ny vola sy ny fitiavana

1. ltobyh ( 23/01/2004 11:23)
nisy tovovavy iray izay sady tsara tarehy no tsara bika, dia mba tafadinidinika teny ambony taxy brousse t'@iny làlana mankany diego iny de hoy izy ny ahy hoy izy vola aloha vao fitiavana sady lainga izany vehivavy tsy mijery vola izany vao mijery fitiavana
ahoana indray io?
novalian'i fijo ny 12/02/2004 11:01
2. rinakely1 ( 23/01/2004 12:04)
za tsy mijery zé volanao any fa rah tia ahy enao d zay ihany e!
izy zany no tia vola-ko!
3. kally ( 23/01/2004 17:29)
Ka izy tsy niaina izay fitiavana ka aiza no hahalalany hoe misy izany fitiavana tsy mila vola izany?
4. pitchou ( 24/01/2004 19:29)
ka sarimbavy izany ilay nampiresahanao!
5. lema ( 25/01/2004 16:31)
marina nénazy ra tena alalinina fa zay daholo ny antsika rehetra vola alou zay vo fitiavana
6. samoina ( 25/01/2004 17:24)
Tsy misy tsy maniry fitiavana arahim-bola saingy na tsy be vola an-tanana aza tsy olana satria ny fitiavana no ambony indrindra.
ny tena mifankatia tsy mifanary tsy very mandeha mandrakizay. Izay no antony hanaovana fianihanana eny @ alitara " na @ soa na marary na farofy,na mahantra na ngetroka" dia faty no isarahana rehefa samy tia
7. kally ( 26/01/2004 09:49)
lema>matoky an'izany lazainao izany ve ianao?

Marina mihitsy izany lazain'i Samoina izany,raha olona tena tia lasa foana izao e!eny an-dalana mitady vola.
8. ikaretsaka ( 26/01/2004 10:52)
mlahatra letsy izy io an... Vola .vehivavy . Voninahitra
9. pitchou ( 26/01/2004 19:23)
hay v ny an'i karetsaka ao anaty filaharana ny vehivavy e! d aiza ho aiza ny Vady (fitiavana no tiako lazaina fa sarotra ny mitady ilay V)
10. samoina ( 26/01/2004 09:01)
Ny voninahitra izany amiko tsy fikaroka r'Ikaretsaka fa tonga ho azy rehefa mendrika izany ny tena a ! Tolotra fa tsy Tinady
11. lema ( 26/01/2004 11:28)
théorie daholo zany ary fa vola no ozatrin'ny fiainana.ohatra ny bachelor olona tsy nifankalala nefa miady lehilahy manambola dé aiza lé fitiavana @ zany tsy lé vola vé alou no alou
12. lema ( 26/01/2004 11:30)
tsy fantatrao ve lé ohabolana manao hoe "fa ny vola no lehibe indrindra"
13. samoina ( 26/01/2004 13:22)
mahasoava e !
14. fijo ( 27/01/2004 09:42)
izao no tokony hamaliana azy;mametraha fanontaniana aloha hoe
mianatra be aho aninona?hitady vola
rehefa manambola aho dia ahoana?hitady vady
ary rehefa manambola sy manambady aho dia ahoana?misy voninahitra
tsy misy zaza hoe mianatra ka tsy te hanankarena;
TSY MISY MANAKARENA TSY TE AHAZO VADY TSARA
15. samoina ( 27/01/2004 18:15)
mianatra be aho haninona ? ahazo fahalalàna
vita fianarana aho haninona? hitady vady hiadanana
ary raha tsy mbola manambola aho dia ahoana ? tsy maninona fa ny vola fitady ary tsy manakana ny fitiavako
Ary ny voninahitro ? tsy ny fananako vady sy vola no azahoako voninahitra. Tsy hay na sendra vola tsy mazava na vady adala !
Na manankarena na tsia samy te ahazo vady tsara avokoa
16. pitchou ( 27/01/2004 13:48)
asakasak'izay mitady vady "ratsy" aloha e! fa inona koa aloha no ataonareo hoe "vady tsara"?
17. samoina ( 27/01/2004 15:19)
vady tsara= vady mifanentana @ safidy ary tiana !
18. fijo ( 28/01/2004 09:57)
ary ilay hoe:"ny vola no maha rangahy"io hatramin'izay dia efa hita taratra,fa resaka fotsiny izany hoe mahantra be voninahitra izany.jereo ny zavamisy hiainana.
19. donemaskit ( 28/01/2004 10:43)
raha zay nge dia 80%-n'ny lehilahy gasy zany sarim-bavy koa ! satria tsy manam-bola!
20. fijo ( 28/01/2004 16:55)
zava misy izany ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.185