Ilay lambam-paty tao Turin

21. dadabe ( 24/03/2005 13:57)
ah bon okay ary e,ka ny ady hevitra koa anie tsy maintsy misy fa tsy misy tonga de hanaikky ho azy izany :wink:
22. jentilisa ( 24/03/2005 14:22)
Mba fanontaniana ny ahy; fa ahoana ny famonosan'ny jiosy ny fatiny? araka ilay hita amin'io lamba-paty io ve? Ny zavatra tahaka itony mihitsy no anisan'ny nampipoitra ny prôtestanta. Nefa itony style itony koa no nampiroborobo vetivety ny EURD manao ilay fanao hoe menaka avy any Israely. Amiko rehefa tsy lazaina hoe mahasitrana izy dia tsy asiako valerany loatra. Tsy ny tsy fisiany no manjary hahatonga ahy hoe tsy nisy izany Jesoa izany tamin'ny androny. Izany lamba-paty izany ange ka lamba-pahalotoana e! Azo heverina ve hoe sanatria ka ny servieta hizienika no atao fampirantiana?
23. hery ( 24/03/2005 14:33)
Ka i jentilisa miditra sahady amin'ilay hoe mino sa tsy mino. Na hoe Jesoa sa tsy Jesoa. Ny zavatra tiana hahatongavana dia hoe misy ireo izay teny na filazàna izay ireharehan'ny siansa fa marim-pototra (Vérité exacte) kanefa rehefa avy eo hita hoe diso indray...

Ohatra iray ity lambam-paty ity fa ho hita eo ny tena tohiny. Raha voaporofo izany dia betsaka ny zavatra izay nolavin'ny siansa kanefa mety ho tena marina... dia miditra amin'izay rehefa avy eo ilay finoana.
24. Veloo ( 24/03/2005 15:15)
Marina ny an'i Isotope. O ry dadabe ny baiboly dia misokatra ho an'ny rehetra fianarana ho antsika isan'andro io mazoto mamaky ny baiboly enao, mirotsaka aminao koa ny fanahyn'Andriamanitra. Tsy tongatonga foana ao antaisna ny rehetra raha tsy mianatra. Izay profo scientifika tssssss raha baser amin'ny baiboly dia ekeko, marina fa mana-tsaina ry zareo fa te-hi defier an'andriamanitra. Tena lavitrin'ny afo ny kitay eeeeeee
25. sonwin ( 24/03/2005 16:14)
Veloo> Tsy mi defier an'Andriamanitra mihitsy ny scientifika fa aza mitsara sahala amin'izany ianao. Heverinao ho nanao ahoana moa izao fiainana izao raha tsy nisy ny sientifika? na io internet ampiasainao io aza dia fikarohana sientifika ny base-ny?ary ianao makany amin dokotera io koa nga nisy fanafody raha ts teo ny sientifika?..etc...ny scientifika dia manampy an'Andriamanitra manohy sy mandavorary izao tontolo izao...satria manatsara ny fianana sy manampy ny mpiara-belona aminy ny tanjon'izy ireo.
Hery>aza tsiny fa nivoaka kely ny resaka fa somary nisy namely kely anay scientifika teo
26. Veloo ( 24/03/2005 16:48)
sonwin a ahona ireny cloning ireny? io kosa tsy mety o?
Ekeko ny lazainao momban'ny scientifika ka.. fa misy ny sasany anie ka tena te hi-defier an'Atra e...
27. yonikafopl ( 24/03/2005 17:45)
mahaliana ahy ty resakareo fa za tsy manana hambara
28. sahary ( 25/03/2005 03:43)
EXPLORER/mercie
29. cutie ( 25/03/2005 04:26)
Aoka hino ze hino e.
za mbola ho any torino hijery an;zany .
aleo tsy mandefa saina lavitra fotsiny .
just interesting .......le zavatra ohtran'reny
30. jentilisa ( 25/03/2005 05:56)
Eny ary, eo amin'ny resaka siantifika isika izao. Araka ny fahaizana kely ananako toa hoe rehefa aman-tapitrisany taona no tena mety amin'ny Carbone 14 fa tsy mety aminy izany hoe aman'arivony taona izany fotsiny. Koa raha araka izay fahaizako kely izay dia tsy misy fahamarinam-pototra ny itsarana ny lamba-paty izay vao 2000 taona monja raha ela indrindra.
31. Manon ( 25/03/2005 06:05)
rah mijery ny sary nalefan'i hery nahintsiny iou de :
"Traces de carbonisation de la toile"
En plus de petits trous brûlésn le drap présente deux lignes foncées parallèles et longitudinales , entrecoupées de 29 rapiècements. Ce sont des traces de l'incendie qui a eclaté en décembre 1532 Chambéry Le coté de l'urne en contact avec le Saint Suaire est rougi par la température élevée , a provoqué les deux lignes carbonisées et une goute d'argent fondu du couvercle a troé les différentes couches de la toile.Les rapiècements qui sont encore visibles aujourd'hui ont été apliqués en 1534 par les soeurs Clarisses de Chambéry.
32. dadabe ( 25/03/2005 06:50)
veloo>AMEN EE,
yonika>ato njay tsika :wink:
hery>aza taitra toi fa fomban'ny group solida io somary miakatra kely io ,fa milay ihany io ady hevitra io rafaveo ,sady efa manomboka miditra tsikelikely izao r'izalahy :D :D
jentilisa>zah dakor fa na izany aza possibl ihany ny hanaovana datation ka.
Manon>hhmmm mampisaina ,izany ahay ka fanazavana :wink:
33. isotope ( 25/03/2005 06:50)
jentilisa:
Araka ny fahaizana kely ananako toa hoe rehefa aman-tapitrisany taona no tena mety amin'ny Carbone 14 fa tsy mety aminy izany hoe aman'arivony taona izany fotsiny.

