Inn no atao mba tsy hijanona any andafy ny manapahaizana Malagasy( hanatsara ny toekarena)

1. jhouhlambout ( 15/01/2004 10:06)
Tokony ho dinihina lalina izany
novalian'i kitjo ny 29/02/2004 10:28
2. hery ( 15/01/2004 10:16)
Toa efa misy dinika lavalava momba an'io ao amin'ny

http://forum.serasera.org/?rub=viewthread&msgid=m3fde6bd6dbbb5
3. xxx ( 17/01/2004 10:42)
Izaho aloha tsy tamana aty an-dafy aty saingy inona moa no mba azo atao any Dago ka ahafahana mivelona tsara,mba toroy hevitra.Ny manapahaizana any tsy consideré ka izay no tena mampalahelo,ny karama kely no tiako lazaina amin'io.
4. kally ( 24/01/2004 09:14)
Inona moa fa aleo izay any ho any aloha fa ny tanàna amboarina tsara e!, dia ataovy izay ahhatamàna ny mpampiasa vola hihodinan'ny toekarena,mody ho azy izay te-hody.
5. hery ( 25/01/2004 10:15)
Dé aza mifampiantsoantso fa manjary mampitombo alahelo :-o
6. samoina ( 25/01/2004 17:47)
Rehefa manampahaizana na avy Andafy na avy Gasikara hilaina avokoa ary arahabaina avokoa. Saingy tsy dia hitako loatra araka ny voalazan'i X...ny mahamaika ny hiantsoana azy ireo.Tokony hamporisihina fotsiny ireo tsara asa sy karama any ivelany mba hanondrana devise matetika ho an'i Gasikara fa izany aza no hitako fanampiana mivantana azony atao aloha.Sady mampidi-bola ny tanindrazana no sady investissement ho an'ny tenany koa angamba .
7. 2689 ( 01/02/2004 10:25)
Izaho aloha tsy hoe manam-pahaizana kanefa mba manana ny teny kely tiako holazaina aho : Ny eto Dago dia tsy manaja velively ny manam-pahaizany. Izaho aty dia kely karama sady miasa mafy fa aleoko aloha eto ihany no miaritra e! Mahita ny vetson' ireo mipetraka aty am-pita aho dia mahatsapa fa mamy ny tanindrazana. Dia izay no maha-tamàna ahy eto. Fa raha hoe zavatra hanambazana ny manam-pahaizana, angamba tsy hisy loatra afaka omena azy ireo eto! Tsy ny manam-pahaizana no tokony hiandry zavatra avy amin' i Dago fa i Dago no mila ny manam-pahaizany. Dia izay mahatsapa fa tia an' i Dago mba manao izay hanasoavany azy amin' izay fomba azony atao, any amin' izay toerana misy azy dia izay.
Ohatra izao i Eugène Heriniaina, manao ity sehatra ity hifaneraserantsika, fitiavan-tanindrazana ngezabe izay. Dia izahay mankasitraka ... :)
8. kally ( 01/02/2004 17:24)
Eo koa ireo manam-pahaizana mbola manohy mikaroka nefa eto tsy mbola afaka manao inona loatra ny mpikaroka ka aleo izy aloha ho any.Misy ny manao zavatra fa tsy voatery ho hitanao mivoaka gazety na ahoana akory ny anaran'izy ireny.
9. tianjon ( 04/02/2004 17:01)
Misy vola aloha ny any an-dafy e. Indrindra raha tena amin'ny fahaizana ananany no iasan'ilay olona. Na tsy mbola ampiasainy aza ny fahaizany any ampita any dia efa be vola lavitra izy raha oharina amin'ny raisin'ny malagasy aty an-tanindrazana. Dia mifamadika amin'izay, raha aty izy no mampiaa ny fahaizany izany, dia mieritreritra izy fa tsy hahazo vola sahala amin'ny raisiny any ivelany.
Ny marina dia tsy sahy miverina ny olona nandrato fahaizana any ampita, nefa vitsy amin'izy ireny koa no tena mahita irika amin'ny sampana nofidiny any. Amiko dia tsy mahaleo ny eto an-toerana ny any ampita. Maro amin'ny tanora malagasy tsy mbola tany andafy no mahatafavoaka baolina. Ny tokony ho izy dia atao fandratoana traikefa ny any andafy dia aty an-toerana mampifandraika azy amin'ny zava-misy sy mitondra fanavaozana.
Ny mahavoa an-dry zareo manampahaizana malagasy any andafy any manko dia ny manao tsinotsinona an-dry zareo ao "Dago" satria tsy misy fanafany hono ny fahantrana ao.
Ka ho anareo izay mitovy eritreritra amiko dia avelao izay tsy te hiverina ho any, tsy misy hafa tsy tohin'ny fanompoana vazaha tsy vita tamin'ny 1947 ny adiny any. Be tokoa ny vola miditra aminy raha ny antontany ny jerena, fa be koa ny mivoaka aminy noho ny vidim-piainana, hetra sy ny isan-karazany.
Hatsarao ny eto an-toerana, fa mbola malalaka i gasikara, amin'ny lafiny rehetra.
Izay sahy manaraha
10. kally ( 04/02/2004 14:01)
Manohana tanteraka ny hevitr'i Tianjon
11. fijo ( 06/02/2004 16:42)
ndao hody ry kally a.
12. kitjo ( 29/02/2004 09:46)
Marina ny hevitry Tianjon, fomba filaza matetika ny oe kely karama ao Dago, be karama ny aty ivelany fa zara raha ampy anao ray volana koa (haaf ny an'ireo manao asa tena nianarana).
Ilaina koa etsy andaniny ny "valeur" tsy resaka aramaterialy iany kory, fa ara-moraly sns, "valeurs humaines",tsy misy asa ratsy fa ra izaho aloha aleoko manao secretaire any Dago toy izay manao......aty andafy.

