Inona marina ilay hoe "sarin'ny bibidia"?

1. ranthson ( 25/08/2015 05:54)
Efa retsika @ radio, itantsika @ internet matetika ilay hoe iza ilay bibidia? aleo tsy hiresaina tsony fa mba inona ndray ilay hoe "sarin'ny bibidia" araka ny voalazan'ny Apok 13:15 "Ary navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia"
répondu par Hajarilala7 le 02/10/2015 11:19
2. ranthson ( 25/08/2015 05:58)
Apok 14: 9-10 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ ny afo sy solifara eo anatrehan’ ny anjely masina sy eo anatrehan’ ny Zanak’ ondry izy;
Ilaina fantatra marina izany hoe inona ilay sarin'ny bibidia fa raha tsy fantatrao io dia naman'ny voafitaka ianao.
3. RBNIR ( 25/08/2015 06:25)
Araho ATO AMIN'ITY ROHY ITY ry namana
http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588
4. ranthson ( 25/08/2015 07:01)

Ny sarin'ny bibidia= ireo alahadyiste rehatra manaraka ny fombany indrindra ny loteriana
Misaotra an'i RBNIR @ireo fanazavana ireo fa oh tsy dia maharesy lahatra loatra ity fanazavana ilay sarin'ny bibidia arak ny filazanao io hoe ; alahadyiste....
Izay mihintsy no nisitonako an'ity sujet iray ity mb hanazavana azy tsara.
Ny sarin'ny bibidia dia tsy inona fa sarin'ny Masina Maria tompoko, Io sary io no entina ampiankohofana ny olona any aoriana izay tsy ho ela intsony. Raha mandinika isika dia jereo fa efa miha miparitaka eraky ny fokontany io sary vongana io. Ilay sary manao fahagagana etsy sy eroa, ary miseho amin'ny olona velona ka mitaona ny olona ivavaka aminy. omena aina io sarin'ny bibidia io arak ny voalaza @ APok 13 :15 "navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia"
5. RBNIR ( 25/08/2015 07:05)
tsy asian-tsika ady hevitra be namana....izaho rahateo mbola tsy nilaza mhitsy hoe iza ilay bibidia voalohany fa ilay bibidia faharoa no mbola nolazaiko tsara ao...
6. ranthson ( 25/08/2015 07:07)
Ny remarque hita raha mandinika isika dia i Jesosy atao zazakely trotron'i maria foana. "petit jésus", lasa mihen-danja i Jesosy eo anatrehan'i Maria. Politika daholo io fa aroso tsikelikely ilay sarin'ny bibidia mba hiankohofana aminy. io masina maria io no anisan'ny tsy eken'ny protestant ikambana amin'ny katolika, fa hanaiky izy afaka kely kely eo.
7. ranthson ( 25/08/2015 07:11)

RBNIR:

tsy asian-tsika ady hevitra be namana....izaho rahateo mbola tsy nilaza mhitsy hoe iza ilay bibidia voalohany fa ilay bibidia faharoa no mbola nolazaiko tsara ao...

tsy ady hevitra ny atao fa izay fantatra dia ambara mba hitandremantsika sy ahafantarantsika ny marina.
Apok 2:17 "zay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana . Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany."
8. Hajarilala7 ( 25/08/2015 07:30)
Ranthson mba fantatrao ve izay soratanao : "zay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany." Mba hazavao hoe ?

Inona no sarin'ny bibidia é?? LAZAO izay mba fantatrao é!
9. ranthson ( 25/08/2015 07:36)

Hajarilala7:

Ranthson mba fantatrao ve izay soratanao : "zay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany." Mba hazavao hoe ?

Inona no sarin'ny bibidia é?? LAZAO izay mba fantatrao é!

sarin'ny bibidia io voalaza eo ambony io ry Hajarilala7 sa ianao tsy namaky tsara?
10. rhaj0 ( 25/08/2015 11:12)
Aza mba ampitahorina sy fendrofendroina @ izany "bibidia" izany ny lehihbe eeee...
dia aza mba fendrofendroina @ izany "pipitia" izany koe ny ankizy :-)

Ity no sary tokony mba ankalazaina(o)..

11. ranthson ( 25/08/2015 11:51)

rhaj0:

Aza mba ampitahorina sy fendrofendroina @ izany "bibidia" izany ny lehihbe eeee...
dia aza mba fendrofendroina @ izany "pipitia" izany koe ny ankizy :-)

Ity no sary tokony mba ankalazaina(o)..

