SARY

21. dadabe ( 27/05/2005 20:05)
hhuummm marina zany routa a
22. Fidox ( 28/05/2005 21:27)
:o:o:o:):(:?8O
23. dadabe ( 29/05/2005 14:29)
de ahoan kou io ry fidox:-w:-w
24. methode ( 30/05/2005 00:40)
Ny sary dia tsy misy dikany raha tsy azo ny fotoana nakana azy sy ny zavatra tiany hampitaina!!! Mijery ny sarin'ny namana rehetra aho fa tsy fantatro izay nataony raha tsy mamaky ilay fanazavana kely eo anilany aho.
Araka ny filazan'ny mpandinika dia tena nilaina ny tsy nisian'ny sarin'i Jesoa. Amin'izay dia samy manao ny sariny araka izay heviny ka rehefa atambatra ireo rehetra ireo dia ny tena endriky Jesoa no mivoaka. Raha iray fotsiny no nanao sary dia izay heviny ihany no hita eo! Na dia mampiasa fakan-tsary aza dia azo ovana araka izay ilaina azy. Raha olona lavabe no hitanao tamin'ny sary dia mety 1m iny rehefa tena hitanao arakaraka ny position. Izay no antony nitazonana ny Evanjely efatra na dia mitovy ihany aza ny zavatra tantarainy.
Ny sary, raha fehezina dia tsy natao ivavahana fa natao hanampy hivavaka, manampy amin'ny fahatsiarovana ny zava-niseho ka mampitombo ny fihetseham-po sy mampandinika ny saina! Ny sary mitondra amin'ny tena izy! Ohatra hoe ny olona iray manoroka ny sarin'ny olon-tiany dia tsy manoroka ilay taratasy fotsiny fa ilay olon-tiany no orohiny amin'ny alalan'io sary io. Toy izany koa ny fampiasana ny sary isankarazany!
25. JobeTDM ( 30/05/2005 01:12)
Mba mahita lazaina ianareo ireto ry olona ô. Miady hevitra amin-javatra efa mitombona hatry ny ela. Asa fa izaho mahita hoe marina ny voalazan'i Marozevo.

Marozevo :-*
26. dadabe ( 30/05/2005 03:54)
fa oviana mou le hoe hatrin'ny ela??:-w
27. routa ( 30/05/2005 11:38)
enao zao no aefa dadabe ato koa tokony hianao no tokony hahay ny daty e!
28. ari.malala ( 30/05/2005 13:52)
routa:

Le sary ve tenaiJESOSY mihitsy io na i Marie reniny JESOSY klou e?
ari.malala> ny tiko notenenina de hoe jereo ao @ jaona toko faha 20:26ka hatraminy 31.Ny fahazaoko an io tsinona de zao i Tomasy tsy nino raha tsy nahita an i JESOSY de JESOSY nanazava hoe enao raha tsy nahita Ahy tsy nino nefa sambatra zay tsy nahita ahy nefa mino .Tsika na izaho na ianao zany de tsy tokony hitady zavatra hanaovana concetration fa avy dde mivavaka de mino fa mihaino IZY e!.



Hitan\'i Routa, tsy nisy niaina t@ époque nisy sn\'zareo isika, ary efa nolazaiko fa tsy le endrika eo @ le sary no tena zavadehibe fa ny fifantohana sy ny fitiavana an\'i Jesoa, na ny fanajana (nataoko gras io teny io hanavahako azy fa tsy mivavaka fa manaja) ny Renin\'Andriamanitra. Hazavaiko hoe inona ary no antony anajana azy, raha tsy nanaiky izy fony notenenin\'Andriamanitra hoe hiteraka an\'i Jesoa, dia tsy tanteraka ny famonjena antsika. Noho izany isan\'ny manana anjara lehibe @ fanavotana antsika olombelona i Masina Maria ka mila ary mendrika fanajana. Iverenako ilay resaka sary @ zay, tsy fantatra na iny marina ny ednriny, fa miovaova arakaraka ny mpanakanto nanao azy, ary tsy ilay endrika no zavadehibe fa ny fifantohan-tsaina hoe hivavaka aho izao.
29. dadabe ( 30/05/2005 18:25)
arimalala>ka raha mifantoka mivavaka ary ve ianao ,de ilaina ve ny fisian'iny sary iny eo aloanao?? maninona raha mivavaka direct tsy asiana an'iny sary iny
30. ari.malala ( 31/05/2005 08:27)
dadabe> arakaraky ny olona io ka, fa za rehefa mivavaka dia tsy mila sary fa Baiboly no ilaiko. Ao no anovozako ny Vatsy ilaiko mandritra ny andro. :)
31. pitchou ( 31/05/2005 10:08)
eny wa! ny important wa rehefa mahazo concentration enao! misy zao ohatra tsy mahita concentration izy raha maheno feo na d kely aza, dia manjary mikiakiaka rehefa mivavaka @zay ny feony ihany no henony! ny sasany mikipy fa raha tsy izany d lasa mandende le maso (@iny alou d sur fa tsy mila sary) sns
32. dadabe ( 31/05/2005 11:59)
ka zay anie ! dia ahoana aza no tsy maintsy asiana sary any ampiangonana?? eo amin\'ny fiangonana sasany :-w
33. Mifenty ( 31/05/2005 12:20)


