloha tovolahy eh!dia tena tsy misy vehivavy mitady fitiavana tena fitiavana tsony ve ankehitriny fa tonga @ ny hoe tsy maintsy manambady, na hoe hi assurer ny avenir dia izay no important??? tena experience vecue ty tantaraiko ty an, tsy hoe vavan'ny tsy nahazo sanatria an, nisy tovovavy 1 zay , tena manja kely izy io an, nifanojo ny masonay dia tafaresaka, izy moa somary nihafahafa ihany ka na ny anarany aza tsy nolazainy, fa na izany aza tsy niavonavona mihintsy izy, zaho moa nihevitra hoe efa misy olona miaraka aminy angamba no mahatonga izany, nifanao veloma zay fa tsy te hi importuner azy aho.
Herinandro tao aorian'io sendra nandeha nivoaka boite aho ary akory ny hagagako nahita an'io tovovavy io tany, niarahaba azy aho fa tena nodiany tsy fantatra, fa lasa izy niresaka t@ sinoa ray zay(quarantaine tany ho any) (izy aloha any @ 21 ans any e), avy eo ndray lasa niresaka t@ karana quinquagenaire, dia tena kivy aho nahita an'lay izy e
efa maro ny tantara henoko toy izany fa iny 1 iny tena niainako, ka tena manahy mafy za ry zareo @ hoavin'ny tanora malagasy a! ny tovovavy gasy ve dia tena tsy mahalala ny bandy gasy tsony refa tonga ny vahiny be vola??? enga anie ka ho cas exceptionnel reny, fa ny vola manko mety ho lany fa ny fitiavana no tena maharitra mandrakizay.
novalian'i fijo ny 02/08/2005 19:49
2. stephan ( 05/07/2005 15:26)
Tenba aleo mba miseho anarana rahalahy a! tsy hitako izay antony tsy isehoana anarana. Izaho koa zavatra efa hitako io ary dia tena malahelo tokoa ny foko. Ny toa tsy tsapan'izy ireny manko dia hoe mamotika ny mahafirenena ny firenena izy manao ireny fihetsika ireny. Saingy ankehitriny moa atao hoe andron'ny fahalalahana ary tsy misy afaka toy ny manambola. Izay ange no mahatonga ny fitenenana hoe omeo vehivavy hendry aho hanaganako firenena vanona e! izaho izao mahita fa TSY VANONA ny firenena misy antsika. Malahelo aho miteny izany mafy.
3. fasaly ( 05/07/2005 15:26)
ka atao ahoana fa
4. fasaly ( 05/07/2005 15:28)
koa atao ahoana fa aza kivy e! rehefa tena tonga ny anjaran'i toi de tonga, efa tena miova tokoa ny mentalité amzao na lahy na ny vavy e! fiainana dooly zany ka mazotoa!
5. dadabe ( 05/07/2005 15:52)
:°):°):°)
6. kally ( 05/07/2005 17:00)
Io ho'a lazaiko anareo mitaraina tratran'io toe-javatra io foana : Mbà mihetsika fa aza miveraka.Ilaozana mitaraina fa tsy jerena hoe inona no tsy nanana mihoatra amin'ilay nahataraiky an'ilay vehivavy dia mihetsika e! na izany aza mbola be ny vehivavy mitady lehilahy hiara-hihoitra sy hiaraka hiainga aminy @ fiainana,anjaranareo koa no mba mitily hoe aiza no misy an'ireny.
7. akamatiana ( 05/07/2005 17:00)
tsy ny vehivavy irery no manao izany fa na nareo lehilahy ary an , ary tsarovy fa tsy ny rehetra koa anefa fa enao ngamba no sendra ny mangidy . Fa inoako fa mbola misy any mitady sy mikatsaka izany tena atao hoe fitiavana izanhy.Ka aza kivy ranadahy isany fa mahereza mikatsaka ny tsara fa tsy mora nefa ny hahitana izany. De aza sondrina amin'ny endrika ivelany fotsiny kou anefa an , :wink:
8. kally ( 05/07/2005 17:01)
Io ho'a lazaiko anareo mitaraina tratran'io toe-javatra io foana : Mbà mihetsika fa aza miveraka.Ilaozana mitaraina fa tsy jerena hoe inona no tsy nanana mihoatra amin'ilay nahataraiky an'ilay vehivavy dia mihetsika e! na izany aza mbola be ny vehivavy mitady lehilahy hiara-hihoitra sy hiaraka hiainga aminy @ fiainana,anjaranareo koa no mba mitily hoe aiza no misy an'ireny.
9. scorpion ( 05/07/2005 17:51)
Ny alika jamban'ny taolana, ny vehivavy jamban'ny vola, ny lehilahy jamban'ny lavaka...dia miodina eo ihany...miodiana eo hatrany ny fianana eto an-tany
10. Lov ( 05/07/2005 19:02)
Tranga mety hisy jiaby ireo e ! Ndray2 koa anie fandio iray tandroka tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka e !Fa rehefa misy mahatsiaro tena de efa zava-dehibe.
11. STONG ( 05/07/2005 19:56)
Ka le sipa nge zany tsy fitiavana fa vola e! d le bandy tsy vola fa fitiavana,(ka ra babon'ny vola ary ny fony?)
Bandy aho no miteny,fa na sipa na bandy,samy manao ny ataony!Tsy hoe bandy aho d bla bla bla ny sipa
Tsy hoe sipa aho d bla bla bla ny bandy
Tsy hiteny aho hoe ze vou mangina fa fitiavana no resahina,fa ny fitiavana afo (mandoro)(l)(l)
d mampahery an'ilay akama (xxx)ny tenanay:-*
12. fijo ( 05/07/2005 22:07)
le izy kosa ry kally tsy resaka hetsika sy inoan intsony fa efa tena resaka fahalovan'ny toetsain'ny ankizy vavy mihintsy an.
omeko ohatra iray nareo.za tany mada nisy sipa kely izay zanaka panana be ary tena manjakely fa izany na ny nijery ahy aza tsy nataony.za koa moa amin'ny maha virja dia tsy dia nivaky loha loatra tamin'izay.nony nanao vokansy tany aho tamin'ny 1997,iza no olona nitsena ahy voalohany vao tonga ny ampitson'ny nahatongavako.rasipakely.
satria fotsiny hoe avy aty andafy dia miova ny fijery.tena fahalovan'ny saina izany amiko,ary mba naveriko taminy ny tsy fahitany ahy taloha.
13. xxx ( 05/07/2005 22:19)
fijo=D=D=D=D=D
14. fijo ( 05/07/2005 22:32)
ny tena mampalahelo anie dia izao e.tsy tsapan'ireo ankizy vavay fa ny fahendren'ny firenena iray anie ka tarafina avy aminy e.koa raha toa izao aby ny sipa inona intsony ny amintsika gasy?????????
15. dadabe ( 06/07/2005 01:37)
tsssssss (miala tsiny ahoa) mba te hampahery an'ilay akama

