SAFIDI-NAO ny Finoanao
1. rhaj0
(
18/03/2015 12:53)
Raha mbola eo am-pinonoana ny zaza, dia izay Finoan'ny r-a-d sy ny fiaraha-moniny ao no "ampinoana" azy ao. Rahefa mihalehibe kosany izy, rahefa vory saina iny, ka mahazo ny fahalalana sy fahalalahana ny hisafidy ny lalana ho diaviny, dia ... tena MISAFIDY tokoany izy, na hijanona ka hitazona izay "nampinoana" azy tao, na ... mita rano.
Ka dia io no lazaiko hoe, dia tena "SAFIDI-NAO ny Finoanao" : safidinao, eny, ianao, ny "hino", "hanaiky-tsisy-adi-hevitra", ilay firehana/fivavahana iray sy ny kortezy miaraka aminy.
Asa aloha hatreto raha miombo-kevitra amiko ianao.. rahefa mijery ny tenanao sy izay "finoana" ao aminao ao.

répondu par rhaj0 le 24/03/2015 13:03
2. fidinirina
(
18/03/2015 13:07)
[color=white}.
.[/color]
Ekena, safidy tokoa.
Fa ny indro kely (raha fivavahana ny resaka) dia ny fiheverana ireo nahitana masoandro ho olona [size=6] vendrana sy adala [/size] nitondra ny zanany t@ lalana tsara izay heveriny hahasoa azy. Tsy toy ny fanaovana tsinontsinona tokoa va ?
Ohabolana 22:6
Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
Salamo 111:10
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany [Heb. ireo] ; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

3. rhaj0
(
18/03/2015 13:30)
fidinirina:
Ekena, safidy tokoa.
misaotra eee..
Ka manaiky ve ianao k'lou fa misy SAFIDY maro no atrehina eto :
- ao ny safidy Kristianisma
- ao ny Boudisma
- ao ny Moslimo
- ao ny nentin-drazana
- ao ny Atheist
- etsetra...
4. fidinirina
(
18/03/2015 13:42)
.
.
Manaiky ka ; fa iray ihany oa ny làlana.
Jaona 14:6
Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.
FANTATRO IZAY INOAKO : JESOA KRISTY no FOTOTRA
Ny kristianisma = Fitiavana

5. rhaj0
(
18/03/2015 13:52)
fidinirina:
Manaiky ka ; fa iray ihany oa ny làlana.
Ny ho aleha angaha, ary io azany mbola arakaraky ny safidinao koa, fa ny làlana aloha dia TENA samy hafa.
Io ho'a arak'ilay resak'ilay Hindu nony nihaona ny Kristiana sy Moslimo ary Hindo sy Boudista. Hozy ilay Hindu ho'a hoe, misy làlana samy hafa ny mitondra mankany Everest (sa Kilimanjaro izy teo). Ary niteny an'ilay Kristiana izy hoe: avelao izahay hizohy ny làlanay, na dia heverinao ho diso azany izany.
izany hoe, mba hajao ny safidin'ny hafa.. (fa tsy hoe ny safidinao Kristiana ihany no izy)
6. rhaj0
(
18/03/2015 13:57)
fidinirina:
.. (raha fivavahana ny resaka) dia ny fiheverana ireo nahitana masoandro
Ka ahoana azany ny finoan'ny Razambenao ry Fidinirina a...
Jereo ireo resak'i Flacourt noresahina teo ireo.
7. fidinirina
(
18/03/2015 14:02)
.
.
Oadray kosa, moa tsy ianareo mihitsy no fatra-panenjika ny kristianisma? (boky taloha...)
Salamo 1 : 6
Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
.
rhaj0:
mba hajao ny safidin'ny hafa.. (fa tsy hoe ny safidinao Kristiana ihany no izy)
Oadray kosa, moa tsy ianareo mihitsy no fatra-panenjika ny kristianisma? (boky taloha...)
Salamo 1 : 6
Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
8. rhaj0
(
18/03/2015 14:32)
fidinirina:
ianareo mihitsy no fatra-panenjika ny kristianisma? (boky taloha...)
Io ilay hoe ny baiboly no anamarinanao ny baiboly.
Ilay Hindu etsy ambony aloha tsy nahalala ny Kristiana sy ny Kristianisma akoriny e..
Fa ilay "fatra-panenjika" lazain'ny Kristiana foana io koa ve tsy, sanatriavin'ny vava, mirona amina "folie a la persecution" e? Ny tany @ boky taloha no nisy an'izany dia mbola transposer-na izao ihany... iza no "manenjika" anao ao izao ry Fidinirina?
9. rhaj0
(
18/03/2015 14:44)
Ka rahefa NISAFIDY ianao izany fa hijanona @ Kristianisma, satria izay no nampinoan'ny r-a-d-nao tao, dia "mino" aho fa
1- "conscient" tsara ny safidinao ianao; takatrao tsara fa TSY mitovy @ safidin'ny hafa ny anao ao
2- ary koa, anao (irery) sy ny mitovy safidy aminao ao izay "inoanao" ao izao.
1- "conscient" tsara ny safidinao ianao; takatrao tsara fa TSY mitovy @ safidin'ny hafa ny anao ao
2- ary koa, anao (irery) sy ny mitovy safidy aminao ao izay "inoanao" ao izao.
10. endriny
(
18/03/2015 14:54)
Io aloha ry namana tsy nisy nisafidy ny ho Silamo izany na Kristianiana izany, fa ny fiaraha-monina nanomboka tao an-trano no namolavola sy nandrafitra (nanery) antsika hino izay finoantsika ... efa tara loatra aty aoriana vao hoe andeha hifindra Jesosy Mamonjy aho fa ny sipako Katolika....
Ampangotsohan'ny olona mandray komio aho hoe: "Izay ka zavatra tsara, mandray ny vatan'i Kristy, ilay zanak'Atra"... Dia iny koa roboka nianatra Katesizy...
Fa mba saino hoe misy olona miteny anao hoe: "Izay ka tsara, nihinana ny fen'i Mampihesona aho"... angamba hoy isika hoe: .....