fa iza no niteny oe tsy maintsy kosa radada???

Na izany aza dia sady manaingo ny fiangonana le izy (mitovy lenta am lambana alitara oatra) no manampy ny olona sasany koa hanantona bebe kokoa an'Andriamanitra. Inn ndray no tadiavina ankoatr'izay eh.

Ny any am fengonana propestà aza anie ka de fahatsiarovana ny maty mihitsy ireny takela-bato tokanana sy resaka takela-jobily isan-karazany reny eh. Asa lou e
:roll::lol:
34. marozevo ( 31/05/2005 23:36)
pitchou > Misy fanontanianao momba ny interpretation'ny sary io ambony io. Matetika dia io lazainao io tokoa no mitranga, tsy mitovy ny intention'ny mpamorona (auteur na artiste) sy ny mpampiasa. Tsarovy aloha fa maro karazana ny zary anh... vongana, hoso-doko, tsangana, soratra, hira, kalo sns.. Tsy manova ny intention ny mpamorona akory ny interpretation ataon'ny mpampiasa. Ohatra : fantantsika ve ny intention'ilay namorona ny hira hoe MIFANKATIAVA IHANY, na ilay hoe GASIKARAKO, NAVELAN'NY RAZAKO.... Dia rehefa mampiasa ireny isika ankehitriny dia izay zava-misy eo no iaingan'ny interpretationao, fa tsy ny zava-misy tamin'ny namoronana ny hira. Noho izany, ny interpretation'ny sary na sangan'asa iray dia mampanan-karena azy (enrichir) fa tsy manova. Tsara fantarina sy alalinina kely ny hoe "analyse semantique na semiologique". Amin'ny manaraka raha ilaina.
35. marozevo ( 31/05/2005 23:40)
Azafady raha manao mateti-piavy, fa misy adino : Ny ilana ny sary ? ankoatra izay efa voalazantsika eo ambony ireo, dia ity koa : Rehefa tsy eo ilay tena izy, dia ny tandindony no ampiasaina hahitana azy, rehefa tonga kosa na eo ilay izy dia avela ny sary. Hazavaiko : Photo anankiray tianao sy hajainao fatratra satria misy sarin'ilay olona tianao. Jerenao foana, ankafizinao mafy ery. Rehefa tonga ilay olona tianao dia IZY indray no banjininao sy hajainao sns... Iza amintsika ireo ary izao no tsy manana sary photo ?
36. dadabe ( 01/06/2005 09:54)
marozevo >ireo teneninao rehetra ireo anie ka aranofo daholo e,fa le hevitra ara-panahy anie no tena iadiankevitra eto e
37. marozevo ( 16/06/2005 23:12)
Elaela isika izany ry havako.
dadabe > marina fa ara-nofo ireo voalaza ireo, na ny sasany amin'ireo voalaza ireo. Nefa aoka tsy ho adino fa tsy misy fifanoherana (dualité) ny nofo sy ny fanahy. Mila haverina eto ve fa tsy ho voavonjy na oviana na oviana ny fanahy, raha tsy ny nofo no manao ny ezaka. Ary eo indrindra no ilana ilay sary, satria zavatra sensible ny sary, izany hoe azo tsapain-tanana na ren'ny sofina na hitan'ny maso, nefa entina hanakarana ara-panahy zavatra surnaturelle iray. Io ilay hoe partir d'un signifiant vers un signifié. Ka tokony tsy hampiahotra antsika velively ny mampiasa zavatra sensible hahazoana ny zavatra surnaturelle.
38. dadabe ( 17/06/2005 03:52)
marozevo manaiky zah nefa izany ve no handikana ilay didin'Andriamanitra hoe aza manao sarinjavatra .....?? hummm sao de mba tsy mety lahy
39. fijo ( 17/06/2005 04:52)
aleo hiasa kosa ny mpanao sary le
40. JobeTDM ( 18/06/2005 03:59)
Not on my dream !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2623