SARY

41. marozevo ( 19/06/2005 21:24)
Mba omeo kosa ary ne hevitr'i dadabe momba ny fifandraisan'ireny sary ireny sy ilay didy ao amin'ny Eksaody eh.
JobeTDM : Ilaina ny teny vahiny indraindray mba hanazavana izay tiana hambara, fa raha hanamaizina ny efa mila hazavaina kosa... tsy hitako izay ilako azy.
42. dadabe ( 20/06/2005 16:25)
zao a,raha amiko manokana (hevitro manokana ) dia hoe : Andriamanitra saropiaro ary io didy faha 2 io no tena lava be ny fanazavany azy
"Aza manao sarinjavatra voasikotra ho anao na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny @ lanitra ambony na izay ety @ ambonin'ny tany ,na izay rano ambanin'ny tany ,aza miankohoka eo anatrehany ,ary aza manompo azy ,fa Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra saropiaro ka mamaly ny heloky ny Ray amin'ny zanaka sy ny zafiafy ,fa mamindra fo kosa @ ireo olona arivo mandimby izay tia ahy sady mitandrina ny didiko"

ka raha olona mivavaka ,na Kristianina na silamo de tsy tokony hanao sarinjavatra voasikotra satria tsy haintsika ny tena hevitr'Andriamanitra t@ izy nanome an'io didy io,fa ndeha harahana fotsiny de zay.

averiko indray fa hevitro manokana hoa zay a!!
43. routa ( 22/06/2005 13:44)
ny ahy aloha tsy tiko asina sary hanelanelana ahy sy Andriamanitra zany zarako aza tonga de mahazo miresaka mivantana Aminy kou.
44. fijo ( 22/06/2005 21:39)
hay ve izy izany saropiaro e.kay tsy mamely ko.aretina ny fahasarotampiaro amiko.mararay izy izany
45. dadabe ( 23/06/2005 01:33)
:oops:
46. marozevo ( 23/06/2005 21:00)
routa > Sambatra ianao tsy mampiasa elanelana hihaonana amin'Andriamanitra fa avy dia miresaka mivantana. Mba atoroy anay lahy izany fomba izany eh.
47. fijo ( 23/06/2005 22:46)
za te ahita an'i lery izany mihintsy e.izy moa tsy sahy miseho ko tsy hitako izay hatao.manao X koa lery ngamba rehefa miresaka ko
48. routa ( 24/06/2005 09:45)
marozevo>zao an! sary io resahantsika io an!
satria ny ahy de avy de mivavaka miondika mino aho manko fa mihaino ahy Izy .
Ny fantatro mantsy de iJESOSY irery hiany no mpanelanelana antsika @Andriamanitra ankoatrany izay tsy misy .
49. dadabe ( 24/06/2005 10:58)
donk zany rehefa mivavaka de tokony io anarana io ve zany ry routa no antsoina volou??
50. routa ( 24/06/2005 11:36)
mivavaka @ Andriamanitra ary faranana @ anarani Jesosy
51. marozevo ( 24/06/2005 23:06)
routa > Marina ny anao, saingy tsarovy fa ny maro amin'ny fihetsika na fivavaka ataontsika koa aza anie dia sary eh... saingy tsy io terme io no ilazana azy. Ohatra : Miondrika i routa rehefa mivavaka fa tsy mitraka satria misy hevitra ambaran'iny fihetsika miondrika iny... sary izany ilay fihetsika miondrika manambara zavatra hafa. Tsaroan'i routa ve ireny tableau vivant ireny, indrindra rehefa Noely (Krismasy). Angaha adinonao fa sary anie ireny e. Sa tsy manampy anao hino bebe kokoa ireny ? Tsy afaka amin'io sary (tandindona) io isika na ho aiza na ho aiza.
52. dadabe ( 25/06/2005 04:34)
marozevo > tsy aleo hanaovana size vaovao indray io krismasy io aoriana kely ao :D
sady zah klou a le miondrika ve tsy midika hoe mitsaoka e,izany hoe manaiky^:^
53. routa ( 25/06/2005 14:57)
marozevo>zao an!miankohoka aho rahafa mivavaka na hoe miondrika,itanao ny ahy rehefa mivavaka aho de miondrika ary io lazainy dadabe io ny fanekeko an i Tompo no hiondrehako aminy .Tsy miankohoka @ sarinjavatra zany aho ny fahatsapako fa avo sy lehibe ny Adriamanitra hivavahana de miondrika aho eny miankohoka mihintsy aza.
54. dadabe ( 25/06/2005 17:25)
zay mihitsy
55. pitchou ( 30/06/2005 12:37)
ka samy manana ny iankohofany moa izany? ny sasany kosa eo anoloan'ny sary no azahoany aina rehefa miankohoka izany! asa ianjeran'ny fotsiny!
56. dadabe ( 06/07/2005 16:20)
:-D:-D
57. bichette ( 07/07/2005 15:04)
pitchou > =))
58. dadabe ( 07/07/2005 23:04)
bichettte :roll::roll:
59. marozevo ( 16/08/2005 16:10)
routa > Ekeko ho'aho fa tsy miondrika amin-javatra ianao na amin'ny sary iray... Saingy lazaiko kosa fa iny fihetsikao miondrika iny mihitsy no efa sary sahady, satria misy hevitra lalina ao am-ponao ambaran'iny fihetsika iny. Sa tsy azonao ve ?
60. pitchou ( 21/08/2005 16:46)
ka samy manana ny antony iankohofany ry marozevo a! ny an'ny sasany zao mety ny tsy hahitany ilay olona mahafinaritra azy eo anoloana no antony iankohofany, ny an'ny sasany mety latsaka le rakitra sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.289