11. rhaj0
(
18/03/2015 15:58)
Arak'ilay resaka t@ nihaona Kristiana/Moslimo/Hindu/Boudista... dia hoe, raha teraka tany, asa ohatra hoe Mongolie, anie ianao nety lasa bodista-sambatra-kely e... Fa io t@ mbola ninono ianao ho'a dia izay no nampinoana anao.
Fa marina ny an'i Endriny. Rahefa lehibe dia MISAFIDY @ izay. Ohatra koa izao ireo mpihavy marobe aty Kanada, ka dia samy manana ny "nampinoana" azy tany @ niaviany tany, Kristiana/Moslimo/Hindu/Boudista... etsetra. Dia rahefa mifanaretsaka eo, dia hita mihintsy fa dia ... MISAFIDY ireo olona, indrindra moa ireo zanany 2eme generation.

12. rhaj0
(
18/03/2015 16:57)
Dia raha tianao ho fantatra hoe, mankaiza ilay 2eme generation, na hoe mankaiza ny tanora, dia inty izao ny sitatisitika @ zenerasiO ao zamerika ao ohatra.. jereo kely ny tabilao...
http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists#Atheists_In_America
2007, Pew Research Values Study: Percentage of people identifying themselves as atheist, agnostic or "no religion" by year of birth:
Date of birth -1946 : 5%
1946-1964: 11%
1965-1976: 14%
1977+: 19%

13. endriny
(
18/03/2015 17:19)
Izao ange ry namana a. Tsy hoe rehefa tsy mikambana amin'ny antokom-pinoana iray dia hoe athee.... aza adino io...
Raha ny fijeriko azy dia manomboka very an-dalana ny kristianina any amin'ny tany mandroso ka dia aty amin'ny tany mahantra izy no mitady kila anarenanana ny fatiantoka...
Raha ny fijeriko azy dia manomboka very an-dalana ny kristianina any amin'ny tany mandroso ka dia aty amin'ny tany mahantra izy no mitady kila anarenanana ny fatiantoka...
14. rhaj0
(
18/03/2015 17:39)
Toa izay koa ny fijeriko. Ireny ilay manao lobaka fotsy sy kravaty mandehandeha any Dago ireny anie toa saika tsy hitako aty akoriny e. Ny masera mpanao asa soa maro any Afrika ireny, rahefa aty izy, raha ny kely fantatro, toa any @ couvent fa TSY manao asa soa hotry ny fataony any Afrika akoriny.
Dia ny hita sy reko koa, dia ny beantitra no mameno ny Leglizy (sy ny mpiavy). Ary mikatona tsikelikely ny Leglizy.. Ny anglikana ao Kebek izao ohatra, dia toa 11 olona sisa tao @ ilay fiangonana farany tao, ary dia ho akatona hono, ary dia TSY misy Leglizy anglikana intsony eraky Kebek

15. sitlo
(
18/03/2015 18:01)
Amiko indray, aleo izy hino ny baiboly raha io no antony tsy angalarany sy tsy amonoany olona.
16. rhaj0
(
18/03/2015 18:02)
Marina ny fanamarihan'i Endriny hoe, TSY athee daholo ireo 19%-n'ny tanora teraka taorian'ny 1977 io, fa misy agnostic sy "no religion".
Ny ao zamerika ao mantsy dia ny any @ tanan-dehibe no misokatra ny olona, fa ohatra hono ao atsimotsimo sy atsinanananana ao, ry Mississippi sy Louisiana ets.. dia mbola tena mpivavaka be, ka raha miteny ianao hoe TSY mpivavaka dia ho voa-avakavaka.
io izao mety mifandray @ resak'i Strong3 sy ny "troupeau"-ny.
Amiko ny zava-dehibe dia miha-mahasahy mijoro hatrany ny tanora fa TSY ao anaty religion.
Ny aty izao dia manomboka misy koa ilay hoe "sortir du placard". Io ilay homosekisoaly no mahasahy mijoro maneho ny fiainany maha-homosekisoaly azy. Fa izao dia ny Atheist koa manomboka mi-"sortir du placard".

