ny artista sy ny tapany ambany...

1. 1kd100 ( 23/05/2005 13:37)
Malaza indray mantsy izao raha vao hira misy mpandihy mampihetsika ny "tapany ambany ", tonga dia hain'ny rehetra ilay hira sy ny dihy , toy izao no fijerin'i Rado azy ireny araky ny tononkalo navoakany t@ gazety Taratra ( 19 mey 2005 ):

" Ny tapaka ambaninareo "
Ity " mampandihy fitombenana " ity
dia saim-betaveta, kanefa tsikaritra
fa na dia marobe aza ireo izay tsy tia
d'ireny no avoakan'ny fahitalavitra.

Heverin'ny tompon'ny Fahitalavitra
ve fa ireny no tian'ny rehetra,
ka alefany foana mba hahafinaritra
hitaiza ny saina ho tia vetaveta ?

Hadinon'ny tompon'ny Fahitalavitra
fa samy olom-pady no mijery eo ?
Ity ary mba tsetsatseta tsy aritra :
ireny ary ve no mba kantonareo ?

Ity misy hafatra omeko zareo
indrindra ho an'ny mpandihinareo
Ny Loha sy ny Saina no hetsiketseho
Fa aza ny tapaka-ambaninareo !

R A D O

Inoana fa samy hanana ny fomba fijeriny avokoa isika,na homba an'i Rado isika na hanohitra azy , fa ny mba saika anontaniako fotsiny dia hoe : " efa tena tao anatin'ny gadon-kira maha-malagasy ve ireny mampandihy vody ireny sa vao nalaina tahaka tany ivelany, raha eny inona no anaran'ilay gadona ary faritra avy aiza no tena niaviany ? "
novalian'i nounoum ny 26/09/2005 13:22
2. Kintanakely ( 23/05/2005 14:00)
Misaotra anao Ranamana nizara ny zava-misy. Momba an'i Rado aho ary mitovy hevitra aminy tanteraka efa ela. Soa fa nisy Rado fa izy no an'isan'ny mpandala ny maha-malagasy.
Ataoko fa samy manetsika ny vatany daholo rehefa mandihy na avy aiza na avy aiza am ty glaoby ity. Saingy tsy ny fitombenana akory no hahetsika hanao fihetsika mamoa-fady.
Mangataka ny hevitr'izy mahalala am zay niavian'ny "kaoitry" isika. Angamba fihetsika vetaveta nalain-tahaka avy any ivelany ireny fa tsy izany akory ny fahendrena malagasy fahiny. Isika malagasy koa moa olona kinga indrindra am fakana tahaka ka manoatra noho ny an'ny tena ny nalain-tahaka.
3. kally ( 23/05/2005 15:14)
Izany hono no "fandrosoana" e! na ny any ivelany aza miezaka daholo ny "artista" mampiseho fitombenana ny lehilahy,nono ny vehivavy,na ankanainga zipo maneho fa tsy misy inon'inona ao anatiny,mifanoroka eo @ molotra amn'ity olon-drehetra ity...izay rehetra mahita caméra dia afaka manaboridana kely.Tanora sy mandroso hono izany e!
4. sonwin ( 23/05/2005 15:19)
Maro ny dihy mampihetsika tapany ambany no tsy nalain-tahaka avy any ivelany...za aloha dia tsy miombo-kevitra amin\'i Rado satria ts fandihy vetaveta izany ireny amiko.
Salegy(avy any avaratra), baoenjy (Tsimihety), Tsapika (avy any atsimo), batrelaka (Atsinanana), ...sy ny maro hafa ....ny fisainana eo afovoan-tany angamba no tsara ahitsy dia refa mandeha ny hira mampiseho fandihy tapany ambany dia avadika ny canal, tsotra be zany.
5. welie ( 23/05/2005 15:40)
Efa hitanareo ilay clip -n'i Njakatiana milaza ny faritany enina eto Madagasikara ve? Dia ao hita we aiza sy aiza avy no teny mamandihy doudousy ny oul.... Hihihi.... :-P
6. booboo ( 23/05/2005 16:08)
Zaho koa tsy miombon-kevitra @ Rado satria re-tsy nalain-tahaka tany ivelany ny dihy sasany (cf ireo tanisain'i Sonwin ireo). Ahoana no tsy mamoafady refa mampidy soroka na mampidihy ny tanana fotsiny (latsi-tanana) na tongotra fotsiny (tsy haiko ny anaran'ilay ohatra mandaka sy mi-saute ireny @ dihy gasy)dé refa ny vody ve dé mamoafady ??????
7. mamzelkely ( 23/05/2005 16:37)
io samy manana ny fandihiny io ka zay tsy matanty de tsy mijery, le fampadihizanan ambany kosa anie mba mampi s'amuse be refa manala azy e!!!:wink:
8. iartistika ( 23/05/2005 17:29)
io ry mamzel asio an le ambanimbany ah!:-D
9. ari.malala ( 24/05/2005 05:52)
T@ andro nampalaza ny soukouss sy ny kwassa no tena nampalaza koa ny fampandihizana ny dodosy sy ny valahana, ko naninona no tsy t@ ireny dia efa nalefa ny tsikera? mandihy avy koa ve dia misy hoe vetaveta?
10. mamzelkely ( 24/05/2005 06:08)
iartistika:

