ahoana no hamohanana ny piratazy ?

1. ravatorano ( 29/01/2004 17:42)
Betsaka ny K7 piraty taloha fa izao efa ny CD indray izao no misy mamokatra ary misy tena milay ah !
Lé tompon'ny sangan'asa mbola tsy mahavokatra an'ilay izy ry zalà efa mamoaka ary ry lerony iany no manome ny lohatenin'ilay CD ah.
Enjehina ny eny Anlakely eny,Kotranina ny eny Isotry tsaralalana sns nefa dia mbola mahita foana ianao raha mitady.
Ka inn ary no fomba hamohanan an'izy ireny.
Voalohany aloha lé CD original dia tsy ho takatry ny olona mihitsy satria ny mora indrindra no 90 milles ary misy 150 mille mitsiny azany.Ny karama farany ambany indrindra eto amitsika nefa dia manakaiky an'izany.Ny CD piraty 15 à 25 mille raha lafo indrindra.
Io no hitako tena olana lehibe tokoa amin'ny piratazy.Ny K7 zao efa 17500 fmg koa.Asa aloha fa lafo iany izany.Marina fa mila vola be laniana koa vao mahavoaka ireny kapila manjelatra(KM) ireny ary izany no mahalafo anazy.Raha 17 euro no vidin'ny KM navoakan'i Poopy farany any Frantsa any dia hitanao fa hitontona amin'ilay oalazako ery ambony ny ho vidiny aty Gasikara ka ho vitsy no hahazo an'izany.
Faharoa ao indray ireo zay tena minia manao fiidirambola ho an'ny tenany anokana amin'ny hatsembohan'ny artista maagasy ka tsy miraharaha izay drouà d' ôtera any izy.
2. donemaskit ( 29/01/2004 13:06)
Tena olana lehibe tokoa io ho an'ny mpanakantontsika, ny k7 aza tsy dia maninona loatra satria raha cpoier-na lava dia mihasimba ; fa ny CD no tena mampalahelo satria lafo dia lafo tokoa ny fanaovna azy ireny, nefa azo copier-na araka izay tiana, graver-na CD pirates na K7 !
Mba hanoherana an'izany dia zao no lazaiko : izay tratra mivarotra na mivody azy ireny dia asaina mandoha dina 50 000/k7 sy 100 000/cd... Mba hahatratrarana azy nefa dia mila manorona brigade spéciale mihitsy (tsy haiko raha efa misy).
Marina fa mahantra ny olona fa na izany aza fangalàrana ilay izy.
3. fijo ( 30/01/2004 20:36)
(mivody) ahoana radone.ih,ih,ih.blagy fa efa azoko e.
marina io lazain'ialahy io"brigade speciale"fa ny artista no tokony miantoka betsaka ny famatsiana io brigade io.
4. ravatorano ( 30/01/2004 09:04)
lay brigady né ka misy ary efa manao ny fanenjehana rehetra zao.Tsisy mpivarotra CD piraty tsony eny Analakely sy ny toerana fivarotana izany saingy izao tsy mihoatra ny iray volan dé zay.Mijanona indray... dé mirongatra ilay ilay piraty dé zany foana v no iainan'ireo mpanakanto.
Zao koa ireo olona mpanao "ny copies sy piratage "anieka misy mivarotra miditra antrano mihitsy é.Mitety tanana , mitety trano , mody mivarotra lé tena izy ry zalà nefa ao anatin'ny sakôssiny ao efa feno an'ilay piraty sady ataony hoe" ity razoky mora nefa mitovy ihany ah ny fonony no samy hafa fa andao anie handramana ao aminao.Dé roboka ianao ary jerena tena mivoaka tsara tokoa dé mividy zara aza nahita mora.
Momba an'ilay hoe asiana ny dina sarotra be satria efa betsaka koa ny manana graveur ary misy aza ny sasany manao plisipisy mividy anakiray jojakabe de avieo manao gravage dé smby manana.
sady tsary ho hitanao izy any atranony any raha tsy efa misy dex be , asa izay ataon'ny C.I.S solon'ny dgidie ity raha hahavoa na ahankory.
5. kally ( 31/01/2004 10:48)
Io olana be foana ,tsy eto amintsika irery:jereo mimenomenona ry zareo vahiny @ fangalarana hira avy @ internet.Miezaka mamolavola lalàna sy ny sisa.Maninona raha ampidinina anefa ny vidin'ny CD e?Isika gasy ekeko hoe sarotra amintsika izany satria mindrana ny fitaovan'ny vahiny.Fa ataovy anie ny kajy tsotsotra ho an'ny vahiny e:cd vierge ohatrinona?Nahoana ny mpankanto vahiny miaina ohatry ny mpanjaka,mividy akanjo-na ohatrinona,be dia be ny tombony azony amin'izany cd 20euro izany.Izany hoe misy fomba ao izany ahafahana mampihena ny vidiny.Ny antsika gasy moa averiko ihany fa tsy dia afa-manoatra satria fitaovana vahiny matetika no ampiasaina ka ho aiza moa?
6. ngou ( 21/02/2004 19:36)
olana era-tany io! tsy ho foana ny fanaovana piraty fa ny manena azy angamba no azo atao! ohatra ny fanazaziana antrano maizina ho an'izay tratra!!
7. jhouhlambout ( 13/03/2004 20:23)
Fa nareo mbola tsisy nanadinika ny lafin-tsaran'ny piratazy vé é?
8. felicia ( 09/05/2005 20:23)
jhouhlambout:

Fa nareo mbola tsisy nanadinika ny lafin-tsaran'ny piratazy vé é?



ts'isy maha-tsara an'ilay piratazy mihitsy,voalohany indrindra tsisy fanajana an'ny mpanoratra,ny halafon'ny vidin'ny famoahana disque...sns...izany hoe isika rehefa mividy piraty dia tsy manome possibilité hanome asa ny artiste,na ny ho avin'ny nouveau talent aza tsy misy satria sarotra ny miaina @ fanaovana mozika...marina hoe aiza no ahitana 25euro chaques fois hoe te hanana hira,lafo loatra!ho an-tsika mpihaino dia soulagement ilay izy fa ho an'ny artiste tena olana be mihitsy,donc tsy hitako hoe inona no mahatsara azy raha nampianarina an-tsika ny respect anefa dans ce cas tena tsy manaja ny asan'ny hafa isika.
9. iartistika ( 15/05/2005 14:18)
felicia> misy artista gasy maro manomé alalana hanao an'io piratage io,,fa mifanamboatra any ambadika any ry zalahy!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3029