ny vola sy ny fitiavana

21. samoina ( 28/01/2004 19:21)
Vola kely azo t@ hatsembohana dia efa maha-Rangahy sy maha te hidera.
Raha vola BE azo tamin'ny fanambakana , fitapitaka, fangalarana, fametsifetsena, tsolotra = tsy mendrika ny maha-rangahy
Dia mba valian'i fijo ary hoe firy isanjaton-tsika vahoaka malagasy no azo atao hoe"Rangahy" satria manana vola BE valinkatsembohana marina?
Dia ny ambiny mitsilopilopy izany tsy misy afaka homem-boninahitra ?
22. pitchou ( 28/01/2004 09:55)
d hitaky ny hatsembony atao solon-drosia izany aloha!
23. fijo ( 29/01/2004 09:19)
tadidio aloha fa raha manao afera dia mila hafetsena.nefa vola madio no hazo avy eo.(ny tsolotra )kosa aloha dia tsy izaho mihintsy no hanaiky an'izany.
raha tsy fetsy tsy velona.
samoina>mba valio koa ary ity.maninona ny ankamaroan'ny gasy no milefaka raha vao mahita vazaha sy karana?
24. samoina ( 29/01/2004 19:12)
resaka komplexe sy hakanosana io ry fijo a ! misy ny miteny hoe fanajana vahiny fa tsy mino izany aho.
Adihevitra lava iarahako atao @ gasy miray monina amiko mandavan-taona io.Ny tenako mantsy mpanaja olona, na gasy io na vazà rehefa tsy misy mifametsifetsy.Olona tsy manaiky lembenana aho ary romotra mihintsy amin-dry zalahy manao "OUI PATRÔ" foana raha vazà no mampiasa anefa raha vao mba gasy mitovy @ tena tonga dia sahy anaovan-drizalahy be loha no sady kritiké-na sy enjehina mafy ! Izay no hilazako hoe complexe satria aleon'ny sasany manompo ny hafa toy izay hampisondrotra ny an'ny tena. Mampalahelo !
25. fijo ( 30/01/2004 20:17)
marina,ary tena momba ano tanteraka aho.saingy matoa ny sasany marobe manao an'io dia nohon'ny vola.
26. samoina ( 30/01/2004 10:38)
ankehitriny aza, aleon'ny sasany "very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola !" .
27. lema ( 31/01/2004 15:38)
néna lou vola ihany e!no ozatry ny fiainana
28. fijo ( 03/02/2004 09:19)
samoina>marina anie ilay hevitrao e,fa ny fiaraha monina koa miova.efa ny vola izao no mitondra ny rehetra.
29. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:29)
vola no hozatry ny fiainana... fakafakao ilay hozatra!
30. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:31)
vola no hozatry ny fiainana... fakafakao ilay hozatra!
31. samoina ( 03/02/2004 13:17)
Dia aza gaga intsony raha miha-lo ny fiainantsika satria hanjakan'ny vola. Izay no mahatonga ny fiarahamonina samy maka ho azy sy mifandramatra mihintsy aza satria tsy manjaka intsony ny fihavanana !
32. fijo ( 04/02/2004 20:24)
indrisy fa marina izany.
33. rinakely1 ( 11/02/2004 13:08)
rah tsy vola d fampirafesana aiza@ ity tany ty ary no tsy handrenesana zvtra toa tony ntsony e!???,,!!!!!
,,,,
34. fijo ( 12/02/2004 11:01)
ao ananonanona ao ka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2327