io ry mamzel asio an le ambanimbany ah!:-D



io ary eee!!!! alefa!! alefa!!!!:-D
11. kally ( 24/05/2005 07:42)
Ny ahy kosa aloha ny fiheverako azy ilay ohatry ny @ clip amerikanina ilay misilipo kely dia miolankolana sy mihodinkodina eo alohan'ilay lehilahy anankiray miseho ho tsy mivaky loha be ny vehivavy efa ho folo.
Dia misabaka dia avy eo anelakelan'ny fen'ilay vehivavy ilay lehilahy no mihira,ohatry ny hoe tsy misy hasiny mihitsy ilay vehivavy fa raha tsapiky sy ny dihy gasy kosa mbola maotimaotina miakanjo tsara sady tsy misary zoro eny @ lehilahy ohatr'ireny,asa samy manana ny fandihiny io koa!rehefa tsy hanome hasiny ny tenany ve moa izy, izaho ve no haninona?
12. rpk ( 24/05/2005 07:49)
za alou tena momba an-dRado ny @ zay zavatra zay
13. iartistika ( 24/05/2005 08:24)
zé fandihy avy koa vé??
14. bimanoa ( 24/05/2005 08:34)
Marina daholo izany fa mba asiana fetrany le fihetsika fa tsy ohatran'ireny olona hanao ireny fa tsy handihy e !
15. ari.malala ( 24/05/2005 08:47)
lasa lavitra loatra kosa ny sainareo kle! mandihy anie ê! ko maninona ny olona mandihy slow tsy teneninareo an'izany?! tsy azoko!
16. chipie1 ( 24/05/2005 10:57)
f'inn wa ry ari.malala
za tsy miombokevitra aminy rado kou eto !
17. hiaro ( 24/05/2005 11:17)
tairo kely le dihy ry mamzelkely fa tena bonne be, asaivo avadiny ny tele refa tsy te-hijery izy!!!!! fa raha vao mijery any @ hafa njay dia vao maika loza be no hitany ao
18. xxx ( 24/05/2005 11:28)
tohizo foana izany ny dihy ry ari.malala sy ny namany a, asehoy tsara le ravina miraviravy hojerena, hi ! hi ! hi !
19. hery ( 24/05/2005 11:33)
tsisy solution afatsy ny famonoana telé na fiovana canal zany? :-(
de zany foana no fiainan-dramalagasy. Io no misy ka rehefa tsy faly de aza mihinana :-)... de ny olona mba miteny ny heviny lazaina fa tsy faly sy tsy mivoatra.

Mety ho manja marina ny mahita an'i sonwin mibanjina sy maka fy ny anabaviny manao striptease eo alohany eo... efa tsisy fady ihany kou.

Ny tian'i Rado tenenina dia resaka fahitalavitra... indrindra raha fahita lavitra public. Nareo ao Taninarivo :-) no manana safidy maromaro fa ny olona hafa dia TVM no mba télé... ka angamba tokony eritreretina ny mba haha-télé-mbahoaka an'io. Eritreretina daholo hoe misy Jesosy Mamonjy, misy Témoins, misy masera, de misy jiolahimboto sy koaitra koa mijery télé.
20. welie ( 24/05/2005 12:04)
hery> hahahahahah ...... iny njay no tsy hitako marina an! :-D

sonwin> Ary raha mba elà mintsy no manao gogo kely less? ;-)

Zà mou efa tsy misy télé raha teo dia tsss.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1817