diska gaoka(Tantely missy fika milay)

1. jabah ( 03/03/2005 20:25)
O ry reto a!
Iza no mbola sa hijabaka ka hifanakalo rora @ Tantely missy???????????
Milay be zao ny mifanena @ iny eny an-dalana e!!
Ny ahy reto ny tiko kaozina de zao a:IZY ALO NO TRATRA FA MBOLA HISY KOA HAFA SADY TENA V.I.P(OLO-MALAZA MIHITSY.
Mivavaka ho an'ny sipa malagasy za mba tsy kameraevana otrireny intsony,fa amizao fotsiny
INDRISY!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
novalian'i falygerd ny 16/06/2005 06:32
2. lo ( 04/03/2005 03:48)
Marina we tratra izy alou e. Fa na tena we nanaiky izy we kameraavana araky ny voalazanao d nisy fanararaotana iany tao hamotika ny réputation an'le ol. Tsy hitsara na iza na iza za fa manontany iany we iza marina no tena nanao ny tsy nety : ilay ninia nanaparitaka zavatra toy ireny sa ilay tratra sary teo izay mety tsy nahalala we hiely b otr'reny le izy? :evil: :evil:
3. xxx ( 04/03/2005 04:10)
ary iza no mbola sahy hanao comcours miss?
4. hery ( 04/03/2005 07:08)
Fa ahoana? te hanimba fiainan'olona vaovao hafa indray angaha i xxx?
5. naritsimba ( 04/03/2005 08:07)
Anatra ho an'ny Malagasy rehetra iny nahazo an'i Tantely iny.
Maninona raha mijanona @ zao sa raha tsy nanao miss tsy hita hoe Manja?

Miss = kolotsaina vahiny fa ny an'i Malagasy Fampitaha no atao.
6. naritsimba ( 04/03/2005 08:10)
Anatra ho an'ny Malagasy rehetra iny nahazo an'i Tantely iny.
Maninona raha mijanona @ zao sa raha tsy nanao miss tsy hita hoe Manja?

Miss = kolotsaina vahiny fa ny an'i Malagasy Fampitaha no atao.
7. hery ( 04/03/2005 08:32)
fa rehefa hoe fampitahana izany no atao anarany dia hoe lasa gasy ilay izy... ny miss ange anarana fa ny fotokevitra dia ilay fampitahana fony fahagola ihany e.

ohatran'ny hoe Pataloha sy Salaka ihany io :-) ny an'ny Gasy tokoa salaka no nataony.
8. fodykely ( 04/03/2005 10:27)
:D zao ni azo hamitinana azi é ... iza moa no tsi manao ireni na gasi na tsi gasi ...ilai toetsaina no tokoni hamafisina fa na ni "fahamasinana" lazaina lava io aza ...mba hitanareo ve fa t@ gazeti nisi mintsi oé,"patron d'1 grand organisme à la vice-primature acteur de film porno",ka inona no ilazana zavatra ratsi momba an'i tanteli ...efa betsaka koa ni gasi manao ireni film ireni ka dia hamafiso ni saina ri zareo a ...aleo sami hametraka ni tenani @ toerana tokoni hisi azi avi ni tsi1_1 é
:)
9. naritsimba ( 04/03/2005 11:24)
Ny fampitaha taloha tsy nanao maillot de bain, tsy nanao string, fa miakanjo ara-dalana.

