SARY

61. marozevo ( 23/08/2005 15:03)
Marina ny an'i pitchou, fa misy zavatra latsaka ka tsy maintsy miondrika rehefa haka azy. Chapeau !!!
62. pitchou ( 23/08/2005 18:50)
misy fomba hafa ankoatran'io angah alou e!:oops:
63. deghany ( 29/08/2005 10:41)
marozevo:

Araka ny fangatahan'i Mifenty, sady hita fa ilaina rahateo dia manokatra ity lohahevitra ity aho. Tsy atao hoe sarivongana, na dia io aza no noheverina, fa atao hoe SARY, satria maro karazana izy ireo. Misaotra mialoha an'izay handray anjara.
Fanombohana àry : Ao amin'ny baiboly ao (tsy tsaroako ny toko sy andininy fa Eksaody sy Deteronomy ilay izy). Ao dia misy filazana hoe :"Tsy hiankohoka amin'ny sary ianao". Ara-keviny io, fa tsy tsaroako tsara ny fitsatok'ilay teny. Koa raha mampiasa ny sary vongana, na sary hafa ny Fiangonana ankehitriny, dia tsy hoe mandika (passer outre) an'io teny io, fa miezaka kosa hanovo fiainam-panahy miainga amin'ny zavatra azo tsapain-tanana ho any amin'izay lehibe kokoa (Partir d'un signifiant vers un signifié).
Karazan-tsary ampiasaina amin'ny Finoana : sarivongana; hoso-doko; seho an-tsehatra; carte postale; tononkalo sy hira... sary daholo ireny sy ny hafa tsy voatanisa.
Miandry anao hitondra fanazavana fanampiny na fangataham-panazavana.
Misaotra Tompoko.



tena misy an'io ao ka!! tsy mahazo mampiasa sary refa mivavaka!! De aona ary no mbola mandohalika sy manoroka saplet!! de tsy azoko tsony mintsy e!!
sady aiza ho aiza ao @ baiboly mou no misy miteny we asio sarin'Kristy miantona @ croix ao am_piangonana de mandoaliha eo alohany refa mitsé ao am-piangonana??
tsetsatsetsa iany ny ahy iny!!:°)

64. pitchou ( 29/08/2005 18:22)
mbola hisy hiteny ato hoe aiza ho aiza ao @ baiboly no niteny gasy ny tany israel (anoatry ny namana mipetraka any)
65. deghany ( 30/08/2005 08:43)
pitchou:

mbola hisy hiteny ato hoe aiza ho aiza ao @ baiboly no niteny gasy ny tany israel (anoatry ny namana mipetraka any)


vali-biraingina an!!!=))=))

zany foana ny fiafaran'tony resaka 'tony matetika!!
66. deghany ( 30/08/2005 08:44)
pitchou:

mbola hisy hiteny ato hoe aiza ho aiza ao @ baiboly no niteny gasy ny tany israel (anoatry ny namana mipetraka any)


vali-biraingina an!!!=))=))

zany foana ny fiafaran'tony resaka 'tony matetika!!
67. deghany ( 30/08/2005 09:05)
pitchou:

mbola hisy hiteny ato hoe aiza ho aiza ao @ baiboly no niteny gasy ny tany israel (anoatry ny namana mipetraka any)


vali-biraingina an!!!=))=))

zany foana ny fiafaran'tony resaka 'tony matetika!!
68. marozevo ( 01/09/2005 15:39)
Tsy misy azoko izay lazain'i Deghany eo ambony eo.
69. deghany ( 02/09/2005 11:57)
marozevo:

routa > Marina ny anao, saingy tsarovy fa ny maro amin'ny fihetsika na fivavaka ataontsika koa aza anie dia sary eh... saingy tsy io terme io no ilazana azy. Ohatra : Miondrika i routa rehefa mivavaka fa tsy mitraka satria misy hevitra ambaran'iny fihetsika miondrika iny... sary izany ilay fihetsika miondrika manambara zavatra hafa. Tsaroan'i routa ve ireny tableau vivant ireny, indrindra rehefa Noely (Krismasy). Angaha adinonao fa sary anie ireny e. Sa tsy manampy anao hino bebe kokoa ireny ? Tsy afaka amin'io sary (tandindona) io isika na ho aiza na ho aiza.


manaona ô!! miondika r'se fa tsy eo @ le sary a! mazava be nge:"Aza manao sarinjavatra voasikotra ho anao na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny @ lanitra ambony na izay ety @ ambonin'ny tany ,na izay rano ambanin'ny tany ,aza miankohoka eo anatrehany ,ary aza manompo azy ,fa Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra saropiaro ka mamaly ny heloky ny Ray amin'ny zanaka sy ny zafiafy ,fa mamindra fo kosa @ ireo olona arivo mandimby izay tia ahy sady mitandrina ny didiko"

Ny hoe fahatsiarovana an'jeso alou tsy mampaninona ahy, fa tsy nde asiana sary ao ampiangonana de hiankohoka eo isaky ny hivavaka. Resaka fivavahana nge 'ty ry zoky a!! tsy tokony we hisy zavatra noforonin'ny olombelona mintsy ny fanataterahana azy!!

