Ilay lambam-paty tao Turin

1. hery ( 23/03/2005 15:16)
Mba fantatrareo ve ny tantaran'ilay lambam-paty tao Turin? (Linceul de Turin na Saint Suaire de Turin)?

[img=400x]http://carbon14.univ-lyon1.fr/telosologr.jpg[/img]

Nahitsin'i hery
novalian'i dadabe ny 08/04/2005 13:00
2. yonikafopl ( 23/03/2005 15:27)
mba tantarao hoe ry Hery
3. hery ( 23/03/2005 16:12)
Famintinana fohy fotsiny

Io lamba io dia lambam-paty ahitana (tsy dia mazava tsara) sarin'olona misy diam-pantsika ny tanany sy ny tongony. Mazava ho azy fa lamba namonosana olona nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana.
Betsaka ny mpino izay nilaza fa ilay lamba namonosana an'i Jesoa tamin'ny nahafatesany io. Taty aoriana anefa dia natao ny fanadihadiana sy tombatombana tamin'ny alalan'ny Carbone 14 dia nahitana valiny tamin'ny 1998 (ofisialy) fa tany amin'ny taonjato faha 13 (1200-1300) tany no fotoana namonosana ilay olona.
Betsaka ny fifandirana satria misy milaza hoe azo itokisana ve ny Carbone 14, ahoana ny fomba nanaovana azy, sns.
Efa nandalo sedra isankarazany mantsy ity lamba hafakely ity... efa nisy fotoana naha may azy mihitsy ka nozairina izay sisa tsy may.

http://carbon14.univ-lyon1.fr/linceul.htm hahitanareo ny resaky ny manampahaizana momba ny fanadatiana
http://www.ebior.org/Encyc/Resurrection/linceul.htm ny fanazavana lalina be
http://www.catholink.ch/vaud/dossier/suaire/suaire.html indray ny momba ny finoana katolika mikasika azy io
4. hery ( 23/03/2005 16:14)
Ny nahatonga ahy hanoratra ity dia ny nahitako ny vaovao farany tamin'ny Gazety eto Italia izay nanamarika fa nisy siantifika izay afaka nitsipaka ilay datation natao tamin'ny 1998. Noporofoiny fa tsy ilay lamba original no nakàna ny sombiny tamin'ilay nanaovana ny Carbone 14 fa sombindamba hafa izay nanapenana azy (araka ny voalaza hoe misy notampenana ilay izy satria may sns)

http://www.suaire-science.com/news.htm#NW-ANCHOR-0 ny momba an'io
5. dadabe ( 23/03/2005 16:29)
hery>resaka bla bla lesy zany a,raha ny datation radioactive de tsy possible mihitsy hoe ny composition an'io lamba io de mbola hisy tavela .Misy ilay antsoina hoe demi-vie radioactive(antsasam-piainana=peride),ka raha ny reaction spontanee (mandeha ho azy de efa nisy ampahany t@io lamba io nilefa (desintegre),misy tavela,misy ihany koa anefa reaction provoquee,(bombardee par des neutron ou nucleon ...),noho izany raha lamba namononsana an'i Kristy no ho eritreretina dia BLA BLA zany fa tsy marina siantifikement,mety lamban'olona nampijaliana sy nofantsihina zany .
:lol: de ampy a
6. hery ( 23/03/2005 16:38)
Izay indray aloha tsy dia haiko loatra :-)

Betsaka ny siantifika milaza hoe blabla fa betsaka koa ny siantifika tsy milaza hoe blabla :-) kou zah tsy dia siantifika amin'io lafiny io ka tsy dia afaka mitompo teny fantatra.

Sa angamba tsy fantatry ry zalahy siantifika farany ireo nolazain'i dadabe ireo (le resaka baomba sy ny elekitirao :-) )

http://lakroa.free.fr/downloads/turin.pdf ilay articles vao nivoaka nataon'ny olona nianatra an'izany manokana :-)

7. Manon ( 23/03/2005 18:01)
salut daholl jay. Miala tsiny klou rah amy teny français fa tsy nahita afatsy ity zah .
Il s'agit d'un drap de lin, tissé a chevrons, long de 438 cm, et large de 110 cm., y compris une bande longitudinale d'environ 8 cm. Les empreintes frontales et dorsales d'un homme mort après avoir été crucifié sont imprimées sur un seul coté de la toile.
Le terme de Suaire a de multiples sens (tunique, manteau, nappes, etc.) mais il indique généralement le linceul qui enveloppa Jésus-Christ après sa mort.Une tradition ancienne indentifie ce document en parfait accord avec la passion, la Crucifixion et la mort de Jésus- a celui dont parlent les évangiles.
à suivre...
8. Veloo ( 23/03/2005 20:05)
O ry reto a aza dia minomino zavatra izay misy. zavatra ataon'ny devoly ireny mba tsy aharahanareo an'i Jesosy izy tiantsika. Ho betsaka mihitsy ny faux prophetes sy ny faux miracles mba ampilembenana an'ny olona ataon'ny Satana satria efa akaiky ny androny ka mitady izay rehetra azony arapana izy. Ka aza rarahina akory re eeee. Lamban'olona maty hafa io no ampian'ny devoly sary izay ampahagaga ny olombelona. Jesosy efa maty efa ela be 2000 ans izay ka eritrereto ihany an.
9. fijo ( 23/03/2005 20:27)
ankoatr'io voalazan'i veloo izay tsy mba miezaka mandinika fa avy dia manatsatso io dia mahaliana ny hevitra rehetra nivoaka.efa naika hanisy resaka azy ity koa aho fa efa maro ny boky sy reportages hitako mikasika azy ity.
misy na koa azo hatao hoe mifanampy ny voalazan'i hery sy dadabe.za moa tsy minomino foana izany kanefa dia mahaliana ahy io resaka io.marina fa araka ny voalaza dia "ny moron'ilay lamba "no nanaovana ny fanadihadiana fa tsy teo ampovoany.ka mety handiso zavatra izany.ny zavanisy koa dia nosakanana'ny vatican ny fanadihadiana saika hatao farany taorian'ny 1990 mba tsy hanimbana ilay lamba"fanapahankevitra tsara io" amiko.tamin'izay fotoana izay anefa vatican dia efa nihaiky fa tsy lamba namonosana an'i ralavavolo io.saingy noho ny finoan'ny olona izay tsy nety nahodina fa nino foana fa io dia lamba namonosana azy,dia najanona tao amin'olay fiangonana ihany izy io.
noho izany dia tsy misy hafaka milaza izay tena marina momba io lamba io isika ,koa dia samia mitana izay finoany momba azy.
10. isotope ( 24/03/2005 02:54)
marina tokoa fa tsy io mihitsy ilay lamba namonosana an'i Kristy.