17. rhaj0
(
18/03/2015 18:15)
sitlo:
Amiko indray, aleo izy hino ny baiboly raha io no antony tsy angalarany sy tsy amonoany olona.
Eny.. raha izay no maha-hendry azy, sy koa maha-sambatra azy, dia mahasoava amin'azy ao azany kouh.
Fa indraidray io lasa mifono hevi-diso.
1- tsy hoe rehefa mino Baiboly dia hendry/masina. Koa na zareo samy mpino ao azany efa mahalala, fa mbola mody manipy io resaka globaloba io anamarina-tena rahefa miresaka finoana/fivavahana hafa ny olona
2- tsy ny Baiboly no manana ny monopole ny mampa-tsy mangalatra sy mamono. Ao zamerika dia 0.2%-n'ny any ampigadrana no atheist/agnostic/no religion, raha toa ka eo @ 10-15%-n'ny mponina anefa izy teo
Nisy etude hitako t@ 1 volana. Dia hoe, nojerena ny vokatry ny fametrahana "Didy" etsy sy eroa, ohatra hoe "aza mihoatra ity fefy ity", ao an-tokotanin-tsekoly. Dia ny Ankizy miaina ao anaty pancarte-didy etsy sy eroa, dia lasa "TSY mahay miaina" noho ireo Ankizy tsy nasiana pancarte izany. Ireto farany ireto dia misaina kokoa ny vokan'ny ataony, fa tsy hoe, hendry-nanaraka-pancarte-didy teo foana fotsiny.
18. rhaj0
(
18/03/2015 20:05)
fidinirina:
Salamo 111:10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena
Ito izao, miaraka tsara @ io resaka pancarte-didy-maha-dondrona io, dia tena revin'antitra (na revy fahagola, faha-taona 0) mihintsy.. "fahatahorana" ve no "maha-hendry" ???
Ny ahy izao no mba an'eritreritro : hendry ary manaja ny lalam-piaraha-monina aho, satria mahita soa sy tsara @ izay ataoko izay aho. Fa TSY hoe matahotra ny ho gadra aho dia hendry, na matahotra polisy, na matahotra an'i Sefobe...
Ary nefany ny "fahatahorana" indrindra azany no "mampandositra" na "mampatonga miady" = "Fight or Flight"... izay no reflexe normal.
Fa ny an'ny Kristiana moa izay "fampitahorana" izay izany no takany hampa-hendry ny olony, ary dia arahina tsindri-na verset fotsiny io, na dia mifanohitra @ reflexe normal azany, dia minou fotsiny ao dia basy izany hono...
...tena tsy azoko mihintsy...
19. sitlo
(
18/03/2015 20:11)
Raha ilay any ampigadrana aloha dia matetika ny mahantra no maro an'isa any. Ary araka ny fitenin'ny malagasy hoe "Raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy." Dia matetika ny olona mahantra no mora mirona amin'ny finoana. Misy mopera sy pasitera mihitsy mandeha mitory tena any ary ampiasaina kokoa io hampitahorana ireo mba tsy hanao ratsy rehefa tafavoaka ao. Ka tsy mahagaga raha be mpino any am-pigadrana.
Fa nisy gadra amerikanina natao interview izay aloha, tsy mino an'Andriamanitra izy, ary aminy dia toy ny fiaina'ny biby ny fiain'ny olona. Aminy dia adidin'ny ray aman-dreny sy ny mpitandro ny filaminana ny miaro ny ankizy raha tsy izay viravirain'ny biby hafa. Dia nangala-aza tokoa izy ary tena novonoiny ny zanak'ireo tsy nanome vola azy.

20. rhaj0
(
18/03/2015 20:27)
ilay criminel col blanc sy ny maffia koa nefany ... TSY mivezivezy ny fanahiny..
Fa ilay hoe izay "tsy-mino" dia "biby-loha" aloha dia misy amerimberina subliminal eo foana koa... misy mahavatra mikarakara interview... na dia 0.2%-n'ny mpigadra azany ho'a no "tsy-mino". Ny .. pretra nanolana ankizy izao nefany ohatra tsy vita interview mihitsiny, hoe tena mba ahoana ny tao an-dohany tao, nefa efa an'arivony zareo ireny.
Fa izao koa e : ireo 72%-n'ny Siantista izay "tsy-mino" angaha dia biby-loha ? ny ethique-n'ny siantista angaha nalaina tao @ Baiboly ? Ny serment d'Hippocrate izao efa ho 400 taona taloha an'i J.C.