vhv iray ve lety de efa misaouall toi a!! tsss manova ndray lesy a
16. akamatiana ( 06/07/2005 05:09)
kiiii , efa we tsy ny sipa retsa no manana toe-tsaina otsizany kou , nareo bandy kou ne mbo misy manao izany eh ! nareo ary no tena gaigy mitsy kle:-P
Fa zao an , misy ny sipa sasany an ra manao izany , de ataoko we mety nitia oul be izy talou de asa mety nataon'ilay bandy tsinotsinn d nanomboka teo izy lasa tsy mitia amin'ny atao we tena fitiavana , fa de aleony miova amin'ny fitiavanjavatsa vola io na fitiavana we bogany be zany bandy zany. asa alou eh :-w
17. fasaly ( 06/07/2005 05:23)
akamatia:

lay fiainana amzao mintsy no mahatonga ny olona hanao izany na lahy na vavy fa tsy inona akory aky!
18. fasaly ( 06/07/2005 05:24)
dadabe:

zany an!
19. rnjp ( 06/07/2005 06:16)
Mahafinaritra ny ady hevitra amin'ity resa-pitiavana ity ry zalahy ah! maro ny zavatra efa niainako tamin'izy io nefa na izany aza tsy afaka hilaza aho hoe tompon'ny experiance fa azoko lazaina kosa hoe mifanakaiky aminy. Rehefa mamaky boky mitantara ny fitiavana malagasy (Bina sy Kemba; tritriva; ny Zanako sy ny maro hafa.....) aho ary mampitaha izany amin'ny roman frantsay sy ny série télévisé ( les feux de l'amour ; rosa linda.......) dia malahelo fa nosimbain'ny kolotsaina vahiny ny fisainana malagasy. Tsy ny sainy ihany fa ny fony ihany koa.
Tantara niainana : nisy tovovay iray niaraka tamiko; notiaviko tamin'ny foko tokoa io tovovavy io. Tamin'ny fiarahanay dia tsy mba naneho fihetsika mitory fa interêt no iharahany amiko. Rehefa nisedra ny onja, tsy dia mbola azo atao hoe mahery vaika; ny fitiavanay dia izao no navaliny ahy " izao anie nilalao fotsiny niaraka taminao eh" fantany tsara anefa ny fitiavako azy. Tezitra mafy aho nefa tia sy mbola nanatena ny fiarahanay ka dia nanao izay azo atao rehetra mba hiverenany amiko. Nanomboka teo no niseho fa hay nandrefy ny fari-pananako fotsiny no niarahany tamiko nandritry ny valo volana hijereny raha toa ka mahatoa izay iriny amin'ny hoavy. Nanao ny antsoina hoe "rattrapage" izy. ilaza ho nisy olana izy dia nitady vola matetika, jamban'ny fitiavana ny anao lahy ka nanome. Soa ihany fa nahatsapa ny lalana diso dia nahiratra.
Fanontaniana : Aiza ny tena fitiavana raha toa ka ny olona niarahanao nandritry ny valo volana no milalao anao fotsiny, amin'izay indray koa vehivavy no nahavita izany fitenenana izay........!? :roll::?::!:
Mba valio
20. dadabe ( 06/07/2005 07:09)
:-$fasaly :oops::@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2695