SARY

1. marozevo ( 24/05/2005 23:13)
Araka ny fangatahan'i Mifenty, sady hita fa ilaina rahateo dia manokatra ity lohahevitra ity aho. Tsy atao hoe sarivongana, na dia io aza no noheverina, fa atao hoe SARY, satria maro karazana izy ireo. Misaotra mialoha an'izay handray anjara.
Fanombohana àry : Ao amin'ny baiboly ao (tsy tsaroako ny toko sy andininy fa Eksaody sy Deteronomy ilay izy). Ao dia misy filazana hoe :"Tsy hiankohoka amin'ny sary ianao". Ara-keviny io, fa tsy tsaroako tsara ny fitsatok'ilay teny. Koa raha mampiasa ny sary vongana, na sary hafa ny Fiangonana ankehitriny, dia tsy hoe mandika (passer outre) an'io teny io, fa miezaka kosa hanovo fiainam-panahy miainga amin'ny zavatra azo tsapain-tanana ho any amin'izay lehibe kokoa (Partir d'un signifiant vers un signifié).
Karazan-tsary ampiasaina amin'ny Finoana : sarivongana; hoso-doko; seho an-tsehatra; carte postale; tononkalo sy hira... sary daholo ireny sy ny hafa tsy voatanisa.
Miandry anao hitondra fanazavana fanampiny na fangataham-panazavana.
Misaotra Tompoko.
novalian'i deghany ny 13/09/2005 15:13
2. ari.malala ( 25/05/2005 05:50)
Hanampiako ny tenin'i marozevo, @ maha olombelona antsika dia ilaina ihany koa ny mari-pahatsiarovana, indrindra ireo havana efa lasana any an-koatra. Noho izany raha mampiasa ireny sary samihafa ireny ny Fiangonana tsy sanatria akory natao hiankohofana na hotsaohina izy ireny fa natao kosa hahatsiarovana fa efa nisy ary nandalo teo @ fiainana ilay olona hita eo @ sary, tsy nandalo dia lasana akory fa namela mamy ho an'ny taranaka sy ny Fiangonana ankehitriny. Momba ilay sarin'i Jesoa mbola eo ambony Lakroa, marina ary ekena fa efa nitsangana Izy, fa ny antony mbola amelana iny Sary iny ho eo, dia ny hahatsiarovantsika fa toy izany no nanjo ny Mpamonjy raha nanaiky ho faty noho ny helotsika Izy. (Tsy hors sujet ve za? :)

3. Mifenty ( 25/05/2005 13:02)


Manolotra fisaorana feno fankasitrahana an'i Marozevo aho am fanokafana ity sujet ity.

Aoka tsy atao ho sehatra hampiady izy ity fa mba sehatra ifanakalozan-kevitra, ifanazavana ary koa hitarika amin'ny fiombonana marina tokoa.

Miombon-kevitra am ari malala aho amin'ilay hoe mila mari-pahatsiarovana ny olombelona ary koa mila mahatsapa zavatra iray mba ahafahany mampitombo bebe kokoa ny finoany.

Na mivongana na tsy mivonngana (sary tsotra) dia mitovy iany amiko ny antom-pisiany. Samy mamaly ilay voalaza eo ambony.

Ny tsy eken'ny protestant indary anefa dia ilay hevitra hoe, raha ny lakroa no resahina oatra : tsy tokony hisy sarin'i Jesoa (vongana na tsia) intsony eo amin'ny lakroa satria efa nitsangana tamin'ny maty izy. Donc tsy mety ilay manisy sary. Raha jerena izany araka io, dia tsy eken'ny protestant oatra ny lakroa ao am eglizy saint François Xavier Antanimena le ery alou io. Fa maninn kosa arany e!!


Rehefa miditra any am fiangonana protestanta koa anefa dia mahita lakroa (tsy misy sary fa hazo marron fotsiny).

Amiko io lakroa io (na tsy misy sary aza) dia mitovy antom-pisiana tahaka ilay lakroa misy sary (any am fiangonana hafa) iany satria samy mampahatsiaro (mari-pahatsiarovana hoy arimalala) an'i Jesoa Kristy iany no sady mampahatsiaro ilay hazo fijaliana.

Avoahy ny hevitra.