Matoa angamba bdb ny vazah mifandrombaka mandeha mankao Dago dia ao raha.
Fa maninona tsika no asainy mijanona miasa (mba tsy ilazana oe manompo azy) aty ivelany? tambazany karama ambony2 kely fts raha ny sandany no jerena @ ao Dago.Ataony am,bany dia ambany ny karaman mpiasa ao Dago????
Satria tsy misy ny manampahaizana manao "investissement" ao Dago, fa na manam-bola fa tsy nianatra, na manam-pahaizana fa manao lava ilay ho e"sarotra be izany kah...."

Iza ary sisa no ao?ny mpiasa zara raha nandrato fahaizana,ampitambazany karama tsy afaka miteny, ny manam-pahaizan fa manampy ny vazaha mangalatra matetika, tsy ametahany kory anefa rehefa lasa izy.

Ataoko angamba fa ao anatiny fianarana atao ny fitadiavana partenariat na findrama-bola (mety sarotra tkoa io farany io),ny miara-miasa @ vazah no tokny ataon'ny malagasy @ resaka "ressources" entina mampandeha ny asa, fa ny fahaizana sy ny fitantanana ary ny tompony dia tokony gasy,Fa tsy ny gasy no hanampy ny vazah ary hiafy ambanian'ny vazah ao Madagasikara,
Resaka toe-tsaina koa io tokony ialana le oe "bonzour m'ise" d miondrika rehefa mahita vazah satria toy ny misoratra ao anaty baiboly ho an'ny sasany ngamba n yoe ambony foana ny vazah,

Tsy ambaniny isika fa manambany tena matetika, Tsy mahantra isika fa nampahantraina ary inddray koa aza tsy te hanana.Zatra maahzo fanampiana. Zatra ny "tsy mbola maninona fa alefaso fa tsy ho hita eo ve" dia manao adaptation kely vonimaika rehefa tsy mety dia refa tsy azo arenina intsn dia vita hatreo na zavatra efa fantatra aza.
13. kitjo ( 29/02/2004 10:28)
Raha misy ny malagasy ve mirotsaka manao toy TIKO ireny, tsy voatery tonga dia oh ireny ange e, fa manomboka tsikely2, tsy maintsy misy ny olana fa mila ezaka sy herintsaina, herim-po....
Misy ny sehatra mbola malalaka be toy ny \"tourisme\" amin\'ny faritra atsinana iny ohatra, canal de pangalane, mbola tsy misy manao mihitsy,
ao ny resaka vatosoa, hazan-dranomasina,.....fa fehezin\'ny vazah tsika satria tsy te hampiasa saina ny gasy hi -exploiter anreny fa ny vazah no mibaiko azy angalany tombotsoa, fa ny gasy nefa no tokony hampitamby azy satria antsika io,fa eo ilay ilaina ny manam-pahaizana oe aona ny diplomatie sy ny deal amin izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1118