dadabe> inona ndray lety ty fomba mirediredy ity ah? mba fantatr'elah ve aloha hoe firy arivo taona ny "demi-vie" an'ny C14? Ary firy taona izay no nahafatesan'i Kristy?

mianara aloha vao mirediredy fa manjary miteniteny foana toy ny mpanao politika e!
11. sahary ( 24/03/2005 04:02)
amiko alou na namonosana an'i kristy io na tsia dia tsy mitondra n'inona na inona @ finoako zany,fa raha le arche de dieu no hitanareo de teneno za fa tonga de bizna milay be zany
12. explorer ( 24/03/2005 04:16)

sahary> Any @ tendrombohitry Ararat, Turquie ny toerana voalaza fa nihafaran'ilay sambo fiara. Ny hazo taminy anefa tsy nisy hita tamin'ny "isotope fractionation" ary mbola mitohy ny fikarohana.


13. explorer ( 24/03/2005 04:16)

sahary> Any @ tendrombohitry Ararat, Turquie ny toerana voalaza fa nihafaran'ilay sambo fiara. Ny hazo taminy anefa tsy nisy hita tamin'ny "isotope fractionation" ary mbola mitohy ny fikarohana.


14. Manon ( 24/03/2005 06:02)
suite:La Saint Suaire a été défini un DEFI à la SCIENCE et une PROVOCATION à L'INTELLIGENCE DE L'HOMME, même de celui du plus sceptique. C'est sans aucun doute la pièce la plus étudiée , discutée , acceptée ou rejetée , mais toujours fascinante même si elle reste encore mystérieuse.(Document sacré que le Pape Jean-Paul 2 a défini "la replique la plus splendide de la Passion et de la Résurrection"
Samy manana ny croyance-ny daholll klou e!
15. dadabe ( 24/03/2005 09:11)
isotope>ampianaro lesy raha mahay elah a,inona moa no mba fantatray ,ary aza b zesta fa avy hatrany de alefaso e,mba jereo aloha ry be zesta fa tsy nisy namoaka chiffre teo na iray aza a
16. dadabe ( 24/03/2005 09:17)
aiza ry isotope be zesta a?avoay le chiffre e?
17. Manon ( 24/03/2005 09:18)
1502:Saint Suaire est conservé dans une urne d'argent placéedans une niche creusée dans le mur de la sacristie-choeur de la Sainte-Chapelle gothique,edifiée à cet effet, dont les murs de pierre sont revêtus de pilastres ornementaux en chêne
L'église fut appelée Sainte-Chapelle car comme l'église, plus ancienne, de Paris , elle était destinée à recevoir les reliques de la Passion de Jésus.
1532:Dans la nuit du 3 au 4 décembre , un incendis éclate dans la sacristie-choeur de la Sainte-Chapelle
Le feu endommage en divers endroits le Saint Suaire, mais il épargne MIRACULEUSEMENT l'empreinte de l'Homme du Saint Suaire.
18. dadabe ( 24/03/2005 09:37)
hmmmm "MIRACLE" :?:
19. hery ( 24/03/2005 09:59)
hery:

Mba fantatrareo ve ny tantaran'ilay lambam-paty tao Turin? (Linceul de Turin na Saint Suaire de Turin)?

[img=400x100]http://carbon14.univ-lyon1.fr/telosologr.jpg[/img]

Nahitsin'i hery



20. hery ( 24/03/2005 10:02)
dadabe> io ange ilay nolazaiko hoe aza tonga dia manatsatso amin'ny voalohany fa mba mandiniha e. Sa noheverin'ingahy fa izaho no namorona an'io?
dadabe:
resaka bla bla lesy zany a,raha ny datation radioactive de tsy possible mihitsy hoe ny composition an'io lamba io de mbola hisy tavela .Misy ilay antsoina hoe demi-vie radioactive(antsasam-piainana=peride),ka raha ny reaction spontanee (mandeha ho azy de efa nisy ampahany t@io lamba io nilefa (desintegre),misy tavela,misy ihany koa anefa reaction provoquee,(bombardee par des neutron ou nucleon ...),noho izany raha lamba namononsana an'i Kristy no ho eritreretina dia BLA BLA zany fa tsy marina siantifikement,mety lamban'olona nampijaliana sy nofantsihina zany


Manampahaizana maro be no miaraka mikaroka ao, tsy hoe hino na tsy hino no tanjona fa hijery hoe oviana marina io no nitranga. Ka na voaporofo aza io hoe tamin'ny taona 30 tany ho any dia mbola resaka hafa indray ny hoe an'i Jesoa ve io sa an'olona nofantsihana tamin'izany fotoana izany ihany koa.

Dia mi-s'informer aloha no atao fa ny finoana manaraka ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2748