(Tsy hors sizé kou v za? :lol:
4. welie ( 25/05/2005 17:24)
Misaotra be @ fanazavana o!!!
5. zefalah ( 25/05/2005 21:48)
sambatra ze nahazo:D
6. rpk ( 26/05/2005 05:46)
:roll::roll::roll:
7. hery ( 26/05/2005 06:39)
Mifenty>

Ny momba ilay lakroa misy na tsisy sary. Misy sary hafa ihany koa mampiseho an'i Jesoa. Sary tao antranon'omby, sary tamin'izy nampianatra, sary teo ambony lakroa, sarina lakroa tsisy n'in n'in... sary teo amin'ny fasana rehefa nikodia ny vato. Izany hoe tsy hoe rehefa nitsangana i Jesoa dia tsy tokony hisy sary ankoatran'ny fitsanganany intsony... fa arakarak'ilay endrik'i Jesoa izay mampientana sy manintona anao ihany. Ny tanjona dia ny fanatonana an'i Jesoa be be kokoa, ny ahafahana mitia azy sy miara-miaina aminy be be kokoa... ka raha sariny ao antranon'omby no hahatontosa izany satria ohatra ianao tsy manana trano dia efa manampy betsaka izay. Raha sariny mifantsika eo amin'ny Hazo ohatra dia mety hanentana anao hizaka ny fijaliana. Ny sarin'ny hazo tsisy sary ohatra dia mety hanome fanantenana sns sns...
8. dadabe ( 26/05/2005 09:39)
hoy i marozevo
Ao amin'ny baiboly ao (tsy tsaroako ny toko sy andininy fa Eksaody sy Deteronomy ilay izy). Ao dia misy filazana hoe :"Tsy hiankohoka amin'ny sary ianao". Ara-keviny io, fa tsy tsaroako tsara ny fitsatok'ilay teny.

ao amin'ny Eksodosy (Eksaody)toko faha 20(XX),andininy faha 4-6 mivaky toy izao @alalan'i Tompo
"..Aza manao sarinjavatra voasikotra ho anao,na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny @lanitra ambony ,na ety @tany ambany,na izay rano any ambanin'ny tany ,Aza miankohoka eo anatrehany ,ary aza manompo azy ;fa Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra saropiaro,la mamaly ny heloky ny ray ,amin'ny zanaka sy ny zafiafy sy ny zafindohalika ,fa mamindra fo kosa @olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.."
9. dadabe ( 26/05/2005 09:41)
mbola hamaly aho fa io aloha le zavatra adinon'i marozevo.
10. Angie ( 26/05/2005 10:57)
Za koa aloha dia tsy mampaninona ahy lay sary e. Tena fahatsiarovana io sarin'i Jeso io. Fa lay sarin'olo-masina no tsy maharesy lahatra ahy.
11. dadabe ( 26/05/2005 16:18)
de inona ary le atao hoe olomasina ?:-w
12. pitchou ( 26/05/2005 19:28)
ny ahy aloha ny manelingelina ahy @ le sary, indrindra fa ny sarin'i Maria sy Jesoa, dia ilay interpretation hoe toy izao ny endriny e! satria ara-keviny fotsiny! Fa ohatra izao ny mahita ny sarin'i Victoire Rasoamanarivo tsy manelingelina ahy satria fantatra mazava fa izy io. Raha apetraka izao ny sarin'i Joany Paoly 2 d tsy hanelingelina ahy satria fantatra fa izy io. Rehefa mahita ny sarin'i Joany Batista, Piera, sns d otran'ny lasitra iray ihany no anaovana azy ... sady t@izany tsy mbola nisy fanaovana sary dika mitovy ...

dia mety koa noho izaho mikipy sy mikatsaka ao anatiko ilay finoana sy fivavahana no mahatonga ahy tsy tia zavatra misarika ny maso. Nitanisa dingana maromaro i Hery itsy ambony itsy, saingy ny ahy ny heviny sy ny vokany no mifantoka ato an-tsaiko fa tsy ilay zava-nitranga na "faits" hoy isika (ohatra hoe tsy ilay milanja lakroa fa ilay mangirifiry sy miaritra, tsy ilay nihantona teo @ hazo fijaliana fa ilay maty noho ny hadalan'ny sasany - izany hoe any anaty fa tsy hita ety ivelany!). Ka izany rehetra izany dia ao am-po no itanisako azy fa tsy sahala @ le manao tantara mampiteny ireny sary ireny.