diso be zany ra jentilisa! mifanohitra @ izany no izy :-D . fa taiza no mba nandratovanao an'izany "fahaizana kely" zany?:-D



fanazavana fanampiny: http://www.energethique.com/applications/carbone_14.htm
34. dadabe ( 25/03/2005 07:03)
isotope> :?: :?: :?: maty lolo daholo ny tanana e,mahay lesy ialahy ity a 20/20 :-P
35. sonwin ( 25/03/2005 09:40)
dia maninona hono io courbe io e? ts azonay mihitsy klé´? sa courbe mampiseho ny taon'ilay lamba io ? de ahona ny interpretion-io zany?
Veloo> ie ekena marina raha ilay zavatra iray io ka
36. jentilisa ( 25/03/2005 10:55)
[/quote]
diso be zany ra jentilisa! mifanohitra @ izany no izy :-D . fa taiza no mba nandratovanao an'izany "fahaizana kely" zany?:-D



fanazavana fanampiny: http://www.energethique.com/applications/carbone_14.htm
[/quote]
Oadray! Ary ny siantifika kosa miovaova hevitra be e
ary manjary misy elanelany be izy izany a! Ary documentaire vorika no nojerenay k'le!



37. Veloo ( 25/03/2005 17:47)
Cutie a tsy misy maha ratsy ny mijery an'ilay lambam-paty a dinio sy hevery tsara ao fotsiny retsy a zavatra sy dia possible ilay izy an. Tsika gasy tena manana foto-pisainana christiana izay mijoro @ fahamarinana ka tsy mba mety vorebirebin'ny hafa an ...Tazomy tsara an....
Bon voyage an..

jentilisa a, ny tany tsika ity noforon'andriamanitra il y a 6000 ans tsy mi existe mihitsy lesy zany oe efa arivo arivo taona zany a.. tsy possible ka io ndray mantsy ilay fiten'ny scientifika izay tsy mino an'Andriamanitra fa oe efa niforona ny tany arivo arivo taona .....

Dadabe, sonwin a melsi aky a... :wink:
38. tapatsinay ( 26/03/2005 00:03)
kely marina ny fahaizanao ry jentilisa ka mahatsikaiky ny mahita anao mora miakatra tosi-dra. Tsy maneso anao akory sanatria fa mampihomehy anie ny mijery anareo mitompo teny fantatra amin'ny zavatra diso tanteraka toy io e! Nefa deraina ianao tsy nanafina an'izany fa mampiariary azy toy ny vay an-kandrina. :)

Mamela ahy hanazava kely ny voalazan'Isotope etsy ambony raha tsy takatrao ny dikany:
Ny 14C dia manodidina 5700 taona eo ho eo monja ny periode-ny (mila fanitsiana noho ny baomba nokleary sy ny fiovan'ny atmpsphere ary ny "effet Suess". Kely io "periode" io ka tsy azo ampiasaina anaovana "datation" ny 14C raha tsy zavatra latsaky ny 70000 taona ihany fara-fahabeny.

Noho izany na mahafaly anao na tsia dia diso tanteraka ny nambaranao hoe:
jentilisa:
Araka ny fahaizana kely ananako toa hoe rehefa aman-tapitrisany taona no tena mety amin'ny Carbone 14 fa tsy mety aminy izany hoe aman'arivony taona izany fotsiny.

39. cutie ( 26/03/2005 03:38)
tsy mahay resaka scientika za alou fa ilaina iahny ny mijery zavatra ohtran'reny e, na we mino na tsy mino.
education kou le izy. Refa veo vao anjaranao ny te handinika na tsia.
Veloo, amiko tsy misy tokony hampiova ny finoana ny fahitana na tsia an'le lamba
place touristique kou anie le turin e , le hijery an'le lamba ny mahasintona an'le olona ho any .
40. dadabe ( 26/03/2005 04:46)
cutie>kanefa siora aho fa hiafara any ihany io ,any @resaka finona,
ary misy siantifika b kay ato zany le
sonwin>de ahoan lety ireo demonstration b reo ?mety ho lasa einstein ihany ny gasy raha izao no mitohy kle :}
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1937