Tsy mampitahotra zan za ry rhaj0 a, on attend d ho ita eo na lainga le hambara na marina e! rehefa mipoitra ilay zavatra vo hoe iteny hoe marina ilay.... nefa oz ny TOmpo manao hoe "Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany." mat 24 :22 ka tara loatra ny fanapaha-kevitrao.
12. rhaj0 ( 25/08/2015 13:03)
ranthson:
tara loatra ny fanapaha-kevitrao.

Jereo tsara fa ianao irery dia ianao irery ihany (na ny kristiana toa anao ihany) no be resaka (famendrofendroana) fa hoe "tara".. Ny toko aman'andininy ao @ Baiboly TSY misy manabosibosika hoe "tara" dia "tara" izany...

Raha "tara" ho'a, dia izay izany no plan... koa maninona? TSY vao mainka azany ve tsy tokony hilaza ianao hoe, "bravo fa tara" fa tena araka ny plan tsara mihintsy izany ??...
13. ranthson ( 25/08/2015 13:22)

Jereo i Jodasy Iskariota, tokony ho faly ve izy fa izy ilay tao anaty plan hamadika an'i Jesosy? (vita planing ny ho very), tokony ho faly ve izy? ka aza forcena ny Tompo hiplanifier anao ho very, fa tiany ianao. ny hoe tara dia nomena fotoana ianao hiomananao alohan'ny ahafatesanao, na aloan'ny farany ... fa tsy rehefa very (any @ farihy mirehitr'afo) ny fanahinao izay ianao vo anenina sy ibebaka (izay ilay tiako tenenina hoe tara loatra). mbol ts mazava aminao iany ve?
14. rhaj0 ( 25/08/2015 15:05)
ranthson:
aza forcena ny Tompo hiplanifier

Aiza koa no hihetezan'izany resakao izany... Izay tapa-keviNY any dia tapaNY fa tsy izaho (na ianao) no mampanapa-kevitra AZY amin-javatra iray.

mety hoe "planiNY" koa anie ny "tsy hiomanako" eeee... inona ny olana(o) ?
15. Hajarilala7 ( 25/08/2015 15:59)
Ranthoson dia milaza fa i Jesosy trotron'i Maria, Maria, na Pape sns... no sarin'ny bibidia. DISO. Tsy avy amin'ny Fanahy izany fa tamin'ny "internet" daholo.

FANTARO FA:

- Ny sarin'ny bibidia dia fampianaran-diso (=demonia) rehetra. (sary=fampianarana)

- Ny miankohoka = manaiky, mankato, manaraka.
16. hery ( 25/08/2015 22:40)
fa iza izany bibidia izany e?

dia nisy naka sary ve no hoe misy sariny?
17. ranthson ( 26/08/2015 07:10)

rhaj0:

ranthson:
aza forcena ny Tompo hiplanifier

Aiza koa no hihetezan'izany resakao izany... Izay tapa-keviNY any dia tapaNY fa tsy izaho (na ianao) no mampanapa-kevitra AZY amin-javatra iray.

mety hoe "planiNY" koa anie ny "tsy hiomanako" eeee... inona ny olana(o) ?

HAHAHA tsisy olana ka
18. ranthson ( 26/08/2015 07:15)

Hajarilala7:

Ranthoson dia milaza fa i Jesosy trotron'i Maria, Maria, na Pape sns... no sarin'ny bibidia. DISO. Tsy avy amin'ny Fanahy izany fa tamin'ny "internet" daholo.

FANTARO FA:

- Ny sarin'ny bibidia dia fampianaran-diso (=demonia) rehetra. (sary=fampianarana)

- Ny miankohoka = manaiky, mankato, manaraka.

Sura amin'izany ve enao ry Hajarilala7? ho itantsika eo izany. izaho sy ny fiangonana hivavako r'ise tsy mande @ fahalalana izany a, @ internet no anarahana vaovao fotsiny fa ny tolo-tsaina dia avy @ Fanahy Masina. Samia mijery dia manaraha vaovao isika rehetra fa marina io. tsy tamin'ny alalan'ny internet io.
19. Fiffi ( 26/08/2015 08:23)

ranthson:

fa ny tolo-tsaina dia avy @ Fanahy Masina. Samia mijery dia manaraha vaovao isika rehetra fa marina io.

ka inn no hidiran'zany bibi-dia am Fanahy Masina eto ?

avoay ny sary eh ! bibi-dia ahahaha ozy lé hira zay....
20. bor2lais ( 26/08/2015 08:38)
Taitra daholo ny bibidia(n'ny sasany) ato izany ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1723