Ka loza koa ange fa rehefa mahita sary indrindra fa hoso-doko dia ilay kalitaony no misarika ny masoko voalohany e!
13. marozevo ( 26/05/2005 23:25)
Misaotra an'i dadabe nanome ny reference Eksaody. manampy be dia be tokoa izany. Ny anjara asan'ny sary amin'ny finoana dia tsy hoe tahirin-kevitra ara-tantara, na fanaporofoana zava-nisy fotsiny. Ny anjara asany dia ny manampy antsika hino bebe kokoa. Noho izany tsy tokony hipetraka ny hoe tena izy ve io sa sary noforonina sa vokatry ny imagination'ilay nanao sary. Mazava araka izany koa fa raha misy sary iray eo anoloanao, ka banjininao, dia tsy midika izany fa mivavaka amin'io sary io ianao. Eo indrindra no miditra ilay METY HO FAHADISOAN-KEVITRA hoe mivavaka amin'ny sary. Tsia !! Tsy mivavaka amin'ny sary na oviana na oviana fa mandinika ny fitiavan'Andriamanitra niseho ary mbola miseho amin'ny tantaram-piainan'ny olona tsirairay sy ny olon-drehetra.
Na i ari.malala na i Mifenty dia tsy misy hors sujet, fa aza matahotra. Tena izy ireo voalazanareo ireo.
14. routa ( 27/05/2005 10:11)
Asa raha misy mahita ilay tantaran i Tomasy tsy nino raha tsy nahita an iJESOSY
Vakio manomboka @ jaona>toko 20:26ka hatramin ny 31
fa misy izao ao eo @ andininy 29tapany faha roa :Hoy JESOSY taminy :satria nahita Ahy hianao dia nino sambatra kosa izay TSY nahita nefa NINO.
15. ari.malala ( 27/05/2005 12:48)
tsy azoko ilay fanontanian'i Routa.
16. pitchou ( 27/05/2005 12:53)
marozevo> d ahoana raha zavatra hafa no nokendren'ilay sary nefa zavatra hafa no interpretation n'ilay mijery azy? any koa ange e!
samy manana ny fijeriny azy io an! fa ny ahy hoy aho ny ao anaty sy ny hevitra fonosin'ny tantara no zava-dehibe amioko fa tsy ny faits!
17. Mifenty ( 27/05/2005 12:55)


ny ahy lou refa misy marika mampahafantatra na misy sary na tsisy sary, na mivongana na tsy mivongana de mitovy daholo amiko eh.

Oatra noraisiko oà le lakroa io.

Na lakroa hazo marron tsisy ninninn na lakroa misy sary mivongana dia mitovy daholo ny asany amiko, samy manampy ny mpino hanantona bebe kokoa an'Andriamanitra.

Raha tsy mitovy mantsy ny asany dia afaka novaovaina araka izay tiana ilay izy. Oatra oe ovaina dragona (araka ny voalazan-dradada) indray le sary oatra.

raha miova ny hevitry ny mpino dia misy dikany izany le izy.

raha tsy mampiova ny mpino izany dia tsisy dikany ilay izy.


Le sary milay sa le sary tsy milay????? sary daholo lou no iantsoana azy kou...

18. ari.malala ( 27/05/2005 13:33)
Tsy ilay sary anie no zavadehibe ê! fa ny fahatsiarovana ny Famonjena nentin'ny Mpamonjy na ny anjara asan'ny renin'Andriamanitra.
19. pitchou ( 27/05/2005 13:41)
sa mety koa ilay fitezana hatramin'ny mbola kely hoe rehefa hivavaka @Andriamanitra, dia ao @ efitrano mangingina tsy maisy afatsy ianao sy Andriamanitra! ka ny fixation atao dia ao am-po fa tsy zavatra hafa!
ny imortant dia izay azahoana concentration hivavaka! mety misy olona sary no ahitany an'izay! efa nahita koa aloha aho hoe nitomany namikitra le sary vongana sy nanorokoroka azy! d izaho no sadaikatra nefa mety tsy izay acte izay no tao an-tsainy fa zavatra hafa
20. routa ( 27/05/2005 17:28)
Le sary ve tenaiJESOSY mihitsy io na i Marie reniny JESOSY klou e?
ari.malala> ny tiko notenenina de hoe jereo ao @ jaona toko faha 20:26ka hatraminy 31.Ny fahazaoko an io tsinona de zao i Tomasy tsy nino raha tsy nahita an i JESOSY de JESOSY nanazava hoe enao raha tsy nahita Ahy tsy nino nefa sambatra zay tsy nahita ahy nefa mino .Tsika na izaho na ianao zany de tsy tokony hitady zavatra hanaovana concetration fa avy dde mivavaka de mino fa mihaino IZY e!.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3613