Ankehitriny ny miss dia ny miboridana sisa tsy ataony.
10. chipie1 ( 04/03/2005 11:33)
naritsimba> izay zany ny fomba fahitany i naritsimba ny miss. ^:^
11. watafon ( 04/03/2005 12:07)
ny mahavariana ange d le maha miss azy no voatsikera eto e fa tsy ny maha malagasy azy ! ny marina d efa miezaka mafy isika malagasy hanakatra ny fanaon'ny vahiny ! :-P
12. kinaoly ( 04/03/2005 13:52)
naritsimba> ngô de mbola adino any amtaonjato faha-19 aza ingahy. rehefa tsara ny zavaboaharin'Andriamanitra dia natao hojerena na string na maillot de bain no anaovany -(le miss no resahako), tafiditra anati'ny fivoaran'ny fomba fitafy izany, maninn enao no mampiasa internet aza nefa voalaza fa manala ny mahaolombelona (deshumanisation de l'amitié) eo amny mahampinana itony fomba fifandraisana intony ? -tsy manakana ny fisin'ny fefy anefa izany : tsy miboridana etc...
matoa enao manao zavatra anankiray dia mitady reconnaissance fona (ohatra enao mitarika fikambanana) ny reconnaissance voalaza eto tsy we akory fisaorana fa tinao fotsiny we hita ny zavatra ataonao.
13. dadabe ( 05/03/2005 07:35)
ary zah zany tsy kopy resaka mihitsy kle ,fa i tantely ve zany miss nanao porno ee?? sa diso aho?zah sady tsy any dago no tsy any frantsa de tsy kopy mitsy klee :( :( :( :( :( :( :( :( :( :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry:
14. andmia ( 05/03/2005 12:22)
aza ataonareo an'izany kosa ranga ny olomangantsika a sendra tsy nampoizina izy e voafitaka ra ny marina iza moa no tanora ankehitriny no tsy manao toyi reny fa sendra ny oul mpamadika izy ka tsy ifanomezantsiny izany, ra ny fantatro alo de tsy natao haparitaka iny film iny fa mba oe souvenir n'izy mitsam fotsiny e nefa na izany aza misy defo an'i tantely iany tao anatiny tsy misy ifanomezantsiny izany e :D
15. kinaoly ( 05/03/2005 15:36)
andmia> marina zany :lol:
de ho fahadison'ny string sy maillot de bain dôly ve ry naritsimba ny fahavoazan'izao tontolo izao =))
16. xxx ( 07/03/2005 08:37)
inona no maharatsy ny resaka miss ? tsy misy, karazana kilalao ireny. Isika malagasy anie tsy voatery hanaraka ny fanaon'ny firenena hafa e raha ny resaka akanjo.ny zavatra tsapako dia rehefa malaza na fantandaza ny gasy iray dia àsa na fialonana fa raha vao mahita tsikera na falemena amin'io olona io dia ohatran'ny faly ery ny olona. Hay hono i anona "be zesita" (na dia tsy be zesita akory ilay olona) dia ohatran'izao ohatran'izao, ka i ranona mandoko volo hono, din, kay hono i anona zao sy zao. I Tantely izao satria victime dia na manana ny rariny na tsy manana na victime na tsy victime na inona na inona dia tsy mba hoe mitretra azy fa dia hoe , "tsara ho azy , angaha rehefa manja dia zao sy izao ". Fialonana ve sa inn e ?
17. jonah ( 07/03/2005 10:28)
Tsy film mitsy anie iny fa sary ohatran'ny nalaina fotsiny, fa ny mahagaga de nn hoe; mbola sipa fa tsy vady de avela haka sary sy hanao ireny; ny mpivady be de be no manao ireny f'aza misy mandainga izany.
Raha ho an'ny mpivady de tsara ireny ; ankoatr'izay de aotra........ :oops:
18. mandrindra ( 07/03/2005 15:53)
Mahavariana mihitsy ny fitsikerana ataon'ny daholobe amin'io film io, nahoana no tonga dia aratsiana fotsiny izao ilay sipa. Angaha raha filmer-na dia fahotana mahafaty? Ny mason'ny mpijery no hitako fa mandika vilana. Iza amin'ny lehilahy no mbola tsy nipipi teny amoron'ny arabe. Izany hoe eny hitampoko hitampirenena eny dia mamoaka ny mahalehilahy azy, teren'ny zavamisy tsinona ka. Koa ilay sipa ve raha mba nofilmerny ny reviny dia ahoana.
Dia izao ilay fanontanian' i jabah hoe :"Iza no mbola sa hijabaka ka hifanakalo rora @ Tantely missy???????????" nefa firy amin'ny kofa no manao hoe raha izaho no teo an, dia raha misabaka aminao izany i Tantely ry jabah dia hialanao?
Aza mifanakiana amin'izany fa samy tia an'io daholo na fahagola na ankehitriny.
19. ravatorano ( 08/03/2005 09:46)
mandrindra>ekeko ilay we samy tian io dhl fa ianao v raha efa hitanao zao fa rano maloto d mbola hisotro ianao ? Amiko efa maloto iny na aoana na aoana ka tsy afaka hijabaka amin iny aho na hisabaka eo anoloako aza iny mbola bobaka b koa ny mahavoa noho izy ary mbola milay b noho izy aza.
Tsy we tsy fitiavana aza fa ilay toetsaiana nentina nanaovana ilay fihetsika mihitsy no manorisory ka na nanao valifaty aza le kofa nanaparitaka an iny film iny d izao tsarovy fa nanaiky ho filmena izy ary rehefa film izay d natao ho jerena ka tsy maintsy nisy ary hisy foana ny fivoahan izay film izay
20. naritsimba ( 08/03/2005 10:22)
ravatorano> marina ny teninao aleo hiditra zay te-hiditra eee!
raha izaho manokana aloha de tsy hiditra.

kinaoly> Maninona no mitranga ny fanolanana ankehitriny ary tena feno ny tanana satria vokatry ny zava-baovao na koa ny fitafy vaovao izay mampiseho sy manaitaitra ny lehilahy(string) matoa i Eva nahalala nanjaitra ravin'aviavy izay nataony ho fanakonana ny maha vehivavy azy dia natao hafenina io zavatra io fa tsy natao ho hitam-bahoaka. Tsy sanatria milaza hoe miverena any @ taonjato maro lasa fa mba fantaro tsara aloha ny maha ianao anao.
"Maninona any Frantsa izao dia bedy ny zazavavy mitondra string any an-tsekoly?"

xxx> tsy sanatria mialona azy akory fa araka ilay voalazan'i dia betsaka ny tsara noho iny ary ny tsara tsy mila manao miss vao hitan'ny olona hoe tsara fa dia tsara amin'izao. Amiko ny miss dia fampisehoana hoe zany zay raha milay ka ahoana nareo amiko, izany hoe: fivarotan-tena @ fomba mihaja. Ary nataon'ny vazaha ho entina hanimbana ny maha ianao anao io fomba iray io.

Raha ny fipipizana eny @ arabe na vodihazo na lahy na vavy tsy misy olana izany fa samy manafina ny azy sa i rehefa sendra mipipy eny am-bodihazo na amoron-dalana dia aseho vahoaka ilay balita kely fa tsy mba afenina? Raha nieritreritra i Tantely fa tsy hanambady ilay bandy maninona no nanaiky nalaina sary? ary samy hita daholo ny endrik'izy roa @ ilay Film fa maninn ary tsy mba haratsian'ise ilay bandy hoe iza no sipa mbola hiaraka amin'iny fa efa nanao an'izao sy izao iny sy Tantely? Mba alefaso lavitra ny saina sy ny eritreritra ry

Izay fa dia mazotoa indray ô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2862