70. deghany ( 02/09/2005 12:02)
marozevo:

Azafady raha manao mateti-piavy, fa misy adino : Ny ilana ny sary ? ankoatra izay efa voalazantsika eo ambony ireo, dia ity koa : Rehefa tsy eo ilay tena izy, dia ny tandindony no ampiasaina hahitana azy, rehefa tonga kosa na eo ilay izy dia avela ny sary. Hazavaiko : Photo anankiray tianao sy hajainao fatratra satria misy sarin'ilay olona tianao. Jerenao foana, ankafizinao mafy ery. Rehefa tonga ilay olona tianao dia IZY indray no banjininao sy hajainao sns... Iza amintsika ireo ary izao no tsy manana sary photo ?

de izany ve r'se no nde hiresahana eo alohan'ny sary vongan'ny masin'Maria? Tsy azo de afangaro loatra @fomban'ny fiainana andavanandro ngamba le fomba @ fivavahana amiko: raha malahelo ny olotinao iray ianao de ankafy ny sariny! fa eo @ le fivavahana nge,tsy vitan'ny we io le sary de tsaroana eo i jeso, fa mbola miampy fandohaliana sy miresaka aminy!
de tsy aiko alou e!

71. marozevo ( 02/09/2005 14:47)
Hono ho'aho ry Deghany : Tena siora ve ianao fa miresaka amin'ilay sary ilay olona mandohalika eo ? Henonao mihitsy ve ny TENY NATAONY? sa tazanao avy lavitra izy dia hoy ianao hoe miresaka izy ? Raha tena henonao ilay teny nataony sy resaka nolazainy dia soraty eto hiadian-kevitra.
Fa hono koa ho'aho : Efa nahita tableau vivant ve aloha i Deghany e ?
72. pitchou ( 04/09/2005 18:27)
hoy i degany hoe:

degany>sady aiza ho aiza ao @ baiboly mou no misy miteny we asio sarin'Kristy miantona @ croix ao am_piangonana de mandoaliha eo alohany refa mitsé ao am-piangonana??
tsetsatsetsa iany ny ahy iny!!


asa ze tena manao valy boraingina eto! alohan'ny nitenenanao an'io enao tokony nandinika hoe tena tena gasy ve izany no nanoratana ny baiboly tany am-piandohana!
73. deghany ( 07/09/2005 09:00)
pitchou> aiza no tianao hiaviana @zany?
74. pitchou ( 07/09/2005 17:52)
ka enao mitady fanamarinana ao anaty baiboly nenà anontaniako aloha hoe le version originale ve io @ teny gasy io kou inn! ny teny manko rehefa adika d tsy maintsy misy very ny heviny
75. deghany ( 08/09/2005 08:57)
ka raha misy very nge ny heviny de manjary lasa diso zany le izy e!! de aona zany?
76. deghany ( 08/09/2005 08:58)
marozevo:

Hono ho'aho ry Deghany : Tena siora ve ianao fa miresaka amin'ilay sary ilay olona mandohalika eo ? Henonao mihitsy ve ny TENY NATAONY? sa tazanao avy lavitra izy dia hoy ianao hoe miresaka izy ? Raha tena henonao ilay teny nataony sy resaka nolazainy dia soraty eto hiadian-kevitra.
Fa hono koa ho'aho : Efa nahita tableau vivant ve aloha i Deghany e ?

mbola tsy nahita za zoky a!! sady tsy miasa S @zany!! tabilao ve ho velona?!

77. pitchou ( 09/09/2005 18:37)
leeetiii eeee! d zahay no lazain'i lery fa manao valy boraingina!!!!:evil:
78. deghany ( 13/09/2005 15:13)
pitchou:

leeetiii eeee! d zahay no lazain'i lery fa manao valy boraingina!!!!:evil:


tslèèèèèèèèèèèèèèèèè


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4883